Zakaria 8:1-23

  • Hampisy fiadanana sy fahamarinana ao Ziona i Jehovah (1-23)

    • “Tanànan’ny fahamarinana i Jerosalema” (3)

    • “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy” (16)

    • Fifadian-kanina lasa fety be (18, 19)

    • ‘Andao hitady an’i Jehovah’ (21)

    • Folo lahy hitazona ny akanjon’ny Jiosy iray (23)

8  Niteny indray i Jehovah Tompon’ny tafika hoe:  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Tena hafana fo hiaro an’i Ziona aho.+ Ho tezitra be aho, ka hanao zavatra ho azy.’”  “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hiverina ao Ziona aho,+ dia honina ao Jerosalema.+ Hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana*+ i Jerosalema, ary hatao hoe tendrombohitra masina ilay tendrombohitr’i Jehovah Tompon’ny tafika.’”+  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hipetrapetraka eny amin’ny tany malalaka ao Jerosalema indray ny lehilahy sy vehivavy zokiolona. Samy hitondra tehina izy ireo satria efa be taona.*+  Ary ho feno ankizilahy sy ankizivavy milalao ny tany malalaky ny tanàna.’”+  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mety hieritreritra ny olona sisa tavela amin’ity vahoaka ity amin’izany andro izany hoe hoatran’ny sarotra loatra izany. Ho sarotra loatra amiko koa ve anefa izany?’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hovonjeko avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any andrefana* ny vahoakako.+  Hoentiko any Jerosalema izy ireo ka hipetraka ao.+ Dia ho vahoakako izy ireo, ary izaho izay manao ny marina* sy mahitsy no ho Andriamaniny.’”+  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mahereza ka ataovy vonona hiasa ny tananareo,+ dia ianareo izay maheno an’izany teny izany avy amin’ny vavan’ny mpaminany.+ Izany koa no efa nolazaina tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranon’i Jehovah Tompon’ny tafika, mba hanorenana ny tempoly. 10  Tsy nomena karama na ny olona na ny biby,+ talohan’izany andro izany. Nampahatahotra daholo koa izay rehetra naleha satria nisy fahavalo. Nataoko nifamely mantsy ny olona rehetra.’ 11  “‘Tsy hataoko hoatran’ny taloha intsony anefa ny hitondrako ny olona sisa tavela amin’ity vahoaka ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 12  ‘Fa hafafy ny voan’ny fiadanana. Hamoa ny voaloboka, hamokatra ny tany,+ ary handrotsaka ando ny lanitra. Ary homeko ho lovan’izay sisa tavela amin’ity vahoaka ity izany rehetra izany.+ 13  Ry taranak’i Joda sy taranak’Israely ô, taloha dia ny anaranareo no nampiasain’ireo firenena rehefa nanozona.+ Hovonjeko anefa ianareo ka ny anaranareo indray no hampiasain’ny olona rehefa mitso-drano.+ Aza matahotra,+ ary mahereza dia ataovy vonona hiasa ny tananareo.’+ 14  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘“Tapa-kevitra ny handefa loza taminareo aho taloha satria tena nampahatezitra ahy ny razambenareo, ary tsy nanenina aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.+ 15  Dia tapa-kevitra hoatr’izany koa aho izao ny hanao soa amin’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda.+ Koa aza matahotra!”’+ 16  “‘Izao no tokony hataonareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.+ Ary tokony hanao ny rariny sy hampihavana ny olona ianareo rehefa mamoaka didim-pitsarana eo am-bavahadinareo.+ 17  Aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo avy ianareo, mba hamelezana ny namanareo,+ ary aza tia mianiana lainga.+ Fa halako ireo zavatra rehetra ireo’,+ hoy i Jehovah.” 18  Niteny tamiko indray i Jehovah Tompon’ny tafika hoe: 19  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Ho faly be sy ho ravoravo ny taranak’i Joda, amin’ny fotoana fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra,+ sy amin’ny volana fahadimy,+ sy amin’ny volana fahafito,+ ary amin’ny volana fahafolo.+ Ho lasa fety be ireo fotoana ireo.+ Koa tiavo ny fahamarinana sy ny fihavanana.’ 20  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Tsy maintsy mbola ho tonga eto ny vahoaka sy ny mponina any amin’ny tanàna maro. 21  Dia hankany amin’ny mponin’ny tanàna iray ny mponin’ny tanàna anankiray, ka hiteny hoe: “Andao haingana hiangavy an’i Jehovah mba hankasitraka antsika,* sady hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika. Izaho koa mantsy mba handeha.”+ 22  Hisy vahoaka maro sy firenena matanjaka ho avy mba hitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika any Jerosalema,+ sy hiangavy an’i Jehovah mba hankasitraka azy.’* 23  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Amin’izany andro izany, dia hisy folo lahy avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena+ hitazona ny akanjon’ny* Jiosy* iray. Hitazona mafy an’ilay akanjo izy ireo ka hiteny hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay,+ fa efa henonay hoe manampy anareo Andriamanitra.”’”+

Fanamarihana

Na: “tsy fivadihana.”
Abt: “efa be dia be ny andro.”
Na: “avy any amin’ny tany fiposahan’ny masoandro sy avy any amin’ny tany filentehany.”
Na: “izay tsy mivadika.”
Abt: “hampitony ny tarehin’i Jehovah.”
Abt: “sy hampitony ny tarehin’i Jehovah.”
Na: “sisin-damban’ny.”
Abt: “lehilahy jiosy.”