Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana ve ianao sa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana ve ianao sa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Toko faha-25

Miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana ve ianao sa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

1. Inona no tena manaporofo fa miandany amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao?

TIA ny fandehan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra ve ianao ka maniry ny hahatongavany ary manohitra an’i Satana ve ianao ka mirary ny hahataperan’ny izao tontolo izaony? Eny angamba no havalinao. Ampy ve anefa izany? Milaza ny ohabolana tranainy iray fa mahalaza zavatra betsaka kokoa noho ny teny ny atao. Raha mino ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao, dia asehoy amin’ny fomba fiainanao izany. — Matio 7:21-23; 15:7, 8.

2. a) Iza moa ireo tompo roa mety hofidina? b) Ahoana no hanaporofoana fa ianao dia mpanompon’itsy na iroa?

2 Tompo iray ihany no mety ho faly amin’ny fomba fiainanao. Na manompo an’i Jehovah ianao, na manompo an’i Satana Devoly. Mazava izao fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly manaraka izao raha ny amin’izany: “Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo?” (Romana 6:16) Iza no arahinao? Na inona na inona valinteninao, raha manaraka ireo lalana tsy marin’izao tontolo izao ianao, dia tsy afaka manompo an’ilay Andriamanitra marina atao hoe Jehovah.

INONA NO ATAO HOE IZAO TONTOLO IZAON’I SATANA?

3. a) Araka ny filazan’ny Baiboly, iza moa no filohan’izao tontolo izao? b) Tao amin’ny vavaka nataony, ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy mitovy amin’izao tontolo izao ny mpianany?

3 Nantsoin’i Jesosy hoe “andrianan’izao tontolo izao” Satana. Ary ny apostoly Jaona dia nilaza fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (Jaona 12:31; I Jaona 5:19) Mariho fa tao amin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra dia tsy nampidirin’i Jesosy ho anisan’izao tontolo izaon’i Satana ireo mpianany. Hoy izy: “Izaho mangataka ho azy [izany hoe ho an’ireo mpianany]; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho (...). Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:9, 16; 15:18, 19) Mazava àry fa tokony ho tafasaraka amin’izao tontolo izao hatrany ny kristiana marina.

4. a) Manondro inona ny fitenenana hoe “izao tontolo izao” voatonona ao amin’ny Jaona 3:16? b) Inona moa “ny izao tontolo izao” tokony hisarahan’ny mpianatr’i Kristy?

4 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe “izao tontolo izao”? Ao amin’ny Baiboly, io fitenenana io indraindray dia manondro ny olombelona amin’ny ankapobeny. Naniraka ny Zanany Andriamanitra mba hamonjy an’izao tontolo izaon’ny olombelona. (Jaona 3:16) Nitarika ny ankamaroan’olona hanohitra an’Andriamanitra anefa Satana. Koa ny izao tontolo izaon’i Satana dia ny fitambaran’olona voalamina izay misy nefa tsy miankina amin’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso. Io izao tontolo izao io no tokony hisarahan’ny kristiana marina. — Jakoba 1:27.

5. Inona moa no tapany lehibe iray amin’izao tontolo izao, ary ahoana no ampisehoana azy ao amin’ny Baiboly?

5 Ny izao tontolo izaon’i Satana, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny fitambaran’olona voalaminy, dia misy lafiny samihafa mifamatotra akaiky mahaforona azy. Ny anankiray amin’izy ireny dia ny fivavahan-diso izay lazalazain’ny Baiboly ho toy ny “vehivavy janga lehibe” antsoina hoe “Babylona lehibe”. Empira maneran-tany izy io, satria manana fiandrianana eo amin’ireo mpanjaka amin’ny tany.” (Apokalypsy 17:1, 5, 18) Amin’ny ahoana i Babylona lehibe no hoe empira maneran-tany ara-pivavahana?

6, 7. a) Ahoana no hanaporofoana fa empira ara-pivavahana Babylona lehibe? b) Inona no fifandraisana tanan’ny fivavahan-diso amin’ireo fitondram-panjakana ara-politika?

