Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay

Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay

Toko faha-2

Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay

1. Satria tsy mifaly amin’ny fahasambarana sy ny fiadanana ny olona mandrakariva, fanontaniana inona avy no mipetraka?

NY FAHASAMBARANA eto an-tany — saiky maniry izany ny olona rehetra. Nahoana àry no maro aoka izany no tsy sambatra? Inona no tsy mety? Satria ny ankamaroan’ny olona maniry fiadanana, nahoana moa ireo firenena no mandeha miady ary nahoana ny olona no mifankahala? Moa ve misy hery mitarika izay manosika azy ireny hanao ireo zavatra ratsy ireo? Mety hifehy ireo firenena ve ny hery tsy hita maso iombonana iray?

2. Heloka bevava inona teo amin’ny tantara moa no mahatonga olona maro hanontany tena raha mety hifehy ny olombelona ny hery ratsy tsy hita maso iray?

2 Maro no nanontany tena ny amin’izany rehefa nandinika ny habibiana mahatsiravin’ny olombelona — ireo gaza mampahatahotra ampiasaina amin’ny ady mba hanemporana sy handoroana olona ho faty, toy izany koa ireo baomba vita amin’ny “napalm” sy baomba ataomika. Ary koa hevero ny fanipazana lelafo, ireo toby fitanana, ny famonoana mitambatra olona tsy manan-kamonjy an-tapitrisany maro, toy ny tany Cambodge tao anatin’ireo taona faramparany. Heverinareo ve fa nitranga noho ny kisendrasendra ireo ratsy rehetra ireo? Rehefa hita fa afaka manatanteraka manokana asa mahatsiravina ny olona, rehefa dinihinao ny faharatsiana mihoa-pampan’ny ataony, moa ve tsy toa nanan-kery taminy ny hery ratsy tsy hita maso iray?

3. Inona moa no lazain’ny Baiboly momba ny fanapahana an’izao tontolo izao?

3 Tsy ilaina ny manombantombana ny amin’izany. Asehon’ny Baiboly mazava fa nifehy ny olona sy ny firenena ny persona manan-tsaina tsy hita maso iray. Ao amin’ny Baiboly, Jesosy Kristy dia miantso an’io mahery io hoe “ny andrianan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31; 14:30; 16:11) Iza moa izy io?

4. Inona moa no nasehon’ny Devoly an’i Jesosy, ary fanolorana inona no nataony taminy?

4 Mba hanampiana antsika hahita hoe iza izy io, dia eritrereto izay nitranga tamin’ny fanombohan’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Manambara amintsika ny Baiboly fa rehefa avy natao batisa Jesosy dia nankany an’efitra izay nakan’ny zavaboary tsy hita maso antsoina hoe Satana Devoly fanahy azy. Voalazalaza toy izao ny tapany amin’izany fakam-panahy izany: “Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohaka eto anatrehako Hianao.” — Matio 4:8, 9.

5. a) Inona moa no mampiseho fa fananan’ny Devoly ny fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao? b) Araka ny Baiboly, iza moa no “andriamanitr’izao tontolo izao”?

5 Eritrereto ny amin’izay natolotry ny Devoly an’i Jesosy Kristy. Izany dia “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao”. Moa ve an’ny Devoly marina tokoa ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao? Eny, satria ahoana raha tsy izany no nahafahany nanolotra ireny ho an’i Jesosy? Tsy nolavin’i Jesosy fa an’i Satana izy ireny, zavatra izay ho nataony raha ohatra tsy an’i Satana izy ireny. Satana marina tokoa no mpanapaka tsy hita maso an’ireo firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao! Milaza mazava ny Baiboly hoe: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19) Ny Tenin’Andriamanitra tokoa dia miantso an’i Satana hoe “andriamanitr’izao tontolo izao”. — II Korintiana 4:4.

