Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?

Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?

Toko faha-9

Karazan-toerana manao ahoana moa ny fiainan-tsi-hita na afobe?

1. Inona moa no nampianarin’ireo fivavahana momba ny afobe na fiainan-tsi-hita?

OLONA an-tapitrisany maro no nampianarin’ireo fivavahany fa ny fiainan-tsi-hita na afobe dia toerana izay ampijaliana ny olona. Araka ny Encyclopédie britannique, “Ny Eglizy katolika romana dia mampianatra fa ny afobe (...) dia haharitra mandrakizay, ary ny fampijaliany dia tsy hanam-pahataperana.” Io fampianarana katolika io, araka ny tohin’ny tenin’ilay “encyclopédie”, “dia mbola hazonin’ny antoko protestanta maro tsy tia fanovana”. Ny hindoa, ny bodista ary ny miozilimana dia mampianatra koa fa ny afobe na fiainan-tsi-hita dia toeram-pijaliana. Tsy mahagaga raha milaza matetika ny olona izay nampianarina izany fa toerana ratsy loatra ny afobe na fiainan-tsi-hita ka tsy tiany ny hiresaka ny amin’izany.

2. Inona moa no noheverin’Andriamanitra momba ny fandorana zaza tao anaty afo?

2 Izany dia mametraka ny fanontaniana hoe: Moa ve ny Andriamanitra Tsitoha namorona toeram-pijaliana toy izany? Ahoana marina moa no fihevitr’i Jehovah rehefa nanomboka nandoro ireo zanany tamin’ny afo ny Isiraelita, noho izy nanaraka ny ohatr’ireo mponina niaina teny akaikiny? Manazava ao amin’ny Teniny izy hoe: “Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko [am-poko, MN] akory aza izany.” Jeremia 7:31.

3. Nahoana moa no tsy ara-dalàna, no sady tsy araka ny Soratra masina ny hiheverana fa hampijaly olona Andriamanitra?

3 Saintsaino izao: Raha tsy tonga mihitsy tao am-pon’Andriamanitra ny hevitra hoe handoro olona ao anaty afo, moa ve ara-dalàna ny namoronany afobe na fiainan-tsi-hita mirehitra ho an’ireo izay tsy manompo azy? “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny Baiboly. (I Jaona 4:8) Moa ve ny Andriamanitra be fitiavana iray tena hampijaly olona mandrakizay? Moa ve ianao hanao toy izany? Ny fahafantarana ny fitiavan’Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hitodika any amin’ny Teniny mba hahitana hoe inona moa ny afobe na fiainan-tsi-hita. Iza no mankany, ary hafiriana?

SHEOLA SY HADESY

4. a) Teny hebreo sy grika inona moa no nadika hoe “fiainan-tsi-hita” ao amin’ny Fandikan-teny malagasy? b) Ahoana moa no andikana ireo teny ireo ao amin’ny Fandikan-teny katolika amin’ny teny malagasy?

4 Mba hanondroana ny toerana izay alehan’ny maty, ny Baiboly dia mampiasa ny teny hoe “Sheola” ao amin’ny Soratra hebreo ary ny hoe “Hadesy” ao amin’ny Soratra grika. Ao amin’ny Fandikan-teny malagasy, dia adika amin’ny hoe “fiainan-tsi-hita” ireo teny ireo. (Joba 14:13; Salamo 16:10; Asan’ny apostoly 2:31) Ny Fandikan-teny katolika amin’ny teny malagasy indray dia mandika ireo teny ireo amin’ny hoe “Seoly” (Salamo 139:8; Mpitoriteny 9:10), “fonenan’ny maty” (Genesisy 37:35; Apokalypsy 20:13), “fitoeran’ny maty” (Lioka 16:23), ary koa amin’ny hoe “afobe” (Matio 16:18; Apokalypsy 1:18; 20:14).

5. Fanontaniana inona moa no mipetraka momba ny Sheola sy ny Hadesy?

5 Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Karazan-toerana inona moa ny “Sheola” na “Hadesy”? Ny roa amin’ireo fomba nandikan’ny Fandikan-teny katolika ny teny hoe “Sheola” na “Hadesy” dia hoe “fonenan’ny maty” sy “fitoeran’ny maty”. Moa ve tsy any am-pasana no onenan’ny maty sy itoerany? Ny “Sheola” na “Hadesy” àry dia tsy tokony hanondro afa-tsy ny fasana tsotra izao, dia ny fasana iraisan’ny maty rehetra. Ary raha milaza ny fasana iombonan’ny olombelona izany, dia tsy afaka hanondro koa toeram-pijaliana mirehitra iray. Moa àry ve ny Sheola sy Hadesy manondro ny fasana, sa manondro toeram-pijaliana iray?

