Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao

Azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao

Azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao

1. Nahoana moa no misy olona be dia be mihevitra ny fiainana ho tsy dia mahafinaritra loatra? (Mpitoriteny 1:14, 15; 2:17, 18).

FANAMBINANA, fiadanana, fahasambarana! Ho tiantsika tokoa ny hahita izany rehetra izany! Fa toy inona ny fiainana anananao? Mba hamelomana ny ankohonany, dia lehilahy marobe no manao asa tsy mahafinaritra azy, rehefa tsy rahonan’ny tsy fananana asa izy ireny. Vehivavy betsaka no manao isan’andro isan’andro, asa tsy mahafinaritra, tsy ahitany fahafaham-po firy sy tsy mamela azy ireny hiala sasatra loatra. Fa raha ny amin’ny tanora, ny ankamaroany dia mitombo amin’ny fanampoizana ny hahita karazam-piainana toy izany. Na dia amin’ny olom-bitsy mihevitra ho afa-po amin’ny fiainana aza, dia tazana ho manjombona sy tsy azo itokiana ny ho avy.

2. Inona no ho avy toa voatokana ho an’ny olombelona? (Isaia 60:2).

2 Izany ihany tokoa ve no azo antenaina amin’ny fiainana? Na aiza na aiza jerena maneran-tany, dia toa marary mafy ny fandehan-javatra. Mahakasika azy ny fahasahiranana momba ny hery famokarana, ny fisondrotam-bidin-javatra tsy misy toy izany, ny tsy fahampian’ny zava-pihinana, ny fandotoana ny manodidina, ny fanonganam-pitondram-panjakana, ny ady mafana sy mangatsiaka, ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana noklehera, ny zava-manahirana ara-pirazanana sy ny fitomboan’ny tsy fahafalian’ny sarambabembahoaka. Tsy misy faritra na dia iray aza eo amin’izao tontolo izao voatsimbin’izany zava-manahirana izany izay mahatandindomin-doza ny fitohizan’ny fahaveloman’ny taranak’olombelona mihitsy aza.

3. Nahoana moa isika no tokony hiahy ny amin’ny ho avy? (Apokalypsy 3:10).

3 Ny sasany, amin’ny fihetsiny, dia toa milaza hoe: “Nahoana no hanahy nefa tsy mikasika antsika izany?” Endrey izany tsy fahampian’ny fahaiza-manavaka! Tsy maintsy hisy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra izany zava-manahirana izany amin’ny farany.

4, 5. a) Inona moa no fihetsika toa arahin’ny ankamaroan’olona, ary nahoana? b) Nahoana moa no mety hanana ny fanafodiny ny Baiboly? (II Timoty 3:16, 17; Romana 15:4; I Korintiana 10:11).

4 Nisy filoha olombelona nanolotra fanafodiny itambarana ara-toe-karena, ara-tsiansa na ara-politika mba hanandramana mandamina izany zava-manahirana izany. Niharihary fa zava-poana sy tsy nisy vokany anefa izany. Tsy nampiharina mihitsy akory aza ny ankamaroan’ny drafitra naorina. Tsy misy filoham-panjakana na dia iray aza afaka hanolotra tena fanafodiny iray maharitra. Noho izany antony izany, dia toa tsy manan-java-kendrena eo amin’ny fiainana mihitsy ny ankamaroan’olona. Amin’ny ankapobeny dia manaraka izao fihetsika izao izy ireny: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”

5 Ahitana an’ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny I Korintiana 15:32 *, nefa ny teny manodidina dia mamporisika antsika hanaraka fiheverana manorina. Mety hanome fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona ve ny Baiboly? Marina fa olona be dia be no mandà ny Baiboly. Nefa noho ny tarehin-javatra maneran-tany tsy azo ianteherana amin’izao andro izao, dia angamba izao no fotoana tokony hiovana fihetsika eo anoloany. Rehefa dinihina tokoa, izy io dia boky tranainy dia tranainy izay ny fizarana sasany aminy dia nosoratana, 3400 taona mahery lasa izay ary nohajain’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra. Izy io dia voadika amin’ny fiteny velona sy voaely be dia be mihoatra noho ny boky hafa rehetra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Nefa moa ve ampahafantarin’ny Baiboly fa azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao?

NY FOMBA HAHITANA VALIN’IREO FANONTANIANA MIKASIKA NY FIAINANA

6. Ahoana moa no iheveran’ny Baiboly ny fivavahana lazaina fa kristiana? (Jakoba 1:27; 5:3-5).

6 Ny sasany amin’ireo izay manakiana ny Baiboly dia mampahatsiahy ny tantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana: ny fandrobana nataony, ny kroazadiny, ny fampijaliany ny tsy manaiky ny fampianarany sy ireo ady tao anatin’izao taonjato faharoapolo izao. “Raha izany ihany no asain’ny Baiboly atao, hoy izy ireny, dia tsy misy ilànay azy mihitsy.” Raha ny marina, ireo milaza ho kristiana izay nandatsa-drà tamin’izany fomba izany dia nampiasa ny Baiboly mba hanaronana ny asa ratsiny fotsiny. Melohin’ny Baiboly mafy tokoa izy ireny ary aharihariny ho kristiana sandoka. Mamporisika ny hananana toe-pitondrantena tsara kosa aza ny Baiboly.

7, 8. a) Inona avy moa no fanontaniana valian’ny Baiboly? (Matio 7:7). b) Amin’inona moa no azon’ny Baiboly anampiana olona be dia be? (Salamo 119:105, 165).

7 Misy olon-kafa milaza fa mifanohitra amin’ny siansa ny Baiboly, lany andro ary mirakitra angano maro. Marina ve izany? Amin’izao andro izao, dia ilaintsika tokoa ny hahalala ny valin’ny fanontaniana tena lehibe toy izao: Ahoana no niandohan’ny olombelona? Milaza inona ny toe-piainana ankehitriny? Hanjavona amin’ny tany ve ny fiainan’olombelona indray andro any? Inona no ho avin’ny olombelona?

8 Ny Baiboly dia mamaly ireo fanontaniana ireo sy ny marobe hafa koa fametraky ny olona. Tsy bokin’angano velively izy io, fa mihevitra zavatra tena misy. Hita marina fa any amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao, ny olona izay nanaiky hotarihiny, dia manana fiainana mahafa-po azy ireny tokoa. Raha mianatra ny Baiboly ianao, dia hahatsapa fa mamaly tsara ireo fanontanianao izy ary afaka manampy anao amin’ny fomba azo ampiharina tokoa, mba hanana fiainana sambatra sy misy heviny.

NY NIANDOHAN’IZAO REHETRA IZAO

9, 10. a) Ahoana moa, araka ny Baiboly, no niandohan’izao rehetra izao? (Isaia 45:12, 18). b) Inona moa no fanambarana omen’izao rehetra izao, mikasika ny zavatra noforonina? (Hebreo 3:4).

