Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana Zo Hisafidy Ianao

Manana Zo Hisafidy Ianao

Manana Zo Hisafidy Ianao

Ny dingana iray ara-pitsaboana misy ankehitriny (antsoina hoe famakafakana ny loza sy ny soa azo) dia manamora kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny dokotera sy ny marary, amin’ny fanilihana ny fitsaboana ny aretina amin’ny alalan’ny ra. Mandanja ny anton-javatra ireo dokotera, toy ny loza mety hoentin’ny fanafody sasany na ny fandidiana iray, ary izay mety ho soa azo. Afaka mandray anjara amin’ny famakafakana toy izany koa ny marary.

Aoka isika haka ohatra iray, izay mety hahakasika olona amin’ny toerana maro: ny aretina mitaiza mahavoa ny kambontenda (amygdalite chronique). Raha toa ka manana an’io zava-manahirana io ianao, dia azo inoana fa hanatona dokotera. Raha ny marina, dia roa angamba no hohatoninao, satria manoro hevitra matetika ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana mba hakana hevitra faharoa. Mety hanoro hevitra ny hanaovana fandidiana ilay voalohany. Soritany izay asehon’izany: ny faharetan’ny fijanonana any amin’ny hôpitaly, ny hamafin’ny fanaintainana, ary ohatrinona no ho lany. Raha ny amin’ny loza mety hitranga, dia hilaza izy fa tsy fahita firy ny fandehanan-dra be ary tena mahalana ny fahafatesana vokatr’izany karazana fandidiana izany. Kanefa mety hampirisika anao hanandrana ny fitsaboana amin’ny alalan’ny antibiôtika ilay dokotera manome ny hevitra faharoa. Hanazava izy hoe karazana fanafody inona ilay izy, ny mety ho fahombiazany sy ny vidiny. Raha ny amin’ny loza mety hitranga, dia hilaza izy fa marary vitsy dia vitsy no nahita vokatra ratsy avy amin’ilay fanafody, ka ho nahatandindomin-doza ny ainy.

Nandinika izay mety ho loza sy ho soa angamba ny mpitsabo mahay tsirairay, nefa ankehitriny dia ianao no tokony hanombana ny loza sy ny soa mety ho azo, toy izany koa ireo anton-javatra hafa izay fantatrao tsara. (Tsara toerana mba handinika ny endriny toy ireto ianao: ny tanjakao ara-pihetseham-po sy ara-panahy, ny fahafahana ara-bolan’ny fianakavianao, ny ho vokany eo amin’ny fianakavianao, ary ny fitsipi-pitondrantena arahinao manokana.) Avy eo ianao vao misafidy. Angamba hanaiky amim-pahalalana tsara ny fitsaboana iray ianao, fa handa ilay hafa kosa.

Dia ho tahaka izany koa no izy, raha toa ka ny zanakao no voan’ny aretina mitaiza mahavoa ny kambontenda. Tsy maintsy hosoritany aminao ray aman-dreny tia, izay voakasika mivantana indrindra sady manana andraikitra hizaka ny vokany, ny amin’ny loza sy ny tombony ary ny fitsaboana azo ampiasaina. Rehefa voadinika ireny endriny rehetra ireny, dia afaka manao safidy amim-pahalalana tsara momba an’io raharaha mahakasika ny fahasalaman’ny zanakao sy ny ainy mihitsy io aza ianao. Angamba hanaiky ny fandidiana ianao, miaraka amin’ny loza mety hoentiny. Mety hifidy ny fitsaboana amin’ny antibiôtika ny ray aman-dreny hafa, miaraka amin’ireo loza mety haterany. Tahaka ny tsy hitovian’ny torohevitra omen’ny mpitsabo, dia toy izany koa fa tsy mitovy izay heverin’ireo marary na ireo ray aman-dreny ho tsara. Izany dia fahazoana an-tsaina ny toetra manokan’ny safidy atao amim-pahalalana tsara (ny loza sy ny tombony).

Ahoana ny amin’ny fampiasana ra? Tsy misy olona mandinika amin’ny saina tsy miangatra ny zava-misy afaka mandà ny fisian’ny loza lehibe amin’ny fampidiran-dra. Nampiharihary tsara izany ny Dr. Charles Huggins, talen’ny sampan-draharaha mikarakara ny fampidiran-dra ao amin’ny hôpitaly lehibe indrindra any Massachussets: “Mbola tsy azo antoka toy izao mihitsy ny ra. Nefa tsy maintsy heverina ho misy loza tsy azo ihodivirana izy io. Izy io no foto-javatra mampidi-doza indrindra ampiasaintsika amin’ny fitsaboana”. — The Boston Globe Magazine, 4 Febroary 1990.