6. a) Ahoana moa no ampisehoan’ny Baiboly fa milaza zavatra iray ihany ny Sheola sy ny Hadesy? b) Mampiseho inona moa ny naha-tany amin’ny Hadesy an’i Jesosy?

6 Alohan’ny hamaliana io fanontaniana io, dia aoka hazava amintsika fa ny teny hebreo hoe Sheola sy ny teny grika hoe Hadesy dia manondro zavatra iray ihany. Hita izany rehefa jerena ny Salamo 16:10 ao amin’ny Soratra hebreo sy ny Asan’ny apostoly 2:31 ao amin’ny Soratra grika kristiana, andininy azonao jerena eo amin’ny pejy manaraka. Mariho fa amin’ny fakana teny avy amin’ny Salamo 16:10, izay isehoan’ny teny hoe Sheola, ny Asan’ny apostoly 2:31 dia mampiasa ny hoe Hadesy. (Jereo ny fanamarihana eo ambany pejy) Mariho koa, fa Jesosy dia tao amin’ny Hadesy, na afobe, na fiainan-tsi-hita. Moa hino ve isika fa nampijalin’Andriamanitra tao amin’ny afobe mirehitra Kristy? Mazava ho azy fa tsia! Tao am-pasana tsotra fotsiny Jesosy.

7, 8. Ahoana moa izay voalaza momba an’i Jakoba sy Josefa zanakalahiny, ary momba an’i Joba, no manaporofo fa ny afobe na fiainan-tsi-hita dia tsy toeram-pijaliana?

7 Rehefa nitomany an’i Josefa zanakalahy tiany i Jakoba, satria noheveriny ho novonoina izy io, dia hoy izy: “Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fiainan-tsi-hita aho.” (Genesisy 37:35) Nankany amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita àry i Josefa. Moa ve nino Jakoba fa Josefa zanakalahiny dia nankany amin’ny toeram-pijaliana iray mba handany ny mandrakizay tao, ary moa ve naniry ho any izy mba hihaona taminy? Sa kosa, nihevitra fotsiny i Jakoba fa ny zanaka malalany dia maty ary tao am-pasana ka mba naniry ho faty koa ny tenany?

8 Eny, mankany amin’ny afobe na fiainan-tsi-hitan’ny Baiboly ny olona tsara. Ohatra, ilay lehilahy tsara atao hoe Joba, izay nijaly be tokoa, dia nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao (...) ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy!” (Joba 14:13) Saintsaino àry: Raha milaza toerana mirehitra afo sy fampijaliana ny afobe na fiainan-tsi-hita, moa ve Joba haniry ny hankany sy handany ny fotoanany tany ambara-pahatsiaron’Andriamanitra azy? Mazava fa ny ho faty sy ny ho any am-pasana no nirin’i Joba mba hitsaharan’ny fijaliany.

9. a) Manao ahoana moa ny toeran’ireo ao amin’ny Sheola? b) Koa inona moa ny Sheola sy Hadesy?

9 Ao amin’ny toerana rehetra izay isehoan’ny teny hoe Sheola ao amin’ny Baiboly dia tsy ampifandraisina na oviana na oviana amin’ny fiainana, ny asa na ny fampijaliana izy io. Mifamatotra matetika kosa amin’ny fahafatesana sy ny tsy fisiana izy io. Ohatra, saintsaino ny amin’ny Mpitoriteny 9:10 izay amakiantsika hoe: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao, fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola] izay alehanao.” Manjary tena mazava àry ny valiny. Ny Sheola na Hadesy dia tsy manondro toeram-pijaliana iray fa ny fasana iombonan’ny olombelona. (Salamo 139:8) Ny olona tsara toy ny olona ratsy dia mankany amin’ny afobe na fiainan-tsi-hitan’ny Baiboly.

AZO ATAO NY MIVOAKA AVY AO AMIN’NY AFOBE NA FIAINAN-TSI-HITA

10, 11. Nahoana moa Jona, fony tao an-kibon’ilay hazandrano, no nilaza fa tao anatin’ny fiainan-tsi-hita na afobe izy?

10 Azo atao ve ny mivoaka avy ao amin’ny fiainan-tsi-hita? Aoka hojerentsika ny amin’i Jona. Rehefa nataon’Andriamanitra izay hiteleman’ny hazandrano lehibe iray an’i Jona mba hamonjena azy tsy ho faty an-drano, dia nivavaka toy izao i Jona avy tao an-kibon’ilay hazandrano: “Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy; tao anatin’ny fiainan-tsi-hita [Sheola] no nitarainako, dia nihaino ny feoko Hianao.” — Jona 2:3 [2:2, MN].