9 Raha tiantsika ny hahalala ny atao hoe fiainana, dia ilaintsika ny hamaliana ity fanontaniana tena lehibe ity: Ahoana no niandohan’ny fiainana? Raha lazaina amin’ny teny hafa, avy aiza izy io ary moa ve izany nomena antsika noho ny antony voafaritra? Lazain’ny Baiboly fa “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”. (Genesisy 1:1) Mametraka izao fanontaniana izao anefa ny filozofa sasany amin’ny andro ankehitriny: Tena misy Andriamanitra Tsitoha iray, Mpamorona, tokoa ve? Moa ve tsy olona betsaka no mino fa vokatry ny fivoarana miandalana izao rehetra izao?

10 Efa nitsidika fampisehoana ny eny amin’ny habakabaka ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa nampitolagaga anao ny rafitra be kojakojany mahatonga ho afaka hampiseho ny fitambara-masoandro eo amin’ny andohalambo iray sy hampihetsika ireo planeta mahaforona azy. Izany dia rafitra tsara noforonin’ny olona noho ny fahaizany eo amin’ny lafiny mikasika ny fakan-tsary sy ny fanamboarana milina. Raha tsy maintsy nisy olona kinga mba hanao fampisehoana kanto an’izao rehetra izao toy izany, dia azo antoka fa tsy maintsy nisy saina lehibe lavitra koa mba hanangana izao rehetra izao mahagaga.

11. Voatery nanaiky inona moa ny olona manan-tsaina maro? (Romana 1:20-23).

11 Tamin’ny taonjato fahasivy ambin’ny folo Charles Darwin no nanonona ny tsangan-keviny hoe vokatry ny fivoarana miandalana izao rehetra izao. Mino koa ve ianao fa tsy nisy nanao izany rehetra izany? Heverinao ve fa niseho tamin’ny kisendrasendra ny fiainana? Amin’ny olona manan-tsaina betsaka, dia tsy mahafa-po io tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana io. Ohatra, izao no nambaran’ilay mpanoratra tantara atao hoe Arnold Toynbee:

“Tsy heveriko ho manome fanazavana fanoloana mampiaiky ny amin’ny fomba nety ho nahatonga ny fisian’izao rehetra izao ny tsangan-kevitr’i Darwin1.”

Ny tenan’i Darwin mihitsy aza dia niaiky toy izao, mikasika ny niandohan’ny fiainana:

“Manaitra ahy ny loharano hafa iray ny amin’ny finoana an’Andriamanitra, izay mifamatotra amin’ny fahendrena fa tsy amin’ny fihetseham-po (...). Izany dia vokatry ny fahasahiranana lehibe dia lehibe na ny marimarina kokoa, vokatry ny tsy fahafahana hihevitra fa izao rehetra izao midadasika sy mahatalanjona, izay ao anatiny ny olombelona manana ny fahaizany mijery ny lasa sy ny ho avy lavitra, dia vokatry ny kisendrasendra na ny ilaina an-jamba. Amin’ny fieritreretana izany, dia mahatsiaro ho voatosika hitady Antony Voalohany aho2.”

12. Tokony hiaiky ny amin’inona amim-panetren-tena moa isika, ary nahoana? (Asan’ny apostoly 14:15-17).

12 Eny, milaza amintsika ny fandrindran-kevitra tsotra fa tokony hisy Antony Voalohany, Mpamorona iray, izay Andriamanitra. Rehefa eritreretintsika fa amin’ireo teleskaopiny mahery indrindra ny olona dia vao manomboka fotsiny mamantatra ny fahalehibeazana tsy hita fetran’izao rehetra izao mahatalanjona nataony, dia tokony hiaiky amim-panetren-tena isika fa kely dia kely lavitra ny fahendrena sy ny fahaizan’ny olombelona raha oharina amin’ny an’Andriamanitra. Araka ny ho hitantsika, dia tsy afaka manilika an’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fiainantsika isika raha tiantsika hisy fahasambarana eo aminy ka hisy heviny izy. Tsy isalasalana fa tsy maintsy ho hanana fikasana Andriamanitra fony izy namorona izao rehetra izao sy ny tany. Noho ny fahalalana tsara kokoa ireo fikasany mahatalanjona, dia ho tsapantsika fa afaka manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao isika.

NY FOMBA NANOMBOHAN’NY FIAINANA TETO AN-TANY

13. Nahoana moa ny tany no faritra mahagaga amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra? (Salamo 104:24).

13 Aoka isika hampitodika ny saintsika ho amin’ny tany, faritra bitika eo amin’izao rehetra izao midadasika. Ity planeta maro loko, kanto tsy misy toy izany, ity, dia fialofana ho an’ny zavaboary velona maro karazana mahagaga. Misy eto an-tany ny fiainana. Ny anankiray tamin’ireo mpamily sambondanitra nandray anjara tamin’ny fisidinana teny amin’ny habakabaka ho eny amin’ny Volana dia nilazalaza toy izao ny amin’ny planetantsika:

“Eo amin’izao rehetra izao manontolo, na taiza na taiza nifantohan’ny masonay, ny hany toerana miloko, dia ny tany. Nodinihinay tamim-pahafinaretana ny manga marevaky ny ranomasina, ny mavo sy ny manjan’ireo kontinanta ary ny fotsy amin’ny rahona. (...) Izany no zavatra tsara tarehy indrindra fandinika ao anatin’ny velaran’ny habakabaka manontolo. Tsy mahatsapa izay ananany ny olona ety an-tany3.”

Tsy isalasalana mihitsy fa ny tany dia tena ravaka eo amin’izao rehetra izao. Ambonin’izany, dia misy fiainana be dia be eo. Azo antoka fa tokony hisy araka ny fikasana iray izany fiainana rehetra izany. Aoka hojerentsika raha mety ho fantatsika ny hoe inona izany fikasana izany.

14. Avy aiza sy tamin’ny fomba ahoana moa no niavian’ny fiainana? (Salamo 104:30, 31.)

14 Tsy sarotra loatra akory ny mahalala ny niavian’ny fiainana. 3 000 taona lasa izay, ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly dia nanondro ny Loharanon’aina tamin’ny filazana hoe:

“Endrey ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô! (...) Fa ao aminao no misy Loharanon’aina, ny fahazavanao no hahitany fahazavana.” — Salamo 36:7, 9.

Na dia olona kirina sasany mpanao fanakianana ny Baiboly aza dia voatery niaiky fa Andriamanitra no Loharanon’aina. Ny tenan’i Darwin koa aza dia niaiky fa nilaina ny hiheverana toy izany: “ny fiainana, miaraka amin’ny heriny samihafa nomen’ny Mpamorona ho an’ny endriny vitsivitsy, na ho an’ny anankiray monja aza, tamin’ny voalohany4.” Nefa raha afaka nanome ny fiainana ho an’ny “endriny vitsivitsy” Andriamanitra, nahoana izy no tsy ho nanome izany nifanesy sy tamin’ny fomba mitovy, ho an’ny ‘karazana’ an-jatony maro? Araka ny filazan’ny Baiboly, dia tena nanao toy izany tokoa Andriamanitra. Namorona ny zavaboary velona tsirairay “samy araka ny karazany avy” izy. (Genesisy 1:12, 21, 24, 25.) Milazalaza ny namoronan’Andriamanitra ny lehilahy voalohany amin’izao teny izao ny Baiboly:

“Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [fanahy velona, MN ] izy.” — Genesisy 2:7.