Notoroana hevitra tamin’ny fomba nety tokoa ny mpiasa amin’ny fitsaboana: “Ilaina koa ny hanombanana indray ny anjara raisin’ny loza amin’ny fifandraisan’ny loza sy ny soa, raha ny amin’ny fampidiran-dra ary ny hitadiavana solony”. (Izahay no manipika.) — Perioperative Red Cell Transfusion, kaonferansan’ny National Institutes of Health, 27-29 Jona 1988.

Mety hisy mpitsabo tsy hiray hevitra raha ny amin’ny soa na ny loza mety ho azo amin’ny fampiasana ra. Ny mpitsabo iray mety hampiasa fampidiran-dra be dia be dia hiaiky fa mendrika hosetraina ny loza mety hoentiny. Ny iray hafa kosa mety hihevitra fa tsy azo hamarinina ny loza mety hisy, satria nahazo vokatra tsara tamin’ny fikarakarana ara-pitsaboana tsy misy fampiasana ra izy. Kanefa, ianao, marary na ray aman-dreny, no tsy maintsy hanapa-kevitra amin’ny farany. Nahoana moa no ianao? Satria ny tenanao (na ny an’ny zanakao), ny ainao, ny fitsipi-pitondrantena arahinao ary ny fifandraisanao lehibe indrindra amin’Andriamanitra, no voakasika.

EKENA NY ZONAO

Amin’ny faritra maro, dia manana zo tsy azo dikaina hanapa-kevitra momba izay fitsaboana tiany horaisina ankehitriny ny marary. “Miorina amin’ny soso-kevitra roa ny lalàna ny amin’ny fanekena atao amim-pahalalana tsara: voalohany, dia manana zo hahazo fanazavana ampy mba hanaovana safidy amim-pahalalana tsara momba ny fitsaboana hasaina horaisiny ny marary iray; ary faharoa, dia afaka misafidy ny handray na handa ny fanoloran-kevitry ny mpitsabo ilay marary. (...) Raha tsy heverina ho toy ny manana zo hiteny hoe tsia, ary koa eny, sy eny misy fepetra mihitsy aza ny marary, dia hanjavona ny fototra betsaka amin’ny fanekena atao amim-pahalalana tsara”. — Informed Consent — Legal Theory and Clinical Practice, 1987. *

Nisetra fanoherana ny marary sasany rehefa nanandrana nampihatra ny zony. Angamba izany avy amin’ny namana iray manana fihetseham-po mahery momba ny fandidiana kambontenda na momba ny antibiôtika. Na, mety hino mafy ny fahitsian’ny toroheviny ny mpitsabo iray. Mety tsy hitovy hevitra amin’ilay marary mihitsy koa ny mpitantan-draharaha ao amin’ny hôpitaly iray, noho ny antony ara-dalàna na ara-bola.

“Mifidy ny tsy handidy marary [Vavolombelona] ny ‘orthopédistes’ (dokotera manam-pahaizana momba ny fiarovana sy ny fanitsiana ny kilema amin’ny vatana)”, hoy ny Dr. Carl L. Nelson. “Inoanay fa manana zo handa izay mety ho karazana fitsaboana ny marary. Raha toa ka azo atao ara-teknika ny fandidiana azo antoka sady manaisotra fitsaboana iray manokana, toy ny fampidiran-dra, dia tokony hisy ny fahafahana hisafidy”. — The Journal of Bone and Joint Surgery, Martsa 1986.

