Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?

Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?

Toko faha-5

Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?

1. Nahoana moa no ara-dalàna ny hinoana fa Andriamanitra dia hanome antsika filazalazana momba ny tenany?

MOA VE JEHOVAH ANDRIAMANITRA nanome antsika filazalazana momba ny tenany? Moa ve izy nilaza tamintsika izay nataony sy izay kasainy mbola hatao? Ny ray iray tia ireo zanany dia milaza zavatra maro amin’izy ireo. Ary avy amin’izay hitantsika, Jehovah tokoa dia ray be fitiavana.

2. a) Inona moa ny fomba iray tsara dia tsara ilazan’i Jehovah amintsika ny momba ny tenany? b) Fanontaniana inona no apetrak’izany?

2 Ahoana no hahazoan’i Jehovah manome filazalazana ho an’ny olombelona monina amin’ny faritra maro eto an-tany sy amin’ny fe-potoana samy hafa? Ny fomba tsara dia tsara ho azy dia ny fampanoratana boky iray ary avy eo dia ny fanaovana izay hahazoan’ny rehetra an’izany. Moa ve ny Baiboly no boky toy izany avy amin’Andriamanitra? Ahoana no ahafantarantsika raha izany no izy?

TSY MISY BOKY TAHAKA NY BAIBOLY

3. Amin’ny lafiny inona moa ny Baiboly no boky miavaka?

3 Raha avy amin’Andriamanitra marina tokoa ny Baiboly, dia tokony hampoizintsika izy io ho ny boky miavaka indrindra amin’izay nosoratana. Izany ve izy io? Eny, ary noho ny antony maro. Voalohany indrindra, dia tena tranainy izy io; tsy hantenainao ny hoe nanoratana ny tenin’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra vao fotoana fohy izay, sa tsy izany? Ny fanoratana izany dia nanomboka efa ho 3500 taona lasa izay tamin’ny fiteny hebreo. Avy eo, maherin’ny 2200 taona lasa izay, dia natomboka nadika ho amin’ny fiteny hafa izy io. Amin’izao andro izao dia saiky afaka mamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny manokana ny rehetra.

4. Manao ahoana ny isan’ny Baiboly navoaka raha ampitahaina amin’ny isan’ny boky hafa?

4 Ary koa tsy misy boky hafa manakaiky ny Baiboly amin’ny isan’ny kopia natao. Azo antsoina hoe “best-seller” ny boky iray rehefa kopia an’arivony no navoaka taminy. Kanefa isan-taona dia Baiboly an-tapitrisany maro no atao pirinty. Ary tao anatin’ireo taonjato dia an’arivony tapitrisa maro no natao! Mahalana no misy toerana eto an-tany, na manao ahoana na manao ahoana fitokanany, izay tsy ahitanao Baiboly. Moa ve tsy izany no tokony hampoizinao ny amin’ny boky iray izay avy amin’Andriamanitra marina tokoa?

5. Inona moa ireo fiezahana natao mba handevonana ny Baiboly?

5 Izay mahatonga io fampielezana lehibe ny Baiboly io ho vao mainka hiavaka kokoa dia ny hoe nanandrana nandevona azy ireo fahavalo. Nefa tsy tokony hampoizintsika ve fa ny boky iray avy amin’Andriamanitra dia ho tonga eo ambany famelezan’ireo iraky ny Devoly? Nitranga izany. Fahita tamin’ny fotoana iray ny fandoroana Baiboly, ary ireo izay tratra namaky ny Baiboly dia matetika nosazina ho faty.

6. a) Fanontaniana lehibe inona avy moa no valian’ny Baiboly? b) Lazain’ireo mpanoratra ny Baiboly ho avy aiza moa no nandraisany ny filazalazany?