6. a) Manampy antsika hahatakatra inona moa io filazalazana ny amin’ny fanapahan’i Satana io? b) Inona moa no ho tian’i Satana hatao amintsika, koa inona no tokony hataontsika?

6 Io filazalazana io dia manampy antsika hahatakatra ny antony nitenenan’i Jesosy hoe: “Ny fanjakako dia tsy avy amin’izao tontolo izao”. (Jaona 18:36) Manampy antsika koa izany hahatakatra hoe nahoana ireo firenena no mifankahala sy mitady hifandringana nefa ny fanirian’ny olona ara-dalàna rehetra dia ny hiaina amim-piadanana. Eny, ‘Satana dia mamitaka ny tany onenana manontolo’. (Apokalypsy 12:9, MN) Ho tiany ny hamitaka antsika koa. Tsy iriny ny handraisantsika ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Koa tsy maintsy miady isika mba tsy hanan-kery eo amintsika izy ka hampanao ratsy antsika. (Efesiana 6:12) Ilaintsika ny mahafantatra ny amin’i Satana sy ny fomba iasany mba hanoherana ireo fiezahany hamitaka antsika.

IZA MOA NY DEVOLY

7. Nahoana moa no tsy afaka mahita ny Devoly isika?

7 Satana Devoly dia tena persona iray. Tsy ny ratsy ao amin’ny olombelona rehetra fotsiny izy, araka ny mety hoheverin’ny olona sasany. Mazava ho azy fa tsy afaka mahita ny Devoly ny olombelona, toy ny tsy ahafahany mahita an’Andriamanitra. Andriamanitra sy ny Devoly dia samy persona ara-panahy, karazam-piainana ambony kokoa noho ny olombelona ary tsy hitan’ny masontsika. — Jaona 4:24.

8. Nahoana moa no mino ny olona maro fa Andriamanitra no namorona ny Devoly?

8 ‘Nefa raha fitiavana Andriamanitra’, hoy angamba ny sasany, ‘nahoana izy no nanao ny Devoly?’ (I Jaona 4:8) Ny marina dia hoe tsy namorona ny Devoly Andriamanitra. ‘Kanefa raha namorona ny olona rehetra Andriamanitra’, hoy angamba ny olona iray, ‘dia tsy maintsy ho namorona ny Devoly izy. Iza indray àry no ho nanao izany? Avy aiza no niavian’ny Devoly?’

9. a) Karazan’olona manao ahoana moa ny anjely? b) Inona moa no dikan’ny teny hoe “devoly” sy “satana”?

9 Hazavain’ny Baiboly fa Andriamanitra dia namorona olona ara-panahy maro dia maro sahala amin’ny tenany. Ao amin’ny Baiboly, ireny fanahy ireny dia antsoina hoe anjely. Antsoina koa hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireny. (Joba 38:7; Salamo 104:4; Hebreo 1:7, 13, 14) Namorona azy rehetra ho lavorary Andriamanitra. Tsy nisy na iray taminy aza devoly, na satana. Ny dikan’ny teny hoe “devoly” dia mpanendrikendrika ary ny dikan’ny teny hoe “satana” dia mpanohitra.

10. a) Iza no nanao an’i Satana Devoly? b) Ahoana no mety hanaovan’ny olona tsara iray ny tenany ho mpanao heloka bevava?

10 Tonga anefa ny fotoana nanaovan’ny iray amin’ireny zanak’Andriamanitra ara-panahy ireny ny tenany ho Devoly, izany hoe, mpandainga iray feno fankahalana izay miresaka zava-dratsy ny amin’ny hafa. Nanao ny tenany koa ho Satana izy, izany hoe, mpanohitra an’Andriamanitra. Tsy noforonina toy izany izy, nefa taty aoriana dia nanjary izany karazan’olona izany. Aoka haka ohatra iray isika: Ny mpangalatra iray dia tsy teraka mpangalatra. Mety ho avy amin’ny fianakaviana tsara iray izy, manana ray aman-dreny manao ny marina sy iray tampo mpanara-dalàna. Nefa mety ho nahatonga azy ho lasa mpangalatra ny faniriany manokana izay azon’ny vola vidina. Ahoana àry no nanaovan’ny iray amin’ny zanak’Andriamanitra ara-panahy ny tenany ho Satana Devoly?