Araka ny filazan’ny Baiboly, dia toy izany, — tamin’ny alalan’ny famoronan’Andriamanitra mivantana — no nisehoan’ny fiainan’olombelona teto an-tany, 6000 taona lasa izay. Tena ilaina ny hahatakarantsika izany mba hiaikena fa afaka manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao isika.

15. Nahoana moa no tsy nety ho nipoitra avy amin’ny kisendrasendra ny fiainana? (Salamo 100:3.)

15 Mifanohitra amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny famoronana tsy misy olakolaka, dia hita ho feno haitraitra kosa ny fanazavana sasany araka ny fivoarana miandalana. Ohatra, ny manam-pahaizana mpanohana ny fivoarana miandalana iray dia nanoratra toy izao:

“Fahiny, efa elabe tokoa izay, angamba dimanjato sy roa arivo tapitrisa taona, teo ambanin’ny masoandro nigaingaina sy tao anatin’ny ranomasina misy amoniaka rakotry ny atmosfera feno poizina, teo afovoan’ny roatran’ny “molécules” amin’ny tenan-javatra, no nanomboka nisy tamin’ny kisendrasendra ny “molécule” iray amin’ny asidra noklehika izay nety ho niteraka, tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, fisehoan’ny “molécule” hafa iray sahala aminy ary avy amin’izany no nanarahan’ny hafa rehetra!” (Izahay no manoratra amin’ny sora-mandry)5.

Mampiaiky anao ve io fanambarana io? Lecomte du Noüy, mpanohana ny fivoarana miandalana hafa iray koa, dia nanombana fa ao amin’ny ranomasina “chimique” iray mitovy habetsahana amin’ny an’ny gilaoby tany sy ao anatin’ny toe-javatra mora, ny fisehoan’ny “molécule” amin’ny “protéine” iray monja amin’ny kisendrasendra dia tsy nety ho nitranga afa-tsy indray mandeha monja isaky ny 10243 (izany hoe 1 arahin’ny “zéros” 243) arivo tapitrisa taona6! Ary anefa ny “cellule” velona iray dia misy, tsy iray monja, fa an-jatony maro amin’ny “molécule” amin’ny “protéine” sy zavatra “chimique” maro loha be dia be hafa koa. Tsy misy isalasalana mihitsy àry: tsy niseho tamin’ny kisendrasendra ny fiainana.

16. Nahoana moa ny evaolisionisma no azo lazaina ho “angano”? (I Timoty 1:3, 4.)

16 Mampiseho fifanoheran-kevitra maro amin’ny zava-misy voaporofo ireo tsangan-kevitry ny mpanohana ny fivoarana miandalana. Ohatra, ny zavamaniry, ny biby sy ny olona dia miara-manara-dalàna tsy miova iray ihany: tsy afaka mitombo afa-tsy araka ny karazany avy izy ireo. Azo atao ny mandinika fiovaovana ao anatin’ny karazana iray. Araka izany, dia misy izao sokajin’alika rehetra izao. Nefa ny karazana alika dia miteraka alika foana. Tsy azo atao ny mampivady ny karazana alika amin’ny karazana saka, na amin’ny karazana hafa rehetra. Ankoatr’izany, dia nahita fahadisoam-panantenana lehibe ireo mpanohana ny fivoarana miandalana, satria ny zavatra hita tany anaty tany dia tsy manamarina ny fisian’izay lazaina ho “mason-drojo tsy ampy” eo anelanelan’ireo karazana. Fa raha ny amin’ny “mutations” izay fiovana tampoka ao anatin’ny “cellule”, dia azo lazaina hoe manimba foana izany, ka izany dia manipaka ny filazan’ireo mpanohana ny fivoarana miandalana. Eo amin’ny olombelona, ireny fiovana ireny dia miteraka fahasamponana na tsy fahampiana hafa. Tsy mahagaga àry raha misy manam-pahaizana fanta-daza sasany milaza ny evaolisionisma ho “angano7” sy “fanombantombanana amim-pahendrena8”, na miresaka ny amin’izany ho toy ny “tantara noforonina tsy marina indrindra tamin’izay rehetra notafina ny anarana hoe siansa9”.

17. Amin’ny lafiny inona avy moa ny olombelona no zavaboary mahatalanjona kokoa noho ny biby? (Genesisy 1:27, 28.)

17 Tsy “angano” anefa ny olombelona. Misy izy, ary ny fisiany fotsiny amin’ny maha-zavaboary manan-tsaina nomena ny fahaizana hanavaka ny tsara sy ny ratsy, natao “tahaka ny endrik’Andriamanitra” sy tarihin’ny fieritreretana, dia mampiavaka mazava azy amin’ny endrim-piainan’ny biby. Azony atao àry ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho ny fiainana azo ampitahaina amin’ny an’ny biby. Marina tokoa fa misy lavaka tsy hita noanoa mampisaraka ny olombelona amin’ny biby. Biby inona no manokana eo amin’ny roapolo taona eo hikarakarana ireo zanany sy hanabeazana azy ireny? Ny olombelona ihany no afaka maneho toetra toy ny fitiavana sy ny fahamoram-panahy, manomana mialoha na mamoron-javatra, ary mankamamy ny hatsaran-tarehy, ny zava-kanto na ny mozika. Moa ve ny olombelona rehetra izay tia ny fiainana tsy tokony haneho ny fankasitrahany noho izay rehetra nomen’Andriamanitra azy ireo ka hihiaka toy izao sahala amin’i Davida mpanjaka: “Jehovah ô, (...) hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy.” — Salamo 139:4, 14.

IZAY NENTIN’NY “EVAOLISIONA”

18, 19. Inona moa no herin’ny evaolisionisma teo amin’ny a) toe-pitondrantena (Salamo 10:3, 4) sy b) ny fihetsik’ireo filoha olombelona? (I Jaona 3:15.)

18 Nahoana no misy olona be dia be toy izao mino ny fivoarana miandalana? Voalohany indrindra aloha, izy io dia tsangan-kevitra be mpanaraka sy lamaody. Ambonin’izany, dia manolotra fialana izany ho an’ny olona tia ny tsy miankina na tsy manana fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena, maniry hanao izay tiany ka tsy hahatsiaro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny Mpamorona iray na ny lalàny ara-pitondrantena. Tao amin’ny Esquisse de l’Histoire universelle nosoratany, dia nohazavain’i H. G. Wells ny fomba nitomboan’ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, taorian’izany dia nolazainy fa izy io “dia tsy nitondra hevitra manorina mihitsy afaka nitana ny toeran’ireo fitsipika ara-pitondrantena tranainy. Izany dia niteraka tena faharatsiana10”. Tsy nanampy velively tamin’ny fanatsarana kokoa ny fiainana izy io.

