Mahità fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana
Toko faha-29
Mahità fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana
1. a) Ahoana moa no nanombohan’ny fisian’ny fianakaviana? b) Inona moa no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny fianakaviana?
REHEFA namorona ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany Jehovah Andriamanitra dia nanakambana azy ireo mba hahaforona fianakaviana. (Genesisy 2:21-24; Matio 19:4-6) Fikasan’i Jehovah ho an’ireo olon-droa mpivady ny hitomboany amin’ny famokarana ankizy. Avy eo, rehefa lehibe ireo ankizy dia hanambady ary hahaforona fianakaviana azy manokana. Fikasan’Andriamanitra, rehefa mandeha ny fotoana, ny hahaveloman’ireo fianakaviana sambatra ao amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Hanao ny tany ho paradisa tsara tarehy hatraiza hatraiza izy ireo. — Genesisy 1:28.
2, 3. a) Nahoana moa Andriamanitra no tsy azo omen-tsiny noho ireo tsy fahombiazan’ny fianakaviana? b) Inona no ilaina mba hifaliana amin’ny fiainam-pianakaviana mahomby?
2 Kanefa ankehitriny dia nisaratsaraka ireo fianakaviana, ary maro no mbola miaraka hatrany nefa tsy sambatra. Koa mety hanontany ny olona iray hoe: ‘Raha noforonin’Andriamanitra marina tokoa ny fianakaviana, moa ve isika tsy tokony hanantena vokatra tsaratsara kokoa?’ Kanefa tsy azo omen-tsiny Andriamanitra noho ireo tsy fahombiazan’ny fianakaviana. Ny mpamoron-javatra iray dia mety hanamboatra zavatra iray sy hanome toromarika ny amin’ny fomba fampiasana azy. Nefa moa ve fahadisoan’ilay mpamoron-javatra raha tsy mahomby ilay zavatra namboarina satria ilay mpividy tsy manaraka ireo toromarika? Tsia dia tsia tokoa. Na dia manana toetra lavorary aza ilay zavatra namboarina dia tsy hahomby satria tsy ampiasaina amin’ny fomba tsara. Toy izany koa amin’ny fianakaviana.
3 Jehovah Andriamanitra dia nanome toromarika momba ny fiainam-pianakaviana ao amin’ny Baiboly. Nefa raha tsy arahina ireny toromarika ireny, inona no hitranga amin’izay? Na dia lavorary aza ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana, dia mety ho voasaratsaraka io fianakaviana io. Avy eo dia tsy ho sambatra ny mpianakavy. Etsy andanin’izany, raha arahina ireo toromarika ao amin’ny Baiboly, izany dia hiteraka fianakaviana mahita fahombiazana sy sambatra. Iankinan’ny aina àry ny hahatakarantsika ny fomba nanaovan’Andriamanitra ny mpianakavy samihafa, sy ny anjara asa nokasainy hotontosain’izy ireo.
NY FOMBA NAMORONAN’ANDRIAMANITRA NY LEHILAHY SY NY VEHIVAVY
4. a) Inona moa ireo fahasamihafana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy? b) Nahoana moa Andriamanitra no namorona ny fahasamihafana toy izany?
4 Na iza na iza dia afaka mahita fa tsy mitovy ny nanaovan’i Jehovah ny lehilahy sy ny vehivavy. Marina fa amin’ny lafiny maro dia mitovy izy ireo. Nefa misy fahasamihafana miharihary eo amin’ny toetoetrany ara-batana sy ny firafitry ny maha-lahy na maha-vavy azy. Ary koa manana toetra ara-pihetseham-po samy hafa izy ireo. Nahoana no misy ny fahasamihafana? Nataon’Andriamanitra toy izany izy ireo mba hanampiana ny tsirairay avy eo amin’ny fanatanterahana anjara asa samy hafa. Rehefa avy namorona ny lehilahy Andriamanitra dia niteny hoe: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza [mpanampy ho azy ho famenony, MN] izy.”
5. a) Ahoana moa no nanaovana ny vehivavy ho “fameno” ho an’ny lehilahy? b) Taiza moa no nisehoan’ny fanambadiana voalohany? d) Nahoana moa ny fanambadiana no mety ho fandaharana tena mahasambatra?
