Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay tokony hataonao mba hahavelomana mandrakizay

Izay tokony hataonao mba hahavelomana mandrakizay

Toko faha-30

Izay tokony hataonao mba hahavelomana mandrakizay

1. a) Lalana roa inona no misokatra eo anoloanao? b) Ahoana no mety hifidiananao ny lalana tsara?

JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia manolotra zava-mahatalanjona ho anao — ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaharan-javany vaovao sy marina. (II Petera 3:13) Nefa ny fahavelomana amin’izany dia miankina amin’ny fanaovanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Izao tontolo izao ratsy ankehitriny, ao anatin’izany ny rehetra izay mitoetra ho anisany, dia madiva hanjavona, “fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (I Jaona 2:17) Koa tokony hifidy amin’ny lalana roa ianao. Mitarika ho amin’ny fahafatesana ny iray ary ho amin’ny fiainana mandrakizay ny hafa iray. (Deoteronomia 30:19, 20) Iza amin’ireo no halehanao?

2. a) Raha manana ny finoana marina ianao, dia hiaiky ny amin’inona? b) Amin’ny ahoana ny fatokiana an’Andriamanitra toy ny fatokian’ny zaza iray ny ray be fitiavana iray no hanampy anao mba hanompo azy?

2 Ahoana no ampisehoanao fa mifidy ny fiainana ianao? Voalohany indrindra, dia tokony hanana finoana an’i Jehovah sy ireo fampanantenany ianao. Miaiky mafy ve ianao fa misy Andriamanitra “sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”? (Hebreo 11:6) Ilainao ny matoky an’Andriamanitra toy ny atokisan’ny zanakalahy na zanakavavy iray ny ray be fitiavana sy mamindra fo iray. (Salamo 103:13, 14; Ohabolana 3:11, 12) Rehefa manana finoana toy izany ianao dia tsy hisalasala ny amin’ny maha-feno fahendrena ny toroheviny na ny maha-marina ny lalany, na dia tsy takatrao aza ny toe-javatra indraindray.

3. a) Ankoatra ny finoana, inona koa moa no ilaina? b) Asa inona no ilaina mba hampisehoana fa mifidy ny fiainana ianao?

3 Kanefa dia mihoatra noho ny finoana no ilaina. Tokony hisy asa koa mba hampisehoana izay tena tsapanao momba an’i Jehovah. (Jakoba 2:20, 26) Nanao zavatra ve ianao mba hampisehoana fa malahelo ianao noho ny tsy fahombiazana tamin’ny lasa mba hanao izay mahitsy? Moa ve ianao voatosika mba hibebaka na hanao fiovana mba hampifanarahana ny lalam-piainanao amin’ny sitrapon’i Jehovah? Moa ve ianao niverina, izany hoe nanda ny lalana ratsy rehetra izay nety ho narahinao, ary moa ve ianao nanomboka nanao ireo zavatra takin’Andriamanitra? (Asan’ny apostoly 3:19; 17:30) Ny asa toy izany dia hampiseho fa nifidy ny fiainana ianao.

FANOLORAN-TENA SY BATISA

4. a) Inona moa no tokony hanosika anao hanao ny sitrapon’Andriamanitra? b) Rehefa manapa-kevitra ny haniry hanompo an’Andriamanitra ianao, inona moa no mety ny hanaovanao azy?

4 Inona no tokony hanosika anao hifidy ny fiainana amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra? Ny fankasitrahana. Hevero ange izao: nataon’i Jehovah izay hanafahana anao amin’ny aretina, ny fijaliana rehetra, ary na dia ny fahafatesana aza! Tamin’ny fanomezana ny Zanany sarobidy no nanokafany ho anao ny lalana ho amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana ao amin’ny paradisa an-tany. (I Korintiana 6:19, 20; 7:23; Jaona 3:16) Rehefa manosika anao ho tia azy ho setriny ny fitiavan’i Jehovah, inona no tokony hataonao? (I Jaona 4:9, 10; 5:2, 3) Tokony hanatona an’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesosy ianao ary hanambara aminy ao amin’ny vavaka fa maniry ny ho tonga mpanompony ianao, ary maniry ny ho tonga fananany. Amin’izany fomba izany no anoloranao tena ho an’Andriamanitra. Raharaha manokana sy anao irery izany. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany ho anao.

5. a) Rehefa avy manao ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra ianao, inona moa no antenainy fa hataonao? b) Fanampiana inona moa no azonao raisina mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao?

5 Rehefa avy nanao ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra ianao, dia hantenainy ny hiainanao mifanaraka amin’izany. Koa porofoy fa olona mitana ny teninao ianao amin’ny fifikirana amin’ny fanapahan-kevitrao, na fanoloran-tenanao, raha mbola velona koa ianao. (Salamo 50:14) Raha mifikitra amin’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra ianao, dia afaka mahazo ny fanampian’ireo kristiana namanao izay ho faly hanome anao ny fampaherezana sy ny fanohanana amim-pitiavana. — I Tesaloniana 5:11.

