Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza mifanaraka amin’ny hafa amim-pitiavana

Mahaiza mifanaraka amin’ny hafa amim-pitiavana

Toko faha-28

Mahaiza mifanaraka amin’ny hafa amim-pitiavana

1. a) Ahoana moa no mety hahatongavanao ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra? b) Baiko inona no tokony hankatoavinao amin’izany?

REHEFA mitombo amin’ny fahalalana sy ny fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra sy ireo fikasany ianao, dia haniry hifanerasera tsy tapaka amin’olona izay manana io finoana sy fanantenana io koa. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hanjary anisan’ny fandaminana hita mason’Andriamanitra ianao, misy tena firahalahiana kristiana. Ny hoe “Tiava ny rahalahy [fikambanana manontolon’ny rahalahy, MN]” amin’izay dia ho baiko izay tokony hankatoavinao. — I Petera 2:17; 5:8, 9.

2. a) Didy vaovao inona moa no nomen’i Jesosy ny mpanaraka azy? b) Mampiseho mazava tsara inona moa ny fitenenana hoe “hifankatiavanareo” sy “mifankatia”? d) Manao ahoana ny maha-zava-dehibe ny hananana fitiavana?

2 Nohantitranterin’i Jesosy Kristy ny maha-zava-dehibe ny hifankatiavan’ny mpanaraka azy amin’izy samy izy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo (...) Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) Ny fitenenana hoe “hifankatiavanareo” sy “mifankatia” dia mampiseho mazava fa ny kristiana marina rehetra dia ho tafakambana ao anatin’ny antokon’olona iray na fandaminana. (Romana 12:5; Efesiana 4:25) Ary ho fantatra amin’ny fifankatiavan’ireo mpikambana io fandaminana io. Raha tsy manana fitiavana ny olona iray, dia tsy mahasoa ny zavatra hafa rehetra. — I Korintiana 13:1-3.

3. Ahoana moa no anasoritan’ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ny hitiavana sy hikarakarana ny kristiana mpiara-manompo?

3 Matetika àry ny kristiana tany am-boalohany no nomena fampahatsiarovana toy izao: “Mifankatiava”. “Mifandraisa hianareo”. “Mifanompoa amin’ny fitiavana”. “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra”. “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany”. “Mifananara sy mifampahatanjaha”. “Mihavàna tsara.” “Mifankatiava tsara”. — Romana 12:10; 15:7; Galatiana 5:13; Efesiana 4:32; Kolosiana 3:13, 14; I Tesaloniana 5:11, 13; I Petera 4:8; I Jaona 3:23; 4:7, 11.

4. a) Inona moa no mampiseho fa ny kristiana dia tokony ho tia ny hafa, ankoatr’ “izy samy izy”? b) Iza indrindra moa no tokony ho tian’ny kristiana?

4 Kanefa tsy milaza izany fa ireo mpiara-mikambana ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra ihany no tokony ho tian’ny kristiana marina. Tokony ho tia ny hafa koa izy. Mamporisika azy ireo tokoa ny Baiboly mba hitombo “amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra”. (I Tesaloniana 3:12; 5:15) Raha nanome ny fiheverana mety sy voalanjalanja ny apostoly Paoly dia nanoratra hoe: “Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10) Koa na dia tokony ho tia ny olona rehetra aza ny kristiana, ao anatin’izany ireo fahavalony, dia tokony ho tia indrindra ireo mpiara-mikambana ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra izy, dia ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy. — Matio 5:44.

5. Inona moa no mampiseho fa ny kristiana marina, tany am-boalohany sy amin’izao andro izao, dia voamarika noho ny fifankatiavany?

5 Fantatra tsara noho io fitiavana nananany teo amin’izy samy izy io ny kristiana voalohany. Araka ny filazan’ny mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa atao hoe Tertullien, dia izao no nolazain’ny olona momba azy ireny: ‘Jereo ny fifankatiavan’izy ireo sy ny fahavononany ho faty ho an’izy samy izy!’ Hita eo amin’ny kristiana marina koa ny fifankatiavana toy izany amin’izao andro izao. Nefa milaza ve izany fa tsy misy mihitsy zava-manahirana na fahasahiranana eo amin’ny kristiana marina?

