Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?
Toko faha-8
Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?
1. Fanontaniana inona moa mandrakariva no apetraky ny olona momba ny maty?
ANGAMBA fantatrao ny fahatsapana fahabangana avy amin’ny famoizana olon-tiana iray noho ny fahafatesana. Mahatsiaro ho trotraky ny alahelo sy tsy manan-kery ery ny tena! Ara-dalàna amin’izay ny hanontaniana hoe: Inona no mitranga amin’ny olona iray rehefa maty izy? Moa ve ny velona mbola ho afaka hifaly indray eto an-tany amin’ny fiarahana amin’ireo efa maty?
2. Inona moa no nitranga tamin’i Adama lehilahy voalohany, teo amin’ny fahafatesany?
2 Mba hamaliana ny fanontaniana toy ireo, dia hanampy antsika ny fahafantarana izay nitranga tamin’i Adama teo amin’ny fahafatesany. Rehefa nanota izy, dia nilazan’Andriamanitra hoe: “Mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Eritrereto ny hevitr’izany. Talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovoka, dia tsy nisy Adama. Tsy taiza tsy taiza izy. Koa taorian’ny nahafatesany, Adama dia niverina ho amin’izany tsy fisiana izany.
3. a) Inona moa ny fahafatesana? b) Inona moa no lazain’ny Mpitoriteny 9:5, 10 momba ny toetry ny maty?
3 Raha tsorina, ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana. Asehon’ny Baiboly izany ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10. Milaza toy izao ireo andininy ireo: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tana nao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.”
4. a) Inona moa no mitranga amin’ny fahaizan’ny olona iray mieritreritra rehefa maty izy? b) Nahoana moa no mitsahatra tsy miasa avokoa ireo vavahadin-tsain’ny olona iray rehefa maty izy?
4 Milaza izany fa tsy afaka manao na inona na inona ary tsy afaka mahatsapa na inona na inona ny maty. Tsy manana eritreritra intsony izy ireny, araka ny anambaran’ny Baiboly azy hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy [fanahiny (esprit), MN], ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:3, 4) Eo amin’ny fahafatesana, ny fanahy (esprit) ao amin’ny olona na herim-piainany, izay hazonin’ny fofonaina, dia “miala”. Tsy misy intsony izany. Koa ireo vavahadin-tsain’ny olona, ny fandrenesana, ny fahitana, ny fikasihana, ny fanimboloana ary ny fandrenesana tsiron-javatra, izay miankina amin’ny fahafahany mieritreritra, ireo rehetra ireo dia mitsahatra tsy miasa. Araka ny Baiboly, ny maty dia miditra ao amin’ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka.
5. a) Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa ny toetry ny olombelona maty sy ny biby maty dia mitovy? b) Inona moa ny “fanahy (esprit)” izay mahatonga ny olombelona sy ny biby samy ho velona?
5 Rehefa maty ny olombelona sy ny biby dia samy ao anatin’io toetra mitovy io, dia ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka. Mariho ny fomba anamarinan’ny Baiboly izany: “Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina [fanahy (esprit), MN] ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:19, 20) Ny “fanahy (esprit)” mahatonga ny biby ho velona dia mitovy amin’izay mahatonga ny olombelona hiaina. Rehefa miala io “fanahy (esprit)” na herim-piainana tsy hita maso io, dia samy miverina amin’ny vovoka izay nanaovana azy ny olona sy ny biby.
MATY NY FANAHY
6. Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa ny biby dia fanahy?