5 Ny fameno iray dia zavatra izay mifanentana na mandeha tsara amin-javatra hafa iray, ka mahatonga azy ho feno. Andriamanitra dia nanao ny vehivavy ho toy ny fameno mahafapo ho an’ny lehilahy mba hanampy azy eo amin’ny fanatanterahana ny toromarika nomen’Andriamanitra mba hameno sy hikarakara ny tany. Koa taorian’ny famoronana ny vehivavy avy tamin’ny faritra iray amin’ny lehilahy, no nanatanterahan’i Jehovah ny fanambadiana voalohany tao amin’ny saha Edena tamin’ny ‘fitondrana azy tany amin-dralehilahy’. (Genesisy 2:22; I Korintiana 11:8, 9) Mety ho fandaharana mahasambatra ny fanambadiana satria ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy natao hanan-javatra ilaina izay hain’ilay hafa fenoina. Mifandanja ireo toetrany samy hafa. Rehefa mifampahatakatra hevitra sy mifankasitraka ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray manambady ary miara-miasa mifanaraka amin’ny anjara asa nanendrena azy, dia samy manao ny anjarany amin’ny fanorenana tokantrano sambatra izy ireo.
NY ANJARA ASAN’NY LEHILAHY MANAMBADY
6. a) Iza moa no natao ho lohan’ny fianakaviana? b) Nahoana moa izany no mety sy mahasoa?
6 Mila fitarihana ny fanambadiana na ny fianakaviana iray. Ny lehilahy dia noforonina mba hanana bebe kokoa ireo toetra sy tanjaka takina mba hanomezana ny fitarihana toy izany. Noho izany antony izany no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa no lohan’ny fiangonana [kongregasiona, MN]”. (Efesiana 5:23) Mahasoa izany, satria rehefa tsy misy fitarihana dia misy ny zava-manahirana sy ny fikorontanana. Ny fianakaviana tsy misy lohany dia toy ny fanandramana mitondra fiarakodia tsy manana familiana boribory. Na koa, raha mifaninana amin’ny fitarihana toy izany ny vehivavy, izany dia toy ny fananana mpamily roa ao amin’ny aotomobilina, ka ny tsirairay dia mihazona familiana boribory iray izay mibaiko familiana mitokana iray eo anoloana.
7. a) Nahoana moa ny vehivavy sasany no tsy tia mieritreritra ny amin’ny fitarihan’ny lehilahy? b) Moa ve manana filoha ny olona rehetra, ary nahoana moa ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fitarihana no feno fahendrena?
7 Kanefa vehivavy maro no tsy tia mieritreritra hoe tokony ho lohan’ny fianakaviana ny lehilahy. Ny antony iray lehibe dia satria lehilahy manambady maro no tsy nanaraka ireo toromarik’Andriamanitra ny amin’ny fomba fampiharana fitarihana mety. Na izany aza anefa, dia zava-misy ekena ny hoe mba hiasan’ny fandaminana iray amin’ny fomba tsara, dia ilaina ny olona iray manome fitarihana sy manao ireo fanapahan-kevitra farany. Araka izany no ilazan’ny Baiboly amim-pahendrena hoe: “Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (I Korintiana 11:3) Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia Andriamanitra irery ihany no tsy manana filoha. Ny hafa rehetra, ao anatin’izany Jesosy Kristy, toy izany koa ireo lehilahy sy vehivavy manambady, dia mila manaiky ny fitarihana sy mankatò ireo fanapahan-kevitry ny hafa.
8. a) Ny ohatr’iza moa no heverina fa tokony harahin’ny lehilahy manambady eo amin’ny fampiharana ny fitarihana? b) Inona no fianarana azon’ny lehilahy manambady tsoahina avy amin’izany ohatra izany?
8 Milaza izany fa mba hanatanterahany ny asany amin’ny maha-vady, ny lehilahy dia tokony hanaiky ny fitarihan’i Kristy. Ary koa, tokony hanaraka ny ohatra navelany izy ireo amin’ny fampiharana fitarihana eo amin’ireo vadiny toy ny ataon’i Jesosy amin’ny kongregasionan’ny mpanara-dia azy. Tamin’ny fomba ahoana moa no nifandraisan’i Kristy tamin’ireo mpanara-dia azy teto an-tany? Tamin-katsaram-po sy fiheverana feno lalandava. Tsy mba henjana na mora tezitra na oviana na oviana izy, na dia rehefa ela fandray ny fitarihany aza izy ireny. (Marka 9:33-37; 10:35-45; Lioka 22:24-27; Jaona 13:4-15) Raha ny marina dia nanome an-tsitrapo ny ainy izy ho azy ireo. (I Jaona 3:16) Ny lehilahy kristiana manambady iray dia tokony hianatra amim-pitandremana ny ohatr’i Kristy, ary hanao izay azony atao mba hanaraka izany rehefa mifandray amin’ny fianakaviany. Ho vokatr’izany, dia tsy ho filoham-pianakaviana manjakazaka, tia tena na tsy ampy fiheverana izy.
