Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany

Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany

Toko faha-19

Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany

1. a) Ahoana moa mandrakariva no andraisana ny dikan’ny teny hoe Haramagedona? b) Ahoana no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?

“HARAMAGEDONA” dia teny iray maharaiki-tahotra olona be dia be. Matetika ireo mpitondra no mampihatra azy io amin’ny ady lehibe fahatelo mety hitranga. Ny Baiboly anefa dia milazalaza ny Haramagedona ho toeran’ny ady ara-drariny hataon’Andriamanitra (Apokalypsy 16:14, 16), izay hanokatra ny lalana ho amin’ny tontolo vaovao sy marina.

2. a) Iza no haringana ao Haramagedona? b) Fanao inona avy no ho tsara raha halavirintsika?

2 Mamono ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ireo adin’olombelona, fa tsy handringana afa-tsy ny ratsy fanahy kosa Haramagedona (Salamo 92:7). Jehovah no ho Mpitsara; hofoanany izay rehetra tsy mety manaraka an-tsitrapo ny lalàny marina. Amin’izao andro izao, dia tsy hitan’ny ankamaroan’olona fa ratsy ny fijangajangana, ny fimamoana, ny lainga sy ny famitahana. Melohin’Andriamanitra anefa ireny fanao ireny; koa amin’ny Haramagedona dia tsy hamonjy izay tsy niala tamin’izany izy (I Korintiana 6:9, 10; Apokalypsy 21:8). Izay rehetra mahalala ireo lalàn’Andriamanitra momba ireo fanao ireo dia tokony hiova fitondrantena.

3. a) Noharin’i Jesosy tamin’inona ny faran’izao tontolo izao ankehitriny? b) Inona no hitranga amin’i Satana sy ireo demoniany? d) Araka ny Soratra masina voatonona ao amin’ireo pejy manaraka, toe-piainana hanao ahoana no ho hitan’ny olona ao amin’ny paradisa an-tany?

3 Aorian’ny Haramagedona, dia hanjavona tanteraka izao tontolo izao ankehitriny. Ireo izay manompo an’Andriamanitra ihany no mbola ho velona (I Jaona 2:17). Ampitahain’i Jesosy amin’ny tamin’ny andron’i Noa ny tarehin-javatra (Matio 24:37-39; II Petera 3:5-7, 13; 2:5). Aorian’ny Haramagedona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanapaka ny tany. Tsy hisy intsony Satana sy ireo demoniany (Apokalypsy 20:1-3). Aoka hojerentsika izao ny sasantsasany amin’ireo fitahiana hatolotra ny olona mankatò.

NY FIADANANA HO AN’NY OLOMBELONA REHETRA

“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika, ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” — Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN].

“Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8.

TSY HISY ADY INTSONY

“Avia, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy.” — Salamo 46:8, 9.

FONENANA KANTO, ASA TSARA HO AN’NY TSIRAIRAY

“Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (...). Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; (...) ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy.” — Isaia 65:21-23.

TSY HISY HELOKA BEVAVA INTSONY NA HERISETRA NA FAHARATSIANA

“Fa ny mpanao ratsy hofongorana (...). Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” — Salamo 37:9, 10.

“Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:22.

HO PARADISA NY TANY MANONTOLO

Hoy Jesosy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:43, MN.

“Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.

SAKAFO TONDRAKA HO AN’NY REHETRA

Jehovah “dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...), dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka”. — Isaia 25:6.

“Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” — Salamo 72:16; 67:6.

4, 5. a) Inona no hanjavona ao amin’ny paradisa? b) Inona avy no zavatra tsy azon’ny olona atao amin’izao fotoana izao ho azony atao amin’izany?

4 Azo antoka fa irinao ny hiaina ao amin’ny paradisa iray sahala amin’ilay nisy an’i Adama vao noforonina (Genesisy 2:8; Lioka 23:43, MN). Eritrereto kely: tsy hisy ady intsony, na heloka bevava na herisetra! Ho afaka handeha hatraiza hatraiza ianao ary hivoaka amin’ny ora rehetra na andro na alina ka tsy hatahotra ny hisy hanao an-keriny. — Salamo 37:35-38.

5 Milaza izany fa tsy hisy mpanao politika tsy marina intsony na mpanao raharaham-barotra fatra-pitia harena mba hampahory ny olombelona. Tsy hisy hetra mavesatra intsony ho amin’ny fitaovam-piadiana, tsy hisy tsy fahampian-kanina, fonenana tsizarizary, tsy fananana asa, fihenan’ny sandam-bola sy fisondrotam-bidin-javatra. Tsy hisy intsony ireo fikorontanana izay mandrotidrotika ny fianakaviana. Hanana asa mahafinaritra ny tsirairay avy ary hifaly amin’ny vokatry ny asany.

