Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahery ireo fanahy ratsy

Mahery ireo fanahy ratsy

Toko faha-10

Mahery ireo fanahy ratsy

1. Nahoana no misy olona be dia be mino fa afaka miresaka amin’ny maty izy ireny?

MISY olona milaza ho niresaka tamin’ny maty. Ilay eveka episkopaliana efa maty atao hoe James Pike dia nilaza ho niresaka tamin’ny zanany lahy maty izay toa hoe niteny toy izao: “Misy olona be dia be manodidina ahy, toy ny misy tanana manainga ahy. (...) Ory aho fony mbola tsy afaka nifandray taminao.”

2. a) Nahoana moa no tsy azo atao ny miresaka amin’ny maty? b) Inona no fanontaniana mipetraka noho izany?

2 Koa satria fandre ny fisehoan-javatra toy izany, dia azo antoka fa niresaka tamin’olona avy any amin’ny faritra ara-panahy ireny olona ireny. Tsy nifampiresaka tamin’ny maty anefa akory izy ireny. Izao no lazain’ny Baiboly: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Koa raha tsy ny maty àry no miresaka avy any amin’ny faritra ara-panahy, iza kosa? Iza no maka ny toerany?

3. a) Iza no maka ny toeran’ireo maty, ary nahoana? b) Iza matetika no ampitan’ireo fanahy ratsy ny hafatra avy aminy?

3 Ireo fanahy ratsy, ireo demonia na anjely izay nanaraka an’i Satana tamin’ny fikomiany tamin’Andriamanitra. Nahoana izy ireny no maka ny toeran’ny maty? Mba hanaovana izay hinoana fa mbola misy ireo. Namitaka olona be dia be ireny fanahy ireny tamin’ny fitarihana azy hihevitra fa fiovana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny ny fahafatesana. Mampiely izany lainga izany izy ireny amin’ny alalan’ny mpanao azy ho tsindrian-javatra, ny mpisikidy sy ny mpanao ody ratsy izay ampitany hafatra toa avy amin’ny maty.

NILAZA NY TENANY HO SAMOELA NY FANAHY IRAY

4. a) Nahoana moa i Saoly mpanjaka no nitady fanampiana tamim-pamoizam-po? b) Inona moa no lalàn’Andriamanitra momba ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ireo milaza mialoha izay hiseho?

4 Ny Baiboly dia manonona toe-javatra nilazan’ny fanahy ratsy iray ny tenany ho Samoela mpaminanin’Andriamanitra efa maty. Tamin’ny fahefapolo taona nanjakan’i Saoly no nitrangan’izany. Niady tamin’ny Isiraely ny tafika filistina nahery ka raiki-tahotra i Saoly. Fantany izao lalàn’Andriamanitra izao: “Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy”. (Levitikosy 19:31). Niala tamin’i Jehovah anefa i Saoly tamin’ny farany. Noho izany, dia nanapaka izay rehetra nety ho fifandraisana taminy i Samoela mbola velona (I Samoela 15:35). Very hevitra anefa i Saoly tamin’io tarehin-javatra sarotra io satria nolavin’i Jehovah ny hanohana azy.

5. a) Taiza no nitadiavan’i Saoly fanampiana? b) Afaka nanao inona ilay nanao azy ho tsindrian-javatra?

5 Noho ny firehetan’ny faniriany hahafantatra ny ho avy, dia lasa nanatona vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra tany Andora i Saoly. Afaka nampahita endrik’olona io vehivavy io. Araka ny filazalazana nataony, dia fantatr’i Saoly ho endrik’i “Samoela” io. Tamin’izay dia nanambara toy izao ilay fanahy nilaza ho Samoela: “Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao?” Ary dia namaly i Saoly hoe: “Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina”. Dia hoy ilay fanahy: “Nahoana no manontany amiko hianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao”? Avy eo dia nanambara tamin’ny mpanjaka io fanahy ratsy io fa hamoy ny ainy ao amin’ny ady amin’ny Filistina izy. — I Samoela 28:3-19.