6 Mety ny hanampoizanao ny handinihan’ny boky iray avy amin’Andriamanitra, raharaha lehibe izay tokony hirintsika rehetra ho fantatra. ‘Avy aiza ny fiainana?’ ‘Nahoana isika no eto?’ ‘Inona no hoentin’ny ho avy?’ dia sasany amin’ireo fanontaniana valiany. Ary milaza mazava tsara izy fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny filazalazana raketiny. Nilaza ny mpanoratra iray ny Baiboly hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no nampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”. (II Samoela 23:2) Nanoratra toy izao ny hafa iray: “Izay Soratra rehetra [Ny Soratra rehetra dia, MN] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (II Timoty 3:16) Koa satria ny Baiboly manambara amin’ny fomba hentitra aoka izany fa Tenin’Andriamanitra izy, moa ve tsy ho fahendrena ny handinihana azy mba hahitana raha izany no izy?

NY FOMBA NANORATANA NY BAIBOLY

7. a) Iza moa no nanoratra ny Baiboly? b) Nahoana àry no azo lazaina fa tenin’Andriamanitra izy io?

7 ‘Kanefa ahoana no mety haha-avy amin’Andriamanitra ny Baiboly raha nosoratan’olona izy?’ hoy ny mety ho fanontanianao. Marina fa eo amin’ny olona 40 no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Baiboly. Ireo olona ireo dia tena nanao ny fanoratana ny Baiboly afa-tsy ny Didy folo, izay nosoratan’Andriamanitra manokana teo amin’ny vato fisaka teo ambany fitarihan’ny fanahiny masina mivantana. (Eksodosy 31:18) Kanefa izany tsy mahatonga izay nosoratan’izy ireo ho tsy Tenin’Andriamanitra. Manazava ny Baiboly hoe: “Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (II Petera 1:21) Eny, toy ny nampiasan’Andriamanitra ny fanahiny masina mahery mba hamoronana ny lanitra, ny tany ary ny zavatra velona rehetra, dia nampiasainy koa izany mba hitarihana ny fanoratana ny Baiboly.

8, 9. Ohatra inona amin’ny andro ankehitriny moa no afaka manampy antsika mba hahatakatra ny fomba nampanoratan’Andriamanitra ny Baiboly?

8 Milaza izany fa tokana ihany ny loharanon’ny Baiboly, dia Jehovah Andriamanitra. Nampiasa olona izy mba hanoratra ny filazalazana, tsy misy hafa amin’ny mpanao raharaha iray mampiasa mpitantsoratra iray mba hanoratra taratasy. Manoratra ny taratasy ilay mpitantsoratra, nefa mirakitra ny eritreritra sy ny hevitr’ilay mpanao raharaha ny taratasy. Koa azy ny taratasy, fa tsy an’ilay mpitantsoratra, dia toy ny maha-Bokin’Andriamanitra ny Baiboly, fa tsy bokin’ireo olona izay nampiasaina mba hanoratra azy.

9 Satria Andriamanitra no namorona ny saina, dia azo antoka fa tsy sarotra taminy ny nifandray tamin’ny sain’ireo mpanompony mba hanomezana azy ireny ny filazalazana hosoratana. Na dia amin’izao andro izao aza ny olona iray dia afaka mipetraka ao an-tranony ary maharay hafatra avy amin’ny toerana iray lavitra be amin’ny alalan’ny radiao na ny televiziona. Ireo feo na sary dia mamakivaky elanelan-tany lavitra noho ny fampiasana lalàna fizika izay noforonin’Andriamanitra. Mora àry ny mahatakatra fa Jehovah, avy any amin’ny toerany lavitra any an-danitra, dia afaka nitarika olona mba hanoratra ny filazalazana izay niriny ho fantatry ny fianakavian’olombelona.

10. a) Boky firy moa no mahaforona ny Baiboly, ary nandritra ny fe-potoana toy inona no nanoratana ireo? b) Foto-kevitra lehibe inona moa no hita ao amin’ny Baiboly?