11. a) Fikasan’Andriamanitra inona moa no fantatry ny anjely mpikomy iray? b) Faniriana inona moa no nananan’io anjely io, ary nitarika azy hanao inona izany?

11 Ilay anjely izay lasa Devoly dia teo fony Andriamanitra namorona ny tany ary taty aoriana dia ny mpivady olombelona voalohany, Adama sy Eva. (Joba 38:4, 7) Koa tsy maintsy ho nahare an’Andriamanitra nilaza tamin’ireo mba hiteraka izy. (Genesisy 1:27, 28) Fantany fa rehefa afaka fotoana kely ny tany manontolo dia ho feno olona marina manompo an’Andriamanitra. Izany no fikasan’Andriamanitra. Kanefa nieritreritra be loatra ny hatsaran-tarehiny sy ny fahendreny manokana io anjely io ary naniry ny handray ho an’ny tenany ny fanompoam-pivavahana izay tokony homena an’Andriamanitra. (Ezekiela 28:13-15; Matio 4:10) Toy izay hanaisotra io fanirian-dratsy io tao an-tsainy, dia nanohy nieritreritra ny amin’izany izy. Nitarika azy hanao zavatra mba hahazoana ny voninahitra sy ny fahalehibeazana niriny izany. Inona moa no nataony? — Jakoba 1:14, 15.

12. a) Ahoana moa no niresahan’io anjely io tamin’i Eva, ary inona no nambarany taminy? b) Ahoana no nahatongavan’io anjely io ho Satana Devoly? d) Fomba fihevitra diso inona momba ny fisehoan’ ny Devoly no ananan’ny olona?

12 Nampiasa menarana tsotra iray ilay anjely mpikomy mba hiresahana tamin’i Eva, vehivavy voalohany. Nanao izany izy tsy misy hafa amin’ny olona kinga iray mahay manao izay hiheverana fa ny biby iray eo akaiky eo na ny sariolona iray no miteny. Nefa raha ny marina dia io anjely mpikomy io, ilay antsoina ao amin’ny Baiboly hoe “menarana ela”, no niresaka tamin’i Eva. (Apokalypsy 12:9) Nilaza izy fa tsy nanambara tamin’i Eva ny fahamarinana Andriamanitra, ary tsy nanome azy ny fahalalana izay tokony hananany. (Genesisy 3:1-5) Izany dia lainga feno fankahalana ary nahatonga azy ho devoly. Tamin’izany no nahatongavany koa ho Satana. Araka ny azonao jerena, dia tsy mety ny hiheverana ny Devoly ho toy ny zavaboary manan-tandroka sy mihazona faraingo, izay miandraikitra ny toeram-pijaliana iray any ambanin’ny tany. Raha ny marina dia anjely iray tena mahery izy, nefa ratsy fanahy.

LOHARANON’NY FIKORONTANANA EO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO

13. a) Ahoana moa no namalian’i Eva ny laingan’ny Devoly? b) Fihamboana inona avy moa no nataon’ny Devoly?

13 Ny lainga nambaran’ny Devoly tamin’i Eva dia niasa araka ny nikasany azy indrindra. Nino an’izany ravehivavy, koa dia tsy nankatò an’Andriamanitra. Ary afaka nitarika ny vadiny handika ny lalàn’Andriamanitra koa izy. (Genesisy 3:6) Ny fihamboan’ny Devoly dia hoe afaka mifanaraka tsy misy an’Andriamanitra ny olombelona. Niadiany hevitra fa ny olona dia afaka manapaka ny tenany amim-pahombiazana, tsy misy fanampian’Andriamanitra. Nihambo koa ny Devoly fa afaka hampiala amin’Andriamanitra izay rehetra haterak’i Adama sy Eva.