6. Nahoana no tsy nety ho Samoela no niresaka tamin’i Saoly?

6 Miharihary tokoa fa tsy Samoela akory no nantsoin’ilay nanao azy ho tsindrian-javatra. Maty Samoela, ary amin’ny fahafatesany ny olona dia “miverina ho amin’ny taniny (...); ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Salamo 146:4.) Aoka hojerentsika fa tsy nety ho ny an’i Samoela maty ilay feo. Tamin’ny naha-mpaminanin’Andriamanitra azy, dia nanohitra ireo nanao azy ho tsindrian-javatra izy. Ary fony fahavelony dia notapahiny izay rehetra nety ho fifandraisana tamin’i Saoly nikomy. Noho izany, raha mbola velona foana izy, moa ve izy handeha hanaiky ny hampihaonan’ny manao azy ho tsindrian-javatra iray azy amin’i Saoly? Aoka tsy hohadinointsika fa tsy nety namaly an’i Saoly i Jehovah. Moa ve Andriamanitra hanaiky hofitahin’ny manao azy ho tsindrian-javatra iray izay hampita hafatra amin’i Saoly amin’ny alalan’i Samoela efa maty? Raha tena afaka mifandray amin’ireo olon-tiany efa maty tokoa ny velona, ny Andriamanitra fitiavana iray dia tsy hilaza azy ireny ho ‘maloto’ noho ny nanatonany ny manao azy ho tsindrian-javatra iray.

7. Inona no fampitandremana nomen’Andriamanitra mba hiarovana ny olony amin’ny fanahy ratsy?

7 Ny marina dia hoe mitady izay hanimbana ny olona ireo fanahy ratsy, koa manome fampitandremana Jehovah mba hiarovana an’ireo mpanompony. Izao fampitandremana manaraka izao natao ho an’ny Isiraely dia hahatonga anao hahazo an-tsaina ny amin’ireo fomba ampiasain’ny demonia mba hamitahana ny olona: “Aoka tsy hisy eo aminao (...) mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.” (Deoteronomia 18:10-12). Amin’ny ahoana ireny fanahy ireny no manimba amin’izao andro izao, ary inona no tokony hatao mba hiarovan-tena aminy? Aoka hojerentsika aloha ny hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ireo fanahy ratsy.

NISY ANJELY NANAO NY TENANY HO FANAHY RATSY

8. a) Iza koa no notarihin’i Satana hikomy tamin’Andriamanitra? b) Rehefa avy nitsahatra tsy nanao ny asany tany an-danitra izy ireny, dia nankaiza?

8 Tamin’ny famitahana an’i Eva tao amin’ny saha Edena, dia nanao ny tenany ho Satana Devoly ny anjely iray. Notadiaviny nony avy eo izay hitarihana anjely hafa hiodina hanohitra an’Andriamanitra. Nahomby izy tamin’ny farany. Nisy anjely niala tamin’ny asa nanendren’Andriamanitra azy tany an-danitra ka tonga teto an-tany, naka endrik’olombelona. Nanisy fitenenana ny amin’izany i Joda mpianatra kristiana raha niresaka ny amin’ny “anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany”. (Joda 6.) Nahoana no tonga teto an-tany izy ireny? Fanirian-dratsy inona no nataon’i Satana tao am-pony mba hanosehana azy ireny handao ny toerana tsara dia tsara notanany tany an-danitra?

9. a) Nahoana ireo anjely no tonga teto an-tany? b) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa ratsy izay nataon’izy ireo?

9 Mamaly toy izao ny Baiboly: “Dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” (Genesisy 6:2). Eny, nisy anjely nitafy vatana ara-nofo, ary dia nanana firaisana tamim-behivavy tsara tarehy. Fisehoan’ny tsy fankatoavana izany. Araka ny filazan’ny Baiboly, izay nataon’izy ireo dia naharikoriko sahala amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy natao tany Sodoma sy Gomora (Joda 6, 7). Inona no vokatr’izany?

10, 11. a) Niteraka zanaka nanao ahoana ireo anjely? b) Inona no nitranga tamin’ireo goavana tamin’ny safodrano? d) Inona no nitranga tamin’ireo anjely tamin’ny safodrano?

10 Avy amin’ireny firaisan’ny anjely sy ny vehivavy ireny no nahaterahan’ny zaza izay, rehefa nitombo, dia tonga goavana, eny, goavana ratsy fanahy. Ny Baiboly dia miantso azy ireny hoe “olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.” Tiany ho tonga ratsy sahala amin’izy ireo ny olona rehetra. Noho izany, dia “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Genesisy 6:4, 5.) Tamin’izay no nahatonga safodrano Jehovah. Maty an-drano ireo goavana na “Nefilima” sy ny ratsy fanahy rehetra. Fa inona no niafaran’ireo anjely nidina teto an-tany?

