Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eo ambanin’ny Didy Folo ve isika?

Eo ambanin’ny Didy Folo ve isika?

Toko faha-24

Eo ambanin’ny Didy Folo ve isika?

1. Lalàna inona no nomen’i Mosesy ho an’ny vahoaka?

LALÀNA inona no tian’i Jehovah Andriamanitra harahintsika? Moa ve isika tokony hitandrina izay antsoin’ny Baiboly hoe “lalàn’i Mosesy” na “lalàna” na “lalàn’i Jehovah” koa, satria izy no nanome azy (I Tantara 16:40; I Mpanjaka 2:3; Titosy 3:9)? Tsy nanao afa-tsy ny nampita ny Lalàna tamin’ny vahoaka i Mosesy.

2. Inona no nahaforona an’io lalàna io?

2 Ny lalàn’i Mosesy dia voaforon’ny lalàna mitokana na didy maherin’ny 600, anisan’izany ireo 10 lehibe indrindra. Araka ny nolazain’i Mosesy, dia nambarany [Jehovah] taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo; ary nosoratany teo amin’ny vato fisaka roa ireo.” (Deoteronomia 4:13; Eksodosy 31:18.) Fa iza no nomen’i Jehovah ny Lalàna, anisan’izany ny Didy Folo? Ny olombelona rehetra? Inona no antony nanaovana ny Lalàna?

HO AN’NY ISIRAELY NOHO NY FIKASANA MANOKANA

3. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nomena afa-tsy ny Isiraely ny Lalàna?

3 Tsy nomena ny olombelona rehetra akory ny Lalàna. Nanao fanekena na fifanarahana tamin’ny taranak’i Jakoba izay tonga ny firenen’Isiraely i Jehovah. Io firenena io ihany no nomeny ny lalàny. Manaporofo mazava izany ny Baiboly ao amin’ny Deoteronomia 5:1-3 sy ao amin’ny Salamo 147:19, 20.

4. Nahoana ny Lalàna no nomena ny firenen’Isiraely?

4 Nametraka izao fanontaniana izao ny apostoly Paoly: “Inona ary ny lalàna?” Eny, noho ny fikasana inona no nanomezan’i Jehovah azy ny Isiraely? Mamaly toy izao i Paoly: “Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana (...). Koa ny lalàna dia mpitaiza [na mpampianatra] antsika ho amin’i Kristy”. (Galatiana 3:19-24) Ny zava-nokendrena manokana tamin’ny Lalàna dia ny hiarovana sy ny hitarihana ny Isiraelita mba hahatonga azy ireny ho vonona ny hanaiky an’i Kristy. Ireo fanatitra maro notakin’ny Lalàna dia nampahatsiaro azy ireo fa mpanota izy ireo ary nila Mpamonjy. — Hebreo 10:1-4.

“KRISTY NO FARAN’NY LALÀNA”

5. Rehefa maty ho antsika Kristy, inona no niafaran’ny Lalàna?

5 Miharihary fa Jesosy Kristy io Mpamonjy nampanantenaina io, araka ny nolazain’ny anjely tamin’ny nahaterahany (Lioka 2:8-14). Koa rehefa nanome ny ainy tanteraka ho sorona izy, inona no niafaran’ny Lalàna? Nesorina izany. Izao no nolazain’i Paoly: “Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna.” (Galatiana 3:10-14). Ary koa: “Kristy no faran’ny lalàna”. — Romana 10:4; 6:14.

6. Inona no vokatry ny nanafoanana ny Lalàna teo amin’ny Isiraelita sy ny tsy Isiraelita, ary nahoana? b) Inona no fandaharana nataon’i Jehovah ny amin’ny Lalàna?