Tsy hanery ny mpitsabo azy mba hampiasany fomba fitsaboana iray tsy hainy tsara ny marary iray maneho fiheverana ny hafa. Araka ny nomarihin’ny Dr. Nelson anefa, dia mpitsabo mahafoy tena maro no afaka manome fitsaboana izay mifanaraka amin’ny finoan’ny marary. Nanoro hevitra toy izao ny manam-pahefana alemanina iray momba izany: “Tsy azon’ny dokotera lavina ny hanome ny fanampiany (. . .) amin’ny fieritreretana fa tsy manana eo am-pelatanany ny zavatra rehetra azo asolo ara-pitsaboana izy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana adidy izy mbola hanome ny fanampiany, na dia voafetra aza ny fahafahany manao zavatra”. (Der Frauenarzt, May-Jona 1983) Tahaka izany koa, ny fisian’ny hôpitaly dia tsy hoe mba hahazoana vola fotsiny, fa mba hanampiana ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Nanambara toy izao ilay teôlôjiana katolika atao hoe Richard J. Devine: “Na dia tsy maintsy manao izay fiezahana ara-pitsaboana hafa rehetra aza ny hôpitaly mba hiarovana ny aina sy ny fahasalaman’ilay marary, dia tsy maintsy azony antoka fa tsy mandika ny fieritreretany [ny an’ilay marary] ny fikarakarana ara-pitsaboana. Ankoatr’izany, dia tsy maintsy ailika ny endriky ny fanerena rehetra, manomboka amin’ny fandambolamboana ilay marary ka hatramin’ny fahazoana didim-pitsarana mba hanerena azy handray ra”. — Health Progress, Jona 1989.

TSARA KOKOA NOHO NY FITSARANA

Olona maro no manaiky fa tsy toerana natao hiadiana hevitra ny amin’ny raharaha manokana ara-pitsaboana ny fitsarana. Ahoana no ho fihetseham-ponao raha toa ianao ka mifidy fitsaboana amin’ny antibiôtika, kanefa misy olona mitory anao any amin’ny fitsarana mba hanerena anao hodidiana amin’ny kambontenda? Ny dokotera iray dia mety haniry hanome izay heveriny ho fitsaboana tsara indrindra, kanefa tsy anjarany ny mitady fanamarinana ara-dalàna mba hanitsakitsahana ny zonao fototra. Ambonin’izany, satria mametraka ny fifadiana ra amin’ny mari-pitondrantena mitovy amin’ny fanalavirana ny fijangajangana ny Baiboly, ny fanerena kristiana iray handray ra dia hitovy amin’ny fisavihana azy eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.

Kanefa, ny Informed Consent for Blood Transfusion (1989) dia nitatitra fa velona ahiahy aoka izany ny tribonaly sasany rehefa vonona hisetra loza sasany ny marary iray noho ny zony ara-pivavahana “hany ka mamorona zavatra maningana ara-dalàna izy — raha tianao kokoa, hevitra noforonin’ny sainy nomena endrika ara-dalàna fotsiny — mba hamelana hanaovana fampidiran-dra”. Mety hanandrana hanala tsiny izany izy ireo, amin’ny filazana fa ilay marary dia bevohoka na manana zanaka hovelomina. “Izany dia zavatra noforonin’ny saina nomena endrika ara-dalàna fotsiny” hoy ny voalazan’ilay boky. “Manana zo handa fitsaboana iray ny olon-dehibe manana fahaizana ara-dalàna”.

Ny olona sasany izay manantitrantitra ny amin’ny fampidiran-dra dia minia tsy mahafantatra fa tsy lavin’ny Vavolombelona avokoa akory ny fitsaboana rehetra. Fitsaboana tokana fotsiny no laviny, izay araka ny hevitry ny manam-pahaizana mihitsy dia mitondra loza. Azo karakaraina amin’ny fomba isan-karazany mazàna ny zava-manahirana ara-pitsaboana iray. Ny iray mety hisy loza toy izao, ary ny hafa mety hisy loza toy itsy. Moa ve ny fitsarana na ny dokotera iray afaka maka ny andraikitrao ka manapaka hoe loza mety hisy inona no “ho tsara indrindra ho an’ny tombontsoanao?” Ianao no tokony hitsara izany. Hentitra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy iriny ny handraisan’ny olon-kafa fanapahan-kevitra eo amin’ny toerany; andraikiny manokana eo anatrehan’Andriamanitra izany.

Raha toa ka manery ny hanaovana aminao fitsaboana izay toherinao mafy ny tribonaly iray, amin’ny fomba ahoana izany no mety hisy heriny eo amin’ny fieritreretanao, sy eo amin’ny fanirianao ho velona izay tena lehibe? Nanoratra toy izao ny Dr. Konrad Drebinger: “Azo antoka fa ho endriky ny hambom-po ara-pitsaboana diso toerana izany, izay hitarika olona iray hanery marary handray ny fitsaboana atolotra azy, mifanohitra amin’ny fieritreretany, mba hitsaboana azy ara-batana, nefa hitondra kapoka mahafaty amin’ny sainy kosa”. — Der Praktische Arzt, Jolay 1978.