9. a) Fitarainana inona moa no ataon’ny vehivavy vady maro? b) Inona moa no tokony hotadidian’ny lehilahy manambady amim-pahendrena raha mbola mampihatra ny fitarihany izy?
9 Etsy andanin’izany anefa, ny lehilahy manambady dia tokony hihevitra izao: Moa ve mitaraina ny vadinao hoe tsy tena manao zavatra amin’ny maha-filohan’ny fianakaviana ianao? Milaza ve izy fa tsy mitarika ianao ao an-tokantrano, tsy mandamina ny asan’ny fianakaviana ary tsy mampihatra ny andraikitra mba hanao ireo fanapahan-kevitra farany? Izany anefa no takin’Andriamanitra hataonao, amin’ny maha-lehilahy Ohabolana 13:10, MN; 15:22.
vady. Marina aloha fa hampiseho fahendrena ianao raha vonona hihaino ireo fanoloran-kevitra sy zavatra tian’ny mpianakavy hafa ary mandinika ireny fanoloran-kevitra ireny rehefa mampihatra ny fitarihanao. Amin’ny maha-lehilahy vady, dia mazava fa ianao no manana ny anjara asa sarotra kokoa eo amin’ny fianakaviana. Nefa raha manao fiezahana amim-pahatsorana ianao mba hanatanteraka izany, ny vadinao dia azo antoka tokoa fa hirona hanome anao ny fanampiany sy ny fanohanany. —NY FANATANTERAHAN’NY VEHIVAVY MANAMBADY NY ANJARA ASANY
10. a) Inona moa no amporisihan’ny Baiboly hataon’ny vehivavy manambady? b) Inona moa no mitranga rehefa tsy mety mihaino ny torohevitry ny Baiboly ny vehivavy manambady?
10 Araka ny voalazan’ny Baiboly, ny vehivavy dia natao ho mpanampy ho an’ny lehilahy vadiny. (Genesisy 2:18) Mifandray amin’izany anjara asa izany, dia mamporisika ny Baiboly hoe: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.” (Efesiana 5:22) Amin’izao andro izao dia manjary fahita ny fampiasana hery sy ny fifaninanan’ny vehivavy amin’ny lehilahy. Nefa rehefa manao zavatra mialoha ny vehivavy manambady, ka manandrana mandray ny fitarihana, ny asan’izy ireny dia saika azo antoka fa miteraka fikorontanana. Lehilahy vady maro tokoa no miteny hoe: ‘Raha maniry hitondra ny tokantrano izy, dia aoka izy handroso hanao izany.’
11. a) Ahoana no azon’ny vehivavy manambady hanampiana ny vadiny mba hitarika? b) Raha miantsoroka ny anjara asa nankinin’Andriamanitra taminy ny vehivavy iray, inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny vadiny?
11 Kanefa mety hahatsapa ianao fa voatery mitarika, satria ny vadinao tsy manao toy izany. Nefa ho afaka hanao bebe kokoa ve ianao mba hanampiana azy hiantsoroka ireo andraikiny amin’ny maha-filohan’ny fianakaviana azy? Mampiseho ve ianao fa mitodika any aminy mba hahazoana fitarihana? Mangataka ny fanoloran-keviny sy ny fitarihany ve ianao? Manalavitra amin’ny fomba rehetra ny fanambaniana izay ataony ve ianao? Raha miasa marina tokoa amin’ny fanatanterahana ny anjara asa nomen’Andriamanitra anao ao amin’ny fianakaviana ianao, dia tsy isalasalana fa hanomboka hiantsoroka ny azy ny vadinao. — Kolosiana 3:18, 19.
12. Inona moa no mampiseho fa afaka manambara tsara ireo heviny ny vehivavy manambady, na dia tsy mifanaraka amin’ny an’ny vadiny aza izany?
