Zakaria 11:1-17

  • Ny vokany rehefa tsy ekena ilay mpiandry avy amin’i Jehovah (1-17)

    • “Andraso ny andian’ondry natao hovonoina” (4)

    • Tehina roa: Imahafinaritra sy Firaisan-kina (7)

    • Karaman’ny mpiandry ondry: Volafotsy 30 sekely (12)

    • Natsipy tao amin’ny fitehirizan-karena ilay vola (13)

11  “Vohay ny vavahadinao, ry Libàna ô,Mba handevonan’ny afo ny hazo sederanao.   Midradradradrà, ry hazo zenevrie, fa efa nianjera ny sedera,Ary ripaka ny hazo mijoalajoala! Midradradradrà, ry hazo oaka ao Basana,Fa ripaka ny ala mikitroka!   Izany fa midradradradra ny mpiandry ondry,Satria afa-boninahitra izy ireo. Izany fa mierona ny liona tanora,Satria ripaka ny kirihitrala matevina teny amoron’i Jordana.  “Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitro: ‘Andraso ny andian’ondry natao hovonoina.+  Mamono azy ny mpividy azy,+ nefa tsy lazaina hoe meloka. Dia hoy ireo olona mivarotra azy:+ “Hoderaina anie i Jehovah, fa ho mpanankarena aho!” Ary tsy mangoraka azy ny mpiandry azy.’+  “‘Fa tsy hangoraka an’ireo mponina eto amin’ity tany ity intsony aho’, hoy i Jehovah. Koa hataoko resin’ny namany sy ny mpanjakany ny olona tsirairay. Dia horavan’izy ireo ity tany ity, nefa izaho tsy hamonjy azy eny an-tanany.’”  Dia niandry ny andian’ondry natao hovonoina aho,+ mba hahasoa anareo, ry andian’ondry nampahorina. Naka tehina roa àry aho, ka ny iray nantsoiko hoe Imahafinaritra, ary ny iray hoe Firaisan-kina.+ Dia nandrasako ny andian’ondry.  Tao anatin’ny iray volana, dia noroahiko ny mpiandry telo satria tsy zakako intsony ny nataony, ary ry zareo koa efa tsy tia ahy.  Dia hoy aho: “Tsy ho mpiandry anareo intsony aho. Izay efa ho faty, dia aleo ho faty any. Izay haringana, dia aleo ho ringana any. Ary izay sisa tavela, dia aleo samy hihinana ny nofon’ny namany avy.” 10  Nalaiko àry ilay tehiko atao hoe Imahafinaritra+ ka notapahiko. Nofoanako mantsy ilay fifanekena nataoko tamin’ny olona rehetra. 11  Dia nofoanana ilay izy, tamin’iny andro iny. Nijery ahy ilay andian’ondry nampahorina, dia fantany fa izany no tenin’i Jehovah. 12  Ary hoy aho tamin’ny olona: “Raha mety aminareo, dia omeo ahy ny karamako. Fa raha tsy mety, dia aza omena.” Dia naloany* ny karamako, ary volafotsy 30 sekely izany.+ 13  Hoy i Jehovah tamiko: “Atsipazo ao amin’ny fitehirizan-karena izany vola be nanombanany ahy izany.”+ Dia nalaiko ireo volafotsy 30 sekely, ka natsipiko tao amin’ny fitehirizan-karena tao an-tranon’i Jehovah.+ 14  Notapahiko koa ilay tehiko faharoa, dia ilay atao hoe Firaisan-kina.+ Lasa tsy mpirahalahy intsony mantsy ny Joda sy Israely.+ 15  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Alaivo ny fitaovana fampiasan’ny mpiandry tsy misy ilana azy.+ 16  Fa havelako hisy mpiandry ondry eto amin’ity tany ity. Tsy hikarakara an’ireo ondry efa ho faty izy,+ ary tsy hitady ny zanak’ondry, na hanasitrana an’izay maratra.+ Tsy homeny sakafo koa izay mbola mahatsangana. Hohaniny kosa ny nofon’izay matavy,+ ary hendahany ny kitron’ny ondry.+ 17  Hahita loza ny mpiandry tsy misy ilana azy,+ izay mandao ny ondry!+ Fa hisy sabatra hamely ny sandriny sy ny masony havanana. Dia halemy tanteraka ny sandriny,Ary ho jamba tanteraka* ny masony havanana.”

Fanamarihana

Abt: “nolanjainy.”
Abt: “hanjavozavo.”