Zakaria 12:1-14

  • Hiaro an’i Joda sy Jerosalema i Jehovah (1-9)

    • “Vato mavesatra” i Jerosalema (3)

  • Hidradradradra noho ilay nolefonina (10-14)

12  Fanambarana: “Ny tenin’i Jehovah momba ny Israely.”Izao no tenin’i Jehovah, Ilay namelatra ny lanitra,+Sy nametraka ny fototry ny tany,+Ary namorona ny ain’ny* olona, ka nametraka an’izany ao anatiny:  “I Jerosalema dia hataoko hoatran’ny kaopy* misy divay mampivembena an’ireo firenena rehetra manodidina azy. Hatao fahirano koa i Joda sy Jerosalema.+  Hataoko toy ny vato mavesatra amin’ny firenena rehetra i Jerosalema, amin’izany andro izany. Tsy maintsy haratra mafy daholo izay manainga azy.+ Dia hiangona hamely an’i Jerosalema ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+  Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia hataoko lasa matahotra be ny soavaly rehetra, ary hataoko lasa adala ny mpitaingina azy. Hitsinjo ny taranak’i Joda foana ny masoko, fa ny soavaly rehetran’ireo firenena kosa hataoko jamba.  Ary hiteny anakampo ireo lehibem-pokon’i Joda hoe: ‘Ny mponin’i Jerosalema no herinay avy amin’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitr’izy ireo.’+  Amin’izany andro izany, dia hataoko hoatran’ny vilany feno vainafo any an’ala ny lehibem-pokon’i Joda, sady hataoko hoatran’ny fanilo mirehitra eny amin’ny varimbazaha milahadahatra vao avy nojinjaina.+ Dia hodorany ny firenena rehetra manodidina, na ny eny ankavanany na ny eny ankaviany.+ Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hipetraka any amin’ny toerana nisy azy* ihany, izany hoe ao Jerosalema.+  “Ary ny tranolain’i Joda no hovonjen’i Jehovah voalohany, sao ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema indray no ho lasa tsara tarehy be* noho i Joda.  Ho fiarovana manodidina ny mponin’i Jerosalema i Jehovah,+ amin’izany andro izany. Ary izay tafintohina* dia ho lasa hoatran’i Davida, amin’izany andro izany. Ny taranak’i Davida kosa hitovy amin’Andriamanitra, hitovy amin’ilay anjelin’i Jehovah izay mandeha eo alohany.+  Ary tsy maintsy haringako izay firenena rehetra tonga hamely an’i Jerosalema, amin’izany andro izany.+ 10  “Handatsahako ny fanahiko ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema, ka hankasitrahako sy hitalaho amiko. Hijery an’ilay olona nolefoniny+ izy ireo ka hidradradradra hoatran’ny olona namoy zanaka lahitokana, sady halahelo be hoatran’ny olona namoy zanaka lahimatoa. 11  Hidradradradra mafy ny mponina ao Jerosalema amin’izany andro izany, hoatran’ny nataon’ny olona tao Hadadrimona, teo amin’ny Lemak’i Megido.+ 12  Dia hitomany isam-pianakaviana ny ao amin’ilay tany, ka samy hitomany mitokana na ny fianakaviamben’ny taranak’i Davida na ny vehivavy ao aminy, na ny fianakaviamben’ny taranak’i Natana+ na ny vehivavy ao aminy, 13  na ny fianakaviamben’ny taranak’i Levy+ na ny vehivavy ao aminy, na ny fianakaviamben’ny Simeita+ na ny vehivavy ao aminy, 14  na ny fianakaviana tsirairay amin’ny fianakaviambe sisa rehetra na ny vehivavy ao aminy.

Fanamarihana

Na: “fofonain’ny.”
Na: “vilia baolina.”
Na: “toerana tokony hisy azy.”
Na: “be voninahitra.”
Na: “malemy indrindra.”