Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sasin-teny

Sasin-teny

Sasin-teny

ISAN’ANDRO dia mandray fanapahan-kevitra ara-pitsipi-pitondrantena momba ny fahasalamana ny olona: famindrana taova, fanalana zaza, ny “zo ho faty”. Antenaina fa tsy hiatrika ireny zava-manahirana ireny mihitsy ny tenanao.

Kanefa, misy raharaha iray mitaky ny fitandremanao: Ahoana no azo ampiasana ny ra mba hamonjena aina?

Manana antony tsara hanontaniana tena ny olona maro ankehitriny hoe: ‘Hatraiza no tsy mampidi-doza ny fampidiran-dra?’ Mihoatra noho ny raharaha ara-pitsaboana anefa izany. Izany dia nahatonga fitantarana fisehoan-javatra vao haingana nahatafiditra ireo Vavolombelon’i Jehovah. Moa ve tsy nanontany tena ianao hoe: “Nahoana ireny olona manaraka fitsipi-pitondrantena ireny, izay matoky ny fitsaboana tsara, no mandà ny handray ra”?

Araka ny ho hitanao, ny endrika ara-pitsaboana sy ara-pitondrantena amin’ny fampiasana ra dia misy akony mivantana amin’ny fomba ahafahanao mitsimbina ny fanananao sarobidy indrindra, dia ny: AINA.