Zakaria 9:1-17

  • Nomelohin’i Jehovah ireo firenena manodidina (1-8)

  • Tonga ny mpanjakan’i Ziona (9, 10)

    • Mpanjaka manetry tena mitaingina ampondra (9)

  • Hafahana ny vahoakan’i Jehovah (11-17)

9  Fanambarana: “Manameloka ny tany Hadraka ny tenin’i Jehovah,Ary i Damaskosy no kendreny.*+Fa mijery ny olombelona ny mason’i Jehovah,+Sady mijery ny foko rehetran’ny Israely.   Melohiny koa i Hamata+ izay eo amin’ny sisin-taniny,Ary Tyro+ sy Sidona,+ fa mihevi-tena hoe hendry be.+   Nanangana manda* fiarovana i Tyro, Sady nanangona volafotsy be dia be hoatran’ny vovoka,Sy volamena be dia be hoatran’ny fotaka eny an-dalana.+   Hesorin’i Jehovah aminy ny fananany,Ary haripany any anaty ranomasina*+ ny tafiny.Dia ho levon’ny afo+ izy.   Hahita an’izany i Askelona ka hatahotra,Ary hitebiteby be i Gaza.Ho toy izany koa i Ekrona, satria atao afa-baraka ilay nantenainy. Hisy mpanjaka ho faty ao Gaza,Ary tsy hisy mponina intsony ao Askelona.+   Zazasary no hipetraka ao Asdoda,Ary tsy havelako hirehareha intsony ny Filistinina.+   Hesoriko eny am-bavany ny zavatra mbola misy ra,Ary hesoriko eo anelanelan’ny nifiny ny zavatra maharikoriko.Izy irery sisa no ho tavela ho an’ilay Andriamanitsika.Ho lasa hoatran’ny lehibem-poko any Joda+ izy,Ary i Ekrona ho lasa hoatran’ny Jebosita.+   Hijanona eo ivelan’ny tranoko toy ny mpiambina* aho,+Ka tsy hisy olona hivoaka sy hiditra ao.Ary tsy hisy handalo eo intsony ny mpanery olona hiasa,*+Fa efa hitan’ny masoko mihitsy izany.*   Mifalia, ry Ziona zanakavavy ô! Manaova horakora-pandresena, ry Jerosalema zanakavavy ô! Iny tonga atỳ aminao iny ny mpanjakanao.+ Manao ny marina izy sady mamonjy.*Manetry tena+ izy ka mitaingina ampondra.Zanak’ampondra* no taingenany, dia zanaky ny ampondravavy.+ 10  Hesoriko ny kalesy fitondra miady ao Efraima,Sy ny soavaly ao Jerosalema. Hesorina koa ny tsipìka fiadiana. Hiresaka momba ny fihavanana* any amin’ireo firenena izy.+Hanjaka hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy,Ary hatrany amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ 11  Fa noho ny ran’ilay fifanekena nifanaovako taminao, ravehivavy,Dia havoakako avy ao anaty lavaka tsy misy rano ny olonao migadra.+ 12  Miverena any amin’ilay tanàna voaro mafy, ry gadra be fanantenana.+ Izao no teniko aminao androany:‘Hataoko avo roa heny ny anjaranao, ravehivavy.+ 13  Haforitro* hoatran’ny tsipìkako i Joda, Ka i Efraima no hataoko hoatran’ny zana-tsipìka.Hampirisihiko ny zanakao, ry Ziona,Mba hiady amin’ny zanakao, ry Gresy ô!Ary hataoko hoatran’ny sabatry ny miaramila ianao.’* 14  Ho hita hoe miaraka amin’ny vahoakany i Jehovah,Ary hitsoriaka hoatran’ny tselatra ny zana-tsipìkany. Hitsoka anjombona+ i Jehovah Tompo Fara Tampony,Ary handroso miaraka amin’ny tafio-drivotra avy any atsimo izy. 15  Hiaro azy ireo i Jehovah Tompon’ny tafika.Dia holevonin’izy ireo ny vatom-pilotra ka hataony tsy mahavoa azy.+ Hisotro izy ireo, ka hihorakoraka hoatran’ny olona avy nisotro divay.Dia hofenoina toy ny vilia baolina,Sy toy ny zoron’ny alitara izy ireo.+ 16  Hamonjy azy ireo i Jehovah Andriamaniny amin’izay andro izay,Satria vahoakany sy andian’ondriny izy ireo.+Fa ho toy ny vatosoa eo amin’ny satroboninahitra* izy ireo, dia vatosoa mamirapiratra eo amin’ny taniny.+ 17  Tena tsara toetra mantsy izy,+Sady tena tsara tarehy. Varimbazaha no hampahatanjaka ny tovolahy,Ary divay vaovao no hampahatanjaka ny virjiny.”+

Fanamarihana

Abt: “toerana fialany sasatra.”
Na: “tovon-tany.”
Na mety hoe “eny amin’ny ranomasina.”
Na: “toby mpitily.”
Na: “mpampijaly.”
Azo inoana hoe ny fampahoriana ny vahoakany.
Na: “Ampondralahy.”
Na: “mandresy; voavonjy.”
Na: “fiadanana.”
Izany hoe Eofrata.
Abt: “Hitsahiko.”
Azo inoana hoe i Ziona.
Na: “diadema.”