IREO VOKATRY NY TSY FAHATANTERAHANA

6. Nahoana moa na dia ny kristiana marina aza no manota amin’izy samy izy indraindray?

6 Tsapanao, avy amin’ny fianarana ny Baiboly, fa nandova tsy fahatanterahana avy amin’i Adama sy Eva ray aman-drenintsika voalohany isika rehetra. (Romana 5:12) Mirona hanao ratsy àry isika. “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”, hoy ny Baiboly. (Jakoba 3:2; Romana 3:23) Ary tokony ho fantatrao fa tsy tanteraka koa ireo mpikambana amin’ny fandaminan’Andriamanitra ary indraindray manao zavatra izay tsy mety. Mety hiteraka zava-manahirana sy fahasahiranana na dia eo amin’ny kristiana marina aza izany.

7. a) Nahoana moa Eodia sy Syntyke no nila nilazana “mba hiray saina”? b) Inona no mampiseho fa tamin’ny ankapobeny dia vehivavy kristiana tsara dia tsara izy ireo?

7 Hevero izay nitranga tamin’ny vehivavy roa nantsoina hoe Eodia sy Syntyke tao amin’ny kongregasiona tao Filipy tany am-boalohany. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy.” Nahoana moa Paoly no namporisika ireo vehivavy roa ireo “mba hiray saina”? Mazava fa nisy zava-nanahirana teo amin’izy ireo. Tsy milaza ny Baiboly hoe inona izany. Angamba mety ho nifampialona kely izy ireo. Kanefa, amin’ny ankapobeny dia vehivavy tsara dia tsara izy ireo. Kristiana efa hatramin’ny elaela ihany izy ireo, nandray anjara niaraka tamin’i Paoly tamin’ny asa fitoriana teo aloha nandritra ny taona maro. Koa nanoratra ho an’ny kongregasiona izy hoe: “Manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy”. — Filipiana 4:1-3.

8. a) Zava-nanahirana inona moa no nisy teo amin’i Paoly sy Barnabasy? b) Raha nanatrika sy nahita io zava-nanahirana io ianao, inona no nety ho fanatsoahan-kevitra nataonao?

8 Indray mandeha dia nisy zava-nanahirana koa teo amin’ny apostoly Paoly sy Barnabasy mpiray dia taminy. Rehefa hanainga tamin’ny dia misionerany faharoa izy ireo, Barnabasy dia naniry hitondra an’i Marka zanak’olo-mpiraitampo taminy hiaraka aminy. Kanefa tsy tian’i Paoly ny hiaraka amin’i Marka, satria nandao azy ireo i Marka ary nody tany aminy nandritra ny dia misioneran’izy ireo voalohany. (Asan’ny apostoly 13:13) Hoy ny Baiboly: “Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka”. (Asan’ny apostoly 15:37-40) Azonao alaina sary an-tsaina ve izany? Raha teo ianao ary nahita izany ‘fifandirana mafy’ izany, moa ve ho nanatsoaka hevitra ianao fa tsy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra i Paoly sy Barnabasy noho ny fomba nitondrany tena?

9. a) Fahotana inona moa no nataon’i Petera, ary inona no nahatonga azy hanao toy izany? b) Inona no nataon’i Paoly rehefa hitany izay nitranga?

9 Indray mandeha dia nanao fahadisoana ny apostoly Petera. Nitsahatra tsy nifanerasera akaiky tamin’ny kristiana jentilisa izy satria natahotra sao tsy nahazo sitraka tamin’ny kristiana jiosy sasany izay nanambany tamim-pahadisoana ireo rahalahiny jentilisa. (Galatiana 2:11-14) Rehefa hitan’ny apostoly Paoly izay nataon’i Petera, dia nomelohiny teo anatrehan’ireo rehetra nanatrika teo ny fihetsika tsy mety nasehon’i Petera. Ahoana no fihetseham-ponao raha ianao no Petera? — Hebreo 12:11.

ALAMINO AMIM-PITIAVANA IREO FAHASAHIRANANA

10. a) Ahoana moa no fihetsik’i Petera rehefa nahitsy izy? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Petera?

10 Azon’i Petera natao ny ho tezitra tamin’i Paoly. Azony natao ny ho sosotra tamin’ny fomba nanitsian’i Paoly azy teo anatrehan’ny hafa. Nefa tsy nanao izany izy. (Mpitoriteny 7:9) Nanetry tena i Petera. Nekeny ny fanitsiana, ary tsy navelany izany hahatonga ny fitiavany an’i Paoly hihamangatsiaka. (I Petera 3:8, 9) Mariho ny fomba iresahan’i Petera an’i Paoly atỳ aoriana ao amin’ny taratasiny iray mba hampaherezana ireo kristiana namany: “Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy”. (II Petera 3:15) Eny, Petera dia namela ny fitiavana hanarona ilay fahasahiranana, izay nateraky ny fihetsiny manokana ratsy tamin’io. — Ohabolana 10:12.