11 Tsy ringana izy ireny. Nandao ny tenan’olombelona nananany izy ka niverina ho any an-danitra tamin’ny naha-zavaboary ara-panahy. Tsy voaray ho ao anatin’ny fandaminan’ireo anjely masina intsony izy ireny. Milaza ny Baiboly fa “tsy navelan’Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ny helo [Tartare, MN] ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana”. — II Petera 2:4.

12. a) Inona no nanjo an’ireo anjely ratsy rehefa niverina tany an-danitra izy ireo? b) Nahoana no tsy navela hitafy vatana ara-nofo izy ireny? d) Inona àry no ataony izao?

12 Ireny anjely ratsy ireny akory tsy natsipy tao amin’ny lavaka ara-bakiteny natao hoe “Tartare”. Ny “Tartare”, izay misy Baiboly mandika azy amin’ny fomba diso hoe “afobe” na fiainan-tsi-hita, dia manondro toeram-pietrena. Tsy nomena intsony ny fahazavana ara-panahin’ny fandaminan’Andriamanitra ireny anjely ireny; miandry azy ny fandringanana mandrakizay (Jakoba 2:19; Joda 6). Hatramin’ny safodrano, dia tsy navelan’Andriamanitra hitafy vatana ara-nofo ireo demonia, hany ka tsy afaka manome fahafahampo mivantana ny filany momba ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora. Na dia izany aza dia mbola manan-kery mampidi-doza ny olombelona ihany izy ireny. Raha ny marina dia ireny demonia ireny no manampy an’i Satana ‘hamitaka an’izao tontolo izao’. (Apokalypsy 12:9.) Ny fitomboan’ny heloka momba ny lahy sy ny vavy, ny herisetra, sy ny sisa, dia manipika ny ilàna hitandrin-tena mba tsy hanaiky ho voafitak’izy ireny.

NY TETIKA AMPIASAIN’IREO FANAHY RATSY

13. a) Ahoana no ampaniasiavan’ireo fanahy ratsy ny olona? b) Inona moa no atao hoe spiritisma, ary inona no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?

13 Satana, “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, dia mampiasa ireo fitondram-panjakana sy ny fivavahan-diso mba hanafenana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny olona (II Korintiana 4:4, MN). Ny spiritisma anefa dia fomba lehibe iray hafa koa ampiasain’ireo fanahy ratsy mba hampaniasiavana ny olombelona. Ny spiritisma dia ny fahaizana mifandray amin’ny fanahy ratsy, na mivantana na amin’ny alalan’ny mpanao azy ho tsindrian-javatra. Mametraka an’ilay olona eo ambany herin’ny demonia io fanao io. Manoro hevitra ny Baiboly mba hitandreman-tena amin’ny karazana spiritisma rehetra. — Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8.

14. a) Inona moa no atao hoe fanaovana fankatovana? b) Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’izany?

14 Ny fanaovana fankatovana dia karazana spiritisma fahita tokoa. Izany dia ny fahaizana mahita ny ho avy na izay miafina amin’ny alalan’ireo fanahy tsy hita maso. Manamarina izany toy izao i Lioka: “Nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ny tompony harena be.” Nafahan’ny apostoly Paoly tamin’ny herin’io fanahy ratsy io ilay zazavavy ka nitsahatra tsy naminany ny ho avy. — Asan’ny apostoly 16:16-19.

15. a) Inona moa no sasantsasany amin’ireo fanao mifamatotra amin’ny spiritisma? b) Nahoana moa no mampidi-doza ireny fanao ireny?

15 Olona maro be no sodokan’ny zava-miafina fonosin’ny spiritisma. Izany no mahataitaitra azy amin’ny fanaovana ody ratsy, ny “vaudou” (karazana majika miharo fombafombam-pivavahana), ny hypnotisma, ny majika, ny fanandroana, ny hazo fisaka kely “oui-ja”, ets. Mety hahaliana azy ireny koa ny boky momba izany, ny sarimihetsika sy ny fandaharana ao amin’ny televiziona mifandray amin’izany ary ny fotoam-panaovana spiritisma. Tsy izany anefa no lalam-pahendrena ho an’izay maniry hanompo an’ilay Andriamanitra marina. Tsy hoe tsy mampidi-doza koa izany. Tsy mahagaga àry raha lavin’Andriamanitra izay rehetra manaraka spiritisma. — Apokalypsy 22:15.

16. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tokony hiady amin’ny fanahy ratsy ny kristiana?

16 Na dia izay mitandrin-tena tsy hanaraka spiritisma aza dia tsy voaro amin’ny fanafihan’ny fanahy ratsy. Moa ve ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy tsy nahare feon’ny Devoly izay naka fanahy azy mba handikany ny lalàn’Andriamanitra (Matio 4:8, 9)? Nisy mpanompon’Andriamanitra hafa koa niharam-pamelezana toy izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Isika (...) [dia] mitolona amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Noho izany antony izany, ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia tokony hitafy ‘ny fiadian’Andriamanitra rehetra, mba hahazoana hanohitra’. — Efesiana 6:11-13.

AOKA HOTOHERINTSIKA IREO FANAHY RATSY

17. Inona no tokony hataonao raha misy “feo” avy any amin’ny tsy hita miteny aminao?

17 Inona no tokony hatao raha mandre “feo” avy any amin’ny faritra tsy hita maso? Ary raha toa izany “feo” izany ka milaza ho havana efa maty na fanahy mpanasoa? Inona no nataon’i Jesosy rehefa niresaka taminy ny “lohan’ny demonia” (Matio 9:34)? Hoy izy: “Mandehana hianao, ry Satana”! (Matio 4:10). Manaova toy izany, ary miantsoa vonjy amin’i Jehovah. Mivavaha mafy ary tonòny ny anaran’Andriamanitra. Tadidio fa mahery lavitra noho ireo fanahy ratsy izy. Araho izany torohevitra feno fahendrena izany. Aza mihaino an’ireny feo avy any faritra tsy hita maso ireny (Ohabolana 18:10; Jakoba 4:7). Aza manatsoaka hevitra avy amin’izany anefa fa izay rehetra mandre “feo” dia manana fifandraisana amin’ireo demonia. Indraindray io fisehoan-javatra io dia mifamatotra amin’ny aretina ara-batana na ara-tsaina.

18. Ohatra inona nomen’ireo kristiana voalohany tany Efesosy moa no tsara harahina raha tiana ny hiala amin’ny spiritisma?

18 Nety ho nanaraka spiritisma ianao taloha ka maniry ho afaka amin’izany izao. Inona no tokony hatao? Hevero ny ohatra nomen’ireo kristiana voalohany tany Efesosy. Lazain’ny Baiboly amintsika fa taorian’ny nanekena ny “tenin’Andriamanitra” notorin’ny apostoly Paoly, dia “maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra”. Volafotsy 50 000 no tokom-bidin’izany boky izany (Asa. 19:19, 20)! Manahafa azy ireny; foany ny zavatra rehetra, sarobidy na tsia, misy fifandraisana amin’ny spiritisma.

19. a) Inona no tsy fantatry ny olona manaraka spiritisma? b) Raha tiantsika ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana eto an-tany, inona no tokony hataontsika?

19 Noho ny fitomboan’ny fahalianana amin’ny fisehoan-javatra hafahafa sy mifono zava-miafina, dia mihamaro ny olona voatarika hanao spiritisma. Tsy fantatry ny ankamaroany anefa fa raha ny marina dia mifandray amin’ireo fanahy ratsy izy ireny. Tsy lalao tsy mampaninona akory izany. Manana fahefana hanisy ratsy ireo fanahy ratsy. Sompatra izy ireny. Ary alohan’ny hanafoanan’i Kristy azy mandrakizay, dia mikely aina izy ireny mampanompo ny olona (Matio 8:28, 29). Raha tianao ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana eto an-tany hafahana amin’ny faharatsiana, dia tokony hitandrin-tena amin’ny karazana spiritisma rehetra ianao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 91]

Iza no nifandraisan’ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra tany Andora?

[Sary, pejy 92, 93]

Nanamarika ny zanakavavin’ny olombelona ireo zanak’Andriamanitra.

[Sary, pejy 94]

Tsy maty an-drano ireo anjely nitafy nofo. Nandao ny tenan’olombelona nananany izy ireo ka niverina ho any an-danitra.

[Sary, pejy 97]

Milaza ny Baiboly hoe: ‘Mitandrema tena amin’ny karazana spiritisma rehetra.’

[Sary, pejy 98]

Nandoro ny bokiny momba ny majika ireo Efesiana tonga kristiana. Ohatra tsara ho antsika izany!