Akaiky “ny faran’izao tontolo izao”!
Toko faha-18
Akaiky “ny faran’izao tontolo izao”!
1. Ahoana no hahafantaran’ireo mpianatr’i Kristy eto an-tany fa efa nanomboka nanjaka any an-danitra izy?
REHEFA noroahin’i Jesosy avy tany an-danitra Satana sy ireo anjeliny ka nandray ny fiandrianana izy, dia nanomboka ho kely sisa ny andron’i Satana sy ny fandehan-javany ratsy (Apokalypsy 12:7-12). Ahoana anefa no mety hahafantaran’ireo mpianatr’i Kristy eto an-tany fa tena nitranga tokoa io zava-niseho tany an-danitra, noho izany dia tsy hita maso, io? Ahoana no hahafantarany fa nanatrika tamin’ny fomba tsy hita maso tao amin’ny Fanjakany Kristy ary akaiky “ny faran’izao tontolo izao”? Amin’ny fandinihana ny fahatanterahan’ny “famantarana” nomen’i Jesosy.
2. Inona no fanontaniana napetrak’ireo mpianatr’i Kristy taminy?
2 Fotoana fohy talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, raha teo an-tendrombohitra Oliva izy, dia nangataka “famantarana” taminy ny efatra tamin’ireo apostoliny. Toy izao ny fomba nametrahany ny fanontanian’izy ireo: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao?” (Matio 24:3). Fa inona tokoa no dikan’ny fitenenana hoe “ny fihavianao” sy “ny fahataperan’izao tontolo izao”?
3. a) Inona no dikan’ny fitenenana hoe “ny fihavianao” sy “ny fahataperan’izao tontolo izao”? b) Ahoana àry no tokony hamakiana ny fanontaniana napetraky ny mpianatra?
3 Ny teny grika nadika hoe ‘fihaviana’ eo dia “parousia” ary “fanatrehana” no heviny. Araka izany, ny fisehoan’ny “famantarana” dia hampiseho fa manatrika Jesosy, amin’ny fomba tsy hita maso, ary nomena ny fahefana hanjaka. Ny fitenenana hoe “faran’izao tontolo izao” dia tsy milaza faran’ny tany akory, fa faran’ny fandehan-javatr’i Satana kosa (II Korintiana 4:4, MN). Tokony hovakina toy izao manaraka izao àry ny fanontanian’ny apostoly: “Lazao anay: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
4. a) Inona no mahaforona “ny famantarana” nomen’i Jesosy? b) Ahoana no azo ampitahana “ny famantarana” amin’ny marika avelan’ny rantsan-tanana?
II Timoty 3:1-5; II Petera 3:3, 4.) Ireny fisehoan-javatra ireny dia azo ampitahaina amin’ireo marika avelan’ny rantsan-tanana izay mampiavaka ny olona tsirairay avy. Manana ny marika mampiavaka azy na fisehoan-javatra ny “andro farany” ka izany dia “marika” azo tsapaina tsy mety ho an’ny fotoana hafa rehetra.
4 Tsy noferan’i Jesosy ho zavatra hiseho iray monja “ny famantarana”. Nanome lisitry ny zavatra hiseho izy. Afa-tsy Matio, dia nisy mpanoratra hafa koa ao amin’ny Baiboly nanisy fitenenana ny amin’ireny zavatra ireny izay hanamarika ny “andro farany”, ka hitranga mandritra ny fotoana antsoina ao amin’ny Baiboly hoe “andro farany”. (5, 6. Raha mbola mandinika ireo lafiny 11 amin’ny famantarana ny “andro farany” ianao, inona no takatrao momba “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”?
5 Tao amin’ny toko faha-16 isika dia nandinika ireo porofo araka ny Baiboly ny amin’ny fiverenan’i Kristy sy ny fandraisany ny fahefana hanjaka eo afovoan’ireo fahavalony tamin’ny 1914. Hofakafakaintsika izao ny lafiny isan-karazany amin’ny “famantarana” ny fanatrehan’i Kristy, izay porofo fanampiny mampiseho ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatr’i Satana. Mariho ny fomba nahatanterahan’izany nanomboka tamin’ny 1914.
“HISY FIRENENA HITSANGANA HAMELY FIRENENA, ARY FANJAKANA HITSANGANA HAMELY FANJAKANA.” —Tsy takona tamintsika ny fahatanterahan’io lafiny amin’ny “famantarana” io nanomboka tamin’ny 1914. Tamin’io taona io no nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Ady niraisam-pirenena izy io, nahafaty kokoa noho ireo ady lehibe voamarika tao anatin’ireo 2400 taona nialoha azy. 21 taona taty aoriana anefa dia nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, izay nahafaty olona avy efatra heny.