10 Boky mahatalanjona iray no vokany. Raha ny marina, ny Baiboly dia voaforon’ny boky kely 66. Ny teny grika hoe biblia, izay niavian’ny teny hoe “Baiboly”, dia midika hoe “boky kely”. Ireny boky, na taratasy ireny, dia nosoratana nandritra ny fe-potoana 1600 taona, nanomboka tamin’ny 1513 talohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny 98 amin’ny fanisan-taona iraisana. Kanefa, noho ny fananany Loharano iray ihany, ireo boky rehetran’ny Baiboly ireo dia mifanaraka amin’izy samy izy. Foto-kevitra iray ihany no hita ao aminy manontolo, dia ny hoe hamerina toe-piainana marina Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakany. Ny boky voalohany, ny Genesisy, dia milaza ny fomba nahaverezan’ny fonenana paradisa iray noho ny fikomiana tamin’Andriamanitra, ary ny boky farany, ny Apokalypsy, dia milazalaza ny fomba hanaovana indray ny tany ho paradisa amin’ny alalan’ny fanapahan’Andriamanitra. — Genesisy 3:19, 23; Apokalypsy 12:10; 21:3, 4.

11. a) Inona moa ireo fiteny nampiasaina mba hanoratana ny Baiboly? b) Nozaraina ho fizarana lehibe roa inona moa ny Baiboly, nefa inona no mampiseho ny firaisan’izy ireo?

11 Ny boky 39 voalohany amin’ny Baiboly dia nosoratana indrindra tamin’ny fiteny hebreo, ka tapany tena kely no tamin’ny fiteny arameana. Ny boky 27 farany dia nosoratana tamin’ny fiteny grika, dia ny fiteny nahazatra ny olona fony nandalo tetỳ an-tany Jesosy sy ny kristiana mpanaraka azy. Ireo fizarana roa lehibe amin’ny Baiboly ireo dia antsoina amin’ny fomba mety hoe ny “Soratra hebreo” sy ny “Soratra grika”. Mba hampisehoana ny fifanarahan’izy ireo, ny Soratra grika dia maka teny avy amin’ny Soratra hebreo mihoatra ny in-365, ary manisy firesahana fanampiny ny amin’izany eo amin’ny in-375 eo.

NY FANAOVANA IZAY HAHAZOAN’NY REHETRA NY BAIBOLY

12. Nahoana moa Jehovah no nampanao kopian’ny Baiboly?

12 Raha ny soratra tany am-boalohany fotsiny no teo am-pelatanana, ahoana no hahafahan’ny olona rehetra mamaky ny Tenin’Andriamanitra? Tsy ho afaka hanao izany izy ireo. Koa nataon’i Jehovah izay hanaovana kopian’ireo soratra hebreo tany am-boalohany. (Deoteronomia 17:18) Ilay lehilahy natao hoe Ezra, ohatra, dia nantsoina hoe “mpanora-dalàna (...) nahay ny lalàn’i Mosesy, izay efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely”. (Ezra 7:6) Nisy kopia an’arivony maro amin’ny Soratra grika natao koa.

13. a) Inona moa no nilaina mba hahafahan’ny ankamaroan’olona mamaky ny Baiboly? b) Oviana moa no natao ny fandikana voalohany ny Baiboly?

13 Mamaky teny hebreo na grika ve ianao? Raha tsia, dia tsy azonao atao ny mamaky ireo kopian’ny Baiboly nosoratan-tanana tany am-boalohany izay ny sasany amin’ireny dia mbola misy. Noho izany, mba hamakianao ny Baiboly, dia tsy maintsy nisy olona nandika ireo teny ho amin’ny fiteny iray fantatrao. Izany fandikana avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny hafa izany dia nahatonga olona maro kokoa ho afaka hamaky ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra, teo amin’ny 300 taona talohan’ny niainan’i Jesosy teto an-tany, ny fiteny grika dia nanjary ny fiteny natomboky ny ankamaroan’ny olona niresahana. Koa nadika ho amin’ny fiteny grika ny Soratra hebreo, nanomboka tamin’ny 280 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Nantsoina hoe ny “Septante” io fandikan-teny voalohany io.

14. a) Nahoana moa ny filoha ara-pivavahana sasany no niady mba hitehirizana ny Baiboly tsy ho voadika? b) Inona moa no mampiseho fa resy izy ireny?