6 Koa satria “ny mpanjakan’ny tany” ‘mijangajanga’ aminy ary ireo “mpandranto [mpivaro-mandeha, MN]” amin’ny tany mijanona eny lavitra eny sy mitomany noho ny fandringanana azy, Babylona lehibe dia tsy empira ara-politika na empira ara-barotra (Apokalypsy 17:2; 18:15) Ny tena maha-empira ara-pivavahana azy dia miharihary amin’ny hoe ‘ny ody ratsiny [fanaony misy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, MN] no nentiny namitaka ny firenena rehetra’. — Apokalypsy 18:23.

7 Ny fifandraisany amin’ny “bibi-dia” dia manamarina koa fa empira ara-pivavahana i Babylona lehibe. Ao amin’ny Baiboly, ny biby toy izany dia mampiseho fitondram-panjakana ara-politika. (Daniela 8:20, 21) Babylona lehibe dia ‘mitaingina bibi-dia mivolon-jaky (...) manan-doha fito sy tandroka folo’. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanandrana nitaona ny “bibi-dia” na ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao izy (Apokalypsy 17:3). Tamin’ny fotoana rehetra ny fivavahana dia nitsabaka tamin’ny politika. Tena nampihatra fiandrianana teo amin’ireo mpanjaka amin’ny tany tokoa izy. — Apokalypsy 17:18.

8. Inona moa no tapany lehibe hafa iray koa amin’izao tontolo izaon’i Satana, ary ahoana no ampisehoana azy ao amin’ny Baiboly?

8 Ireny fitondram-panjakana ireny dia tapany lehibe amin’izao tontolo izaon’i Satana koa. Aoka hotadidiantsika fa izy ireny dia aseho ho toy ny biby ao amin’ny Baiboly (Daniela 7:1-8, 17, 23). Mandray ny heriny avy amin’i Satana izy ireo, araka ny fahitan’i Jaona manao hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito (...). Ary ilay dragona nanome azy ny heriny”. (Apokalypsy 13:1, 2; 12:9) Ny porofo iray hafa koa manamarina fa anisan’izao tontolo izaon’i Satana ireny fanjakana na fitondram-panjakana ireny dia ny nanoloran’i Satana azy an’i Jesosy. Tsy ho afaka nanao fanolorana toy izany Satana raha tsy ny tenany no filohan’ireny fanjakana ireny. — Matio 4:8, 9.

9. a) Ahoana no ilazalazana ny amin’ny tapany lehibe hafa iray koa amin’izao tontolo izaon’i Satana ao amin’ny Apokalypsy 18:11? b) Inona no amporisihany ny olona ka ampisehoana amin’izany fa tohanan’i Satana izy?

9 Ny tapany lehibe hafa iray koa amin’izao tontolo izaon’i Satana dia ny fandehan-javatra ara-barotra fatra-pitia harena sy mpampahory izay antsoin’ny Apokalypsy (18:11) hoe “mpandranto”. Io fandehan-javatra io dia mamporisika ao amin’ny olona ny faniriana mampiseho fitiavan-tena ny hividy ny vokany na dia tsy ilaina aza izany ka hitondra fatiantoka ho an’ny olona. Manangona zava-pihinana izy sady mamela olona an’arivony maro ho faty noana, satria tsy manana hamidy sakafo izy ireny. Etsy andaniny koa, dia misy fanamboarana fiadiana mety haharingana ny fianakavian’olombelona manontolo, dia fiadiana amidy andraisan-tombony. Araka izany, ny fandehan-javatra ara-barotra, ara-pivavahana sy ara-politikan’i Satana dia mampitombo ny fitiavan-tena, ny heloka bevava sy ny ady.

10, 11. a) Inona koa no zavatra hafa iray mampiavaka an’izao tontolo izaon’i Satana? b) Ahoana no ampitandreman’ny Baiboly antsika amin’ny fomba fiainan’izao tontolo izao?

10 Marina tokoa fa ratsy sy simba ny fitambaran’olona eo ambany fifehezan’i Satana. Manohitra ireo lalàna marin’Andriamanitra izany ary manaram-po amin’izao karazam-panao maloto rehetra izao. Araka izany, ny toetra hafa iray koa mampiavaka an’izao tontolo izaon’i Satana dia ny fomba fiainany tsy mendrika. Tsy mahagaga mihitsy raha toa ny apostoly Paoly sy Petera ka nananatra ny kristiana hitandrin-tena amin’ny fahalotoam-pitondrantenan’ny olona eo amin’ireo firenena. — Efesiana 2:1-3; 4:17-19; I Petera 4:3, 4.

