Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Ray Aman-dreny

Ho An’ny Ray Aman-dreny

Inona ny fanomezana tsara indrindra azonareo omena ny zanakareo? Be dia be ny zavatra ilainy. Mila aseho azy, ohatra, fa tena tianareo izy. Mila arovana sy omena torohevitra koa izy. Tokony hampianarinareo koa anefa izy mba hahafantatra an’i Jehovah sy izay lazain’ny Teniny, dia ny Baiboly. (Jaona 17:3) Izany no fanomezana tsara indrindra azonareo omena azy. Ho tia sy hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izy amin’izay, na dia mbola zaza aza.—Matio 21:16.

Be dia be ny ray aman-dreny mahita fa kilalaon-tsaina sy lesona fohifohy no tena tian’ny ankizikely. Faly àry izahay manome anareo an’ity bokikely ity. Natao hampianarana ny ankizikely amin’ny fomba tsotra ny lesona tsirairay ato. Mety tsara ho an’ny zaza telo taona no ho midina ireo sary sy lahatsoratra. Misy kilalaon-tsaina azonareo ampanaovina azy koa ato. Tsy kilalao akory ity bokikely ity fa natao hovakinareo miaraka amin’ny zanakareo. Afaka mifampiresaka tsara ianareo amin’izay.

Dieny “mbola zazakely” ny zanakareo dia efa mila ampianarina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mino izahay fa hanampy anareo hanao izany ity bokikely ity.—2 Timoty 3:14, 15.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah