Zakaria 6:1-15

  • Fahitana 8: Kalesy efatra (1-8)

  • Ho mpanjaka sy mpisorona ilay Tsimoka (9-15)

6  Dia nijery indray aho ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa, ary varahina ireo tendrombohitra ireo.  Mena ireo soavaly nitarika an’ilay kalesy voalohany, ary mainty ireo nitarika an’ilay faharoa.+  Soavaly fotsy kosa ireo nitarika an’ilay kalesy fahatelo, ary soavaly misy pentimpentina sy soavaly maramara+ no nitarika an’ilay fahefatra.  Hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: “Inona ny dikan’ireo, tompoko?”  Dia hoy ilay anjely: “Ireo no fanahy efatry+ ny lanitra. Mivoaka avy eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany manontolo izy ireo.+  Mivoaka ho any amin’ny tany any avaratra+ ilay kalesy tarihin’ireo soavaly mainty, ary ho any amin’ny tany eny ampitan’ny ranomasina ireo soavaly fotsy. Ireo soavaly misy pentimpentina kosa ho any amin’ny tany any atsimo.  Efa maika handeha hivezivezy eny ambonin’ny tany koa anefa ireo soavaly maramara.” Ary hoy ilay anjely: “Mandehana mivezivezy eny ambonin’ny tany.” Dia nivezivezy teny ambonin’ny tany izy ireo.  Dia niantso ahy izy ka niteny hoe: “Ireo soavaly nankany amin’ny tany any avaratra no nampitony an’i Jehovah any amin’ny tany any avaratra.”  Niteny tamiko indray i Jehovah hoe: 10  “Alaivo any amin’i Helday sy Tobia ary Jedaia ny zavatra nentin-dry zareo avy tany amin’ny olona tany an-tsesitany. Dia mankanesa any an-tranon’i Josia zanak’i Zefania, amin’io andro io ihany, miaraka amin’ireo olona avy tany Babylona ireo. 11  Makà volafotsy sy volamena ka manamboara satroboninahitra,* dia ataovy eo amin’ny lohan’i Josoa+ mpisoronabe, zanak’i Jozadaka, ilay izy. 12  Dia teneno izy hoe:“‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Ity ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka.+ Hitsimoka eo amin’izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin’i Jehovah.+ 13  Izy no hanorina ny tempolin’i Jehovah, ary izy koa no hahazo voninahitra. Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany koa izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo. 14  Ary hatao ao amin’ny tempolin’i Jehovah ilay satroboninahitra,* mba ho fahatsiarovana* an’i Helema sy Tobia sy Jedaia+ ary Hena, zanak’i Zefania. 15  Ary ho tonga ny avy lavitra, ka handray anjara amin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah koa.” Dia ho fantatrareo fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha tena mihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.’”

Fanamarihana

Na: “satroboninahitra tsara tarehy.”
Na: “satroboninahitra tsara tarehy.”
Na: “mba tsy hanadinoana.”