19 Ilay mpanoratra tantara atao hoe Wells dia mampahafantatra antsika ny vokatry ny fampianarana ny amin’ny evaolisiona iray hafa koa. Hoy izy: “Nino tamim-pahatsorana ireo mahery fa nandresy izy ireo noho ny Ady ho amin’ny Fahavelomana, dia ady tokony handresen’ireo matanjaka sy ireo fetsy ny osa sy ny olona mora mino loatra. (...) Nihevitra koa izy ireny (...) fa ara-drariny raha toa, ao anatin’ny vahoaka, ka misetrasetra sy mampanaiky ny hafa ny alika vaventy11.” Tamin’izany ny evaolisiona dia nahatonga ny “fivavahana lazaina fa kristiana” ho afaka hanamarina ny fandraisany anjara amin’ny ady feno habibiana. Ilay boky hoe Ny evaolisiona sy ny kristiana (anglisy) dia mihevitra ny fampianaran’i Darwin ho tompon’andraikitra tamin’ny loza nahatsiravina tamin’ny Ady Lehibe Voalohany sy ireo heloka lehibe nataon’ny nazia12. Toy izany koa, tokony hekena fa manana anjara andraikitra amin’ny fisondrotan’ny kaominisma ny evaolisiona. Notantaraina fa toa hoe faly Karl Marx tamin’ny famakiana ny L’origine des espèces nataon’i Darwin ary toa hoe nilaza izy fa io boky io dia “kapoka mahafaty” natao tamin’Andriamanitra13. Izao koa no nolazain’i Karl Marx:

“Tena lehibe tokoa ny bokin’i Darwin ary ampiasaiko ho fototry ny adin’ireo kilasy eo amin’ny tantara14.”

Amin’izao androntsika izao ireo firenena kaominista, dia mbola manatratra izany zava-kendrena izany ihany, dia: ny fanapahana maneran-tany mifototra amin’ny fampianarana evaolisionista ny amin’ny “fitohizan’ny fahaveloman’izay zatra kokoa.” Misy firenena hafa koa mandray anjara amin’ny ady mba hahavelona hatrany, ka izany miteraka fifaninanana mihoa-pampana hanao fitaovam-piadiana noklehera. Araka izany, dia tandindomin-doza ny fiainan’ny olombelona rehetra.

20. Ahoana moa no mety hahatonga ny finoana ny evaolisiona hanan-kery eo amin’ny fiainanao? (Kolosiana 2:8.)

20 Misy heriny eo amin’ny fiainanao ve izany? Mety hanimba aoka izany ny tenanao ianao raha manaiky ho voafitaky ny fampianarana evaolisionista. Raha marina io fampianarana io, dia tsy hisy zava-kendrena na heviny mihitsy eo amin’ny fiainana. Ho ady amim-pamoizam-po mba hahavelona ihany sisa izany, ka ny hany fiafarany dia ho ny fahafatesana. Koa satria ny evaolisionista mino ny “fitohizan’ny fahaveloman’izay zatra kokoa”, dia tsy misy na inona na inona manosika azy ireny ho tia ny namany, hanana fiainana madio ara-pitondrantena na hitondra tena amin’ny fomba hafa tsy toy ny an’ny biby. Misy voka-dratsiny eo amin’ny olona ny evaolisiona. Ambonin’izany, izy io dia tsy afaka manome valiny mahafa-po na dia amin’ny anankiray monja aza amin’ireo fanontaniana ny amin’ny fiainana. Ny Baiboly kosa anefa dia manome antsika ny valin’ireo fanontaniana ireo.

NAHOANA MOA NY FIAINANA NO SAROTRA TOY IZAO?

21, 22. a) Azo ampitahaina amin’inona moa ny tarehin-javatra hitan’ny olombelona amin’izao fotoana izao? b) Inona moa no “filazana” tsy nohajain’i Adama, ary inona no vokatry ny tsy fankatoavany? (Genesisy 2:15-17; 3:17-19.)

21 Azo atao ny mampitaha ny olombelona amin’ny fianakaviana iray mandeha amin’ny fiarakodia eo amin’ny arabe mahafinaritra tokoa. Mitondra ho any amin’ny paradisa malaza iray io lalana io. Manao izay hahatonga ny dia hahafinaritra daholo ny zavatra rehetra. Nefa, indro, ireo mpianakavy ireo fa nahatsinjo lalana hafa midadasika aoka izany iray, ka teo amin’ny fidirana ho ao dia nisy filazana hoe “Loza — Tsy azo idirana”. Nandresy tamin’ny farany ny fahalianana hahafanta-javatra sy ny fitiavana tsy fanekena, ka niditra tamin’io lalana io izay nampanalavitra azy hatrany tamin’ny arabe ilay fiarakodia. Tsitapitapitr’izay, dia nitsontsorika tamin’ny fidinana mideza aoka izany iray izy, ka tsy nahafehy an’ilay fiarakodia intsony ireo mpandeha. Koa satria tapaka ny “freins”, dia tsy azo atao ny mijanona sy miverina mba hanaraka indray ny arabe. Mihamirimorimo ihany ilay fiarakodia ka amin’ny farany dia potika ao amin’ny tevana iray ahitan’ny fianakaviana manontolo fahafatesana.

22 Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa toy izany koa ny fitrangan-javatra ho an’ny taranak’olombelona. Tao amin’ny saha Edena, dia azo lazaina hoe nametaka izao filazana izao ho an’ilay lehilahy voalohany Andriamanitra: ‘Tsy tokony hihinana amin’ity voankazo ity ianao’. Tokony hampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy tamin’ny fanarahana an’io baiko tsotra dia tsotra io. Tsy nankatò anefa izy ireo. Ninia nihataka tamin’ny arabe izy ireo mba hiditra ao amin’ny lalan’ny fahotana izay mitarika ho amin’ny fahafatesana ho fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 5:12: “Koa amin’izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Noho isika taranak’i Adama nikomy, dia tsy maintsy ho nanaraka an’io lalana tsy mahafinaritra io izay lavitra dia lavitra ny fahatanterahana hitan’ireo ray aman-drenin’ny taranak’olombelona tao amin’ny paradisa isika rehetra. Hatramin’ny taona vitsivitsy, dia simba sy manahirana indrindra io lalana io. Malalaka sy tsy azo ifanenana izy io, ary tsy nisy filoha ara-politika na olon-kendry eo amin’izao tontolo izao na dia iray aza afaka nanoro ny taranak’olombelona ny lalana harahina mba hiverenana. Tsy maintsy mitarika izay rehetra manaraka azy ho amin’ny fahafatesana io lalana io. Heverina ho zavatra tena mety hisy tokoa amin’izao fotoana izao ny fandringanana ny taranak’olombelona.

23, 24. a) Inona moa no dikan’ny teny ao amin’ny Jaona 14:6, ary nahoana Jesosy no afaka niteny toy izany? b) Inona avy moa no soa mety horaisin’ny tenanao raha miverina eo amin’ny lalana lehibe ianao? (Jaona 3:16.)

23 Jereo anefa! Nisy tara-pahazavana nanazava lalana manitsy ety iray azo iverenana sy anarahana indray ny arabe. Raha vao jerena io lalana io dia toa faran’izay tery sy sarotra arahina. Noho izany, ny ankamaroan’ny olona izay manaraka tsy amim-pitandremana ny lalana malalaka dia tsy mihevitra an’io lalana ety io. Aleony manaraka ny maro. Manohy manaraka ny lalana malalaka ny ankamaroan’ny olona satria mora izany ary satria tian’izy ireo ny fahafinaretana mihelina entiny ho azy ireo. Tsy henoiny mihitsy ireo izay tsy mitsahatra ny mampitandrina azy amin’ny loza mananontanona azy. Nefa, ny olona mahira-tsaina sasany dia miditra eo amin’ny lalana ety. Marina fa tojo fahasahiranana sasany izy ireny ary tsy maintsy mitandrina hatrany, nefa rehefa avy eo dia manjary mahafinaritra aoka izany ny manaraka izany. Farany, izany dia mitarika azy ireny ho ao amin’ny paradisam-pahasambarana iray vao naorina. Toy inona moa ny fahasambaran’ireny olona ireny afaka mandinika an’io paradisa mahafinaritra sy milamina io!