14 Taty aoriana, ny fiteny latina dia nanjary ny fiteny nahazatra olona maro, koa dia nadika ho amin’ny fiteny latina ny Baiboly. Nefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia nihavitsy ny olona niteny latina. Ny ankamaroan’olona dia niresaka tamin’ny fiteny hafa, toy ny arabo, frantsay, espaniola, portioge, italiana, alemàna ary anglisy. Nandritra ny fotoana sasany ireo mpitondra fivavahana katolika dia niady mba hitehirizana ny Baiboly tsy ho voadika amin’ny fitenin’ny sarambaben’olona. Nodorany mihitsy teo amin’ny tsato-kazo aza ireo olona nanana Baiboly. Nanao izany izy ireo satria nahariharin’ny Baiboly ny fampianaran-diso sy ny fanao ratsin’izy ireny. Nefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia resy ireny filoha ara-pivavahana ireny, ary natomboka nadika ho amin’ny fiteny maro sy nozaraina maro be tokoa ny Baiboly. Amin’izao andro izao ny Baiboly dia azo vakina, manontolo na tapatapany, amin’ny fiteny maherin’ny 1700!

15. Nahoana moa no tsara ny hananana fandikana ny Baiboly vaovao kokoa?

15 Rehefa nandeha ny fotoana, dia fandikana maro samy hafa ny Baiboly no natao tamin’ny fiteny mitovy. Ohatra, amin’ny fiteny anglisy fotsiny dia misy fandikana ny Baiboly am-polony maro. Nahoana? Moa ve tsy ho ampy ny iray? Eny, rehefa mandeha ireo taona dia hiova be dia be ny fiteny iray. Koa raha mampitaha fandikana tranainy kokoa ny Baiboly amin’ny vaovao kokoa ianao, dia hanamarika fiovana eo amin’ny fiteny. Na dia saika manome hevitra mitovy aza izy ireny mandrakariva, dia homarihinao fa ireo fandikana natonta tato anatin’ny taona faramparany dia mora azo kokoa amin’ny ankapobeny. Koa afaka ny ho velom-pankasitrahana isika noho ireo fandikana vaovao ny Baiboly, satria nametraka ny Tenin’Andriamanitra ho amin’ny fiteny mahazatra, mora azo amin’ny andro ankehitriny izy ireo.

MOA VE NIOVA NY BAIBOLY?

16. Nahoana moa no mino ny olona sasany fa niova ny Baiboly?

16 Nefa mety hanontany ianao hoe: ‘Ahoana no ahazoantsika antoka fa ny Baibolintsika amin’izao andro izao dia mirakitra filazalazana mitovy amin’izay noraisin’ireo mpanoratra ny Baiboly avy tamin’Andriamanitra?’ Noho ny fanaovana hatrany hatrany kopia tamin’ireo boky ao amin’ny Baiboly nandritra ny an-jatony ary na dia nandritra ny an’arivony taona maro aza, moa ve tsy tafatsofoka tao anatiny ny fahadisoana? Eny, nefa hita ireny fahadisoana ireny ary nahitsy tao amin’ireo fandikana ny Baiboly amin’ny andro ankehitriny. Amin’izao andro izao, ny filazalazana dia mitovy amin’izay nomen’Andriamanitra an’ireo izay nanoratra izany voalohany.

17. Inona moa no mampiharihary fa tsy niova ny Baiboly?

17 Eny, teo anelanelan’ny 1947 sy 1955 dia hita izay fantatra hoe ny Horonam-bokin’ny Ranomasina maty. Mirakitra kopia amin’ireo bokin’ny Soratra hebreo ireo horonam-boky tranainy ireo. Ny fahelany dia hatreo amin’ny 100 ka hatramin’ny 200 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Ny iray amin’ireo horonam-boky dia kopia amin’ny bokin’Isaia. Talohan’ny nahitana an’io, ny kopia tranainy indrindra amin’ny bokin’Isaia teo am-pelatanana amin’ny fiteny hebreo dia anankiray izay natao teo amin’ny 1000 taona taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Rehefa nampitahaina ireo kopia roa an’Isaia ireo, dia tena kely fotsiny ny fahasamihafana teo amin’izy ireo, ka ny ankamaroan’izany dia fiovaovana madinika teo amin’ny fanononana! Milaza izany fa tao anatin’ny 1000 taona mahery nanaovana kopia, dia tsy nisy tena fiovana!

