Zefania 1:1-18

  • Akaiky ny andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany (1-18)

    • Manatona haingana be ny andron’i Jehovah (14)

    • Tsy mahavonjy ny volafotsy sy ny volamena (18)

1  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Zefania,* zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andron’i Josia+ zanak’i Amona+ mpanjakan’ny Joda:   “Haripako tanteraka tsy hisy eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra”, hoy i Jehovah.+   “Haripako ny olona sy ny biby. Haripako ny voro-manidina eny amin’ny lanitra sy ny trondro any an-dranomasina,+Ary ny vato mahatafintohina*+ sy ny ratsy fanahy.Hesoriko tsy hisy eny ambonin’ny tany ny olona”, hoy i Jehovah.   “Hanatsotra ny tanako aho mba hamely an’i JodaSy ny mponina rehetra ao Jerosalema.Hofoanako tsy hisy ao intsony izay sisa* tavela amin’i Bala,+Sy ny anaran’ny mpisoron’ny andriamani-kafa, ary ny anaran’ny mpisorona hafa.+   Haringako koa izay mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+Haringako izay miankohoka ka mianiana fa tsy hivadika amin’i Jehovah,+Nefa koa mianiana hoe tsy hivadika amin’i Malkama,+   Ary izay miala amin’i Jehovah+Sady tsy mitady an’i Jehovah na manontany azy.”+   Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo Fara Tampony, fa akaiky ny andron’i Jehovah!+ Efa nanomana sorona i Jehovah, ary efa nanamasina an’ireo nasainy.   “Izaho, Jehovah, dia hanao sorona, ary amin’izay andro izay aho no hanasazy ny andriana,Sy ny taranaky ny mpanjaka,+ ary izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.   Hanasazy an’izay miakatra eo amin’ny lampihazo* aho amin’izany andro izany,Dia ireo olona be dia be mamitaka sy mahery setra ao an-tranon’ny tompony. 10  Ary amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah,“Dia hisy feo mikiakiaka avy any amin’ny Vavahadin-trondro,+Sady hisy olona hidradradradra avy any amin’ny tanàna vaovao,+Ary hisy feon-javatra midoboka mafy avy eny amin’ny havoana. 11  Midradradradrà, ry mponin’i Maktesy,*Satria ho ripaka* ny mpivarotra* rehetra,Ary ho ringana daholo ny mpandanja volafotsy. 12  Amin’izany andro izany, dia hitondrako jiro i Jerosalema ka hataoko savahao.Dia hosaziko ireo olona tsy mivaky loha,* izay mieritreritra hoe:‘Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.’+ 13  Horobaina ny harenany, ary horavana ny tranony.+ Hanao trano izy, nefa tsy hipetraka ao,Ary hamboly voaloboka, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.+ 14  Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah.+ Efa akaiky izy io, sady manatona haingana be.*+ Ho andro mangidy ilay andron’i Jehovah.+ Hitomany mafy ny miaramila, amin’izay fotoana izay.+ 15  Andron’ny hatezerana izany,+Andron’ny fahoriana sy fijaliana,+Andro hisian’ny rivo-mahery sy fandravana,Andro maizina sy manjombona,+Andro mandrahona sady maizim-pito,+ 16  Andro hahenoana feon’anjombona sy hiakan’ady,+Mba hamelezana ny tanàna voaro mafy sy ny tilikambo avo eny an-jorony.+ 17  Ary hampahoriko ny olonaKa handeha hoatran’ny jamba,+Satria efa nanota tamin’i Jehovah.+ Dia hararaka hoatran’ny vovoka ny rany,Ary hariana hoatran’ny taim-biby ny nofony.*+ 18  Samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah na ny volafotsiny na ny volamenany.+Fa toy ny afo ny fahatezerany ka handevona ny tany manontolo,+Satria handripaka ny mponina rehetra eto an-tany izy,+ ary tena hahatsiravina izany.”

Fanamarihana

Midika hoe “Nanafina (Nitahiry) i Jehovah.”
Azo inoana hoe zavatra na fanao misy ifandraisany amin’ny fanompoan-tsampy.
Na: “soritra.”
Na: “sehatra, tokonana.” Mety hoe ny lampihazo nisy ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
Na: “mpivaro-mandeha.”
Angamba faritra tao Jerosalema teo akaikin’ny Vavahadin-trondro.
Abt: “hataoko tsy mahateny.”
Abt: “ireo faikan-divay mihandrona”, hoatran’ny ao anaty barìka fasiana divay.
Na: “mihazakazaka mafy.”
Abt: “tsinainy.”