MIKARAKARA AMIM-PITIAVANA NY ZANANY IZY IREO

Mahakasika indrindra ny ankizy ireo raharaha ara-pitsarana momba ny ra. Indraindray, rehefa nangataka tamim-panajana ny ray aman-dreny be fitiavana mba hampiasaina ny fitsaboana tsy misy ra, dia nitady ny fanohanan’ny fitsarana ny mpiasa sasany amin’ny fitsaboana mba hahafahany mampiditra ra. Mazava ho azy fa ny kristiana dia manaiky ny lalàna na ny fitondrana raharaha eny amin’ny fitsarana ho fiarovana ny ankizy amin’ny fitondrana ratsy ara-batana na ny fanaovana tsirambina. Angamba ianao efa mba namaky fisehoan-javatra, izay nahitana ray aman-dreny sasany nitondra ny zanany tamin-kalozana na nandavany ny hanome azy ny fikarakarana ara-pitsaboana rehetra. Mampalahelo tokoa izany! Miharihary fa ny fanjakana dia afaka sady tokony hanao zavatra mba hiarovana ny ankizy iray atao tsirambina. Kanefa, mora ny mahita hoe amin’ny ahoana izany no tena samy hafa amin’ny ray aman-dreny iray feno fiahiana, izay mangataka fitsaboana tonga lafatra tsy misy fampiasana ra.

Mazàna mifantoka amin’ny ankizy izay efa eny amin’ny hôpitaly ireny raharaha ara-pitsarana ireny. Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ilay zaza tany ary nahoana? Saika mandrakariva dia ray aman-dreny mitebiteby no mitondra ny zanany any mba hahazoany fitsaboana tsara. Toy ny niheveran’i Jesosy ny ankizy, dia toy izany koa, ireo ray aman-dreny kristiana dia miahy ireo zanany. Miresaka ny amin’ny ‘reny manolokolo ny zaza tezainy’ ny Baiboly. Manana fitiavana lalina ny zanany toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. — 1 Tesaloniana 2:7, MN; Matio 7:11; 19:13-15.

Ara-dalàna ny handraisan’ny ray aman-dreny rehetra fanapahan-kevitra mahakasika ny fiarovana sy ny fiainan’ny zanany: Hampiasa gaza na “mazout” ve ny fianakaviana mba hanafanana ny trano? Hoentiny hanao dia lavitra amin’ny fiara ve ny zaza iray? Mahazo mandeha milomano ve izy? Mety hisy loza tafiditra mahakasika ny fiainana na ny fahafatesana mihitsy aza amin’ny raharaha toy ireny. Eken’ny fitambaran’olona anefa ny fahaizan’ny ray aman-dreny misafidy amim-pahendrena, noho izany dia omena azy ireo ny fahefana lehibe indrindra saika amin’ny fanapahan-kevitra rehetra mahakasika ny zanany.

Tamin’ny 1979, ny Fitsarana tampony tany Etazonia dia nanambara mazava hoe: “Ny fiheveran’ny lalàna momba ny fianakaviana dia mijoro amin’ny finoana fa ny ray aman-dreny no manana izay tsy ampy amin’ny ankizy iray, raha ny amin’ny fahamatorana sy ny fanandraman-javatra ary ny fahaiza-mitsara zavatra takina amin’ny fanaovana ireo fanapahan-kevitra sarotra eo amin’ny fiainana. (. . .) Ny fanaovan’ny ray aman-dreny fanapahan-kevitra [eo amin’ny raharaha ara-pitsaboana] mety hitera-doza fotsiny akory tsy mamindra avy hatrany ny fahefana hanao izany fanapahan-kevitra izany avy amin’ny ray aman-dreny mankamin’ny sampan-draharaha na solontenam-panjakana sasany”. — Parham v. J.R.