18. a) Ahoana moa no nanitsiana ireo fahadisoan’ny mpanao kopia? b) Inona moa no azo lazaina momba ny fahamarinan’ny Soratra grika?

18 Misy kopia tranainy maherin’ny 1700 amin’ny tapany samihafa amin’ny Soratra hebreo, eo am-pelatanana. Amin’ny fampitahana amim-pitandremana ireny kopia maro tena tranainy ireny, na dia ireo fahadisoana vitsivitsy nataon’ny mpanao kopia aza dia mety ho hita ary azo ahitsy. Ary koa, misy kopia an’arivony maro tena tranainy amin’ny Soratra grika, ka ny sasany amin’ireo kopia ireo dia efa ho hatramin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoliny. Toy izao no nilazan’Andriamatoa Frederic Kenyon izany: “Ireo antony farany mamela hisalasala ny amin’ny fahamarinan’ny soratra izay tonga hatraty amintsika dia voaisotra ankehitriny.” — The Bible and Archaeology, pejy 288, 289.

19. a) Inona moa ny ohatra ny amin’ny fanandramana nanampy teny ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana no tsy anisan’ny Baiboly ny I Jaona 5:7, araka ny isehoany ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany?

19 Tsy milaza akory izany hoe tsy nisy fanandramana nanova ny Tenin’Andriamanitra. Nisy izany. Ny ohatra iray miavaka dia momba ny I Jaona 5:7. Ao amin’ny Fandikan-tenin’ny mpanjaka Jacques dia vakintsika toy izao izany: “Fa misy telo izay manao fanambarana any an-danitra, dia ny Ray, ny Teny, ary ny Fanahy Masina: ary iray ireo telo ireo.” Kanefa ireo teny ireo dia tsy hita ao amin’ireo kopia tena voalohany amin’ny Baiboly. Olona nitady hanohana ny fampianarana ny amin’ny Trinite no nanampy azy ireo. Koa satria mazava fa tsy tena anisan’ny Tenin’Andriamanitra ireo teny ireo, dia natao ny fanitsiana ary tsy hita ao amin’ireo Baiboly vaovao kokoa ireo teny ireo.

20. Nahoana moa no afaka matoky isika fa ny Baiboly dia notehirizina tamin’ny endriny madio?

20 Koa ny olona iray izay milaza fa tsy mirakitra ny filazalazana mitovy amin’izay nanoratana azy tany am-boalohany ny Baiboly dia tsy mahalala tsotra fotsiny ny zava-misy. Nataon’i Jehovah izay hiarovana ny Teniny tsy amin’ny fahadisoana nataon’ny mpanao kopia fotsiny, fa amin’ny fanandraman’ny hafa nanampy teny tamin’izany koa. Ny Baiboly mihitsy dia mirakitra ny fampanantenan’Andriamanitra fa ny Teniny dia hotehirizina amin’ny endriny madio ho antsika amin’izao andro izao. — Salamo 12:6; Daniela 12:4; I Petera 1:24, 25; Apokalypsy 22:18, 19.

TENA MARINA TOKOA VE NY BAIBOLY?

21. Ahoana moa no niheveran’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra?

21 Hoy Jesosy tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Nefa moa ve manohana izany ny zava-misy? Rehefa dinihina amim-pitandremana ny Baiboly, hitantsika ve fa tena ny fahamarinana tokoa izy io? Ireo mpandinika ny tantara izay nianatra ny Baiboly dia matetika talanjona noho ny fahamarinany. Mirakitra anarana manokana sy antsipiriany izay azo hamarinina ny Baiboly. Aoka isika handinika ohatra sasany.