11 Inona moa no tian’i Jona hambara tamin’ny hoe “tao anatin’ny fiainan-tsi-hita”? Eny, azo antoka fa tsy toeram-pijaliana mirehitra ny kibon’ilay hazandrano. Nefa nety ho lasa fasan’i Jona izany. Hoy tokoa Jesosy momba ny tenany: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” — Matio 12:40.

12. a) Inona moa no porofo fa ireo izay ao amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita dia afaka mivoaka avy ao? b) Inona moa no porofo hafa fa ny “afobe” na “fiainan-tsi-hita” dia midika hoe “fasana”?

12 Maty Jesosy ary tao am-pasana nandritra ny hateloana. Nefa mitantara ny Baiboly hoe: “Tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita Izy (...) Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 2:31, 32) Toy izany koa, tamin’ny fitarihan’Andriamanitra dia natsangana avy tao amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita, izany hoe, avy tao amin’izay nety ho ny fasany Jona. Nitranga izany rehefa naloan’ilay hazandrano ho eny amin’ny tany maina izy. Eny, azo atao ny mivoaka avy ao amin’ny afobe na fiainan-tsi-hita! Ny fampanantenana mamelombelona ny fo tokoa dia ny hoe hatao foana tsy hisy maty mihitsy ny afobe na fiainan-tsi-hita (Hadesy). Azo atao ny mahita izany amin’ny famakiana ny Apokalypsy 20:13, izay milaza hoe: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita [Hadesy] namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.”

NY GEHENA SY NY FARIHY AFO

13. Teny grika inona miseho in-12 ao amin’ny Baiboly moa no adika hoe “helo” ao amin’ny Fandikan-teny malagasy?

13 Kanefa mety hisy hanohitra, manao hoe: ‘Miresaka ny amin’ny helo mirehitra afo sy ny farihy afo ny Baiboly. Tsy manaporofo ve izany fa toeram-pijaliana ny afobe na fiainan-tsi-hita? Marina fa ny fandikan-teny sasany, toy ny Fandikan-teny malagasy, dia miresaka ny amin’ny “helo mirehitra afo” sy ny hoe “hariana any amin’ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina”. (Matio 5:22; Marka 9:43) Amin’ny fitambarany dia misy andininy 12 ao amin’ny Soratra grika kristiana ampiasana ny teny grika hoe Gehena izay nadika hoe “helo”. Moa ve ny Gehena tena toeram-pijaliana mirehitra afo, fa ny Hadesy koa rehefa adika hoe “afobe” na “fiainan-tsi-hita” dia milaza fotsiny ny fasana?

14. Inona moa ny Gehena, ary inona no natao tao?

14 Mazava fa ny teny hebreo Sheola sy ny teny grika Hadesy dia milaza ny fasana. Koa, milaza inona àry ny Gehena? Ao amin’ny Soratra hebreo, ny Gehena dia “ny lohasahan’i Hinoma”. Tsarovy fa Hinoma no anaran’ny lohasaha tany ivelan’ny mandan’i Jerosalema izay nanaovan’ireo Isiraelita sorona ny zanany tao anaty afo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nataon’i Josia mpanjaka tsara izay tsy hampiasana intsony io lohasaha io ho amin’ny fanao mahatsiravina toy izany. (II Mpanjaka 23:10) Novana ho fanariam-pakom-bahoaka izany.

15. a) Tamin’ny andron’i Jesosy, nampiasaina ho amin’ny zava-kendrena inona moa ny Gehena? b) Inona no tsy natsipy tany mihitsy?

15 Koa nandritra ny fotoana naha-tetỳ an-tany an’i Jesosy, ny Gehena dia ny fanariam-pakom-bahoaka tao Jerosalema. Tao dia novelomina hatrany ny afo tamin’ny fanampiana azy solifara mba handevona ny fako. Ny diksionera Smith’s Dictionary of the Bible, boky I, dia manome izao fanazavana izao: “Ilay toerana dia nanjary ny fanangonam-pakon’ny tanàna izay nanipazana ny fatin’ireo olo-meloka sy ireo biby ary koa ny karazan-doto hafa rehetra.” Tsy nisy zavaboary velona anefa natsipy tao.