12 Izany akory tsy milaza hoe tsy tokony hanambara ireo heviny ny vehivavy raha tsy mitovy amin’ny an’ny vadiny izany. Mety hanana fomba fihevitra marina izy, ary handray tombontsoa ny fianakaviana raha mihaino azy ny vadiny. Saraha vadin’i Abrahama dia omena ho ohatra ho an’ny vehivavy kristiana manambady noho ny fanekeny ny vadiny. (I Petera 3:1, 5, 6) Kanefa dia nanolotra vaha olana ho an’ny zava-manahirana iray tao amin’ny ankohonany izy, ary rehefa tsy niombon-kevitra taminy i Abrahama dia hoy Andriamanitra tamin’io: “Ekeo ny teniny”. (Genesisy 21:9-12) Mazava ho azy fa rehefa manao fanapahan-kevitra farany momba ny raharaha iray ny lehilahy manambady, ny vehivavy dia tokony hanohana izany raha tsy hahatonga azy handika ny lalàn’Andriamanitra ny fanaovana toy izany. — Asan’ny apostoly 5:29.
13. Inona moa no hataon’ny vehivavy manambady tsara iray, ary inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fianakaviany?
13 Amin’ny fanatanterahana tsara ny anjara asany dia betsaka no azon’ny vehivavy manambady iray atao eo amin’ny fikarakarana ny fianakaviana. Ohatra, afaka manomana sakafo mahavelona izy, mitandrina ny tokantrano ho madio sy milamina hatrany ary mandray anjara amin’ny fampianarana ny ankizy. Mamporisika ireo vehivavy manambady ny Baiboly mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”. (Titosy 2:4, 5) Ny vehivavy manambady sady reny izay manatanteraka ireo andraikitra ireo dia hahazo ny fitiavana sy ny fanajana maharitra avy amin’ny fianakaviany. — Ohabolana 31:10, 11, 26-28.
NY TOERAN’NY ANKIZY AO ANATIN’NY FIANAKAVIANA
14. a) Inona moa ny toerana mety ho an’ny ankizy ao amin’ny fianakaviana? b) Inona moa no azon’ny ankizy ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesosy?
14 Nanome toromarika ny mpivady voalohany toy izao Jehovah: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”. (Genesisy 1:28) Eny, nilazan’Andriamanitra izy ireo mba hanan-janaka. Natao ho fitahiana ho an’ny fianakaviana ireo ankizy. (Salamo 127:3-5) Satria tonga eo ambanin’ny lalàna sy ny didin’ireo ray aman-dreny ny ankizy, ny Baiboly dia mampitaha ny toeran’ny zaza iray amin’ny an’ny andevo. (Ohabolana 1:8; 6:20-23; Galatiana 4:1) Na i Jesosy aza dia nanohy nanaiky ny ray aman-dreniny fony izy mbola zaza. (Lioka 2:51) Milaza izany fa nankatò azy ireo izy, nanao izay nitarihan’izy ireo azy. Raha manao toy izany ny ankizy rehetra, dia ho anisan’ny hitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviana tokoa izany.
15. Nahoana moa ny ankizy matetika no mitondra fahoriana ho an’ny ray aman-dreniny?
15 Kanefa tsy fitahiana ho an’ny fianakaviana ny ankizy amin’izao andro izao fa matetika loharanom-pahoriana ho an’ny ray aman-dreny. Nahoana? Izany dia noho ny tsy fetezan’ny ankizy, toy izany koa ny ray aman-dreny, hampihatra eo amin’ny fiainany ireo toromarika ao amin’ny Baiboly momba ny fiainam-pianakaviana. Inona moa ny sasany amin’ireny lalàna sy fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ireny? Aoka hodinihintsika ny sasantsasany amin’izy ireny ao amin’ireo pejy manaraka. Eo am-panaovantsika izany, dia jereo raha tsy hekenao fa amin’ny fampiharana azy ireny dia afaka mampitombo ny fahasambaran’ny fianakavianao ianao.
Tiavo sy hajao ravehivavy vadinao
16. Inona moa no andidiana ireo lehilahy manambady mba hatao, ary ahoana no anatanterahany tsara ireo didy ireo?
16 Avy amin’ny fahendren’Andriamanitra no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany.” (Efesiana 5:28-30) Matetika ny fanandramana no nanaporofo fa mba hahasambatra ny vehivavy dia ilainy ny mahatsapa fa tiana izy. Milaza izany fa ny lehilahy manambady iray dia tokony hanome ho an’ny vadiny fiheverana manokana, ao anatin’izany ny fahalemem-panahy, ny fahatakarana ny heviny ary ny fanomezan-toky azy. Ilainy ny ‘manaja azy’, araka ny lazain’ny Baiboly. Manao izany izy amin’ny fiheverana an-dravehivavy amin’izay rehetra ataony. Amin’izany fomba izany no hahazoany ny fanajany. — I Petera 3:7.