22-25. Inona moa ny ohatra vitsivitsy mampiseho fa mirakitra tantara marina ny Baiboly?

22 Jereo ireo sary sy soratra eto amin’ity rindrin’ny tempoly ao Karnak, any Egypta ity. Miresaka ny amin’ny nandresen’ny farao Sisaka ny fanjakan’ny Joda nandritra ny fanapahan’i Rehoboama zanakalahin’i Solomona izany, efa ho 3000 taona lasa izao. Miresaka ny amin’ny fisehoan-javatra mitovy amin’izany ny Baiboly. — I Mpanjaka 14:25, 26.

23 Jereo koa ilay Vato moabita. Ny tany am-boalohany amin’izany dia azo jerena ao amin’ny trano fitehirizana ny rakitry ny ela ao Louvre, Paris, any Frantsa. Ilay soratra dia miresaka ny amin’ny fikomian’i Mesa mpanjakan’i Moaba tamin’ny Isiraely. Voasoratra koa ao amin’ny Baiboly io fisehoan-javatra io. — II Mpanjaka 1:1; 3:4-27.

24 Ny Farihin’i Siloama sy ny fidirana amin’ny tionelin-drano 533 metatra, ao Jerosalema, dia hita eto ery amin’ny farany ankavanana. Mpitsidika maro an’i Jerosalema amin’ny andro ankehitriny no namakivaky io tionelina io. Ny fisian’izy io dia porofo fanampiny fa marina ny Baiboly. Amin’ny ahoana? Satria manazava ny Baiboly fa Hezekia mpanjaka dia nampanorina io tionelina io efa ho maherin’ny 2500 taona izao, mba hiarovana ny tahirin-dranony tamin’ny mpanafika. — II Mpanjaka 20:20; II Tantara 32:2-4, 30.

25 Ao amin’ny “British Museum” ny mpitsidika iray dia afaka mahita ny Tantaran’i Nabonida, izay ny kopia iray aminy dia hita eto ankavanana. Milazalaza ny fianjeran’i Babylona fahiny izy io, dia tahaka ny ataon’ny Baiboly ihany koa. (Daniela 5:30; 6:1 [5:31, MN]) Nefa milaza ny Baiboly fa Belsazara no mpanjakan’i Babylona tamin’izany. Kanefa ny Tantaran’i Nabonida dia tsy manonona akory na dia ny anaran’i Belsazara aza. Tamin’ny fotoana iray tokoa ny soratra tranainy fantatra rehetra dia nilaza fa Nabonida no mpanjaka farany tao Babylona. Koa ny sasany izay nilaza fa tsy marina ny Baiboly dia nilaza tamim-pihamboana fa tsy nisy mihitsy Belsazara ary diso ny Baiboly. Nefa tao anatin’ireo taona faramparany dia nisy soratra tranainy hita izay nahafantarana an’i Belsazara ho toy ny zanakalahin’i Nabonida sy mpiara-manapaka taminy tao Babylona tamin’izany fotoana izany! Eny, tena marina tokoa ny Baiboly, araka ny porofoin’ny ohatra maro dia maro aoka izany.

26. Inona moa no fanaporofoan-javatra fa marina ny Baiboly eo amin’ny lafiny ara-tsiansa?

26 Kanefa tsy hoe tantara marina fotsiny no raketin’ny Baiboly. Ny zavatra rehetra lazainy dia marina. Eny fa na dia rehefa mikasika raharaha momba ny siansa aza izy, dia marina amin’ny fomba mahatalanjona. Ireto misy ohatra roa azo omena: Tamin’ny andro fahiny, dia ninoan’ny maro fa nanana tohany hita maso ny tany, ary nipetraka teo amin-javatra iray, toy ny hoe teo ambonin’ny olona goavana iray. Kanefa, mifanaraka tanteraka amin’ny fanaporofoan’ny siansa, ny Baiboly dia mitantara fa Andriamanitra dia “manantona ny tany amin’ny tsy misy”. (Joba 26:7) Ary tsy milaza ny Baiboly hoe fisaka ny tany, araka ny ninoan’ny maro azy tamin’ny lasa, fa lazainy kosa hoe “mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany [eo ambonin’ny boriborin’ny tany, MN] Andriamanitra. — Isaia 40:22.

