Zakaria 7:1-14

  • Tsy tian’i Jehovah ny fifadian-kanina nataon’ny Israelita (1-14)

    • ‘Noho izaho tokoa ve no nahatonga anareo hifady hanina?’ (5)

    • ‘Miezaha ho be fitiavana sy tsy hivadika ary hamindra fo’ (9)

7  Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy Mpanjaka, dia niteny tamin’i Zakaria+ i Jehovah, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, izany hoe ny volana Kisleo.*  Nirahin’ny mponin’i Betela i Sarezera sy Regema-meleka sy ny olony, mba hitady sitraka amin’i* Jehovah,  ka hanontany an’ireo mpisorona tao an-tranon’i* Jehovah Tompon’ny tafika sy hanontany ny mpaminany, hoe: “Tokony hitomany ve aho amin’ny volana fahadimy,+ ka hifady hanina hoatran’ny efa nataoko tao anatin’izay taona maro be izay?”  Niteny tamiko indray i Jehovah Tompon’ny tafika hoe:  “Lazao amin’ny olona rehetra eto amin’ity tany ity sy amin’ny mpisorona, hoe: ‘Nifady hanina sy nidradradradra ianareo tamin’ny volana fahadimy sy fahafito,+ nandritra ny 70 taona.+ Noho izaho tokoa ve anefa no nahatonga anareo hifady hanina tamin’ireny?  Rehefa nihinana sy nisotro ianareo, tsy ho an’ny tenanareo ihany ve no nanaovanareo an’izany?  Ary tsy tokony ho nankatò ny teny nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny ve ianareo?+ Mbola nisy mponina tao Jerosalema sy tao amin’ny tanàna nanodidina azy tamin’izany, ary niadana izy ireo. Mbola nisy mponina koa i Negeba sy Sefela.’”  Niteny tamin’i Zakaria indray i Jehovah hoe:  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mitsarà araka ny rariny,+ dia miezaha koa ho be fitiavana sy tsy hivadika+ ary hamindra fo aminareo samy ianareo. 10  Aza manambaka ny mpitondratena, na ny kamboty ray,+ na ny hafa firenena,+ na ny mahantra.+ Dia aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo avy ianareo, mba hamelezana ny namanareo.’+ 11  Tsy nety nihaino mihitsy anefa izy ireo,+ sady mafy loha+ sy nanao be marenina.+ 12  Nataony mafy toy ny vato* ny fony,+ dia tsy nankatoaviny ny lalàna* sy ny teny nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika tamin’ny alalan’ny fanahiny ka nasainy nampitain’ny mpaminaniny fahiny.+ Dia tezitra be i Jehovah Tompon’ny tafika.”+ 13  “‘Koa satria tsy nihaino izy ireo rehefa niantso aho,*+ dia tsy hihaino koa aho rehefa miantso izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 14  ‘Ary naparitako tamin’ny tafio-drivotra izy ireo ka niely eran’ny firenena rehetra tsy fantany.+ Dia tsy nisy mponina intsony ilay tany rehefa nilaozan’izy ireo, ka tsy nisy nandalo na niverina nankany.+ Lasa tsy nahafinaritra intsony ilay tany noho ny nataon’izy ireo, ka nihorohoro ny olona rehefa nahita azy io.’”

Fanamarihana

Abt: “mba hampitony ny tarehin’i.”
Na: “tao amin’ny tempolin’i.”
Ilazana diamondra na vato mafy hafa ilay teny hebreo eo.
Na: “toromarika.”
Abt: “izy.”