Hajao ralehilahy vadinao
17. Inona moa no andidiana ireo vehivavy manambady mba hatao, ary ahoana no hanaovany izany?
17 Ary ahoana ny amin’ireo vehivavy manambady? “Ny vehivavy dia tokony hanana fanajana lalina ny vadiny”, hoy ny fanambaran’ny Baiboly. (Efesiana 5:33, MN) Ny tsy fetezana hihaino io torohevitra io dia antony iray lehibe mahatonga lehilahy manambady sasany hankahala ny vadiny. Mampiseho fanajana ny vehivavy manambady iray amin’ny fanohanana ireo fanapahan-kevitry ny vadiny, ary amin’ny fiaraha-miasa aminy amin’ny fo manontolo eo amin’ny fanatanterahana ireo zava-kendren’ny fianakaviana. Amin’ny fanatanterahana ny anjara asa nomen’ny Baiboly azy amin’ny maha-‘mpanampy sy fameno’ ho an’ny vadiny no anaovany izay hahamora ny fitiavan’ny vadiny azy. — Genesisy 2:18, MN.
Aoka samy ho mahatoky amin’ny vadiny avy
18. Nahoana moa ny mpivady no tokony ho mahatoky amin’izy samy izy?
18 Hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy sy ny vehivavy manambady dia tokony ho mahatoky amin’ny vadiny avy.” Amin’ny lehilahy manambady dia hoy izy: “Aoka ianao ho sambatra amin’ny vadinao ary mahità fifaliana amin’ny zazavavy izay novadinao (...) nahoana no tokony hanome ny fitiavanao ho an’ny vehivavy hafa iray ianao? Nahoana no tokony ho tianao kokoa ny hatsaran’ny vehivavy vadin’olon-kafa iray?” (Hebreo 13:4, MN; Ohabolana 5:18-20, Today’s English Version) Eny, manohitra ny lalàn’Andriamanitra ny fijangajangana; mitarika ho amin’ny fikorontanana izany ao amin’ny fanambadiana iray. “Olona maro be no mihevitra fa ny raharaha ara-pijangajangana dia mety hanome tsirony ny fanambadiana iray”, hoy ny fanamarihan’ny vehivavy iray mpanao fikarohana momba ny fanambadiana, nefa nampiany koa fa ny raharaha iray dia mitarika foana hatrany ho amin’ny “zava-manahirana tena misy”. — Ohabolana 6:27-29, 32.
Tadiavo ny fahafinaretan’ny vadinao
19. Ahoana no hahafahan’ny mpivady mahita fifaliana be indrindra avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy?
19 Tsy tonga ny fahasambarana rehefa mitady voalohany indrindra ny fahafinaretan’ny tenany eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy ny olona iray. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny lehilahy manambady hanolotra ho an’ny vavy izay tokony ho azy; nefa aoka ny vehivavy manambady koa hanao toy izany amin’ny lahy.” (I Korintiana 7:3, MN) Antitranterina ny amin’ny fanolorana, ny fanomezana. Ary amin’ny fanomezana, ilay mpanome dia mandray koa ny tena fahafinaretana. Izany dia toy ny nilazan’i Jesosy azy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny apostoly 20:35.
Manomeza avy amin’ny tenanao ho an’ireo zanakao
20. Nahoana moa ny fanaovan-javatra ho an’ny zanaky ny tena no zava-dehibe aoka izany?
20 Niteny toy izao ny ankizy iray teo amin’ny valo taona: “Miasa amin’ny fotoana rehetra ny dadako. Tsy mba ao an-trano mihitsy izy. Manome ahy vola sy kilalao be dia be izy, nefa mahalana vao mba hitako izy. Tiako izy ary iriko raha tsy miasa amin’ny fotoana rehetra izy mba hahafahako mahita azy bebe kokoa.” Hanao ahoana moa ny fahatsaran’ny fiainana ao an-tokantrano kokoa rehefa arahin’ny ray aman-dreny ny didin’ny Baiboly mba hampianatra ireo zanany ‘rehefa mipetraka ao an-tranony izy sy rehefa mandeha eny an-dalana sy rehefa mandry ary rehefa mifoha’! Ny fanomezana avy amin’ny tenanao ho an’ireo zanakao, ny fandaniana fotoana misy vidiny miaraka amin’izy ireo, dia azo antoka fa hampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana. — Deoteronomia 11:19; Ohabolana 22:6.