27. a) Inona moa ny porofo mahery indrindra fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly? b) Zavatra inona moa no nambaran’ny Soratra hebreo mialoha tamim-pahamarinana momba ny Zanak’Andriamanitra?

27 Nefa ny porofo lehibe indrindra fa avy amin’Andriamanitra marina tokoa ny Baiboly dia ny zavatra raketiny lavorary eo amin’ny fanambarana ny ho avy. Tsy misy boky nataon’olona milaza marina ny tantara alohan’ny hitrangany; ny Baiboly anefa dia manao izany. Feno faminaniana tsy misy diso izy io, eny, feno tantara nosoratana mialoha raha ny marina. Ny sasany miavaka indrindra amin’ireny dia momba ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tetỳ an-tany. Ny Soratra hebreo dia nanambara tsy nisy diso an-jatony taona maro mialoha fa ho teraka ao Betlehema io Nampanantenaina io, fa hateraky ny virijina izy, fa hisy hamadika amin’ny sekely volafotsy 30 izy, fa tsy hisy na dia taolana iray amin’ny tenany aza ho tapaka, fa hilokana ny akanjony, ary antsipiriany maro dia maro fanampiny. — Mika 5:1 [5:2, MN]; Matio 2:3-9; Isaia 7:14; Matio 1:22, 23; Zakaria 11:12, 13; Matio 27:3-5; Isaia 53:12; Lioka 22:37, 52; Salamo 34:20; Jaona 19:36; Salamo 22:18; Matio 27:35.

28. a) Nahoana moa isika no afaka matoky fa na dia ireo faminanian’ny Baiboly tsy mbola tanteraka aza dia ho tanteraka? b) Hampiaiky anao ny amin’inona moa ny fianarana mitohy ny Baiboly?

28 Araka ny voalaza tao amin’ny toko voalohany amin’ity boky ity, ny Baiboly dia manambara mialoha fa hifarana tsy ho ela ity fandehan-javatra tranainy ity ary ny iray vaovao sy marina no hisolo izany. (Matio 24:3-14; II Petera 3:7, 13) Azontsika atao ve ny miantehitra amin’ny faminaniana mbola ho tanteraka toy izany? Eny, raha nilaza taminao ny fahamarinana injato ny olona iray, moa ve hiahiahy azy tampotampoka eo ianao rehefa milaza zava-baovao aminao izy? Raha tsy mbola nahita mihitsy ratsy teo aminy ianao, moa ve ianao ankehitriny hanomboka hiahiahy azy? Endrey fa tsy ho ara-dalàna ny hanaovana izany. Toy izany koa, tsy misy antony tokony hisalasalantsika ny amin’izay ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Azo itokisana ny Teniny! (Titosy 1:2) Amin’ny fanohizana mianatra ny Baiboly, ianao koa dia hanjary hiaiky bebe kokoa hatrany, noho ireo zava-misy, fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 49]

Nampiasa olona Andriamanitra mba hanoratra ny Baiboly, mitovy amin’ny fampiasan’ny mpanao raharaha iray mpitantsoratra mba hanoratra taratasy.

[Sary, pejy 50]

Ny filoha ara-pivavahana sasany dia niady mba hitehirizana ny Baiboly tsy ho azon’ny sarambabem-bahoaka, ka nandoro mihitsy teo amin’ny tsato-kazo ireo izay nanana azy io.

[Sary, pejy 52]

Horonam-bokin’ny Ranomasina maty an’Isaia

[Sary, pejy 54, 55]

Rindrin’ny tempoly ao Karnak, Egypta.

Vato moabita.

Tantaran’i Nabonida.

Fidirana amin’ny tionelin’i Hezekia ary Farihin’i Siloama.