Tamin’io taona io ihany, ny Fitsarana ambony tany New York dia namoaka izao didy izao: “Ny anton-javatra lehibe indrindra manapaka raha toa ka tsy nomena fikarakarana ara-pitsaboana sahaza azy ny ankizy iray (. . .) dia ny hoe: nanome fitsaboana azo ekena nitohy ho an’ny zanany ve ireo ray aman-dreny, raha dinihina araka ny toe-javatra manodidina. Izany famotopotorana izany dia tsy azo apetraka amin’ny hoe nanao fanapahan-kevitra ‘tsara’ na ‘ratsy’ ve ireo ray aman-dreny, satria amin’ny toetran’ny fahaizana ara-pitsaboana misy amin’izao fotoana izao, na teo aza ny fandrosoana goavana vitany, dia tena mahalana no ahafahana manao fanatsoahan-kevitra hentitra toy izany. Tsy misy fitsarana afaka miantsoroka ny anjara asan’ny ray aman-dreny amin’izany andraikitra izany”. — In re Hofbauer.

Tadidio ilay ohatra ny amin’ny ray aman-dreny izay tsy maintsy misafidy ny amin’ny fandidiana na fitsaboana amin’ny antibiôtika. Mety hisy loza mampiavaka azy avy ny fitsaboana tsirairay. Manana andraikitra hanombana ny loza mety hisy sy ny soa ary ny anton-javatra hafa ny ray aman-dreny be fitiavana, ka avy eo vao misafidy. Mifandray amin’izany, dia nanipy hevitra ny handinihana indray ny boky hoe Guides to the Judge in Medical Orders Affecting Children, ny Dr. Jon Samuels (Anesthesiology News, Oktobra 1989) izay nampahafantatra toy izao ny heviny:

“Tsy lasa lavitra loatra ny fahalalana ara-pitsaboana mba hahafahan’ny mpitsabo iray milaza mialoha, amin’ny fomba azo antoka tanteraka fa ho velona na ho faty ny marariny (...). Raha toa ka misy safidy amin’ny fomba fanatanterahan-javatra — raha toa ohatra ny dokotera ka mampirisika fomba fitsaboana iray izay 80 isan-jato ny mety ho fahombiazany, nefa tsy eken’ireo ray aman-dreny, ary raha toa ireo ray aman-dreny ka manaiky fomba fitsaboana iray izay 40 isan-jato monja ny fahombiazany — ny dokotera dia tokony hifidy ilay mety hahitana loza kokoa eo amin’ny lafin’ny fitsaboana, nefa tsy toherin’ireo ray aman-dreny”.

Noho ny nahitana loza maro mety hahafaty amin’ny fampiasana ny ra amin’ny fitsaboana ary satria misy ireo fomba fitsaboana mandaitra mahasolo azy, moa ve tsy ny fanilihana ny ra kosa no tsy ahitan-doza kokoa?

Mazava fa handanjalanja anton-javatra maro ny kristiana raha toa ka mila fandidiana ny zanany. Ny fandidiana tsirairay avy, na ampiasana ra izany na tsia, dia samy mety hisy loza. Dokotera mpandidy iza no afaka manome antoka? Angamba fantatr’ireo ray aman-dreny fa nisy mpitsabo mahay nahita fahombiazana tamin’ny fandidiana zanaka Vavolombelona, nefa tsy nampiasa ra. Noho izany, na dia hafa aza ny safidin’ny mpitsabo na ny mpitantan-draharaha ao amin’ny hôpitaly iray, moa ve tsy ara-dalàna ny hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ray aman-dreny be fitiavana, toy izay hahatonga ady ara-pitsarana izay sady mitondra fihenjanana no maka fotoana? Na azon’ny ray aman-dreny afindra ny zanany hankany amin’ny hôpitaly hafa, izay ny mpiasa ao dia za-draharaha amin’ny fikarakarana toe-javatra toy ireny sady vonona ny hanao izany. Raha ny marina, dia ny fomba fitsaboana tsy misy fampiasana ra no azo inoana kokoa ho fitsaboana tsara kokoa, satria afaka manampy ny fianakaviana “hahatratra zava-kendrena ara-pitsaboana sy tsy ara-pitsaboana ara-dalàna” izy io, araka ny efa nomarihintsika tany aloha kokoa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ny lahatsoratra ara-pitsaboana “Ny ra: Fanapahan-kevitr’iza ary fieritreretan’iza no tokony hohajaina?” navoaka indray ao amin’ny fanampiny amin’ity bokikely ity (pejy faha-30, 31).