Hatramin’ny nahataperan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1945, dia olona maherin’ny 25 tapitrisa no namoy aina tao anatin’ireo ady 150 nampihozongozona izao tontolo izao, ary amin’ny ara-keviny dia ady 12 isan’andro no voamarika. Aoka hanampintsika an’izany ny fandrahonan’ny ady vaovao iray haneran-tany. Etazonia irery dia manana tahirim-piadiana ataomika ampy handringanana ny olombelona indroa ambin’ny folo fara fahakeliny.
“HISY MOSARY.” — Matio 24:7
Ny Ady Lehibe Voalohany dia narahin’ny mosary tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny Tantara. Tany Shina Avaratra fotsiny dia olona 15 000 no maty noana isan’andro. Namely ny ampahefatry ny olona anefa ny mosary taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Hatramin’izay dia mandrava tany maro izany.
Tamin’ny 1967, dia notantarain’ny New York Times fa tany amin’ny tany iray eo an-dalam-pandrosoana, dia olona iray no maty isaky ny 8,6 segondra noho ny aretina iray nateraky ny tsy fahampian-kanina”. Ary olona 50 tapitrisa no matin’ny hanoanana isan-taona! Tamin’ny 1980, dia eo amin’ny ampahefatry ny mponina amin’ny tany (olona 1 000 000 000) no mosarena noho ny tsy fahampian-kanina. Na dia any amin’izay be sakafo aza, dia be dia be no mahantra loatra ka tsy afaka mividy hanina.
“HISY (...) ARETI-MANDRINGANA ANY AMIN’NY TANY SAMY HAFA.” —Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany indrindra, dia nahafaty olona 21 000 000 ny gripa espaniola! Mbola mandripaka olona ihany ny areti-mandringana sy ny aretina. Olona an-tapitrisany maro no maty isan-taona noho ny aretim-po sy ny homamiadana. Mitombo tsy misy toy izany ny aretin-dratsy toy ny tety. Miely any amin’ny tany samy hafa ny tazo, ny bilarziozy sy “onchocercose” (karazam-pahajambana), indrindra fa any Azia, Afrika sy Amerika latina.
‘HISY HOROHORONTANY AMIN’NY TANY SAMY HAFA.’ — Matio 24:7.
Nanomboka tamin’ny 1914, dia mitranga matetika tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny horohorontany lehibe. Nandritra ny 1000 taona mahery (856 ka hatramin’ny 1914), dia tsy nisy afa-tsy horohorontany lehibe 24 nahafaty olona 1 973 000. Nefa tao anatin’ny 63 taona (1915 ka hatramin’ny 1978), dia olona 1 600 000 no namoy aina tao amin’ireo horohorontany lehibe 43 voamarika.
“HITOMBO NY TSY FIRAHARAHANA LALANA.” — Matio 24:12, MN.
Marihina maneran-tany ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny tsy firaharahana lalàna. Mitombo tsy misy toy izany ny famonoana olona, ny fisavihana sy ny halatra. Any Etazonia fotsiny, dia misy fanaovana fahadisoana lehibe iray isan-tsegondra, amin’ny ara-keviny. Any amin’ny toerana maro, dia manjaka ny tahotra eny amin’ny arabe na dia amin’ny antoandro be aza. Rehefa latsaka ny alina, dia mihidy mafy ao an-tranony ny olona.
“HO RERAKA NY FON’NY OLONA NOHO NY FAHATAHORANY.” —Ianjadian’ny tahotra ny olona. Izao no nambaran’ilay manam-pahaizana atao hoe Harold Urey, fotoana fohy taorian’ny nipoahan’ireo baomba ataomika voalohany: “Hatramin’izao, na mihinana isika na matory, na velona na maty, dia ho ao anatin’ny tahotra foana.” Marina izany, ary tsy noho ny fandrahonan’ny ady noklehera fotsiny. Mahazo ny fo ny tahotra noho ny heloka bevava, ny fandotoana, ny aretina, ets., izay mahatandindomin-doza ny filaminana sy ny aina mihitsy.
‘NY TSY FANOAVANA RAY SY RENY.’ — II Timoty 3:2.
Amin’izao andro izao, dia matetika ny ray aman-dreny no tsy mahatarika firy ny zanany. Mikomy amin’ny karazam-pahefana rehetra ny tanora. Koa mamely maneran-tany ny ditran’ny tanora. Any amin’ny tany sasany, dia ankizy 10 ka hatramin’ny 17 taona no manao ny antsasany mahery amin’ny fahadisoana lehibe. Mamono olona izy ireny, misavika, manao an-keriny, ets. Tsy mbola niely toy izao mihitsy ny tsy fanoavana ny ray aman-dreny teo amin’ny tantara.
“TIA VOLA.” — II Timoty 3:2.
Hita hatraiza hatraiza ny fitiavan-karena fatratra. Be dia be no hanao na inona na inona mba hahazoam-bola, anisan’izany ny fangalarana sy ny famonoana olona. Misy olona fatra-pitia harena tsy misalasala manamboatra sy mivarotra zavatra fantatra fa mampidi-doza ho an’ny fahasalamana sy ny ain’ny mpiara-belona aminy. Na an-karihary na amin’ny fomba fiainany, ireny olona ireny dia milaza ny vola hoe: ‘Io no andriamanitro.’
