Zakaria 13:1-9

  • Hesorina ny sampy sy ny mpaminany sandoka (1-6)

    • Ho menatra ny mpaminany sandoka (4-6)

  • Hasiana ny mpiandry ondry (7-9)

    • Hodiovina ny ampahatelony (9)

13  “Hisy lavadrano holavahana ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema, amin’izany andro izany. Hanadiovana azy ireo ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahalotoana izany.+  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “dia hofafako tsy hisy intsony eto amin’ity tany ity ny anaran’ireo sampy,+ ka tsy hotsarovana intsony. Hesoriko eto amin’ity tany ity koa ny mpaminany+ sy ny fanahin’ny fahalotoana.  Raha misy lehilahy mbola maminany, dia hilaza aminy ny rainy sy ny reniny niteraka azy hoe: ‘Ho faty ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’i Jehovah.’ Dia hanindrona azy amin’ny sabatra ny rainy sy ny reniny niteraka azy, satria izy naminany.+  “Samy ho menatra noho ny fahitana hitany ny mpaminany amin’izany andro izany, rehefa maminany. Dia tsy hanao akanjo volom-biby+ izy ireo mba hamitahana olona.  Ary hilaza izy hoe: ‘Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria izaho novidin’olona tamin’izaho mbola kely.’  Dia raha misy manontany izy hoe: ‘Inona ireny ratra eny amin’ny vatanao* ireny?’ Dia hoy izy: ‘Ratra azoko tamin’izaho tao an-tranon’ny namako* ireny.’”   “Ry sabatra ô, mifohaza mba hamely ny mpiandry ondriko,+Dia ilay lehilahy namako”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “Asio ny mpiandry,+ dia hiparitaka ny andian’ondry.*+Ary hamely an’ireo olona tsinontsinona ireo ny tanako.”   “Manerana an’ilay tany”, hoy i Jehovah,“Dia ho ripaka sy ho faty ny roa ampahatelon’ny mponina,Ary ny ampahatelony sisa no ho tavela ao.   Ary hataoko ao anaty afo ilay ampahatelony.Dia hodioviko hoatran’ny manadio volafotsy izy ireo,Ary hosedraiko hoatran’ny misedra volamena.+ Hiantso ny anarako izy,Dia hamaly azy aho. Hiteny aho hoe: ‘Vahoakako izy!’,+ Fa izy kosa hiteny hoe: ‘I Jehovah no Andriamanitray!’”

Fanamarihana

Abt: “eny anelanelan’ny tananao.” Izany hoe eo amin’ny tratra na lamosina.
Na: “olona tia ahy.”
Na: “ny ondry.”