24 Eo koa dia asehon’ny Baiboly fa toy izany koa ny amin’ny taranak’olombelona. Raha mbola mikiry mifikitra amin’ny tsy fiankinany ny ankamaroan’olona ka manaraka ny maro eo amin’ny lalana malalaka mitarika ho amin’ny fandringanana, dia atoro azy ireny ny lalana iray hahatonga azy ho afaka ny hiverina. Fony teto an-tany Jesosy, Zanak’Andriamanitra, dia nanondro an’io lalana io tamin’ny filazana hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” (Jaona 14:6). Noho Jesosy nanatontosa tamim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra, ka tonga hatramin’ny fanaovana sorona ny ainy mihitsy aza ho an’ny taranak’olombelona, dia notendren’Andriamanitra izy ho “Fiasana lehibe indrindra mitondra fiainana.” Tonga teto amin’izao tontolo izao koa Jesosy mba “hanambara ny marina” sy hampahafantatra ny fikasan’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 3:15, MN; Jaona 18:37). Izy irery ihany no afaka mampiseho amin’ny olombelona ny lalana tokony harahina mba hiverenana eo amin’ny lalana tsara sy lehibe mitarika ho amin’ny fiainana sambatra ao amin’ny paradisa an-tany nampanantenain’Andriamanitra.

25. Nahoana moa ny fiainana eo amin’ny tany paradisa no faniry tokoa? (Apokalypsy 21:3, 4.)

25 Ho tianao ve ny hanaraka an’io lalana io mandra-pahatonganao eo amin’ny tany tonga be voninahitra indray, izay hanolorana anao ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana ka hanana fahasalamana tonga lafatra? Tena ho tsara lavitra noho ny fiainana ankehitriny izany.

26. Nahoana moa no zava-dehibe ny hianaranao tokoa ny fahamarinana? (Jaona 8:31, 32.)

26 Mba hahitana ny “lalana” mitarika ho amin’izany fiainana izany, dia ilaina ny hanehoana finoana an’ilay Fiasana lehibe indrindra mitondra fiainana voatendrin’Andriamanitra. Manjary hafa tanteraka ny fiainantsika rehefa misy zava-kendrena ka ananantsika ny fanantenana mafy orina ny hahita indray andro any, fiainana ampoky ny soa sy sambatra izay tsy hanam-pahataperana. Inona no tokony hataontsika mba hahatanterahan’ny fanantenantsika? Ny tenan’i Jesosy mihitsy no namaly tamin’izao vavaka izao, izay nataony tamin’ny Rainy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Amin’ny fianarana amin-jotom-po ny Soratra masina no ahafahantsika mahafantatra ny fahamarinana, ary raha manaraka izany isan’andro isan’andro isika, dia hanomboka dieny izao hiaina ny tena fiainana.

TOE-JAVATRA MANERAN-TANY MISY HERINY EO AMIN’NY FIAINANAO

27. Ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana moa isika amin’izao andro izao? (II Timoty 3:1.)

27 Araka ny fiaiken’ny ankapoben’olona, dia miharatsy ny toe-javatra maneran-tany. Mitombo ny fahantrana sy ny fanaovana heloka bevava any amin’ireo tanàn-dehibe. Na aiza na aiza misy anao, dia mihalafo kokoa ihany ny hividiananao ny mofo, ny hena sy izay rehetra ilaina mba hahavelona. Any amin’ny tany maro dia hita eny an-dalambe ny fikorontanana. Ampoizina isan’andro isan’andro ny hahita fisehoan-javatra mbola mahery vaika kokoa hatrany sy ny hipoahan’ny ady koa aza. Toy ny hoe tonga avy nandeha mafy eo amin’ny faran’ny lalana izay mitarika azy ho amin’ny fandringanana ny olombelona.

28. Iza moa no fototry ny ratsy rehetra, ary inona no zava-kendreny? (II Korintiana 4:4).

28 Hery inona no ao ambadik’izany rehetra izany? Raha ny marina, izy io dia persona ara-panahy ratsy fanahy, dia “ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” Satana no mitarika ny politikan’ireo firenena. Izao anefa isika dia tonga eo amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra mba hanesorana amin’i Satana ny fahefana tanany ary mba hanankinana amin’ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra, ny fanapahana eo amin’ny olombelona, dia fanapahana hampiharina amim-pitiavana sy fahalemem-panahy. Izao koa no fotoana amerenan’Andriamanitra ireo izay tia ny fiainana, ho eo amin’ny lalana lehibe izay hitarika azy ireny ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana. Tsy vonona ny hiala amin’ny fanapahany anefa Satana. Noho izany, “loza ho an’ny tany (...) fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:9, 12). Ny zava-kendren’i Satana dia ny hitarika ny olombelona ho amin’ny fandringanana.

29. Inona moa no kasain’Andriamanitra hatao amin’izao androntsika izao? (Salamo 37:9-11).

29 Na aiza na aiza itodihantsika, dia tsy azo lavina fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy”, izany hoe Satana (1 Jaona 5:19). Tsy havelan’Andriamanitra hanatanteraka ny fikasan-dratsiny anefa izy io. Marina fa akaiky ny fandringanana ny fitambaran’olona maneran-tany ankehitriny. Hamonjy aina anefa Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Nasehony izany tao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly.

METY HO VOAVONJY NY AINA NOHO IREO FAMINANIANA AO AMIN’NY BAIBOLY

30. Nahoana moa isika no afaka manantena amim-pitokisana tanteraka ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly mikasika ny androntsika? (II Petera 1:19-21; Daniela 9:24-27).

30 Faminaniana marobe no efa nahita fahatanterahany mahagaga. Ohatra, taonjato maro talohan’ny hisehoan’i Jesosy teto an-tany, dia nisy faminaniana ao amin’ny Baiboly nanambara ny daty hanombohan’ny asa fitoriany sy hifaranany, izany hoe nanomboka tamin’ny 29 ka hatramin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, mbamin’ny antsipiriany maro ny amin’ny fiainany sy ny fahafatesany. Tanteraka daholo izany rehetra izany. Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nanome faminaniana mahatalanjona maromaro, ka ny anankiray tamin’izany dia mikasika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Efa nahita fahatanterahany nahagaga izany teo amin’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny taonjato voalohany.

31, 32. Ahoana moa no namonjena aina tamin’ny 70 noho ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly? (Lioka 21:20-24).