14. Nahoana moa Andriamanitra no tsy nandringana an’i Satana avy hatrany?

14 Marina aloha fa azon’Andriamanitra natao ny nandringana an’i Satana avy hatrany. Nefa izany dia tsy ho namaly ireo fanontaniana izay napetrak’i Satana, fanontaniana izay nety nitoetra tao an-tsain’ireo anjely izay nandinika tamin’izay. Koa nomen’Andriamanitra fotoana Satana mba hanandramana manaporofo ireo fihamboany. Inona no vokany?

15, 16. a) Nanaporofo inona moa ny fandehan’ny fotoana raha ny amin’ireo fihamboan’i Satana? b) Fisehoan-javatra inona moa no tena akaiky?

15 Ny fandehan’ny fotoana dia nanaporofo fa tsy afaka manapaka ny tenany amim-pahombiazana tsy misy fanampian’Andriamanitra ny olombelona. Tsy nahomby tanteraka ny fanandraman’izy ireo. Ny olona dia nijaly tamin’ny fomba mahatsiravina teo ambanin’ireo fitondram-panjakan’olombelona, izay, araka ny asehon’ny Soratra masina, dia nofehezin’ny Devoly avy ao ambadika. Ary koa, ny famelan’Andriamanitra fotoana dia nampiseho mazava tsara fa tsy afaka nampiala ny olona rehetra tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra i Satana. Nisy foana hatrany sasany izay nitoetra ho nahatoky tamin’ny fanapahan’Andriamanitra. Azonao vakina ao amin’ny Baiboly, ohatra, fa Satana dia nanandrana, tsy nisy fahombiazana, nampitsahatra an’i Joba tsy hanompo an’Andriamanitra. — Joba 1:6-12.

16 Tamin’izany no nanaporofoana fa diso ireo fihamboan’ny Devoly. Tena mendrika tokoa ny fandringanana izy noho ny nanombohana fikomiana ratsy hanoherana an’Andriamanitra. Soa ihany fa tonga amin’ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny fanapahan’i Satana isika ankehitriny. Raha milazalaza ny dingana voalohany amin’ny fanaovana izany ny Baiboly, dia manambara ny amin’ny ady malaza iray tany an-danitra, izay mazava ho azy fa tsy hita na ren’ny olona teto an-tany. Vakio amim-pitandremana ny fitantarana manaraka ao amin’ny Baiboly hoe:

17. a) Ahoana moa no ilazalazan’ny Baiboly ny ady tany an-danitra? b) Inona no vokatr’izany ho an’ireo tany an-danitra, ary ho an’ireo teto an-tany?

17 “Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” — Apokalypsy 12:7-9, 12.

18. a) Oviana moa no nitranga ny ady tany an-danitra? b) Inona no nitranga teto an-tany hatramin’ny ‘nanjerana’ an’i Satana?

18 Oviana moa no nitranga io ady tany an-danitra io? Ny fihariharian-javatra dia mampiseho fa nitranga teo akaikikaikin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany izay nanomboka tamin’ny 1914, izy io. Araka ny tondroin’ny Apokalypsy, Satana dia nesorina tany an-danitra tamin’io fotoana io, ka izany dia milaza fa velona ao anatin’ny ‘androny kely sisa’ isika hatramin’io fotoana io. Araka izany, dia izao no “andro farany” ho an’izao tontolo izaon’i Satana. Ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna, ny tahotra, ny ady, ny mosary, ny aretina sy ny toe-piainana hafa mampahory hitantsika dia porofon’io zava-misy io. — Matio 24:3-12; Lioka 21:26; II Timoty 3:1-5.

19. a) Inona moa izao no iezahan’i Satana mafy atao? b) Inona no fahendrena raha ataontsika?