Manomeza ny lalàm-pifehezana ilaina
21. Inona moa no lazain’ny Baiboly momba ny fanomezana lalàm-pifehezana ho an’ny ankizy?
21 Ny Raintsika any an-danitra dia manome ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreny amin’ny fanolorana ho an’ny vahoakany ny fampianarana manitsy, na lalàm-pifehezana. Mila lalàm-pifehezana ny ankizy. (Hebreo 12:6; Ohabolana 29:15) Manaiky izany ny Baiboly ary mamporisika hoe: “Hianareo ray, (...) tezao ny zanakareo amin’ny famaizana [lalàm-pifehezana, MN] sy ny fananaran’ny Tompo [fanabeazan-tsaina avy amin’i Jehovah, MN].” Ny fanomezana lalàm-pifehezana, na dia mety hahafaoka kapoka na fanesorana tombontsoa aza, dia fihariharian’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ireo zanany. Hoy ny Baiboly: “Izay tia zanaka dia manafay azy [mitady azy miaraka amin’ny lalàm-pifehezana, MN]”. — Efesiana 6:4; Ohabolana 13:24; 23:13, 14.
Ry tanora, tohero ny fanaon’izao tontolo izao
22. Manana adidy inona moa ny tanora, ary inona no tafiditra amin’ny fanatanterahana izany?
22 Manao fiezahana izao tontolo izao mba hitarihana ny tanora handika ireo lalàn’Andriamanitra. Araka ny fanambaran’ny Baiboly koa, dia “miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana”. (Ohabolana 22:15) Koa ady ny fanaovana izay mahitsy. Kanefa hoy ny Baiboly: “Ry zanaka, andraikitra kristiana ho anareo ny fankatoavana ny ray aman-dreninareo, satria izany no zavatra tsara hatao.” Hitondra valisoa be dia be izany. Koa manehoa fahendrena, rankizy. Henoy izao torohevitra izao: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” Tohero ireo fakam-panahy hampiasa zavatra mahadomelina, himamo, hijangajanga ary hanao zavatra hafa izay mifanohitra amin’ireo lalàn’Andriamanitra. — Efesiana 6:1-4, MN; Mpitoriteny 12:1; Ohabolana 1:10-19.
Miaraha mianatra ny Baiboly
23. Soa inona moa no horaisin’ny fianakaviana amin’ny fiaraha-mianatra ny Baiboly?
23 Raha mianatra sy mampihatra ireo fampianaran’ny Baiboly ny mpianakavy iray, izany dia hampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana. Nefa raha manao izany ny rehetra — ny lehilahy, ny vehivavy ary ny ankizy — endrey fa ho fianakaviana voatahy izany! Hisy ny fifandraisana mafana, akaiky, miaraka amin’ny fifampiresahana malalaka, rehefa miezaka manampy ny hafa mba hanompo an’i Jehovah Andriamanitra ny mpianakavy tsirairay avy. Koa ataovy fahazaran’ny fianakaviana ny mianatra ny Baiboly miaraka! — Deoteronomia 6:4-9; Jaona 17:3.
NY FOMBA HANDAMINANA IREO ZAVA-MANAHIRANA ARA-PIANAKAVIANA
24. Nahoana moa ny mpivady no tokony hifamela fahadisoana?
24 Na dia ao amin’ireo fianakaviana sambatra mandrakariva aza dia hisy zava-manahirana indraindray. Izany dia satria tsy tanteraka isika rehetra ary manao zavatra ratsy. “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro [imbetsaka, MN] isika rehetra”, hoy ny Baiboly. (Jakoba 3:2) Koa tsy tokony hitaky fahatanterahana avy amin’ny andaniny avy ny mpivady. Tokony handefitra kosa amin’ireo fahadisoan’ilay hafa ny iray. Noho izany dia tsy misy vady tokony hanantena fanambadiana sambatra amin’ny fomba lavorary, satria tsy azon’ny olombelona tsy lavorary tanterahina izany.
