Lesona 4
“Avy be izany orana izany!”
hoy i Mirana mitomany.
“Dia inona no hatao
fa tsy afaka milalao?”
Nihatsara ny andro.
Nibaliaka ny masoandro.
Nitsahatra ny orana
ka faly erỳ i Mirana.
Lasa izy avy eo nankeny ambany hazo, dia variana teo nijery voninkazo.
“Orana avy any an-danitra omen’Andriamanitra no tena mampaniry ny zavamaniry!”
HO AN’NY RAY AMAN-DRENY
Vakio:
Asaivo tondroiny ireto:
Hazo Mirana Voninkazo
Vorona Varavarankely
Asaivo tadiaviny ireto:
Baolina Fiaramanidina
Anontanio izy hoe:
Nahoana i Jehovah no mandrotsaka orana?