6. a) Asa inona no miandry an’ireo ho tafita velona ao Haramagedona? b) Ahoana no hitahian’Andriamanitra ny asan’ny tanan’izy ireo?

6 Voalohany indrindra, ireo ho tafita velona ao Haramagedona dia hanana andraikitra hanadio ny tany, hanaisotra ireo sisan-javatra rava avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Avy eo, eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana dia hovoleny ny tany ka hataony fonenana hahafinaritra. Ho toy inona moa ny fahasambarana hiasa toy izany! Hitahy ny asan’ny tsirairay Andriamanitra, ary hanome toetr’andro mety amin’ny fambolena voan-javatra sy ny fiompiana andiam-biby izay harovany amin’ny aretina sy ny fahasimbana.

7. a) Inona no fampanantenan’Andriamanitra ho tanteraka? b) Inona no antenain’ny kristiana araka ny fampanantenan’Andriamanitra?

7 Amin’izay dia ho tanteraka izao fampanantenan’Andriamanitra izao: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:16). Eny, homena fahafahampo daholo ny faniriana ara-dalàna rehetra ananan’ireo izay matahotra an’Andriamanitra. Tsy azontsika atao akory aza ny maka sary an-tsaina ny fiainana hahafinaritra ao amin’ny paradisa an-tany. Raha niresaka ny amin’ny soa harotsak’Andriamanitra eo amin’ny vahoakany ny apostoly Petera, dia izao no nolazainy: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra] dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” II Petera 3:13; Isaia 65:17; 66:22.

8. a) Nahoana isika no tsy mila lanitra vaovao hita maso? b) Inona moa no atao hoe “lanitra vaovao”?

8 Tsy ny lanitra hita maso akory izany “lanitra vaovao” izany, satria noforonin’Andriamanitra ho tanteraka izany ary manambara ny voninahiny (Salamo 8:3; 19:1, 2). Ny “lanitra vaovao” dia manondro fanapahana vaovao ny tany. Ny “lanitra” ankehitriny dia voaforon’ny fitondram-panjakan’olombelona. Hanjavona izany amin’ny Haramagedona (II Petera 3:7). Ny “lanitra vaovao” izay hisolo toerana izany dia voaforon’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra izay Jesosy Kristy no Mpanjaka hodidinin’ny mpianatra mahatoky 144 000. — Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.

9. a) Inona no atao hoe “tany vaovao”? b) Inona moa ny tany izay hofoanana?

9 Ary ny “tany vaovao”? Tsy planeta vaovao akory izany. Ny tany nataon’Andriamanitra dia fonenana tonga lafatra ho an’ny olombelona ary tsy maintsy haharitra mandrakizay (Salamo 104:5). Ny “tany vaovao” dia manondro fitambaran’olona vaovao. Matetika ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe “tany” amin’io heviny io. Ohatra, izao no lazainy: “Ary ny tany rehetra [ny olona] dia iray fanononana.” (Genesisy 11:1). Ny “tany” hofoanana dia voaforon’ny olona anisan’ny fandehan-javatra ratsy (II Petera 3:7). Ny “tany vaovao” izay hisolo toerana azy dia ho voaforon’ny tena mpanompon’Andriamanitra izay nisaraka tamin’izao tontolo izao ratsy. — Jaona 17:14; I Jaona 2:17.

10. a) Iza no angonina amin’izao fotoana izao, ary aiza? b) Araka ny Soratra masina voatonona ao amin’ireo pejy manaraka, inona avy no zavatra tsy vitan’ireo fitondram-panjakan’olombelona ho tanteraka ao amin’ny paradisa?

10 Amin’izao fotoana izao, ireo olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny foko rehetra izay hahaforona ny “tany vaovao” dia voangona ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Ny firaisan-tsaina sy ny fiadanana izay manjaka eo amin’izy ireo dia tsy inona fa taratra manjavozavon’izay ho fiainana ao amin’ny paradisa, aorian’ny Haramagedona. Hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa izay tsy azon’ny fitondram-panjakan’olombelona nantenaina hatao mihitsy akory. Ireto ny sasantsasany amin’izany soa izany.

FIRAHALAHIANA MIORINA AMIN’NY FITIAVANA

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:34, 35.

“Indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona (...). Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo.” — Apokalypsy 7:9, 16.

NY FANDRIAMPAHALEMANA EO AMIN’NY OLONA SY NY BIBY

“Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.” — Isaia 11:6; 65:25.

