Zakaria 10:1-12

  • Mangataha orana amin’i Jehovah fa tsy amin’ny andriamani-diso (1, 2)

  • Hangonin’i Jehovah ny vahoakany (3-12)

    • Avy amin’i Joda no iavian’ilay lehibe (3, 4)

10  “Mangataha orana amin’i Jehovah rehefa tonga ny fotoanan’ny orana amin’ny lohataona. I Jehovah no mampisy rahona mitondra oram-baratra,Sy mandatsaka orana ho an’ny olona,+Ary manome zavamaniry eny an-tsaha ho an’ny tsirairay.   Fa mamitaka* ny sarivongana terafima.*Mahita fahitana tsy marina koa ny mpisikidy, Ka miresaka nofy tsy misy dikany,Ary miezaka hampionona nefa very maina fotsiny izany. Hirenireny hoatran’ny ondry àry ny olona. Hijaly izy ireo satria tsy misy mpiandry.   Tezitra be amin’ireo mpiandry aho,Ary hofaiziko ireo mpitarika mampijaly.*Fa karakarain’i Jehovah Tompon’ny tafika ny andian’ondriny,+ dia ny taranak’i Joda.Ary ataony hoatran’ny soavaliny tsara tarehy fitondrany miady izy ireo.   Avy amin’i Joda no iavian’ilay lehibe,*Avy aminy ilay mpitondra,*Avy aminy ilay tsipìka fiadiana,Avy aminy ny mpiandraikitra,* ary avy aminy izy rehetra ireo.   Ho lasa hoatran’ny miaramila izy ireo,Ka hanitsaka fotaka eny an-dalambe, rehefa any an’ady. Hiady izy ireo satria manampy azy i Jehovah,+Ary hatao afa-baraka ny mpitaingin-tsoavaly.+   Dia hataoko mandresy ny taranak’i Joda,Ary hovonjeko ny taranak’i Josefa.+ Haveriko amin’ny taniny izy ireo,Satria hamindra fo aminy aho.+Dia ho toy ny hoe tsy nariako mihitsy izy,+Fa izaho no Jehovah Andriamaniny, ka hamaly azy aho rehefa miantso izy.   Ho lasa hoatran’ny miaramila matanjaka ireo anisan’i Efraima,Ary hifaly ny fony, hoatran’ny fon’ny olona avy nisotro divay.+ Hahita an’izany ny zanany ka ho faly,Ary hiravoravo amin’i Jehovah ny fony.+   ‘Hisioka hiantso azy ireo aho ka hanangona azy rehetra.Fa havotako izy ireo,+ dia ho lasa be dia be,Ary ho maro be foana.   Na dia aparitako any amin’ireo firenena aza izy ireo, hoatran’ny voa afafy,Dia mbola hahatsiaro ahy izy ireo, any an-tany lavitra any.Ho velombelona indray izy sy ny zanany ka hiverina. 10  Hoentiko miverina avy any Ejipta izy ireo,Ary hangoniko avy any Asyria.+Hoentiko ho any Gileada+ sy Libàna izy ireo,Ary na any aza dia tsy hisy toerana ho antonona azy rehetra.+ 11  Dia hamakivaky ny ranomasina izy, ka hampisamboaravoara azy,Ary hokapohiny ny onjan-dranomasina.+Ho ritra koa ny rano rehetra ao Neily.* Haetry ny reharehan’i Asyria,Ary hiala ny tehim-panjakan’i Ejipta.+ 12  Izaho Jehovah no hahatonga azy handresy,+Ary handeha amin’ny anarako izy ireo’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana

Na: “miresaka momba ny herin’ny maizina; miresaka momba ny zavatra hafahafa.”
Na: “andriamanitry ny fianakaviana; sampy.”
Abt: “ireo osilahy.”
Abt: “tilikambo eo an-jorony.” Ilazana olona mitana toerana ambony izy io.
Abt: “hazo kely fanantonan-javatra.” Ilazana olona azo ianteherana izy io.
Na: “mpanery olona hiasa.”
Na: “Nil.”