11. a) Na dia tao aza ny fipoahan’ny fahatezerany, ahoana moa no nampisehoan’i Paoly sy Barnabasy fa tena kristiana izy ireo? b) Ahoana no ahazoantsika mandray tombontsoa avy amin’ny ohatr’izy ireo?

11 Ahoana ny amin’ny zava-nanahirana teo amin’i Paoly sy Barnabasy? Nalamina tamim-pitiavana koa izany. Taty aoriana, rehefa nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Korinto i Paoly, dia niresaka an’i Barnabasy ho toy ny mpiara-miasa akaiky izy. (I Korintiana 9:5, 6) Ary na dia toa nanana antony tsara nisalasalana ny amin’ny hasarobidin’i Marka tamin’ny naha-mpiray dia aza i Paoly, io tovolahy io taty aoriana dia tonga tamin’ny fahamatorana izay nahafahan’i Paoly nanoratra ho an’i Timoty hoe: “Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.” (II Timoty 4:11) Afaka mandray tombontsoa avy amin’io ohatra ny amin’ny fandaminana tsy fifanarahana io isika.

12. a) Nahoana moa no azontsika heverina fa nandamina ny tsy fifanarahany i Eodia sy Syntyke? b) Araka ny Galatiana 5:13-15, nahoana moa no tena zava-dehibe ny handaminan’ny kristiana amim-pitiavana ny tsy fifanarahana misy eo aminy?

12 Eny, ahoana ny amin’i Eodia sy Syntyke? Moa ve izy ireo nandamina ny tsy fifanarahany, ka namela ny fitiavana hanarona izay fahotana nety ho nataon’izy ireo tamin’ny andaniny avy? Tsy milaza amintsika ny Baiboly hoe inona no nitranga tamin’izy ireo tamin’ny farany. Nefa, noho izy ireo vehivavy tsara izay niasa teo anilan’i Paoly teo amin’ny fanompoany kristiana, dia ara-dalàna ny mety hiheverantsika fa nanaiky tamim-panetren-tena ny torohevitra nomena izy ireo. Rehefa voaray ny taratasin’i Paoly, dia azontsika alaina sary an-tsaina fa nifanatona izy ireo ary nandamina ny zava-nanahirana azy ireo tamim-pitiavana. — Galatiana 5:13-15.

13. Ohatra inona ao amin’ny fampisehoana fitiavana moa no omen’i Jehovah?

13 Ianao koa dia mety hahita fa sarotra ny mifanaraka amin’olona iray, na amin’olona maromaro, ao amin’ny kongregasiona. Na dia mety hila fotoana lava aza izy ireny eo amin’ny fampitomboana toetra tena kristiana, dia saintsaino izao: Moa ve Jehovah Andriamanitra miandry ambara-pialan’ny olona amin’ny lalany ratsy rehetra vao tia azy ireny? Tsia; milaza ny Baiboly hoe: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8) Ilaintsika ny manaraka izany ohatr’Andriamanitra izany, sy ny mampiseho fitiavana amin’ireo izay manao zava-dratsy sy amin-kadalana. — Efesiana 5:1, 2; I Jaona 4:9-11; Salamo 103:10.

14. Torohevitra inona no nomen’i Jesosy mba tsy ho be fanakianana ny hafa?

14 Satria tsy lavorary isika rehetra, dia nampianatra Jesosy fa tsy tokony hanakiana ny hafa isika. Marina fa manana fahadisoana ny hafa, nefa manana izany koa isika. “Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” hoy ny fanontanian’i Jesosy. (Matio 7:1-5) Amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny torohevitra feno fahendrena toy izany, dia hahazo fanampiana isika mba hifanaraka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika.

15. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hamelantsika ny hafa na dia rehefa manana antony hitarainana ny amin’izy ireny aza isika? b) Ao amin’ny fanoharany ao amin’ny Matio toko faha-18, ahoana moa no nampianaran’i Jesosy fa ilaina ny mamela heloka?