6 Ny Lalàna dia ‘efitra’ nampisaraka ny Isiraelita sy ireo firenena hafa tsy teo ambanin’izany. Tamin’ny sorona nataony anefa, Kristy dia ‘nandrava (...) ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany azy roa tonta [Isiraelita sy tsy Isiraelita] ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray’. (Efesiana 2:11-18) Fa raha ny amin’ny nanaovan’i Jehovah ny Lalàna, dia izao no vakintsika: “Navelany ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy [anisan’izany ny Didy Folo] izay niampanga antsika [satria nanameloka ny Isiraelita ho mpanota]; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana.” (Kolosiana 2:13, 14) Araka izany, ny sorona tanterak’i Kristy dia namarana ny Lalàna.

7, 8. Inona no manaporofo fa tsy misy fizarana roa akory ny Lalàna?

7 Misy anefa milaza fa mizara roa ny Lalàna: ny Didy Folo sy ny tapany sisa amin’ireo lalàna. Ity tapany faharoa, hoy izy ireny, no nifarana, fa naharitra kosa ny Didy Folo. Tsy izany velively anefa no izy. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy dia nanisy fitenenana ny amin’ny Didy Folo sy ireo tapany hafa amin’ny Lalàna koa, tsy nanao fanavahana. Nasehony tamin’izany fa tsy nasiana fizarana roa akory ny lalàn’i Mosesy. — Matio 5:21-42.

8 Mariho fa nanoratra toy izao ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny apostoly Paoly: “Efa afaka tamin’ny lalàna isika”. Moa ve tamin’ireo lalàna hafa ankoatra ny Didy Folo ihany no nanafahana ny Jiosy? Tsia, satria nanampy teny toy izao i Paoly: “Tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana raha tsy ny lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ ” (Romana 7:6, 7; Eksodosy 20:17) Koa satria mandrara ny fitsiriritana ny farany amin’ny Didy Folo, dia nafahana tamin’ny Didy Folo koa ny Isiraelita.

9. Inona no mampiseho fa nofoanana koa ny lalàna momba ny sabata isan-kerinandro?

9 Milaza ve izany fa ny lalàna ny amin’ny sabata isan-kerinandro, ny fahefatra amin’ny Didy Folo, dia nofoanana koa? Eny; araka ny Galatiana 4:8-11 sy Kolosiana 2:16, 17, ny kristiana dia tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra nomena ny Isiraelita, dia lalàna nitaky ny hitandremana ny sabata isan-kerinandro mbamin’ny andro hafa manokana ao anatin’ny taona. Manaporofo koa ny Romana 14:5 fa tsy fepetra takina amin’ny kristiana ny sabata isan-kerinandro.

IREO LALANA MIHATRA AMIN’NY KRISTIANA

10. a) Eo ambanin’ny lalàna inona moa ny kristiana? b) Nalaina avy taiza ny ankamaroan’ireny lalàna ireny, ary nahoana no mety izany?

10 Koa satria tsy eo ambanin’ny Didy Folo ny kristiana, tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy manana lalàna hotandremana mihitsy izy ireny? Tsia. Jesosy dia nampiditra “fanekena vaovao” nifototra tamin’ny sorona tsaratsara kokoa, dia: ny ain’olombelona tanteraka nananany. Ny kristiana dia eo ambanin’io fanekena vaovao io sy fehezin’ireo lalàna kristiana (Hebreo 8:7-13; Lioka 22:20), izay ny ankamaroany dia nalaina avy tamin’ny lalàn’i Mosesy. Hita izany matetika rehefa miova fitondram-panjakana ny tany iray. Indraindray dia foanana ny lalàm-panorenan’ilay fitondrana teo aloha, nefa mazàna ilay lalàm-panorenana vaovao no mirakitra lalàna maro anisan’ny taloha. Toy izany koa fa nofaranana ny faneken’ny Lalàna, nefa be dia be amin’ireo lalàny sy fotopoto-pitsipiny lehibe no noraisina ao amin’ny kristianisma.