FANJAVONAN’NY ARETINA, NY FAHANTERANA SY NY FAHAFATESANA

“Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” — Isaia 35:5, 6.

“Ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

HOVELOMINA INDRAY NY MATY

“Avy ny ora izay handrenesan’ny any am-pasana fahatsiarovana rehetra ny feony.” — Jaona 5:28, 29, MN.

“Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy.” — Apokalypsy 20:13.

11. Inona matetika no manamatroka ny paradisa nataon’ny olona ho an’ny tenany amin’izao fotoana izao?

11 Ilay paradisa hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanome fahafahampo ny olona mihoatra noho izay rehetra mety ho azon’ny fandehan-javatra ankehitriny entina. Marina fa amin’izao andro izao dia misy nanao karazana paradisa kely ho an’ny tenany, nefa tsy mahalana ireny olona ireny no tia tena sy masiaka na feno fankahalana mihitsy aza. Afa-tsy izany koa, dia tsy afa-mandositra ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana izy ireny. Nefa tsy fonenana sy zaridaina ary saha tsara tarehy fotsiny akory no hahaforona ny paradisa an-tany.

12, 13. a) Toe-piainana feno fiadanana inona no hisy aorian’ny Haramagedona? b) Inona no ilaina mba hahatanteraka izany toe-piainana izany?

12 Eritrereto ange. Hianatra hiara-hiaina ny olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra. Hifankatia tokoa izy ireo. Tsy hisy ho tia tena na hasiaka intsony. Tsy hisy hankahala intsony ny namany noho ny firazanany, ny volon-kodiny na ny tany niaviany. Ho efa nanjavona ny fitompoan-teny fantatra. Ny tsirairay avy dia ho tena sakaiza ho an’ny mpiara-belona aminy. Ho tena paradisa amin’ny heviny ara-panahy izany. Irinao ve ny hiaina ao amin’io paradisa io eo ambanin’ny “lanitra vaovao”?

13 Amin’izao andro izao ny olona dia miresaka ny amin’ny hoe hiaraha-miaina ao anatin’ny fandriampahalemana ary noforoniny mihitsy aza ny Fandaminan’ny “Firenena mikambana”. Tsy mbola voazarazara toy izao mihitsy anefa ireo firenena. Inona no fanafodiny ilaina? Ilaina ny manova ny fo, nefa ny fahagagana toy izany dia tsy vitan’ireo fitondram-panjakan’olombelona. Efa mitondra sahady izany fiovana izany kosa anefa ny hafatra momba ny fitiavan’Andriamanitra.

14. Inona no mitranga amin’izao andro izao ka manaporofo fa ho tanteraka izany toe-piainana paradisa izany?

14 Ny fahalalana ny amin’ny fandehan-javatra vaovao sy marina dia nanohina ny fon’ny olona be dia be izay nanomboka ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny namany araka ny ohatra nomeny (I Jaona 4:9-11, 20). Niteraka fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo izany. Be dia be tamin’ireo izay nasiaka sy feno fankahalana tamin’izany no nanjary malemy fanahy sy tia fihavanana. Tahaka ny ondry mankatò, dia voangona ao amin’ny andiany kristiana izy ireny.

15. a) Inona moa ireo antokon’olona kristiana roa misy? b) Iza moa ireo ho voalohany ho anisan’ny “tany vaovao”?

15 1 900 taona no nilaina mba hanangonana ny “ondry vitsy” amin’ny 144 000 miaraka ao amin’ny fiandrianan’i Kristy. Vitsy monja sisa tavela amin’izany amin’izao andro izao, satria ny hafa efa manjaka any an-danitra (Lioka 12:32; Apokalypsy 20:6). Izao koa anefa no nolazain’i Jesosy: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity [ny an’ny “ondry vitsy”] Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (Jaona 10:16). Angonina ankehitriny ny “olona betsaka” amin’ireny “ondry hafa” ireny. Izy ireny no ho mponina voalohany hahaforona ny “tany vaovao”. Hiaro azy ireny Jehovah amin’ny “fahoriana lehibe” amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Apokalypsy 7:9, 10, 13-15.

16. Inona no fahagagana hahatonga ny fiarahana amin’ny biby hahafinaritra?

16 Ny fahagagana hafa iray koa dia mbola vao mainka hahatonga ny fiainana hahafinaritra kokoa ihany ao amin’ny paradisa: ny biby mampidi-doza toy ny liona, ny tigra, ny leoparda sy ny bera dia hiara-hiaina amim-pilaminana amin’ny olombelona. Ho toy inona moa ny fifaliana rehefa hiara-handeha kelikely amin’ny olona mitsangantsangana any an’ala ny liona na ny bera iray! Hofoanana mandrakizay ny tahotra zavaboary hafa!

