Zakaria 5:1-11

  • Fahitana 6: Horonam-boky manidina (1-4)

  • Fahitana 7: Efaha famarana (5-11)

    • Vehivavy tao anatiny, atao hoe Faharatsiana (8)

    • Nentina tany Sinara ilay efaha famarana (9-11)

5  Nijery indray aho ka nahita horonam-boky nanidina.  Ary hoy ilay anjely tamiko: “Inona no hitanao?” Dia hoy aho: “Horonam-boky manidina no hitako. Mirefy 20 hakiho* ny lavany, ary 10 hakiho ny sakany.”  Ary hoy izy: “Iny ilay ozona mivoaka hitety ny tany manontolo. Tsy nosazina mantsy izay nangalatra,+ nefa voaozona izy araka ny voasoratra eo amin’ilay horonam-boky. Tsy nosazina koa izay nianiana, nefa voaozona izy+ araka ny voasoratra ao ambadik’ilay horonam-boky.  ‘Nalefako ilay ozona’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra, sy ao an-tranon’izay mianiana lainga amin’ny anarako. Dia hijanona ao amin’ilay trano izany, ka handrava an’ilay trano sy ny hazo ary ny vato nanaovana azy.’”  Nanatona indray ilay anjely niresaka tamiko, ka niteny hoe: “Mba jereo ange iny mivoaka iny e!”  Ary hoy aho: “Fa inona iny?” Dia hoy izy: “Efaha famarana* iny mivoaka iny.” Hoy koa izy: “Hoatran’iny ny ratsy fanahy rehetra eran-tany.”  Nisy sarony firamainty boribory ilay famarana. Ary hitako fa rehefa ningaina ny sarony, dia io fa nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin’ilay famarana.  Ary hoy ilay anjely: “Io ny Faharatsiana.” Dia natosiny hiverina tao anatin’ilay efaha famarana ilay vehivavy. Ary nosaronany haingana tamin’ny sarony firamainty ny vavan’ilay famarana avy eo.  Dia nijery aho ka nahita vehivavy roa nanatona. Nanidina ambony be izy ireo, ary hoatran’ny elatry ny vanobe ny elany. Dia nampiakariny ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay famarana. 10  Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Fa hoentin’izy ireo aiza iny efaha famarana iny?” 11  Dia hoy izy: “Any Sinara.*+ Hanaovana trano any mantsy ilay vehivavy. Rehefa vita ilay trano, dia hapetraka any izy, eo amin’ny toerana tokony hisy azy.”

Fanamarihana

1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Abt: “Ny efaha.” Sobika famarana iray efaha ilay izy eto. 1 efaha = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
Izany hoe Babylonia.