6. a) Rehefa manolotra ny fiainanao ho an’Andriamanitra ianao, dingana inona moa no ilaina avy eo? b) Inona moa ny hevitry ny batisa?

6 Kanefa dia tokony hanao mihoatra noho ny manambara manokana amin’i Jehovah fa maniry ny ho tonga fananany ianao. Ilainao ny mampiseho eo anatrehan’ny hafa fa nanao fanoloran-tena mba hanompo an’Andriamanitra ianao. Ahoana no hanaovanao izany? Amin’ny fetezana hatao batisa ao anaty rano. Ny batisa ao anaty rano toy izany dia fampisehoana ampahibemaso fa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ny olona iray ary mitolo-batana hanao ny Sitrapony.

7. a) Ohatra inona moa no nomen’i Jesosy ho an’ny kristiana? b) Nahoana moa ny batisa nandidian’i Jesosy no tsy ho an’ny zazakely?

7 Ny maha-fepetra takina lehibe ny batisa ao anaty rano dia aseho amin’ny ohatr’i Jesosy Kristy. Tsy hoe nilaza tamin’ny Rainy fotsiny Jesosy fa tonga mba hanao ny Sitrapony. (Hebreo 10:7) Rehefa akaiky hanomboka ny asany tamin’ny naha-mpitory ny fanjakan’Andriamanitra i Jesosy dia niseho teo anatrehan’i Jehovah ary natao batisa tao anaty rano. (Matio 3:13-17) Satria Jesosy nanome ny ohatra, ireo izay manolo-tena amin’i Jehovah amin’izao andro izao mba hanao ny sitrapony dia tokony hatao batisa. (I Petera 2:21; 3:21) Raha ny marina Jesosy dia nandidy ny mpanara-dia azy mba hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra ary avy eo dia hanao batisa ireo mpianatra vaovao. Tsy fanaovana batisa zazakely izany fa batisan’olona izay efa tonga mpino, ary nanapa-kevitra mba hanompo an’i Jehovah. — Matio 28:19; Asan’ny apostoly 8:12.

8. Raha maniry hatao batisa ianao, iza ao amin’ny kongregasiona moa no tokony hampahafantarinao izany, ary nahoana?

8 Raha efa nanapa-kevitra mba hanompo an’i Jehovah ianao ary maniry hatao batisa, inona no tokony hataonao? Tokony hampahafantatra ny fanirianao amin’ny mpiandraikitra prezidà ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay ifaneraseranao ianao. Izy, miaraka amin’ny loholona hafa ao amin’ny kongregasiona, dia ho faly hamerina miaraka aminao ny fanazavana izay ilainao ho fantatra mba hahafahanao manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba azo ekena. Avy eo dia azo atao ny mandamina ny fanaovana batisa anao.

NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA AMINAO AMIN’IZAO ANDRO IZAO

9. Inona moa no nataon’i Noa talohan’ny safodrano ka sitrapon’Andriamanitra ny hanaovana azy ankehitriny?

9 Talohan’ny safodrano Jehovah dia nampiasa an’i Noa, “mpitory ny fahamarinana”, mba hampitandrina ny amin’ilay fandravana ho avy sy hanondro ny hany toerana azo antoka, dia ny sambofiara. (Matio 24:37-39; II Petera 2:5; Hebreo 11:7) Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanaovana asa fitoriana mitovy amin’izany ankehitriny. Nanambara toy izao Jesosy momba ny androntsika: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Tokony hahafantatra ireo zavatra nianaranao momba ny fikasan’Andriamanitra ny hafa raha te-ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity ary ho velona mandrakizay. (Jaona 17:3) Moa ve ny fonao tsy voatosika handray anjara amin’ny fizarana io fahalalana manome fiainana io amin’ny hafa?

10. Tokony hanosika antsika hanaraka ny ohatr’i Jesosy inona moa ny fitiavana ny olona? b) Amin’ny fomba ahoana moa no anaovana ny ankabeazan’ny asa fitoriana?

10 Araho ny ohatr’i Kristy. Tsy niandry ny olona izy mba hanatona azy, fa nandeha nitady ireo izay hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ary nomeny toromarika ny mpanara-dia azy — izy rehetra — mba hanao toy izany koa. (Matio 28:19; Asan’ny apostoly 4:13; Romana 10:10-15) Tamin’ny fanarahana ny toromarika sy ny ohatr’i Jesosy, ny kristiana voalohany dia nitsidika ny olona tany an-tokantranony. Nandeha “isan-trano” nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireny. (Lioka 10:1-6; Asan’ny apostoly 20:20) Izany no mbola fomba lehibe indrindra anatanterahan’ny kristiana marina ny fanompoany amin’ny androntsika.

11. a) Nahoana moa no mila herim-po ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny asa ataontsika?