16. Inona moa no porofo fa ny Gehena dia nampiasaina ho mariky ny fandringanana mandrakizay?

16 Noho ny fahafantarana ilay fanariam-pako tao an-tanànan’izy ireo, dia takatry ny mponina tao Jerosalema ny tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara tamin’ireo filoha ara-pivavahana ratsy fanahy izy hoe: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo [Gehena]?” (Matio 23:33) Tsy te-hilaza akory Jesosy hoe hampijalina ireo filoha ara-pivavahana ireo. Rehefa nandoro velona ny zanany tao amin’izany lohasaha izany mantsy ny Isiraelita, dia nilaza Andriamanitra fa ny fanaovana zavatra mahatsiravina toy izany dia tsy tonga mihitsy tao am-pony! Koa mazava àry fa nampiasa ny teny hoe Gehena Jesosy ho marika mety ho an’ny fandringanana tanteraka sy mandrakizay. Te-hilaza izy fa ireo filoha ara-pivavahana ratsy fanahy ireo dia tsy mendrika ny fitsanganana amin’ny maty. Ireo nihaino an’i Jesosy dia afaka nahatakatra fa izay mankany amin’ny Gehena, toy ny fako be, dia haringana mandrakizay.

17. Inona moa ny “farihy afo”, ary inona no porofo ny amin’izany?

17 Inona àry ny “farihy afo” resahina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy? Manana heviny mitovy amin’ny an’ny Gehena izy io. Mariho ny fomba ilazan’ny Baiboly mihitsy izany ao amin’ny Apokalypsy 20:14: “Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita [afobe, Fandikan-teny katolika] dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.” Eny, ny farihy afo dia milaza ny “fahafatesana faharoa”, ny fahafatesana izay tsy hahazoana fitsanganana intsony. Miharihary fa io “farihy” io dia ara-panoharana, satria ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita na afobe dia tsy azo dorana ara-bakiteny. Azo foanana na hofoanana na holevonina kosa izany.

18. Inona moa no dikan’ny hoe hampijalina mandrakizay ao amin’ny “farihy afo” ny Devoly?

18 Kanefa milaza ny Baiboly fa ny Devoly dia hampijalina mandrakizay ao amin’ny farihy afo’, hoy angamba ny olona iray. (Apokalypsy 20:10) Inona moa no dikan’izany? Fony Jesosy tetỳ an-tany ireo mpiambina tranomaizina indraindray dia nantsoina hoe “mpampijaly”. Araka ny nolazain’i Jesosy ny amin’ny lehilahy iray tao amin’ny iray amin’ny fanoharany, dia izao no voasoratra: “Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.” (Matio 18:34) Koa satria ireo izay atsipy ao amin’ny “farihy afo” dia mankany amin’ny “fahafatesana faharoa” izay tsy ahazoana fitsanganana intsony, izy ireo dia toy ny hoe gadraina mandrakizay ao amin’ny fahafatesana. Mijanona ao amin’ny fahafatesana izy ireo toy ny hoe ao amin’ny tranomaizin’ireo mpiambina mandrakizay doria. Ireo ratsy fanahy tokoa dia tsy ampijalina ara-bakiteny, satria araka ny efa nahitantsika azy, rehefa maty ny olona iray dia foana tanteraka izy. Tsy mahatsiaro na inona na inona izy.

ILAY MPANAN-KARENA SY LAZAROSY

19. Ahoana moa no ahafantarantsika fa ny tenin’i Jesosy momba ilay mpanan-karena sy Lazarosy dia fanoharana?

19 Inona àry no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy tao amin’ny iray amin’ireo fanoharany hoe: “Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; ary raha nijaly tao amin’ny fiainan-tsi-hita [Hadesy] izy ka niandrandra, dia nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany”? (Lioka 16:19-31) Koa satria, araka ny efa hitantsika, ny Hadesy dia manondro ny fasan’ny olombelona, fa tsy toeram-pijaliana iray, dia mazava fa eto Jesosy dia nanambara fanoharana na tantara iray. Ho toy ny porofo fanampiny fa tsy fitantarana ara-bakiteny izy io fa fanoharana, dia hevero izao: Moa ve ny afobe ara-bakiteny ho takatry ny feo avy any an-danitra ka ny resaka toy izany dia mety hisy marina tokoa? Ankoatr’izany, raha ohatra ilay mpanan-karena tao amin’ny farihy mirehitra ara-bakiteny, ahoana no hahafahan’i Abrahama maniraka an’i Lazarosy mba hampangatsiatsiaka ny lelany amin’ny rano indray mitete monja eo amin’ny tendron’ny rantsan-tanany? Inona àry no nasehon’i Jesosy an-tsary?