11 Ny apostoly Jaona dia nananatra koa ny kristiana handositra ny fanirian-dratsy sy ny lalan-dratsin’izao tontolo izao. Izao no nosoratany: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.” (I Jaona 2:15, 16) Izao no nolazain’i Jakoba mpianatra: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” — Jakoba 4:4.

NY FOMBA HANALAVIRANA NY HO NAMAN’IZAO TONTOLO IZAO

12, 13. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy maintsy miaina eo amin’izao tontolo izao ny kristiana? b) Ahoana no ahafahana miaina eo amin’izao tontolo izao nefa tsy ho anisany?

12 Raha mbola haharitra koa izao tontolo izaon’i Satana, dia tsy maintsy miaina ao ny kristiana. Izao no nolazain’i Jesosy: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao”. Nanampy teny toy izao anefa izy momba ireo mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy”. (Jaona 17:15, 16) Ahoana no hiainana eo amin’izao tontolo izaon’i Satana nefa tsy ho namany?

13 Miaina eo afovoan’olona mahaforona ny vahoaka voalamina isika; amin’izy ireny dia misy mpijangajanga, olona fatra-pitia harena sy hafa koa manao zava-dratsy. Mety ho mpiara-miasa izany na mpiara-mianatra. (I Korintiana 5:9, 10) Manana adidy aza isika ho tia azy ireny sahala amin’ny itiavan’Andriamanitra azy. (Jaona 3:16) Ny kristiana marina anefa dia tsy tia ny ratsy ataon’ireny olona ireny. Tsy manaraka ny fihetsik’izy ireny na ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana izy. Tsy mandray anjara amin’ny fivavahany simba na ny politikany izy. Ary na dia voatery miasa matetika eo amin’izao tontolo izao ara-barotra aza izy mba hameloman-tena, dia tsy mampiasa fanao maloto; tsy ny fikatsahana fananana ara-nofo koa no antony ahavelomany. Noho izy niandany tamin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, dia tsy mifanerasera amin’ireo izay velona ho an’izao tontolo izaon’i Satana izy. (I Korintiana 15:33; Salamo 1:1; 26:3-6, 9, 10) Araka izany, ny kristiana dia miaina eo amin’izao tontolo izaon’i Satana nefa tsy anisany.

14. Raha miandany amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao, baiko inona ao amin’ny Baiboly no tokony harahinao?

14 Ary ianao? Moa ve ianao miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana sa amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra? Raha nifidy ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra ianao, dia tokony hisaraka amin’izao tontolo izao, anisan’izany ny fivavahan-disony. Araho izao baiko ao amin’ny Baiboly izao: “Mialà aminy [amin’i Babylona lehibe] hianareo, ry oloko.” (Apokalypsy 18:4) Nefa ny hoe miala amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia tsy vitan’ny hoe manapa-patorana amin’ny fivavahan-diso, fa tsy mandray anjara mihitsy koa amin’ireo fety ara-pivavahana. — II Korintiana 6:14-18.

15. a) Inona no tokony hotandreman’ny kristiana fa tsy ny nahaterahan’i Jesosy? b) Nahoana Jesosy no tsy nety ho teraka tamin’ny aty ririnina? d) Nahoana moa ny datin’ny 25 desambra no nofidina ho andro fitsingerenan’ny nahaterahan’i Jesosy?

15 Fety ara-pivavahana lehibe tokoa ny Krisimasy amin’izao andro izao. Asehon’ny Tantara anefa fa tsy nitandrina an’io fety io ireo kristiana voalohany indrindra. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany fa tsy ny nahaterahany. (I Korintiana 11:24-26) Raha ny marina, ny 25 desambra dia tsy datin’ny nahaterahan’i Jesosy. Tsy mety ho izany satria, araka ny filazan’ny Baiboly, tamin’ny fotoana nahaterahany dia niari-tory tany an-tsaha ny mpiandry ondry. Tsy ho nijanona tany ivelany tamin’ny aty ririnina, fizaran-taona mangatsiaka sy manorana, izy ireo. (Lioka 2:8-12) Raha ny marina, dia nofidina ny daty 25 desambra “satria efa nitandrina azy tamin’ny naha-fetin’i Saturne, fankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’ny Masoandro, ireo mponina tany Roma”. — The World Book Encyclopedia.