17, 18. a) Inona avy no antony miteraka alahelo hanjavona ao amin’ny paradisa an-tany? b) Inona no antoka ananantsika fa hanana fahasalamana tonga lafatra ny tsirairay avy?

17 Nefa na dia hahafinaritra aoka izany aza ireo fonenana sy zaridaina ka ho feno fitiavana ny olombelona ary tonga namana ny biby, raha mbola mamely ihany ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesana, dia tsy hisy farany ny alahelo. Tsy naharesy ny homamiadana, ny aretim-po mbamin’ny aretina hafa koa ireo fitondram-panjakan’olombelona. Na dia ho vitany aza izany dia tsy hahasakana ny olona tsy hihantitra. Indray andro any dia hihapahina ny masontsika, hihamalemy ny nofontsika, ary hiketrona ny hoditsika, tsy hiasa intsony ireo faritra amin’ny tenantsika ary dia ho tonga ny fahafatesana. Mampalahelo tokoa izany!

18 Ao amin’ny paradisa an-tany, dia hanao fahagagana lehibe hafa iray koa Andriamanitra; manome izao fampanantenana izao ny Baiboly: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Teto an-tany Jesosy Kristy dia nampiseho ny fahefany hanasitrana ny karazana aretina rehetra, vokatry ny fahotana nolovana tamin’i Adama (Marka 2:1-12; Matio 15:30, 31). Hanjavona koa ny fahanterana eo ambanin’ilay Fanjakana. Hihatanora tokoa ireo olona be taona. Eny, ‘hanjary ho tsara noho ny tamin’ny fahatanorany ny nofon’ny olona’. (Joba 33:25.) Ho toy inona moa ny fifaliana hahatsapa isa-maraina fa salama kokoa noho ny omalin’iny ny tena!

19. Inona no fahavalo farany hofoanana, ary amin’ny fomba ahoana?

19 Tsy hisy na dia iray aza amin’ireo izay hanana ny fahatanorana sy ny fahasalamana tonga lafatra ao amin’ny paradisa ka haniry ho faty. Ary nahoana no ho faty izy ireny? Noho ny fanavotana, dia hifaly amin’ny fanomezan’Andriamanitra izy ireny, dia ‘ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika’. (Romana 6:23.) ‘Hanjaka Kristy mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena’. — I Korintiana 15:25, 26; Isaia 25:8.

20. Ankoatran’ireo izay velona ankehitriny, iza koa no hifaly ao amin’ny paradisa an-tany, ary amin’ny fomba ahoana no hetezan’izany?

20 Na dia ireo maty amin’izao fotoana izao aza dia hahazo ny paradisa an-tany satria ho velona indray! Araka izany, dia tsy filazana manjo intsony no hatao fa havoaka ny lisitr’ireo ho tafatsangana amin’ny maty. Ho toy inona moa ny fahasambarana handray an’ireo olo-malalantsika rehetra rehefa hivoaka avy ao am-pasana izy ireny! Tsy hanaratsy endrika ny paradisa an-tany ny tranom-paty sy ny toeram-pandevenana ary ny fasana.

21. a) Iza no hiahy ny amin’ny hitandremana ireo lalàna sy toromariky ny “lanitra vaovao”? b) Ahoana no hampisehoantsika fa irintsika tokoa ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao”?

21 Ao amin’ny paradisa, ny lalàna sy toromarika rehetra dia ho avy amin’ny “lanitra vaovao”. Hisy olo-mahatoky hotendrena hampanaja izany. Noho izy ireny hampiseho amin’ny fomba manokana ilay Fanjakana any an-danitra, ny Baiboly dia miantso azy ireny hoe “mpanapaka”. (Isaia 32:1, 2; Salamo 45:16.) Na dia amin’izao andro izao aza, ny fanahy masin’Andriamanitra dia nanendry olona tao amin’ny kongregasiona kristiana mba hitarihana ny asany (Asa. 20:28). Afaka matoky isika fa aorian’ny Haramagedona dia hataon’i Kristy izay hisian’ny lehilahy mahay hotendrena hisolo tena ilay Fanjakana, satria ny tenany ihany no hitondra ny raharahan’ny tany. Tsy andrinao ve izay hahatongavan’ny “lanitra vaovao” sy ny ‘tany vaovaon’Andriamanitra’? Raha izany no izy, dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hamenoana ireo fepetra takina amin’izay hiaina ao anatin’io fandehan-javatra vaovao sy marina io. — II Petera 3:14.

[Fanontaniana]