31 Araka ny Matio 24:3, 15-22, dia nambaran’i Jesosy fa hanao fahirano an’i Jerosalema ilay ‘fahavetavetana’, izany hoe ny tafiky ny Empira romana. Nampiany koa fa rehefa hahita izany ny kristiana, dia tokony “handositra ho any an-tendrombohitra”. Rehefa afaka telo amby telopolo taona teo ho eo taty aoriana, dia nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika romana, ka nahatanteraka tapany maro tamin’ny faminanian’i Jesosy. Ohatra, nanodidina ny tanàna izy ireo tamin’ny fanaovana manda manodidina azy, rehefa avy eo dia niditra tao Jerosalema, “fitoerana masina”, izy, ka tonga hatrany amin’ny manda andrefana amin’ny tempoly mihitsy aza (Matio 24:15). Fa ahoana no hahatonga ny kristiana tao anatin’ny tarehin-javatra toa tsy nisy lalana ivoahana, ho afaka handao ny tanàna?

32 Tampotampoka teo, tsy hita izay tena antony, dia nihataka ny tafika romana. Afaka nanaraka ny baikon’i Jesosy tamin’izay ireo kristiana ka namonjy ny ainy tamin’ny fandosirana ho any an-tendrombohitra, tany andafin’i Jordana. Rehefa afaka taona vitsivitsy taty aoriana, ny tafika romana, notarihin’ny jeneraly Titus tamin’io indray mandeha io, dia niverina ka nanao fahirano indray an’i Jerosalema. Tamin’ny taona 70, dia rava tanteraka ny tanàna sy ny tempoliny. Araka ny filazan’i Josèphe, mpanoratra tantara, dia Jiosy 1 100 000 no maty noho ny toe-piainana nateraky ny fanaovana fahirano, noho ny mosary na ny sabatra, ary 97 000 no nentina ho andevo. Voavonjy anefa ny ain’ireo Jiosy tena tia ny fiainana tokoa ka nanaraka ireo faminanian’ny Baiboly.

33. Amin’ny ahoana moa ny tarehin-javatra ankehitriny no azo ampitahaina amin’izay nisy tao anatin’ireo andro farany tamin’ny fandehan-javatra jiosy? (Lioka 21:25, 26).

33 Nampiasain’i Jesosy ireny zava-niseho tamin’ny taonjato voalohany nambarany ireny, ho sarin’ny zavatra tena lehibe hiseho, izay tsy maintsy hitranga ao anatin’ny fahaveloman’ny taranaka iray ihany, dia ny taranaka mahita maso izany nanomboka tamin’ny 1914. Amin’ny fahatanterahana faran’ny faminanian’i Jesosy, ny taona 1914 dia nahita “fiandohan’ny fahoriana”, satria ‘nisy firenena nitsangana hamely firenena’ tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay nampilomano an’izao tontolo izao tao anatin’ny rà. Araka ny nambaran’i Jesosy, dia nisy nanaraka izany, “horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana.” Taty aoriana, dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, mbola vao mainka nahafaty olona betsaka kokoa noho ny voalohany. Ary ankehitriny izao tontolo izao dia ianjadian’ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. (Matio 24:7-13; Lioka 21:10, 11). Very hevitra ireo firenena ary tsy misy na dia iray aminy aza mahafantatra ny fomba hivoahana amin’izany tarehin-javatra izany.

34. Inona moa no ataon’Andriamanitra mba hamonjena aina? (Daniela 2:44).

34 Mahafantatra izany kosa anefa Andriamanitra. Rehefa nilaza mialoha izy fa hitsara ireo fanjakana na firenena tia tena amin’ny tany, dia nambarany fa “hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay” izy ary io Fanjakana io dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra ireo”. (Daniela 2:44). Homeny ny fiainana sy ny fiadanana amin’izay ireo manaiky ny fanapahan’ny Fanjakan’i Jesosy rehetra. Mba hanampiana ny olona maniry ho velona, ny kristiana marina amin’izao andro izao dia mandray anjara amin’ny asa famonjena, ka manatanteraka amin’izany an’ity tapany hafa iray amin’ny faminaniana lehibe nataon’i Jesosy ity: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. — Matio 24:14.

35. a) Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny farany? b) Inona moa no mety ho azonao raha mihevitra ireo faminaniana ianao? (Lioka 21:34-36).

35 Miharihary fa ho tiantsika tsara ny hahalala hoe rahoviana marina no “ho tonga ny farany”. Voakasika amin’izany tokoa ny fiainantsika. Izao no vakintsika ao amin’ny Joba 24:1: “Tsy miafina amin’ny Tsitoha ny fotoana; nefa tsy mahalala ny androny ireo izay mahafantatra azy.” (Fillion). Tokony ho antomotra anefa io andro io. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy mikasika ny olona nahita ny “fahoriana” nanomboka tamin’ny 1914: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany”. (Matio 24:34). Tafiditra ao anatin’izany “rehetra izany” ny fandringanana ny fitambaran’olona ratsy ankehitriny. Toy izao no nilazalazan’i Jesosy ny amin’izany fandringanana izany: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” (Matio 24:21, 22). Raha tsy nohafohezina ny “fahoriana lehibe”, dia ho ringana ny olombelona. Nefa soa ihany fa izay rehetra tia an’Andriamanitra dia mety ho voavonjy ny ainy. “Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” (Salamo 145:20). Raha mihevitra an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ianao, dia afaka mandositra ny fahafatesana koa ka ho velona mandrakizay.

NY FOMBA HAHAVOATSIMBINA KA HO VELONA MANDRAKIZAY

36. Ahoana no hampiharanao ny I Jaona 2:15-17 eo amin’ny fiainanao? (Marka 12:28-31).

36 Ho anisan’ireo ho tafita velona ve ianao? Eny, raha miala amin’ny lalana malalaka tsy maintsy mitondra ho amin’ny fandringanana ianao ary raha manaraka ny filazana apetaka eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha tena maniry ny ho velona tokoa ianao, dia tsy sarotra loatra akory izany. Tokony hianatra ho tia an’Andriamanitra sy ny namanao fotsiny ianao. Araka ny vakintsika ao amin’ny 1 Jaona 5:3, dia “izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”. Eo aloha kely, io taratasy io ihany (2:15-17) dia mampiseho ny anankiray amin’ny zavatra tokony hotandremana:

“Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”

Raha tiantsika ny ho velona mandrakizay, noho ny fiarovana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra mandritra ny “fahoriana lehibe”, avy eo dia ao amin’ny paradisa tafaverina, dia tokony hiala amin’ny zavatra halan’Andriamanitra isika, dia: ny fahalotoam-pitondrantena, ny faniriana harena mihoa-pampana, ny tsy fanaovana ny marina, ny lainga; ny halatra sy ireo adin’izao tontolo izao. Amin’ny fanaovana toy izany, dia azontsika atao dieny izao ny manao izay hahatonga ny fiainantsika hahafinaritra kokoa.

37. a) Amin’ny heviny ahoana moa isika no tsy tokony ho ‘naman’izao tontolo izao’? (Jaona 15:17-19). b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa manohana ny Fanjakan’Andriamanitra isika? (Matio 6:33).