6 Nilaza ny olona sasany fa ny mampiavaka ny olona amin’ny biby dia hoe manana fanahy ny olona fa ny biby dia tsy manana. Kanefa milaza ny Genesisy 1:20 sy 30 fa Andriamanitra dia namorona “zava-mana-aina [fanahy velona, MN]” mba hiaina any anaty rano, ary ny biby dia manana “fiainana amin’ny maha-fanahy” [MN] azy. Ao amin’ireo andininy ireo, ny Baiboly sasany dia mampiasa ny teny hoe “zavaboary” sy “fiainana” ho solon’ny hoe “fanahy”, nefa ny fanamarihana eny an-tsisin’ny pejiny dia manaiky fa ny teny hoe “fanahy” no miseho ao amin’ny fiteny tany am-boalohany. Anisan’ireo andalan-tenin’ny Baiboly miresaka ny biby ho toy ny fanahy ny Nomery 31:28. Ao dia misy firesahana ny amin’ny “[fanahy, MN] iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky na ondry aman-osy”.
7. Inona moa no lazain’ny Baiboly mba hanaporofoana fa ny fanahy biby sy ny fanahy olombelona dia samy maty?
7 Koa satria ny biby dia fanahy, rehefa maty izy dia maty ny fanahiny. Hoy ny Baiboly: “Ary maty ny zava-manan-aina [fanahy, MN] rehetra tao [amin’ny ranomasina]”. (Apokalypsy 16:3) Ahoana ny amin’ny fanahy olombelona? Araka ny nianarantsika tao amin’ny toko teo aloha, Andriamanitra dia tsy namorona ny olona niaraka tamin’ny fanahy. Ny olona no fanahy. Araka ny tokony ho izy àry, rehefa maty ny olona, dia maty ny fanahiny. Hamarinin’ny Baiboly izany amin’ny toerana maro. Tsy milaza na oviana na oviana ny Baiboly hoe tsy manana fahafatesana ny fanahy na hoe tsy mety maty izy. “Eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra efa hidina any amin’ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy [fanahiny, MN], hoy ny Salamo 22:29. “Ny fanahy izay manota no ho faty”, hoy ny hazavain’ny Ezekiela 18:4 sy 20. Ary raha mandinika ao amin’ny Josoa 10:28-39 [MN] ianao, dia hahita toerana fito izay iresahana ny fanahy ho toy ny hoe novonoina na naringana.
8. Ahoana moa no ahafantarantsika fa ilay fanahy olombelona, Jesosy Kristy, dia maty?
8 Ao amin’ny faminaniana iray momba an’i Jesosy Kristy, dia milaza ny Baiboly hoe: “Naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy [fanahiny, MN] (...) eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro”. (Isaia 53:12) Ny fampianarana ny amin’ny avotra dia manaporofo fa fanahy iray (Adama) no nanota, ary mba hahafahana manavotra ny olombelona dia tsy maintsy nisy fanahy mifanandrify (lehilahy iray) natao sorona. “Satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy [fanahiny]”, Kristy dia nanolotra ny vidin’ny avotra. Jesosy, ilay fanahy olombelona, dia maty.
9. Inona moa no tiana holazaina amin’ny teny hoe ‘ny fanahy (esprit) kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome iny’?
9 Araka ny efa hitantsika, ny “fanahy (esprit)” dia zavatra samy hafa amin’ny fanahintsika. Ny “fanahy (esprit)” dia ny herim-piainana ao amintsika. Io herim-piainana io dia ao amin’ireo sela (cellules) amin’ny tenan’ny olombelona sy ny biby. Ny fifohana rivotra no mihazona, na mamelona hatrany azy io. Inona àry no tian’ny Baiboly hambara rehefa milaza izy fa eo amin’ny fahafatesana “ny vovoka dia hiverina amin’ny tany (...) fa ny fanahy (esprit) kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome iny”? (Mpitoriteny 12:7) Eo amin’ny fahafatesana, ny herim-piainana dia mandao tsikelikely ny sela (cellules) rehetra amin’ny tena ary manomboka mihalò ny vatana. Nefa tsy milaza izany fa mandao ara-bakiteny ny tany ny herim-piainantsika ary mamakivaky ny habakabaka mankany amin’Andriamanitra. Ny fanahy (esprit) kosa dia miverina amin’Andriamanitra amin’ny heviny hoe manomboka eo ny fanantenantsika fiainana amin’ny ho avy dia miankina tanteraka amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny heriny ihany no ahafahana mamerina indray ny fanahy (esprit) na herim-piainana, ka hahavelomantsika indray. — Salamo 104:29, 30, MN.