25. Ahoana no tokony handaminana ao amin’ny fitiavana ireo zava-manahirana ara-panambadiana?
25 Marina aloha fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray manambady dia haniry hanalavitra izay mampahasosotra ny vadiny. Kanefa na dia miezaka mafy manao izany aza izy ireo, dia hanao zavatra izay hampalahelo ny iray indraindray. Ahoana amin’izay no tokony handaminana ny fahasahiranana? Manoro hevitra ny Baiboly hoe: “Ny fitiavana manarona fahotana maro”. (I Petera 4:8) Milaza izany fa ny vady izay mampiseho fitiavana dia tsy hanohy hampahatsiaro ireo fahadisoana nataon’ilay iray. Ny fitiavana tokoa dia miteny hoe, ‘Eny, nanao fahadisoana ianao. Nefa manao toy izany koa aho matetika. Koa havelako ny anao, ary afaka manao toy izany koa ianao amiko’. — Ohabolana 10:12; 19:11.
26. Rehefa mipoitra ny fahasahiranana iray, inona moa no hanampy eo amin’ny fandaminana ilay raharaha?
26 Rehefa vonona hiaiky ny fahadisoany sy hiezaka hanitsy izany ny mpivady, dia maro ny fiadian-kevitra sy alahelom-po azo sorohina. Eny fa na dia diso aza ny vadinao dia ataovy izay hahamora kokoa ny fandaminana ny zava-manahirana amin’ny fisehoana ho malemy fanahy. Raha anao ny fahadisoana dia mangataha famelan-keloka amim-panetren-tena. Aza mampihemotra izany; alamino tsy misy hataka andro ny zava-manahirana. “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” — Efesiana 4:26.
27. Ny fanarahana torohevitry ny Baiboly inona moa no hanampy ireo mpivady mba handamina ny zava-manahirana azy?
27 Indrindra fa raha olona manambady ianao dia ilainao ny manaraka ny fitsipika manao hoe “aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa”. (Filipiana 2:4) Ilainao ny mankatò ny fandidian’ny Baiboly manao hoe: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fandeferana (...) Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Jehovah, MN] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatante rahana [fatorana mampiray tanteraka, MN] izany.” — Kolosiana 3:12-14.
28. a) Moa ve ny fisaraham-panambadiana no fomba fandaminana ny zava-manahirana ara-panambadiana? b) Inona moa no lazain’ny Baiboly fa antony tokana hahazoana misara-panambadiana ka hahafahan’ny olona iray manambady indray?
28 Mpivady maro amin’izao andro izao no tsy mamela ny torohevitra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra hanampy azy handamina ny zava-manahirana azy, ary mitady fisaraham-panambadiana. Moa ve Andriamanitra mankasitraka ny fisaraham-panambadiana ho toy ny fomba fandaminana zava-manahirana? Tsia, tsy mankasitraka izany izy. (Malakia 2:15, 16) Nokasainy ho fandaharana mandritra ny androm-piainana ny fanambadiana. (Romana 7:2) Tokana ihany ny antony amelan’ny Baiboly hisara-panambadiana ka hahafahan’ny olona iray manambady indray, ary izany dia ny fijangajangana (Grika: porneia, fahalotoam-pitondran-tena lehibe eo amin’ny lahy sy ny vavy). Raha misy fijangajangana, dia afaka manapa-kevitra ilay vady tsy diso raha hangataka fisaraham-panambadiana na tsia. — Matio 5:32.
29. a) Raha tsy miaraka aminao eo amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana ny vadinao, inona moa no tokony hataonao? b) Inona no mety ho vokatr’izany?
29 Ahoana raha mandà tsy hianatra ny Tenin’Andriamanitra miaraka aminao ny vadinao, na manohitra mihitsy ny asa kristiana ataonao? Mbola mamporisika anao ny Baiboly hitoetra miaraka amin’ny vadinao ary tsy hihevitra ny fisarahana ho toy ny fomba tsotra hialana amin’ny zava-manahirana anao. Ataovy izay azonao manokana atao mba hanatsarana ny toe-piainana ao an-tokantranonao amin’ny fampiharana izay lazain’ny Baiboly momba ny fitondrantenanao manokana. Rehefa mandeha ny fotoana, noho ny fitondrantena kristiana anananao, dia mety hahazo ny vadinao ianao. (I Korintiana 7:10-16; I Petera 3:1, 2) Ary endrey ny fitahiana horaisinao raha valian-tsoa amin’izany fomba izany ny faharetanao amim-pitiavana!
