Zakaria 4:1-14

  • Fahitana 5: Fitoeran-jiro sy oliva roa maniry (1-14)

    • ‘Tsy amin’ny alalan’ny hery fa amin’ny alalan’ny fanahiko’ (6)

    • Aza atao tsinontsinona ny andron’ny zavatra tsotsotra (10)

4  Niverina ilay anjely niresaka tamiko, dia namoha ahy, hoatran’ny mamoha olona matory.  Dia hoy izy tamiko: “Inona no hitanao?” Ary hoy aho: “Fitoeran-jiro no hitako. Volamena izy manontolo,+ ary misy vilia baolina iray eo an-tampony. Misy jiro fito eo amboniny.+ Fito ny isany. Misy fantsona fito eo amin’ireo jiro, izay eo an-tampon’ilay fitoeran-jiro.  Ary misy oliva roa maniry eo akaikiny,+ ka ny iray eo ankavanan’ilay vilia baolina, ary ny iray eo ankaviany.”  Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Inona ny dikan’ireo, tompoko?”  Ary hoy ilay anjely niresaka tamiko: “Tsy fantatrao ve ny dikan’ireo?” Dia hoy aho: “Tsy fantatro, tompoko.”  Ary hoy izy tamiko: “Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: ‘“Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery,+ fa amin’ny alalan’ny fanahiko”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho lasa tany lemaka*+ ianao eo anatrehan’i Zerobabela.+ Ary hitondra an’ilay vato hapetraka eny an-tampon’ny tempoly izy, rehefa miantsoantso iny ny olona hoe: “Tsara be izy izany! Tsara be mihitsy!”’”  Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:  “Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fototr’ity trano ity,+ ary ny tanany koa no hamita an’ity trano ity.”+ Dia ho fantatrareo fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. 10  “Fa iza no manao tsinontsinona ny andron’ny zavatra tsotsotra tany am-boalohany?*+ Ho faly ny olona hahita ny pilao* eny an-tanan’i Zerobabela. Mason’i Jehovah ireo fito ireo, ary mijery eny rehetra eny manerana ny tany ireo.”+ 11  Dia hoy aho taminy: “Inona ny dikan’ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ilay fitoeran-jiro sy eo ankaviany?”+ 12  Nanontaniako fanindroany izy hoe: “Inona ny dikan’ireo rantsany* amin’ny hazo oliva roa ireo, izay mamoaka ranon-javatra mivolombolamena avy eo amin’ny fantsona volamena roa?” 13  Ary hoy izy tamiko: “Tsy fantatrao ve ny dikan’ireo?” Dia hoy aho: “Tsy fantatro, tompoko.” 14  Ary hoy izy: “Ireo dia voahosotra roa izay mijoro eo anilan’ilay Tompon’ny tany manontolo.”+

Fanamarihana

Na: “lohasaha.”
Na: “andron’ny zava-madinika.”
Abt: “vato, firapotsy.”
Izany hoe rantsany misy voany.