“TIA NY FAHAFINARETANA MIHOATRA NOHO NY FITIAVANY AN’ANDRIAMANITRA.” —Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mitady afa-tsy ny fahafinaretan’ny tenany na ny an’ny fianakaviany fa tsy miahy ny amin’ny hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tian’izy ireny izay melohin’Andriamanitra, anisan’izany ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny fimamoana, ny zavatra mahadomelina, ets. Ireo fahafinaretana mety hahasoa aza dia omeny toerana alohan’ny fitadiavana an’Andriamanitra sy ny asany.
“MANANA NY ENDRIKY NY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA, NEFA NANDA NY HERINY.” — II Timoty 3:5.
Na ny mpitondra na ny sarambabembahoaka, dia matetika no samy mampideradera ny fitiavany fivavahana; ireo voalohany dia mianiana eo amin’ny Baiboly rehefa handray ny raharahany, ireto faharoa manohana ara-bola ny raharaha ara-pivavahana. Matetika tokoa anefa izany no “endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” fotsiny. Araka ny voalazan’ny Baiboly mialoha, ny fanompoam-pivavahana marina dia tsy hery eo amin’ny fiainan’ny olona amin’ny ankapobeny. Tsy hetsehin’ny faniriana hanao izay tsara izy ireny.
‘MANIMBA NY TANY IZY IRENY.’ — Apokalypsy 11:18.
Voaloto ny rivotra sy ny rano ary ny tany. Lehibe aoka izany ny fandotoana, hany ka nandefa izao fampiomanana izao ilay manam-pahaizana atao hoe Barry Commoner: “Heveriko fa ny fandotoana foana ny tany, raha tsy voafehy, amin’ny farany dia hahatonga ny planetantsika tsy ho azo onenana.”
6 Ireo zava-mitranga voalaza eo aloha ireo dia mampiseho fa ny “famantarana nomen’i Jesosy sy ireo fisehoan-javatra nolazain’ny
mpianatra mialoha dia eo am-pahatanterahana. Marina fa misy porofo hafa koa, nefa ireo vao avy nodinihina dia ampy hanamarina fa isika izao dia miaina amin’ny “andro farany” nambaran’ny Baiboly.7. a) Inona no mahatonga ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny fanatrehan’i Kristy sy ny “andro farany” hiavaka aoka izany? b) Mifanohitra amin’ireo faminanian’ny Baiboly, inona no nolazain’ireo filoha teto amin’izao tontolo izao talohan’ny 1914 indrindra?
7 Mety hisy anefa hilaza hoe: “Efa nanamarika ny Tantara foana ny ady, ny mosary, ny areti-mandringana, ets. Koa tsy tokony ho sarotra ny maminany fa mbola hitranga indray izany.” Homarihina anefa izao: Tsy vitan’ny hoe nanambara mialoha izany loza aman’antambo izany ny Baiboly, fa nolazainy mazava koa ny hitrangan’izany amin’ny ambaratonga maneran-tany sy ao anatin’ny taranaka velona tamin’ny 1914. Talohan’ny 1914 indrindra anefa, ireo mpitondra lehibe dia nanizingizina fa tsy mbola tsara toy izany mihitsy ireo toe-javatra ilaina mba hisian’ny fandriampahalemana maneran-tany. Tonga tamin’ny fotoana voatendry anefa ireo loza voambaran’ny Baiboly mialoha, dia tamin’ny 1914. Ireo filoha eo amin’izao tontolo izao tokoa dia milaza izao fa nanamarika fiolahana teo amin’ny Tantara ny taona 1914.
8. a) Araka ny filazan’i Jesosy, taranaka inona no hahita ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny? b) Afaka matoky ny amin’inona àry isika?
8 Rehefa avy nanintona ny saina ho amin’ireo zava-niseho lehibe nanamarika ny vanim-potoana nanomboka tamin’ny 1914 i Jesosy dia nilaza toy izao: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany [anisan’izany ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny].” (Matio 24:34, 14). Ny tian’i Jesosy holazaina dia ny taranaka misy an’ireo izay velona tamin’ny 1914. Efa be taona tokoa izao ireo sisa velona ao amin’io taranaka io. Na dia izany aza, ny sasany amin’izy ireny dia ho vavolombelon’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Matokia fa vetivety foana sisa dia ho tonga ny fiafarana tampoky ny faharatsiana rehetra sy ny ratsy fanahy ao Haramagedona.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 149]
Nomen’i Jesosy an’ireo mpianany izay ho porofo hita mason’ny fanatrehany tsy hita maso nandray ny fahefana hanjaka.
[Sary, pejy 154]
1914 — HARAMAGEDONA
Ny sasany ao amin’ny taranaka misy an’ireo velona tamin’ny 1914 dia hahita ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny ka ho tafita velona amin’izany.