19 Koa satria fantatr’i Satana fa akaiky ho tapitra ny ‘androny kely sisa’, dia miezaka mafy kokoa tsy mbola nisy toy izany izy hisakana ny olona tsy hanompo an’Andriamanitra. Iriny ny haka olona maro araka izay azony atao ho any amin’ny fandringanana miaraka aminy. Tena mety ny nilazalazan’ny Baiboly azy ho toy ny liona mierona mitady olona harapaka (I Petera 5:8, 9) Raha tsy irintsika ny ho azony, dia ilaintsika ny mianatra ny fomba famelezany ary koa ny fomba amitahany ny olona. — II Korintiana 2:11.

NY FOMBA AMITAHAN’I SATANA NY OLONA

20. a) Nanao ahoana moa ny fahombiazan’ny famelezan’i Satana? b) Nahoana isika no afaka manampo fa ireo hafetseny mandrakariva dia hiseho ho tsy mampidi-doza, ho mahasoa mihitsy aza?

20 Aza heverina fa mora hita hatrany ireo fomba ampiasain’i Satana mba hitarihana ny olona hanaraka azy. Za-draharaha izy amin’ny famitahana ny olona. Ireo fomba nampiasainy nandritra ny an’arivony taona maro tokoa dia feno hakingana aoka izany hany ka olona maro amin’izao andro izao no tsy mino akory fa misy izy. Amin’izy ireo ny faharatsiana sy ny ratsy dia toe-piainana ara-dalàna fotsiny izay hisy foana hatrany. Satana dia miasa tsy misy hafa amin’ireo mpitarika heloka bevava amin’ny andro ankehitriny izay miseho ivelany ho mendri-kaja, nefa ao ambadik’izany, dia manao zavatra tena ratsy. Manazava ny Baiboly hoe: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” (II Korintiana 11:14) Afaka manantena isika, araka izany, fa ireo hafetseny mba hamitahana ny olona dia hiseho mandrakariva ho tsy mampidi-doza, ho mahasoa mihitsy aza.

21. Inona moa ny volavolan-kevitra iray nampiasain’i Satana?

21 Tsarovy fa niseho ho sakaizan’i Eva i Satana. Avy eo dia notarihiny tamin-kafetsena izy hanao izay noheveriny fa hahasoa azy manokana. (Genesisy 3:4-6) Toy izany koa amin’izao andro izao. Ohatra, amin’ny alalan’ireo solontenany olombelona, Satana dia mamporisika amin-kafetsena ny olona mba hametraka ny tombontsoan’ireo fitondram-panjakan’olombelona ho ambony aza noho ny fanompoany an’Andriamanitra. Izany dia niteraka ny toe-tsain’ny fitiavan-tanindrazana izay nitarika ireo ady mahatsiravina. Tamin’izao faramparany izao Satana dia nanosika ny olona hamorona volavolan-kevitra samihafa teo amin’ny fikatsahan’izy ireo ny fiadanana sy ny filaminana. Iray amin’ireny ny Firenena mikambana. Nefa moa ve izy io namorona izao tontolo izao iray milamina? Tsy izany velively! Izy io kosa aza dia niseho ho fiasana iray hampanalavirana ny sain’ny olona amin’ny fandaharan’Andriamanitra mba hitondrana fiadanana ho an’ny olombelona, dia ny fanjakany ho avy eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”. — Isaia 9:5; Matio 6:9, 10.

22. Fahalalana inona moa no tsy irin’i Satana hananantsika?

22 Raha ta-hahazo fiainana mandrakizay isika, dia ilaintsika ny fahalalana marina momba an’Andriamanitra, ny Zanany Mpanjaka ary ny fanjakany. (Jaona 17:3) Azonao antoka fa tsy irin’i Satana Devoly ny hanananao io fahalalana io, ary hataony izay rehetra tratry ny heriny mba hampitsaharana anao tsy hahazo an’io. Ahoana no hanaovany izany? Ny fomba iray dia amin’ny fanaovana izay hahitanao fanoherana, angamba amin’ny endriky ny fanesoana. Manambara amintsika ny Baiboly hoe: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina”. — II Timoty 3:12.