37 Izao no nolazain’i Jesosy mikasika ny mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Ahoana no azontsika anaovana toy izany? Amin’ny tsy fiahiana ny amin’ny volavolan-kevitra sy ny drafitr’izao tontolo izao izay raha ny marina dia tarihin’ilay andriamaniny sady filohany, dia Satana, ilay “ratsy”, ho amin’ny fandringanana. Eo amin’ny fiainantsika andavanandro, dia tokony hohalavirintsika izay rehetra mety ho fandraisana anjara amin’ny asan’izao tontolo izao mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Araka ny asehon’ny teny ao amin’ny Matio 24:3 sy 25:31 (MN ), ny famantarana ny “famaranana ny fandehan-javatra” dia sady famantarana koa ny “fanatrehan’i” Jesosy any an-danitra, izay nanomezana azy ny fahefan’ny mpanjaka. Nanomboka tamin’ny 1914 àry dia tanteraka ity faminaniana hafa iray ity: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Andriamanitra] sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15). Noho izany antony izany, dia izao no fotoana tokony hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Miankina amin’izany ny fiainantsika. Azontsika atao amim-pieritreretana tsara tanteraka àry ve ny manohana ireo ady, ireo fanonganam-pitondram-panjakana, ireo fihetsiketsehana ara-politika na ireo volavolan-kevitr’izao tontolo izao? Tsy hahatratra ny zava-nikendrena azy ireny volavolan-kevitra ireny, satria izy ireny noforonina mba ho fanatanterahana izay ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no afaka manao azy. Voatokana ho amin’ny fandravana ny fandehan-javatra maneran-tany manontolo. Ka nahoana no hiaraka amin’ireo izay manandrana mamonjy azy? Aoka koa isika hanohana amim-pahatsorana ilay hany fanafodiny azo antoka, dia: ny Fanjakan’Andriamanitra.

38. Inona moa no tokony ho fihetsika hasehontsika eo anoloan’ireo fitondram-panjakana? (Lioka 20:25).

38 Moa ve isika tokony ho tonga tia tsy fisian’ny fanapahana? Tsy izany velively, satria “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. (1 Korintiana 14:33). Antenain’Andriamanitra, raha mbola maharitra koa ireo fitondram-panjakana ankehitriny, ny hanajantsika ny lalàny sy ny filohany. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 13:1: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe”. Milaza izany fa tokony homena an’i “Kaisara” (ireo fitondram-panjakana) izay tokony ho azy, izany hoe ny hetra sy ny fanarahana ireo lalàna tsy mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra. — Marka 12:17.

39. Ahoana moa no azontsika ampisehoana ny fitiavantsika ny namantsika? (I Korintiana 13:4-7).

39 Tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika. Tsy misy toerana tsaratsara kokoa noho ny tokantranontsika mba hanehoana ny fitiavantsika ny namantsika. Amin’ny fomba ahoana anefa? Milaza izany amintsika amin’ny fomba tsotra dia tsotra ny Baiboly ao amin’ny Kolosiana 3:18-21, izay voasoratra toy izao:

“Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy. Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany. Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy”.

Ireo no fotopoto-pitsipika tsara dia tsara mahatonga ho afaka hampiray ny mpianakavy. Eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika amin’ny ankapobeny, fa tsy amin’izay akaiky antsika ihany, dia azontsika atao ny maneho toetra toy ny ‘famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana’. Fa inona no toetra lehibe indrindra? “Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany”. — Kolosiana 3:12, 14.

40. Karazan’olona manao ahoana moa ny vavolombelon’i Jehovah? (Jaona 13:34, 35).

40 Nefa, manontany tena angamba ianao raha toa amin’izao andro izao ka misy antokon’olona maneho tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana eo amin’ny fiainany. Eny, misy anankiray toy izany. Raha misy Efitrano Fanjakana iray eo akaikin’ny fonenanao, dia ho ampy ny fankanesanao any mba hahitana anisan’io fikambanana iraisam-pirenena io, ivondronan’ny olona an-tapitrisany maro. Amin’ny ankamaroany izy ireny dia olona tsotra izao tsy manana fiandohana na fiainana tamin’ny lasa hafa noho ny an’ireo manodidina azy amin’ny ankapobeny ary sahala amin’ny an’ny mponina hafa ao amin’ny faritaniny. Nefa, mankamin’Andriamanitra voalohany indrindra ny fitiavan’izy ireo. Andrasan’izy ireny amim-pifaliana ny hanaovana ny sitrapony eto an-tany, ary mampifanaraka ny fiainany amin’izany izy ireo dieny izao. Izany no antony ianarany ny Baiboly amim-pitandremana. Ampihariny eo amin’ny fiainany andavanandro ireo fotopoto-pitsipiny ary toriny amin’ny mpiara-belona aminy ny hafatra ao anatiny. Tsy iza izany fa ny vavolombelona kristian’i Jehovah. Nahoana raha mitsidika azy ireny ao amin’ny Efitrano Fanjakanany? Ho hitanao fa tsy manaraka fombafomba manokana izy ireo, tsy manao fanatazan-drakitra mihitsy ary tsy manara-pomba henjana na dia iray aza. Ho tsapanao kosa fa izy ireny dia olona mafana fo izay mahita fahafaham-po marina amin’ny fiainana dieny izao sady manantena ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy tonga lafatra eto an-tany ho tonga paradisa indray.

41. Ahoana moa no nandaminan’ny vavolombelona ireo zava-manahirana lehibe? (Asan’ny apostoly 10:34, 35).

41 Moa ve tsy ho tianao ny hifanerasera amin’ny olona manana fanantenana toy izany ka mampifanaraka ny fiainany amin’izany? Miray saina ireo vavolombelona maneran-tany noho izy ireo manaraka daholo ny fitsipiky ny Baiboly. Eo anivony izy ireo, dia nahalamina tamim-pahasambarana ireo zava-manahirana marobe anandraman’ireo firenena itondrana fanafodiny, nefa tsy misy vokany. Horaisintsika ho ohatra ny ady, ny fanavakavaham-pirazanana sy ny fanindrahindram-pirenena. Noho izy ireo manaiky hotarihin’ny Baiboly, dia azo lazaina hoe voailiny ireo zava-manahirana mifamatotra amin’ny herisetra, ny fanaovana heloka bevava, ny tsy fanaovana ny marina sy ny fahalotoam-pitondrantena. Tsy mba voakasiky ny loza ara-tsosialy izy ireo. Na dia manjary manao fahadisoana lehibe aza ny anankiray aminy, mahalana no ahitana izany, dia azo atao ny manarina azy amim-pitiavana indray ho eo amin’ny laharan’izy ireo raha mibebaka izy. Noho ny fahafantarana fa “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra”, dia tsy avelany hisy heriny eo amin’ny fihetsika asehony amin’ireo namany ny laharana ara-tsosialy misy azy ireny, ny fari-pahaizany na ny firazanany. — Asan’ny apostoly 17:26.