16. a) Fety ara-pivavahana malaza hafa inona koa no tsy kristiana ny fiandohany? b) Noho ny antony tsara inona no tsy ankalazan’ny kristiana marina na ny Krisimasy na ny Paka?

16 Fety ara-pivavahana lehibe koa ny Paka na herinandro masina any amin’ny tany sasany any Amerika latina. Tsy nankalaza izany anefa ireo kristiana voalohany. Sahala amin’ireo fety hafa, dia avy amin’ny fanompoan-tsampy ny Paka. Izao no lazain’ny Encyclopédie britannique: “Tsy ahitana soritry ny fitandremana ny fetin’ny Paka mihitsy ao amin’ny Testamenta vaovao.” Inona no maha-zava-dehibe ny hoe niandohan’ny Krisimasy sy ny Paka avy amin’ireo mpivavaka amin’ny andriamanitra sandoka? Ny apostoly Paoly dia nampitandrina mba tsy hampifangaro ny marina sy ny diso, satria “ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa”. (Galatiana 5:9) Noteneniny ny kristiana izay nitandrina andro nankalazaina teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, nefa efa nofoanan’Andriamanitra tsy harahin’ny kristiana (Galatiana 4:10, 11) Vao mainka ny kristiana amin’izao andro izao tokony hanalavitra ny fankalazana fety tsy nasain’Andriamanitra notandremana mihitsy sady avy amin’ny fivavahan-diso!

17. a) Nahoana moa no ratsy ireo fety anindrahindrana olo-malaza na firenena? b) Araka ny filazan’ny Baiboly, tokony hanao ahoana moa ny fihetsiky ny kristiana amin’io lafiny io?

17 Misy fety hafa natao hankalazana olo-malaza, firenena na fikambanana. Raran’ny Baiboly anefa ny fanindrahindrana olona sy ny fametrahana ny fitokisana amin’ny fandaminan’olombelona mba hanatanteraka zavatra izay Andriamanitra ihany no afaka manao azy. (Asan’ny apostoly 10:25, 26; 12:21-23; Apokalypsy 19:10; Jeremia 17:5-7) Araka izany, ireo andro fety anindrahindrana olona na zavatra naorin’olombelona dia tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary tsy mandray anjara amin’izany ny kristiana marina. — Romana 12:2.

18. a) Inona avy moa no zavatra tolorana fankalazana namboarin’ny olona? b) Inona no lazain’ny lalàn’Andriamanitra raha ny amin’ny fanolorana fankalazana ho an’ny zavatra toy izany?

18 Nanamboatra zavatra maro hankamasinina ny olona; ny sasany vita amin’ny hazo, ny hafa amin’ny metaly na amin’ny lamba asiana zaitra na hosodoko mampiseho sarin-javatra eny amin’ny lanitra na eto an-tany. Indraindray ny lalàn’ny tany iray dia mitaky ny hanoloran’ny tsirairay fankalazana zavatra toy izany. Raran’Andriamanitra anefa ny hanaovan’ny mpanompony toy izany. (Eksodosy 20:4, 5; Matio 4:10) Inona àry no ataon’izy ireo amin’ny toe-javatra toy izany?

19. a) Inona no baiko nomen’ny mpanjakan’i Babylona taloha? b) Inona no ohatra tsara raha arahin’ny kristiana?