20. Inona moa no hevitry ny fanoharana raha: a) ny amin’ilay mpanan-karena? b) ny amin’i Lazarosy? d) ny amin’ny fahafatesan’ny tsirairay? e) ny amin’ny fijalian’ilay mpanan-karena?

20 Ilay mpanan-karena ao amin’ny fanoharana dia nampiseho ireo filoha ara-pivavahana nanambony tena izay nanda an’i Jesosy ary taty aoriana dia namono azy. Lazarosy dia nampiseho ny sarambabem-bahoaka izay nandray ilay Zanak’Andriamanitra. Ny fahafatesan’ilay mpanan-karena sy Lazarosy dia nampiseho fiovana teo amin’ny toe-piainan’izy ireo. Io fiovana io dia nitranga fony Jesosy namoky ara-panahy ny vahoaka natao tsirambina sahala amin’i Lazarosy, mba hahatongavan’ireo tamin’izany tao amin’ny fankasitrahan’ilay Abrahama Lehibe kokoa, dia Jehovah Andriamanitra. Tamin’io fotoana io ihany, ireo filoha ara-pivavahana dia “maty” raha ny amin’ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Noho izy nolavina, dia niaritra fampijaliana izy rehefa nahariharin’ireo mpianatr’i Kristy ny asa ratsiny. (Asan’ny apostoly 7:51-57) Io fanoharana io àry dia tsy mampianatra fa ny maty sasany dia ampijalina ao amin’ny afobe mirehitra ara-bakiteny.

FAMPIANARANA ARAKA NY DEMONIA

21. a) Lainga inona moa no naelin’ny Devoly? b) Nahoana moa no afaka matoky isika fa diso ny fampianarana ny amin’ny afo fandiovana?

21 Ny Devoly dia nilaza tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo”. (Genesisy 3:4; Apokalypsy 12:9) Nefa dia maty izy; tsy nisy tapany taminy mbola velona. Ny hoe mbola velona ny fanahy aorian’ny fahafatesana dia lainga natomboky ny Devoly. Ary lainga ihany koa izay naelin’ny Devoly ny hoe ampijalina ao amin’ny afobe na ny afo fandiovana ny fanahin’ny ratsy fanahy. Koa satria asehon’ny Baiboly mazava fa tsy mahatsiaro tena ny maty, ireo fampianarana ireo dia tsy mety ho marina. Raha ny tena izy, dia tsy hita ao amin’ny Baiboly na ny teny hoe “afo fandiovana” na ny hevitra ny amin’ny afo fandiovana.

22. a) Inona moa no nianarantsika tato amin’ity toko ity? b) Inona moa no vokatr’izany fahalalana izany eo amintsika?

22 Hitantsika fa ny afobe na fiainan-tsi-hita (Sheola na Hadesy) dia toerana fialan-tsasatra misy fanantenana ho an’ny maty. Ny tsara sy ny ratsy dia mankany, mba hiandry ny fitsanganana. Nianarantsika koa fa ny helo na Gehena dia tsy milaza toeram-pijaliana, fa ampiasain’ny Baiboly ho mariky ny fandringanana mandrakizay. Toy izany koa, ny “farihy afo” dia tsy toerana mirehitra ara-bakiteny, fa mampiseho ny “fahafatesana faharoa” izay tsy hahazoana fitsanganana intsony. Ny afobe na fiainan-tsi-hita dia tsy mety ho toeram-pijaliana satria ny hevitra toy izany dia tsy tonga tao an-tsaina na tao am-pon’Andriamanitra mihitsy. Fanampin’izany, ny fampijaliana olona iray mandrakizay satria nanao ratsy izy teto an-tany dia mifanohitra amin’ny rariny. Endrey ny fampaherezana noho ny fahalalana ny marina momba ireo maty! Manafaka antsika amin’ny tahotra sy ny finoanoampoana izany. — Jaona 8:32.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 83]

Ny teny hebreo hoe “Sheola” sy ny teny grika hoe “Hadesy” dia milaza zavatra iray ihany.

Fandikan-teny malagasy

Salamo 16:10

10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainantsi-hita 6​ *

ny aiko;

Tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny

lavaka Hianao.

Asan’ny apostoly 2:31

31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita 1​ * Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 55 6 Heb. Sheola

^ feh. 57 1 Gr. Hadesy

[Sary, pejy 84, 85]

Taorian’ny niteleman’ny hazandrano azy, nahoana moa Jona no niteny hoe: ‘Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako’?

[Sary, pejy 86]

Ny Gehena dia lohasaha iray tany ivelan’i Jerosalema. Nampiasaina ho mariky ny fahafatesana mandrakizay izy io.