[Efajoro, pejy 18]

FANAMAIVANANA FANAHIANA ARA-DALANA

Hanontany tena angamba ianao hoe: Nahoana ny dokotera sy ny hôpitaly sasany no mailaka ny hangata-dalana amin’ny fitsarana mba hampiditra ra an-keriny? Any amin’ny toerana sasany, ny antony iombonana dia ny tahotra sao hoheverina ho tompon’andraikitra.

Tsy marim-pototra ny fanahiana toy izany raha Vavolombelon’i Jehovah no mifidy fomba fitsaboana tsy misy fampiasana ra. Ny dokotera iray tao amin’ny fianarana ambony ho an’ny fitsaboana Albert Einstein (Etazonia) dia nanoratra toy izao: “Ny ankamaroany [Vavolombelona] dia manao sonia an-tsitrapo ny taratasy tsy maintsy fenoina natolotry ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana, izay manala andraikitra an’ireo mpitsabo sy hôpitaly, ary maro aminy no mitondra any aminy karatra iray firaketana ara-pitsaboana. Ny taratasy fenoina ‘Fandavana zavatra rehetra avy amin’ny ra’ voaisy sonia sy daty amin’ny fomba mety, dia fanekena manan-kery ara-dalàna”. — Anesthesiology News, Oktobra 1989.

Eny, vonona haneho fiaraha-miasa ny Vavolombelon’i Jehovah ka manolotra antoka ara-dalàna fa na ny mpitsabo na ny hôpitaly dia tsy ho voarakaraka noho ny nanomezany fitsaboana tsy misy fampiasana ra araka ny fangatahan’ilay marary. Araka ny torohevitr’ireo manam-pahaizana ara-pitsaboana, ny Vavolombelona tsirairay avy dia mitondra eny aminy karatra iray firaketana ara-pitsaboana. Havaozina isan-taona izy io ary hosoniavin’ilay olona sy vavolombelona hafa, izay matetika havana akaiky azy indrindra.

Nanohana fanapahan-kevitra iray izay nanao fanamarihana amim-pankasitrahana momba ny firaketana toy izany ny Fitsarana tampony tany Ontario, Kanada,tamin’ny Martsa 1990: “Ilay karatra dia fanambarana voasoratra ny amin’ny toerana manan-kery izay azon’ilay mitondra azy entina ara-dalàna mba hampiharana fameperana voasoratra eo amin’ny fifanekeny amin’ny dokotera”. Nanoratra toy izao tao amin’ny Medicinsk Etik (1985) ny profesora Daniel Andersen: “Raha misy fanambarana mazava avy amin’ny marary, milaza fa iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy ka na inona na inona tarehin-javatra dia tsy handray ra izy, ny fanajana ny fahaleovan-tenan’ilay marary dia mitaky ny hanajana ny sitrapony, toy ny hoe voalaza am-bava ihany izany”.

Manao sonia taratasy fanekena ho an’ireo hôpitaly koa ny Vavolombelona. Ny iray aminy, ampiasaina any amin’ny hôpitalin’i Fribourg, any Alemaina, dia mamela banga eo amin’izay ahafahan’ny mpitsabo manazava amin’ny marary ny momba ilay fitsaboana. Aorian’izany, eo ambonin’ny sonian’ilay mpitsabo sy ilay marary, dia manampy toy izao ilay taratasy: “Amin’ny maha-anisan’ny fikambanana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia laviko tanteraka ny fampiasana ran’olon-kafa na taharon-dra mandritra ny fandidiana ahy. Tsapako fa, noho fihomboan’aretina vokatry ny lotsi-dra dia mety hitondra loza betsaka kokoa ny fomba fitsaboana nalamina sy nilaina toy izany. Rehefa nahazo fanazavana feno indrindra ny amin’izany aho, dia angatahiko mba hatao tsy misy fampiasana ra na taharon-dra ny fandidiana ilaina”. — Herz Kreislauf, Aogositra 1987.

