Zakaria 3:1-10

  • Fahitana 4: Nosoloana ny akanjon’ny mpisoronabe (1-10)

    • Nanohitra an’i Josoa Mpisoronabe i Satana (1)

    • ‘Hitondra an’ilay mpanompoko atao hoe Tsimoka aho’ (8)

3  Ary nasehony ahy i Josoa+ mpisoronabe, izay nijoro teo anatrehan’ilay anjelin’i Jehovah. Teo koa i Satana+ nijoro teo ankavanany mba hanohitra azy.  Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Satana: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah, ry Satana!+ Hiteny mafy anao anie i Jehovah, izay nifidy an’i Jerosalema!+ Tsy kitay sisa tsy may nosintonina avy tao anaty afo ve io lehilahy io?”  Nanao akanjo maloto be i Josoa tamin’izy nijoro teo anatrehan’ilay anjely.  Ary hoy ilay anjely tamin’ireo nijoro teo anatrehany: “Esory ireny akanjony maloto ireny.” Dia hoy izy tamin’i Josoa: “Efa namela ny fahadisoanao* aho, ka hampanaovina akanjo tsara* be ianao.”+  Dia hoy aho: “Asio satroka lamba* madio ny lohany.”+ Dia nasian’izy ireo satroka lamba madio ny lohany, ary nampanaoviny akanjo izy. Ary nijoro teo akaiky teo ilay anjelin’i Jehovah.  Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Josoa:  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Raha manaraka an’izay atoroko ianao, ary manao ny andraikitra nomeko anao, dia ianao no ho mpitsara ao an-tranoko+ sy hikarakara* ny tokotaniko. Ary havelako hiditra malalaka hankeo amin’ireo mijoro ireo ianao.’  “‘Mihainoa, azafady, ry Josoa Mpisoronabe. Mihainoa ianao sy ireo namanao mipetraka eo anatrehanao, fa atao famantarana ianareo. Efa mitondra an’ilay mpanompoko+ atao hoe Tsimoka+ aho izao.  Jereo ilay vato napetrako eo alohan’i Josoa! Misy maso fito eo amin’ny vato iray. Ataoko sokitra ny soratra eo aminy’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ary hesoriko ao anatin’ny iray andro ny helok’ity tany ity.’+ 10  “‘Amin’izany andro izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia samy hanasa ny namanareo hialokaloka eo ambanin’ny voalobokareo sy ny aviavinareo ianareo.’”+

Fanamarihana

Na: “helokao.”
Na: “mihaja.”
Jereo F.F. B5.
Na: “hiandraikitra; hiambina.”