Zakaria 1:1-21

  • Miverena amin’i Jehovah (1-6)

    • ‘Miverena amiko dia hiverina aminareo aho’ (3)

  • Fahitana 1: Mpitaingin-tsoavaly efatra (7-17)

    • “Hampionona an’i Ziona indray i Jehovah” (17)

  • Fahitana 2: Tandroka efatra sy mpiasa efatra (18-21)

1  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Zakaria*+ mpaminany zanak’i Berekia, zanak’i Ido, tamin’ny volana fahavalo tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy:+  “Tena tezitra be tamin’ny razambenareo i Jehovah.+  “Lazao amin’ny vahoaka hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “‘Miverena amiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hiverina aminareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”’  “‘Aza manahaka ny razambenareo. Nilaza taminy mantsy ny mpaminany fahiny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba aza atao intsony ireny* zava-dratsy fanaonareo ireny.’”’+ “‘Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha ny teniko’,+ hoy i Jehovah.  “‘Aiza izao ny razambenareo? Ary velona mandrakizay angaha ny mpaminany?  Tsy efa tanteraka tamin’ny razambenareo ve ny teniko, ary tsy nihatra taminy ve ny didy nolazaiko tamin’ny mpaminany mpanompoko?’+ Dia niverina tamiko izy ireo ka niteny hoe: ‘Araka izay nataontsika ihany no ataon’i Jehovah Tompon’ny tafika amintsika, satria efa tapa-kevitra ny hanao an’izany izy.’”+  Izao indray no tenin’i Jehovah tamin’i Zakaria mpaminany zanak’i Berekia, zanak’i Ido, tamin’ny andro faha-24 amin’ny volana faha-11, izany hoe ny volana Sebata,* tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy:+  “Izao no fahitana hitako tamin’ny alina: Iny nisy lehilahy nitaingina soavaly mena, nijanona teny amin’ireo hazo mirta tao anaty tevana. Ary tao aoriany dia nisy soavaly mena, sy soavaly mivolontsôkôlà manopy mena, ary soavaly fotsy.”  Dia hoy aho: “Fa iza ireo, tompoko?” Ary namaly ahy ilay anjely niresaka tamiko hoe: “Holazaiko aminao hoe iza ireo.” 10  Dia hoy ilay lehilahy nijanona teny amin’ireo hazo mirta: “Ireo no nirahin’i Jehovah hivezivezy eny ambonin’ny tany.” 11  Ary hoy izy ireo tamin’ilay anjelin’i Jehovah nijanona teny amin’ireo hazo mirta: “Efa nivezivezy teny ambonin’ny tany izahay, ka hitanay fa milamina tsara tsy misy korontana ny tany manontolo.”+ 12  Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô! Mandra-pahoviana ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda,+ izay nahatezitra anao nandritra izay 70 taona izay?”+ 13  Dia namaly an’ilay anjely niresaka tamiko i Jehovah, ary nahafinaritra sy nampionona ny teniny. 14  Dia hoy indray ilay anjely niresaka tamiko: “Miantsoantsoa hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tena hafana fo hiaro an’i Jerosalema sy Ziona aho.+ 15  Tezitra be aho, tezitra be amin’ireo firenena mieritreritra hoe milamina ny taniny.+ Tezitra kely ihany aho mantsy taloha,+ nefa izy ireo vao mainka nampitombo ny loza.”’+ 16  “Izao àry no tenin’i Jehovah: ‘“Hiverina eto Jerosalema aho ka hamindra fo aminy.+ Dia haorina eto ny tranoko,+ ary horefesina amin’ny tady fandrefesana i Jerosalema”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.’ 17  “Miantsoantsoa indray hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Mbola hitobaka ao amin’ireo tanànako ny zava-tsoa. Ary hampionona an’i Ziona indray i Jehovah,+ sady mbola hifidy an’i Jerosalema.”’”+ 18  Ary nijery aho ka nahita tandroka efatra.+ 19  Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Fa inona ireo?” Dia hoy izy: “Ireo tandroka ireo no nanaparitaka an’i Joda+ sy Israely+ ary Jerosalema.”+ 20  Ary nisy mpiasa efatra nasehon’i Jehovah ahy. 21  Dia hoy aho: “Fa hanao inona ireo?” Dia hoy izy: “Ireo tandroka ireo no nanaparitaka an’i Joda, ka lasa tsy nisy olona nahatraka intsony. Ary ho avy ireo mpiasa ireo ka hampitahotra sy hanjera ny tandrok’ireo firenena, izay efa nampiakatra ny tandrony hamelezana ny tanin’i Joda mba hanaparitahana ny vahoaka tao.”

Fanamarihana

Midika hoe “Nahatadidy i Jehovah.”
Na: “Mba miverena dia mialà amin’ireny.”