Raha ny marina, ny fomba fitsaboana tsy misy fampiasana ra no mety tsy hampidi-doza kokoa. Ny tiana hasongadina eto anefa dia hoe faly ny marary Vavolombelon’i Jehovah manala ny ahiahy rehetra tsy ilaina mba hahafahan’ny mpiasa mikarakara ny fitsaboana manao ny andraikiny, amin’ny fanampiana ny olona mba ho sitrana. Ahitan’ny rehetra soa izany fiaraha-miasa izany, araka ny nasehon’ny Dr. Angelos A. Kambouris tao amin’ny “Fandidiana lehibe tao amin’ny kibo natao tamina Vavolombelon’i Jehovah”:

“Tokony hoheverin’ny mpandidy ho manan-kery ny fanekena nataony talohan’ny fandidiana azy, ary tokony hitana izany izy na inona na inona fisehoan-javatra mitranga mandritra na aorian’ny fandidiana. Manomana amin’ny fomba manorina ny sain’ny marary ho amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fandidiana atao aminy izany, ary hampivily ny sain’ny mpandidy tsy ho amin’ny fiheverana ara-pitsarana sy ara-pilôzôfia fa ho amin’ny fiheverana ara-pandidiana sy ara-teknika kosa, ka noho izany dia hamela azy hanao ny asany ao anatin’ny toe-javatra mahafa-po indrindra sy hiasa ho an’ny tombontsoan’ilay marary araka izay farany azo atao”. — The American Surgeon, Jona 1987.

[Efajoro, pejy 19]

“Ny fampiasana tafahoatra ny teknika ara-pitsaboana dia anton-javatra lehibe amin’ny fitomboan’ny fandaniana ara-pitsaboana amin’izao fotoana izao. (...) Miavaka indrindra amin’izany ny fampidiran-dra, noho ny vidiny sy ny loza mety hoentiny. Izany no nanasokajian’ny American Joint Comission Accreditation of Hospitals [Vaomieran’ny fandaminana amerikana mpamatsy vola ny hôpitaly] ny fampidiran-dra ho anisan’ny ‘ampiasaina be loatra, mampidi-doza ary mora anaovana fahadisoana’”. — “Transfusion”, Jolay-Aogositra 1989.

[Efajoro, pejy 20]

Etazonia: “Ny fananana zo hifidy fitsaboana dia mahafaoka ny zo handa fitsaboana iray voafaritra tsara na ny fitsaboana rehetra, na fifidianana endri-pitsaboana mahasolo azy”. — Special Comitee on Biomedical Ethics, American Hospital Association, 1985.

Japana: “Tsy misy mihitsy ny hoe ‘tanteraka’ ao amin’ny tontolon’ny fitsaboana. Inoan’ny dokotera fa ny fandehan’ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny no tsara indrindra ary arahin’izy ireo izany, nefa tsy tokony hotereny ho toy ny ‘tanteraka’ ny tsipiriany tsirairay amin’izany, amin’ny marary. Ny marary koa dia tsy maintsy hanana fahafahana hisafidy”. — “Minami Nihon Shimbum”, 28 Jona 1985.

Pays-Bas: “Voatery hanaja ny fandavana [ra] toy izany ve ny mpitsabo iray? Ny manam-pahaizana momba ny zo ara-pahasalamana dia nilaza fa tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany. I [Prof. Dr. H. J. J.] Leenen dia nanambara fa ny zo hanao fanapahan-kevitra ho an’ny tena manokana no fiandohan’ny zon’ny marary (...) ‘Ny marary irery ihany no manana zo hanapaka ny amin’ny fiainany manokana’”. — Actuele Zaken, Aogositra/Septambra 1988.

[Efajoro, pejy 21]

“Hitako fa ny fianakaviana [Vavolombelon’i Jehovah] dia tafaray akaiky ary mifankatia”, hoy ny Dr. Lawrence S. Frankel. “Ny ankizy dia tsara taiza, maneho fiheverana ary manaja. (...) Toa hita mihitsy aza fa manaraka tsara kokoa ny baikon’ny mpitsabo izy ireo, ka izany dia mety hidika ho fiezahana hanaporofo fa manaiky ny fandidiana ara-pitsaboana amin’ny fetra izay amelan’ny finoany azy izy ireo”. — Sampan-draharaha mikarakara ny ankizy, M. D. Anderson Hospital and Tumor Institute, Houston, Etazonia, 1985.

[Efajoro, pejy 22]

“Ny tsy fileferana mihitsy amin’ny fomba fitsaboana dia fanamparam-pahefana, ary ny ankizy dia tsy tokony hoheverina ho toy ny fitaovana eo an-tanan’ny dokotera, izay, amin’ny anaran’ny finoany manokana, dia mety ho sahisahy hanao zavatra ara-pitsaboana izay mifanohitra amin’ny fanirian’ilay fianakaviana”. — Dr. Alexandre Minkowski, La Croix, 17 Martsa 1988