NAHOANA NO AZO ATAO NY MANANTENA TSARATSARA KOKOA NOHO IZAO FIAINANA IZAO

42. Inona no ho avy atolotra an’ireo izay tia ny fiainana? (Salamo 72:1-8.)

42 Ireo izay tia ny fiainana ka manao zavatra dieny izao mba hiarovana azy, dia manana ho avy be voninahitra eo anoloany. Ho toy inona moa izany fiainana ho avy izany? Izany akory tsy ho sahala amin’ny fiainana mahatofoka ananan’ny olona marobe amin’izao andro izao. ‘Ny zavatra taloha — ny alahelo, ny fahafatesana sy ny fanaintainana ateraky ny fandehan-javatra ankehitriny — dia ho efa lasa’. Inona no ho solony? Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no milaza izany amintsika toy izao: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:4, 5). Ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka any an-danitra, dia hanjaka amim-pitiavana eo amin’ny taranak’olombelona manontolo ho “Ray mandrakizay”. “Ny handrosoan’ny fanapahana [fanapahany] sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. (Isaia 9:6, 7, MN ). Ho feno fahasambarana sy hahafaly tokoa ny fiainana amin’izany! Hanan-java-kendrena ny olona, dia: ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany ka haneho fitiavana ny namany. Manome toky antsika Jesosy fa na dia ny maty aza dia ‘handre ny feony ka hivoaka’ avy ao am-pasana mba hiaina sambatra eo amin’ny tany tonga paradisa indray. — Jaona 5:28, 29.

43. Ahoana no mety hahavonjy ny aina? (Zefania 2:2, 3).

43 Tsy ho ela ny “fandehan-javatra ratsy ankehitriny” dia ho tonga eo amin’ny faran’ny lalana malalaka izay hampivarina azy ho any amin’ny fandringanana. Tsy voatery hanaraka azy anefa ianao. Raha miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra misy mpikambana tia ny fiainana ianao, dia mety ho voavonjy ny ainao rehefa hitondra fandringanana ireo firenena tompon’andraikitra amin’ny rà latsaka rehetra Andriamanitra:

“Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy”. — Isaia 26:20, 21.

44. Inona moa no fahatsinjovan-javatra kanto atolotra anao? (Deoteronomia 30:19, 20).

44 Raha manomboka dieny izao miaina ny tena fiainana ianao amin’ny fanarahana ireo fitsipika ao amin’ny Baiboly, dia ho afaka ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” miaraka amin’ny vahoaka be zotom-po sy matoky ny ho avy, dia ny vahoakan’Andriamanitra, ka tsy ho faty mihitsy. Azo atao marina tokoa ny milaza amim-pitokisana fa “vahoaka betsaka” amin’ny olona velona amin’izao fotoana izao no manana fanantenana ny tsy ho faty mihitsy.

45. a) Inona moa no miasa amin’izao andro izao ary hiasa mandrakizay? (I Timoty 6:11, 12). b) Ahoana moa no azonao ampisehoana fa manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao ianao? (I Timoty 6:17-19).

45 Ao anatin’ny fikambanana velona tokoa voaforon’ny vavolombelona kristiana maneran-tany, Jehovah dia nanao zavatra efa miasa sahady ankehitriny, izay afaka miasa ho anao ary hiasa amin’ny fomba mahagaga ao amin’ny paradisa an-tany, ka ao, amin’ny farany, “izay rehetra manam-pofon’aina” dia hidera an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome ny aina lehibe (Salamo 150:6). Eny, marina tokoa fa azo atao ny manantena zavatra tsaratsara kokoa noho izao fiainana izao!

FAKÀN-TENY

1. Intellectual Digest, desambra 1971, p. 59.

2. Charles Darwin: His Life, toko faha-3, p. 66.

3. The Yomiuri, Tokyo, 17 janoary 1969.

4. Charles Darwin, L’origine des espèces, fand, fr. nataon’i E. Barbier, p. 576.

5. Isaac Asimov, The Wellsprings of Life, 1960, pp. 224, 225.

6. Lecomte du Noüy, L’homme et sa destinée, 1948, p. 42.

7. Prof. John Moore, oniversitem-panjakana any Michigan, fitadidiana datin’ny 27 desambra 1971, p. 5.

8. Isaac Asimov, The Wellsprings of Life, 1960, p. 85.

9. M. S. Keringthan, The Globe and Mail, Toronto, 26 novambra 1970, p. 46.

10. H. G. Wells, Esquisses de l’Histoire universelle, fand. fr. nataon’i E. Guyot, 1948, p. 487.

11. Io ambony io ihany, p. 488.

12. Philip G. Fothergill, Evolution and Christians, 1961, p. 17.

13. Himmelfarb, Darwin and the Darwinian Revolution, p. 398.

14. J. D. Bernal, Marx and Science, 1952, p. 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Ny filazana toko sy andininy ao amin’ny Baiboly tsy arahin’ny fanafohezana, ao amin’ity bokikely ity, dia avy amin’ny fandikan-teny malagasy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Nisy manam-pahaizana kinga nanorina ambangovangon-tsarin’ny fitambara-masoandro manodidina antsika. Moa ve tsy nitaky saina lehibe lavitra ny fanorenana izao rehetra izao tsy hita fetra?

[Sary, pejy 8]

Ny mpamily sambondanitra iray dia niresaka ny tany ho “zavatra tsara tarehy indrindra fandinika ao anatin’ny velaran’ny habakabaka manontolo”. Ny antony dia satria izy io fialofan’ny fiainana izay noforonin’Andriamanitra

[Sary, pejy 10]

Misy sokajin’alika maro afaka mifampiteraka. Nefa ny “karazana” alika dia tsy azo ampivadina amin’ny “karazana” saka, na amin’ny “karazana” hafa rehetra.

[Sary, pejy 11]

The Seattle Times, November 21, 1971

The Washington Daily News, December 27, 1971

The Express, Easton, Pa., May 3, 1973

[Nadika avy amin’ny teny anglisy ireo lohatenin-gazety ireo]

[Sary, pejy 12, 13]

Tsy azo atao ny hanisy tetezana eo ambonin’ny hantsana lalina mampisaraka ny olombelona amin’ny biby. “Karazana” noforonina miavaka ireo.

[Sary, pejy 15]

Noforonina mba hiaina ao amin’ny paradisa be voninahitra iray ny olombelona. Nefa mba hanohizana hiaina toy izany, dia tokony hankato hatrany izy.

[Sary, pejy 20]

Ity sary vato mivohitra kely eo amin’ny andohalambon’i Titus (any Roma) ity dia manamarina fa zava-nisy ara-tantara ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70.

[Sary, pejy 21]

Nisy kristiana tamin’ny taonjato voalohany namonjy ny ainy tamin’ny fiheverana ireo faminanian’ny Baiboly. Afaka mamonjy ny ainao koa ianao amin’ny fanahafana azy ireny.

[Sary, pejy 23]

“Nanokatra ny taonjaton’ny ady maneran-tany ny Ady Lehibe Voalohany (...). Mbola tsy nisy firenena maro toy izany mihitsy indray nandray anjara tamin’ny ady iray ihany. Tsy mbola nitatra toy izany, nahazo ny ankapoben’olona toy izany mihitsy ny vonoana olona.” — “World War I’ ”, nataon’i H. W. Baldwin.

[Sary, pejy 23]

Tombanana ho 400 000 000 ny isan’ny olona tena tsy ampy sakafo aoka izany.

[Sary, pejy 29]

Hahita ny tena fiainana sy hidera an’Andriamanitra mandrakizay ny fikambanana vaovao hisy olona matahotra an’Andriamanitra.