11. Inona avy no lalàna sy fampianarana omena ny kristiana, mitovy be dia be amin’ny Didy Folo?

11 Vakio ireo Didy Folo averina ao amin’ny pejy faha-203 ary ampitahao amin’ireto lalàna sy fampianarana kristiana manaraka ireto: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao.” (Matio 4:10; I Korintiana 10:20-22) “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” (I Jaona 5:21; I Korintiana 10:14) “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao [tsy raisina amin’ny fomba tsy mendrika]. (Matio 6:9) “Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo.” (Efesiana 6:1, 2) Porofoin’ny Baiboly fa ny famonoana olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny lainga sy ny fitsiriritana dia mifanohitra amin’ireo lalàna nomena ny kristiana. — Apokalypsy 21:8; I Jaona 3:15; Hebreo 13:4; I Tesaloniana 4:3-7; Efesiana 4:25, 28; I Korintiana 6:9-11; Lioka 12:15; Kolosiana 3:5.

12. Ahoana no ahitana indray ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny sabata ao amin’ny fandaharana kristiana?

12 Na dia tsy didiana hitandrina sabata isan-kerinandro aza ny kristiana, dia afaka manatsoaka fianarana avy amin’io lalàna taloha io. Raha nitsahatra ara-batana ny Isiraelita, ny kristiana marina kosa dia mitsahatra ara-panahy. Noho ny finoany sy ny fankatoavany, dia mamela ny asa mampiseho fitiavan-tena izy ireny, ankoatra ny zavatra hafa dia ny fanamarinan-tena. (Hebreo 4:10) Isan’andro izany fitsaharana ara-panahy izany fa tsy isan-kerinandro. Ny lalàna momba ny sabata izay nandidy ny hanokanana andro iray manontolo ho amin’ny tombontsoa ara-panahy dia nisakana ny Isiraelita tsy hanokana ny fotoanany rehetra amin’ny zavatra ara-nofo. Ny fitandremana isan’andro an’io fotopoto-pitsipika io amin’ny ara-panahy dia fiarovana mandaitra kokoa amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso.

13. a) Inona no lalàna amporisihana ny kristiana mba hotanterahina, ary ahoana no anaovany izany? b) Ny amin’ny lalàna inona no nosoritan’i Jesosy? d) Inona no lalàna fototry ny lalàn’i Mosesy manontolo?

13 Araka izany, ny kristiana dia amporisihina ‘hanatanteraka ny lalàn’i Kristy’ fa tsy hitandrina ny Didy Folo (Galatiana 6:2) Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanarahana ireo didy nomen’i Kristy. Nosoritany indrindra ny amin’ny fitiavana (Matio 22:36-40; Jaona 13:34, 35). Eny, lalàna kristiana ny fitiava-namana. Io no fototry ny lalàn’i Mosesy manontolo, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” — Galatiana 5:13, 14; Romana 13:8-10.

14. a) Inona no soa horaisintsika avy amin’ny fianarana sy ny fitandremana ireo fotopoto-pitsipiky ny lalàn’i Mosesy? b) Hanosika antsika hanao inona ny fitiavana?

14 Ny lalàn’i Mosesy, anisan’izany ny Didy Folo, dia fitambaram-pitsipika marina avy amin’Andriamanitra. Na dia tsy eo ambanin’io Lalàna io aza isika, ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra raketiny dia mbola zava-dehibe ho antsika ihany. Ny fianarana sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ireo dia hampitombo ny fankasitrahantsika an’i Jehovah Andriamanitra Mpanao lalàna lehibe. Nefa ny tokony hataontsika indrindra dia ny mianatra sy mitandrina ireo lalàna sy fampianarana kristiana. Ny fitiavana an’i Jehovah dia hanosika antsika hanaiky ny fepetra takiny rehetra. — I Jaona 5:3.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 203]

IREO DIDY FOLO

1. “Izaho no Jehovah Andriamanitrao (...) Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

2. “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka ao anatrehany, ary aza manompo azy.

3. “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao (...).

4. “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy (...).

5. “Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

6. “Aza mamono olona.

7. “Aza mijangajanga.

8. “Aza mangalatra.

9. “Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

10. “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.” — Eksodosy 20:2-17.

[Sary, pejy 204, 205]

Ny Lalàna dia rindrina nampisaraka ny Isiraelita tamin’ny firenena hafa.