Hijery ny anatiny

Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana

Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana

Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana

Mety ho sambatra tokoa ve ny fianakaviana?

Ahoana no hetezan’izany?

Misy fianakaviana tafaray sy sambatra toy ireo hita eto amin’ity taratasy ity ve? Mandia fahasahiranana ny fianakaviana maneran-tany. Anisan’ny miteraka izany ny fisaraham-panambadiana, ny asa fivelomana tsy azo antoka, ny olana mianjady amin’ireo mitaiza irery ny zanany, ny fahakiviana. Nitaraina toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny fiainam-pianakaviana: “Efa tsy taitra intsony ny olona raha ilazana fa ho potika ny fianakaviana.”

Nahoana ny fianakaviana ankehitriny no ianjadian’ny olana maro be toy izany? Ahoana no azontsika ankafizana ny fiainam-pianakaviana?

Iza no namorona ny fianakaviana?

Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia ilaintsika hofantarina hoe iza no namorona ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Raha nisy Mpamorona mantsy ny fanambadiana sy ny fianakaviana, dia tokony ho any aminy no hitadiavan’ny mpianakavy rehetra tari-dalana, satria azo antoka fa fantany tsara izay fomba ahazoantsika mankafy tanteraka ny fiainam-pianakaviana.

Mahavariana fa maro no mihevitra hoe tsy nisy Mpamorona ny fianakaviana. Hoy ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy): “Misy manam-pahaizana milaza fa ny biby, izay ambany noho olombelona, no niaraka tsiroaroa, ka izay no niandohan’ny fanambadiana.” Nilaza anefa i Jesosy Kristy fa noforonina ny lehilahy sy ny vehivavy. Nalainy ho porofo ilay fitantarana eo am-piandohan’ny Baiboly, ka hoy izy: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.”—Matio 19:4-6.

Marina ny azy. Misy Andriamanitra manan-tsaina namorona ny olombelona voalohany sady nanao izay hisian’ny fiainam-pianakaviana sambatra. Nampiraisin’Andriamanitra tao anatin’ny fanambadiana ny olon-droa voalohany, ary nolazainy fa ny lehilahy dia “hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:22-24) Sao dia ny fandikana ireo fitsipiky ny Mpamorona hita ao amin’ny Baiboly kosa aza no mahatonga ireo olana mahazo ny fianakaviana ankehitriny?

Inona no mety?

Voamarikao angamba fa ampirisihina hitady ny tombontsoan’ny tenany sy hirehareha ny amin’ny zava-bitany ny olona ankehitriny. “Mahasoa ny fitiavam-bola”, hoy ny mpahay toe-karena iray tamin’ny mpianatry ny oniversite, any Etazonia. “Tsy hanenjika anao mihitsy ange ny eritreritrao na dia tia vola aza ianao e!” Tsy miantoka ny hoavy anefa ny fikatsahana harena. Ny fitiavan-karena mihitsy aza no anisan’ny atahorana indrindra hanimba ny fiainam-pianakaviana, satria manakana ny olona tsy hifandray sady mandany ny fotoanany sy ny volany. Diniho kosa anefa izay lazain’ny ohabolana roa monja ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika hahita izay tena ilaina mba hahasambatra izy ireo.

“Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo.”

“Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana noho ny trano feno hena misy fifandirana.”

Ohabolana 15:17; 17:1.

Teny mafonja tokoa izany! Eritrereto ange ny ho fiovan’ny fiainana raha izany no ahin’ny fianakaviana rehetra voalohany indrindra e! Misy tari-dalana mahasoa mahakasika ny fomba tokony hifampitondran’ny mpianakavy koa ao amin’ny Baiboly. Ireto ny sasantsasany amin’izany.

Lehilahy: ‘Tiavo tahaka ny tenanao ny vadinao.’—Efesiana 5:28-30.

Tsotra, nefa tena mahasoa! Asain’ny Baiboly ‘manaja’ ny vadiny koa ny lehilahy. (1 Petera 3:7) Ataony izany rehefa maneho fiheverana manokana ny vadiny izy, izany hoe manambitamby azy, mahatakatra ny fiheviny, ary manome toky azy. Ankasitrahany koa izay hevitry ny vavy, ary mihaino azy izy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 21:12.) Tsy ekenao ve fa handray soa ny fianakaviana raha maneho fiheverana ny vadiny ny lehilahy, ka mitondra azy toy ny hitiavany hitondrana ny tenany?—Matio 7:12.

Vehivavy: “Aoka [ianao] hanaja ny lahy.”—Efesiana 5:33.

Mahasambatra ny fianakaviana ny vehivavy manampy ny vadiny hanatontosa ireo andraikiny mavesatra. Izany no nanaovan’Andriamanitra azy, satria nanome vady ho an’ny lehilahy izy mba ho “mpanampy tandrifiny.” (Genesisy 2:18, fanamarihana ambany pejy) Takatrao ve fa mandray soa ny fianakaviana rehefa manaja ny vadiny ny vehivavy ka manohana ny fanapahan-keviny sy miara-manatanteraka aminy ireo zava-kendren’ny fianakaviana?

Mpivady: “Aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady.”—Hebreo 13:4, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara.

Ho sambatra tokoa ny fianakaviana raha manaraka izany izy ireo. Matetika no manapotika ny fianakaviana ny fanitsakitsaham-bady. (Ohabolana 6:27-29, 32) Koa feno fahendrena àry ny fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. ... Nahoana hianao ... no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo?”—Ohabolana 5:18-20.

Ray aman-dreny: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany [ny zanakareo].”Ohabolana 22:6.

Azo antoka fa hihatsara ny fiainam-pianakaviana rehefa manokana fotoana ho an-janany sy mihevitra azy ireo, ny ray aman-dreny. Izany no ampirisihan’ny Baiboly ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany momba ireo fitsipika marina, ‘rehefa mipetraka ao an-trano izy, na rehefa mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.’ (Deoteronomia 11:19) Lazain’ny Baiboly koa fa tokony hanafay ny zanany ny ray aman-dreny, satria fitiavana azy izany.—Efesiana 6:4.

Ankizy: “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo.”—Efesiana 6:1.

Marina aloha fa tsy mora foana ny mankatò ny ray aman-dreninao, eto amin’ity tontolo tsy tan-dalàna ity. Tsy ekenao ve anefa fa fahendrena ny manao izay lazain’ny Mpamorona ny fianakaviana? Fantany izay mahasambatra indrindra ny fianakaviantsika. Koa miezaha mafy àry hankatò ny ray aman-dreninao. Aoka ianao ho tapa-kevitra handositra ireo fakam-panahy hanao ratsy eo amin’izao tontolo izao.—Ohabolana 1:10-19.

Arakaraka ny ampiharan’ny mpianakavy tsirairay ny torohevitry ny Baiboly no hahatsara ny fiainam-pianakaviana. Tsy vitan’ny hoe ho tsara kokoa dieny izao ny fiainan’ny mpianakavy, fa hanantena hoavy mahafinaritra koa izy ireo, ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4) Ataovy ho fahazaran’ny fianakavianao àry ny miara-mianatra ny Baiboly! Fianakaviana an-tapitrisany maro maneran-tany no nahita fa tena mahasoa ny tari-dalana ao amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Fandikan-tenin’izao Tontolo izao Vaovao, sy ny hoe DIEM ho an’ny Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara), ny fakàn-teny rehetra avy ao amin’ny Baiboly dia avy amin’ny Fandikan-teny malagasy.