15 Tena faran’izay ilaina ny hamindrantsika fo sy ny hamelantsika heloka. Marina fa mety hanana antony tena misy mba hitarainana ny amin’ny rahalahy na ny anabavy iray ianao. Nefa tsarovy ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany”. Nefa nahoana ianao no tokony hamela ny hafa rehefa manana antony marina mba hitarainana ny amin’izy ireny? Satria ‘Jehovah namela malalaka anao’, hoy ny valintenin’ny Baiboly. (Kolosiana 3:13, MN) Ary raha ta-hahazo ny famelany isika, hoy Jesosy, dia tokony hamela ny hafa. (Matio 6:9-12, 14, 15) Jehovah, sahala amin’ilay mpanjaka ao amin’ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy, dia namela antsika inarivony maro, koa tsy afaka mamela ireo rahalahintsika ve isika indraindray? — Matio 18:21-35; Ohabolana 19:11.

16. a) Araka ny I Jaona 4:20, 21, ahoana moa no ifandraisan’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fitiavana an’ireo namana kristiana? b) Inona moa no fihetsika ilaina raha manana antony hitarainana ny aminao ny rahalahinao?

16 Tsy azontsika atao tsotra fotsiny ny hanaraka ny fahamarinana no sady hitondra ny rahalahintsika sy ny anabavintsika amin’ny fomba tsy misy fitiavana sy famelan-keloka. (I Jaona 4:20, 21; 3:14-16) Koa raha sendra manana zava-manahirana amin’ny namana kristiana iray àry ianao, dia aza mitsahatra mifampiresaka aminy. Aza mitahiry alahelo, fa alamino ao anatin’ny toe-tsain’ny fitiavana ilay raharaha. Raha nampalahelo ny rahalahinao ianao, dia aoka ho vonona hiala tsiny sy hangataka famelan-keloka. — Matio 5:23, 24.

17. Inona moa no fomba tsara harahina raha manisy ratsy anao ny olona iray?

17 Ahoana anefa raha miteny ratsy anao ny olona iray, na maniry ratsy anao amin’ny fomba hafa iray? Manome torohevitra ny Baiboly hoe: “Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa”. (Ohabolana 24:29; Romana 12:17, 18) Nanoro hevitra Jesosy hoe: “Na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” (Matio 5:39) Ny tahamaina iray dia tsy nokendrena mba handratra ara-batana, fa mba hanambaniana na hankasiahana fotsiny. Tamin’izany no nampianaran’i Jesosy ny mpanaraka azy mba hanalavitra ny fetezana ho voatarika ao amin’ny ady na ny fiadian-kevitra iray. Toy izay ‘hamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana’, ianao dia tokony “hitady fihavanana sy hanaraka azy”. — I Petera 3:9, 11; Romana 12:14.

18. Inona moa no tokony hianarantsika avy amin’ny ohatr’Andriamanitra izay tia ny olona rehetra?

18 Tadidio fa isika dia tokony ho ‘tia ny rahalahy [fikambanana manontolon’ny rahalahy, MN]’. (I Petera 2:17) Manome ny ohatra Jehovah Andriamanitra. Tsy mizaha tavan’olona izy. Mitovy ny foko rehetra eo imasony. (Asan’ny apostoly 10:34, 35; 17:26) Ireo izay harovana mandritra ny “fahoriana lehibe” ho avy dia nalaina avy tamin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9, 14-17)

19. a) Ahoana no tokony hiheverantsika sy hitondrantsika ny kristiana namantsika? b) Inona moa ny tombontsoa lehibe mety ho antsika?

19 Aoka ho fantatrao tsara ireo rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana, dia ho tonga amin’ny fitiavana sy ny fankamamiana azy ireo ianao. Raiso toy ny ray sy ny reny ny zokiolona, ary toy ny rahalahy sy anabavy ny tanora. (I Timoty 5:1, 2) Tombontsoa marina tokoa ny ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso sahala amin’ny fianakaviana, izay manana mpianakavy mifanaraka tsara aoka izany ao amin’ny fitiavana. Endrey ny fahafinaretana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany miaraka amin’ny fianakaviana be fitiavana toy izany. — I Korintiana 13:4-8.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 233]

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fisehoan-javatra nahatafiditra an’i Eodia sy Syntyke?

[Sary, pejy 235]

Moa ve ny fiadian-kevitra teo amin’i Paoly sy Barnabasy milaza fa tsy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra izy ireo?

[Sary, pejy 236]

Ny kristiana marina dia mamela ny fitiavana hanarona ireo antony mahatonga fitarainana.

[Sary, pejy 237]

Ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, ny kristiana dia atosiky ny fitiavana mba hifampitondra toy ny olona mitovy.