23. a) Ahoana moa no mety hampiasan’i Satana na dia ny namana sy ny havana aza mba hanakiviana antsika? b) Nahoana moa no tsy tokony ho resin’ny fanoherana na oviana na oviana isika?

23 Angamba hatramin’ny namana na ny havana akaiky aza dia hilaza aminao fa tsy tiany ny handinihanao ny Soratra masina. Jesosy Kristy mihitsy aza dia nampitandrina hoe: “Ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony. Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.” (Matio 10:36, 37) Mety hanandrana hanakivy anao ny havana, manao toy izany amim-pahatsorana tanteraka izy satria tsy fantany ireo fahamarinana mahatalanjona hita ao amin’ny Baiboly. Nefa raha afoinao ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra rehefa tonga ny fanoherana, ahoana no ho fiheveran’Andriamanitra anao? Ary koa, raha avelanao izany, ahoana no hanampianao ireny namana sy olon-tiana ireny hahatakatra fa ny fahalalana marina ny Baiboly dia zava-dehibe iankinan’ny aina? Ny fifikiranao amin’ireo zavatra ianaranao avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mety hanan-kery eo amin’izy ireny koa mba hianarany ny fahamarinana rehefa mandeha ny fotoana.

24. a) Fomba hafa inona avy moa no ampiasain’ny Devoly mba hisakanana ny olona tsy handray ny fahalalana manome fiainana? b) Heverinao ho zava-dehibe tokoa ve ny hianarana ny Tenin’Andriamanitra?

24 Etsy andanin’izany, Satana dia mety ho tompon’andraikitra amin’ny fakana fanahy anao mba handray anjara amin’ny asa maloto ara-pitondrantena iray, izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra. (I Korintiana 6:9-11) Na koa mety hataony izay hahatonga anao hihevitra fa sahirana loatra ianao ka tsy afaka hianatra ny Baiboly. Nefa rehefa mieritreritra ny amin’izany ianao, moa ve mety hisy zava-dehibe kokoa noho ny fahazoana io karazam-pahalalana io? Aza mamela na inona na inona hanakana anao tsy hahazo io fahalalana izay afaka mitarika anao amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany io!

25. Raha manohy manohitra ny Devoly isika, inona moa no tsy ho azony atao amintsika?

25 Mamporisika toy izao ny Baiboly: “Manohera ny devoly”. Raha manao izany ianao, dia ‘handositra anao izy’. (Jakoba 4:7) Milaza ve izany fa raha manohitra ny famelezan’i Satana ianao dia hilefitra izy ary tsy hitondra fahasahiranana intsony ho anao? Tsia, hanandrana hatrany hatrany hitarika anao hanao izay iriny izy. Nefa raha tsy mitsahatra manohitra azy ianao, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hitarika anao hanaraka lalana iray mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra izy. Koa mazotoa mandray ny fahalalana tena lehibe ny Baiboly ary ampiharo izay ianaranao. Iankinan’ny aina izany mba hisakanana anao tsy ho voafitaky ny fomba hafa iray ampiasain’i Satana mba hamitahana ny olona, dia ny fivavahan-diso.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Moa ve Satana ho afaka nanolotra an’i Kristy ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao raha tsy azy izany?

[Sary, pejy 19]

Io mpangalatra io dia tsy teraka mpangalatra, toy ny tsy namoronana ny Devoly ho “devoly”.

[Sary, pejy 20, 21]

Niafara tamin’ny fanipazana an’i Satana sy ireo demonia tetỳ an-tany ny ady tany an-danitra. Tsapanao ankehitriny ny vokatr’izany.

[Sary, pejy 24]

Mety hisy hanohitra ny hanohizanao hianatra ny Baiboly.