30. Nahoana moa no zava-dehibe aoka izany ho an’ny ray aman-dreny ny manome ohatra tsara ho an’ireo zanany?
30 Zava-manahirana maro ara-pianakaviana amin’izao andro izao no mahatafiditra ny ankizy. Inona no azo atao raha izany no mitranga ao amin’ny fianakavianao? Voalohany indrindra, amin’ny maha-ray aman-dreny dia ilainao ny manome ohatra tsara. Izany dia satria mirona kokoa hanaraka izay ataonao noho izay lazainao ny ankizy. Ary rehefa samy hafa amin’ny teninao ny ataonao, dia mahita izany haingana ireo tanora. Koa raha maniry ny hananan’ireo zanakao fiainana tsara dia tsara ianao, fiainana kristiana, dia tokony hanome ohatra ny tenanao. — Romana 2:21, 22.
31. a) Antony lehibe kokoa inona moa no ilàn’ny ankizy hankatò ny torohevitry ny ray aman-dreniny? b) Ahoana no azonao ampisehoana amin’ny zatovo fa fahendrena ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra izay mandrara ny fijangajangana?
31 Ilainao koa ny mampisaintsaina ny ankizy. Tsy ampy ny milaza fotsiny amin’ny tanora kely hoe: ‘Tsy tiako ny hijangajanganao, satria Efesiana 5:3-5; I Tesaloniana 4:3-7) Nefa na dia izany aza dia tsy ampy. Ny ankizy koa dia mila hampiana mba hahita ny antony tokony hankatoavany ireo lalàn’Andriamanitra, sy ny fomba hitondran’izany fahasoavana ho azy. Ohatra, azonao atao ny hitarika ny sain’ny tanora kelinao ho amin’ny fomba mahatalanjona iforonan’ny zazakely olombelona amin’ny alalan’ny firaisan’ny “spermatozoïde” avy amin’ny lehilahy sy ny atody avy amin’ny vehivavy, ary hanontany hoe: ‘Tsy heverinao ve fa ilay nahatanteraka io fahagagana ny amin’ny fahaterahana io no mahafantatra tsara indrindra ny amin’ny fomba tokony hampiasan’ny olombelona ny fahafahana miteraka nomen’Andriamanitra azy? (Salamo 139:13-17) Na koa afaka hanontany ianao hoe: ‘Heverinao ve fa ny Mpamorona Lehibe antsika dia hanao lalàna izay hanaisotra amintsika ny fifaliana eo amin’ny fiainana? Tsy tokony ho sambatra kokoa kosa ve isika raha mankatò ireo lalàny?
ratsy izany.’ Ilainy ny hampisehoana aminy fa ny Mpamorona azy, Jehovah Andriamanitra, no milaza fa ratsy ireo zavatra toy ny fijangajangana. (32. a) Inona moa no tokony ho fihetsikao raha tsy mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny an’ny zanakao? b) Ahoana no azo anampiana ny zanakao hahita fa fahendrena izay lazain’ny Baiboly?
32 Ny fanontaniana toy izany dia afaka hampanomboka ny zanakao hisaintsaina ny amin’ny lalàn’Andriamanitra manapaka ny fampiasana ireo faritra fiterahana. Avelao izy hilaza ny heviny. Raha tsy araka izay anirianao azy izany dia aza tezitra. Miezaha mahatakatra fa ny taranaka misy ny zanakao dia nanalavitra be ireo fampianarana marina ao amin’ny Baiboly, ary miezaha avy eo mampiseho aminy hoe nahoana ireo fanao maloto ara-pitondrantena amin’ny androny no tsy mampiseho fahendrena. Angamba ianao afaka misarika ny sain’ny zanakao ho amin’ny ohatra voafaritra tsara izay nahitana ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy nitarika ho amin’ny fahaterahana tsy ara-dalàna, ny aretina momba ny maha-lahy sy maha-vavy na ny zava-manahirana hafa. Amin’izany fomba izany no anampiana azy hahita ny maha-ara-dalàna sy mahitsy izay lazain’ny Baiboly.
33. Nahoana moa ny fanantenana miorina ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany no afaka manampy antsika hahita fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana?
33 Ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany dia afaka manampy anao indrindra hahita fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Nahoana moa? Satria raha maniry marina tokoa hiaina ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra isika, dia hiezaka mafy ankehitriny hiaina toy izay antenaintsika hiainana amin’izany. Milaza izany fa hanaraka akaiky ireo toromarika sy fitarihan’i Jehovah Andriamanitra isika. Ho vokatr’izany, Andriamanitra dia hanome ambonin’ny fahasambarantsika ankehitriny, ny fifalian’ny fiainana mandrakizay sy ny fahasambarana be dia be mandritra ny mandrakizay izay mivelatra eo anoloantsika. — Ohabolana 3:11-18.
[Fanontaniana]