LAZAROSY — LEHILAHY IRAY MATY NANDRITRA NY EFATRA ANDRO
10. Na dia maty aza Lazarosy, inona moa no nambaran’i Jesosy raha ny amin’ny toetrany?
10 Izay nitranga tamin’i Lazarosy, maty nandritra ny efatra andro, dia manampy antsika hahatakatra ny toetry ny maty. Nilaza tamin’ny
mpianany Jesosy hoe: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy aho.” Kanefa namaly ny mpianatra hoe: “Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.” Ary tamin’izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: “Maty Lazarosy”. Nahoana moa Jesosy no nilaza fa natory Lazarosy nefa raha ny marina dia maty izy? Aoka hojerentsika.11. Inona moa no nataon’i Jesosy ho an’ilay Lazarosy maty?
11 Rehefa nanakaiky ny tanàna izay nonenan’i Lazarosy i Jesosy, dia nifanena tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy. Tsy ela izy ireo, niaraka tamin’ny maro hafa, dia nankany amin’ny fasana izay nametrahana an’i Lazarosy. Izany dia toerana nolavahina, ary nisy vato natampina teo aminy. Hoy Jesosy: “Esory ny vato.” Koa satria Lazarosy maty nandritra ny efatra andro, Marta dia nanohitra hoe: “Tompoko, maimbo izy izao”. Nefa nesorina ny vato, ary niantso mafy Jesosy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia nivoaka izy! Nivoaka velona izy, mbola voahodidin’ny lambam-paty. “Vahao izy, ka avelao handeha”, hoy Jesosy. — Jaona 11:11-44.
12, 13. a) Nahoana moa no afaka mahazo antoka isika fa tsy nahatsiaro tena i Lazarosy fony izy maty? b) Nahoana moa Jesosy no nilaza fa natory Lazarosy nefa raha ny marina dia maty izy?
12 Eritrereto izao: Nanao ahoana i Lazarosy nandritra ireo efatra andro nahafatesany? Tany an-danitra ve izy? Lehilahy tsara izy. Kanefa tsy nilaza na inona na inona momba ny naha-tany an-danitra azy i Lazarosy, zavatra izay ho nataony raha tany izy. Tsia, maty marina tokoa Lazarosy, dia araka ny nilazan’i Jesosy izany. Nahoana àry teo am-boalohany Jesosy no nilaza tamin’ny mpianany fa natory fotsiny Lazarosy?
13 Eny, fantatr’i Jesosy fa tsy nahatsiaro tena ilay Lazarosy maty, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5) Ny olona velona iray anefa dia azo fohazina avy amin’ny torimaso lalina. Koa handeha hampiseho àry Jesosy fa, amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra nomena azy, Lazarosy sakaizany dia ho azo fohazina avy amin’ny fahafatesana.
14. Tokony hanosika antsika hanao inona moa ny fahalalana ny herin’i Kristy hanangana ny maty?
14 Rehefa ao anatin’ny torimaso tena lalina ny olona iray, dia tsy mahatsiaro na inona na inona izy. Toy izany koa amin’ireo maty. Tsy mahatsapa na inona na inona mihitsy izy. Tsy misy intsony izy. Nefa, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, ireo maty izay navotan’Andriamanitra dia hatsangana ho amin’ny fiainana. (Jaona 5:28) Tsy isalasalana fa izany fahalalana izany dia tokony hanosika antsika haniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Raha manao izany isika, na dia tsy maintsy ho faty aza dia hotsarovan’Andriamanitra ary haveriny indray ho amin’ny fiainana. — I Tesaloniana 4:13, 14.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 76]
ADAMA — natao avy tamin’ny vovoka, dia niverina ho amin’ny vovoka.
[Sary, pejy 78]
Nanao ahoana i Lazarosy talohan’ny nananganan’i Jesosy azy?