11 Mila herim-po ny fanaovana io asa io. Azo antoka fa hanandrana hampitsahatra anao Satana sy izao tontolo izaony, dia toy ny nanandramany nampitsahatra ireo mpanara-dia voalohany an’i Kristy tsy hitory. (Asan’ny apostoly 4:17-21; 5:27-29, 40-42) Nefa tsy ilainao ny hatahotra. Toy ny nanohanan’i Jehovah sy nanatanjahany ireo kristiana voalohany, dia hanao toy izany koa izy aminao amin’izao andro izao. (II Timoty 4:17) Koa mahereza! Porofoy fa tia marina an’i Jehovah sy ny olombelona namanao ianao amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny asa fitoriana sy fampianarana mamonjy aina. (I Korintiana 9:16; I Timoty 4:16) Tsy hanadino ny asanao Jehovah, fa hamaly soa anao be dia be. — Hebreo 6:10-12; Titosy 1:2.

12. Inona moa no azontsika ianarana avy amin’ny ohatry ny vadin’i Lota?

12 Tsy misy zavatra tena misy vidiny azon’ity fandehan-javatra tranainy ity atolotra, koa aza mieritreritra na oviana na oviana hoe misy banga eo aminao raha mampitodika ny lamosinao any aminy ianao. “Tsarovy ny vadin’i Lota”, hoy Jesosy. (Lioka 17:32) Rehefa avy nandositra an’i Sodoma izy sy ny fianakaviany, dia nijery tamim-paniriana fatratra ireo zavatra izay navelany tany aoriana izy. Hitan’Andriamanitra hoe taiza ny fony, ary lasa vongan-tsira nitsangana izy. (Genesisy 19:26) Aza manahaka ny vadin’i Lota! Banjino ny zavatra any aloha, dia “ny tena fiainana” ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra. — I Timoty 6:19.

FIDIO NY FIAINANA MANDRAKIZAY AO AMIN’NY PARADISA ETO AN-TANY

13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny safidy izay tsy maintsy hataontsika rehetra?

13 Raha ny marina dia tsy misy afa-tsy safidy roa. Izany dia noharin’i Kristy tamin’ny fifidianana ny iray amin’ny lalana roa. Ny lalana iray, hoy izy, dia “lehibe sy malalaka”. Ireo mpandeha eo aminy dia omena fahafahana hanao izay mahafinaritra azy. Kanefa ilay lalana hafa iray dia “tery”. Eny, ireo eo amin’izany lalana izany dia angatahina mba hankatò ny toromarika sy ny lalàn’Andriamanitra. Ny ankamaroany, araka ny fanamarihan’i Jesosy, dia mandeha amin’ny lalana malalaka, ary vitsy ihany no amin’ny lalana ety. Lalana inona no hofidinao? Amin’ny fanaovana ny safidinao dia tadidio izao: Ny lalana malalaka dia ho tonga tampoka amin’ny fiafarana mahafaty — ny fandringanana! Etsy andanin’izany, ny lalana ety dia hitarika anao mivantana ho ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra. Ao amin’izany ianao dia ho afaka handray anjara amin’ny fanaovana ny tany ho paradisa be voninahitra, izay ho azonao iainana mandrakizay ao amin’ny fahasambarana. — Matio 7:13, 14.

14. Tsy maintsy anisan’ny inona moa ianao mba ho tafita velona ao anatin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra?

14 Aza manatsoaka hevitra hoe misy lalana, na fomba samihafa izay azonao arahina mba hahazoana ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra. Tokana ihany izany. Ny sambofiara ihany no tafita velona tamin’ny Safodrano, fa tsy sambo maromaro. Ary ho tokana ihany ny fandaminana — ny fandaminana hita mason’Andriamanitra, izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” manatona haingana. Tsy marina tsotra fotsiny izao ny hoe mitarika ho amin’ny zava-kendrena iray ihany ny fivavahana rehetra. (Matio 7:21-23; 24:21) Tsy maintsy anisan’ny fandaminan’i Jehovah ianao, manao ny sitrapon’Andriamanitra, mba hahazoanao ny fitahiana, dia ny fiainana mandrakizay. — Salamo 133:1-3.

15. a) Inona moa no ilaintsika hatao isan’andro? b) Fanantenana inona moa no lehibe kokoa noho ny nofinofy?

15 Koa tano mazava ao an-tsaina sy ao am-po ny sarin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Isan’andro dia saintsaino ny loka lehibe atolotr’i Jehovah Andriamanitra anao — ny fahavelomana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Tsy nofinofy akory izany! Satria azo antoka fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay. (...) Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” — Salamo 37:29, 34.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 251]

Atolory ho an’i Jehovah ny tenanao (...) ary aoka ianao hatao batisa.

[Sary, pejy 253]

“Tsarovy ny vadin’i Lota”.

[Sary, pejy 254]

Tadidio mazava ao an-tsaina sy ao am-po ny fandehan-javatra vaovao.