19 Tany Babylona fahiny, Nebokadnezara mpanjaka dia nampanangana tsangambato volamena makadiry ary nandidy ny hiankohofan’ny tsirairay avy teo anoloany. ‘Na iza na iza tsy hiankohoka, hoy izy, dia hatsipy ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.’ Tsy nety nanaraka ny baikon’ny mpanjaka anefa ny tanora Hebreo telo nantsoina hoe Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nahoana? Satria nisy fanolorana fankalazana tamin’izany ary Jehovah ihany no mendrika izany. Nankasitraka azy ireo Andriamanitra ary namonjy azy tamin’ny fahatezeran’ny mpanjaka. Raha ny marina, dia tsapan’i Nebokadnezara fa tsy nampidi-doza ho an’ny fanjakana akory ireo lehilahy ireo; koa namoaka didy ho fiarovana ny fahafahan’izy ireo izy (Daniela 3:1-30) Tsy mendrika hoderaina ve ny fahatokian’ireo zazalahy ireo? Hasehonao ve fa miandany amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra koa ianao amin’ny fanarahana ny lalàny rehetra? — Asan’ny apostoly 5:29.

20. Inona avy moa ireo fomba isan-karazany ampiasain’i Satana mba hanandramana mitarika antsika handika ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

20 Tian’i Satana ny hanompoantsika azy, dia izy fa tsy Jehovah. Koa miezaka izy mba hitarika antsika hanao ny sitrapony, noho ny fahafantarana fa tonga mpanompon’izay ankatoavintsika isika. (Romana 6:16) Amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany, anisan’izany ny televiziona, ny sarimihetsika, ny dihy sasany sy ny vakiteny maloto, no amporisihan’i Satana hanitsakitsa-bady sy hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy mpivady, zavatra be mpanaraka. Fandikana ny lalàn’Andriamanitra anefa izany (Hebreo 13:4; Efesiana 5:3-5). Izay rehetra manaram-po amin’izany dia miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana, raha ny marina.

21. Amin’ny fanarahana fanao hafa inona koa moa no ampisehoana fa miandany amin’izao tontolo izaon’i Satana ny tena?

21 Ny fanao hafa koa nataon’i Satana nanjary be mpanaraka dia mifanohitra amin’ireo lalàn’Andriamanitra; anankiray amin’ireny ny fimamoana. (I Korintiana 6:9, 10) Aoka hotononintsika koa ny fampiasana zavatra mahadomelina toy ny rongony sy ny “héroïne” mba hahazoana fahafinaretana, tsy hadinoina ny paraky sy sigara. Ireny dia fanao maloto izay manimba ny tena ary mifanohitra amin’ny fananaran’Andriamanitra mba ‘hanadio tena ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy’. (II Korintiana 7:1) Manimba ny fahasalaman’ny manodidina azy koa ny mpifoka sigara ka mandika amin’izany ny lalàn’Andriamanitra mandidy ny kristiana ho tia ny namany. — Matio 22:39.

22. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny ra? b) Nahoana moa, raha ny marina, no tsy misy fahasamihafana mihitsy amin’ny fandraisana ra hiditra amin’ny tena sy ny ‘fihinanan-dra’? d) Inona no mampiseho fa ny ‘fifadiana ny ra’ dia milaza tsy fampidirana amin’izany mihitsy ao amin’ny tena?

22 Ny fanao hafa iray fatra-piely eo amin’izao tontolo izao dia ny fihinanan-dra. Araka izany, dia misy mihinam-biby tsy nalatsa-dra tsara na mihinan-tsakafo namboarina tamin’ny ra. Mandrara tsy hihinan-dra anefa ny Tenin’Andriamanitra. (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 17:10) Ary ny fampidiran-dra? Mety hisy hilaza fa tsy ‘fihinanana’ ra akory ny fampidiran-dra amin’ny tena. Nefa rehefa tsy afaka mihinan-kanina am-bava ny marary iray, moa ve tsy amin’ny alalan’ny lalan-dra no anaovana izany? Lazain’ny Baiboly fa ilaina ny ‘hifadiana (...) ny ra’. (Asan’ny apostoly 15:20, 29) Inona no dikan’izany? Raha manoro hevitra anao ny mpitsabo anao mba hifady alikaola, moa ve hitsahatra tsy hisotro amin’izany ianao nefa hampiditra azy mivantana ao amin’ny lalan-dranao? Mazava ho azy fa tsy izany! Toy izany koa, ny hoe ‘mifady (...) ny ra’ dia milaza fandavana tsy handray izany na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona.

23. a) Inona no fanapahan-kevitra tokony hataonao? b) Ahoana no hampisehoanao izany?

23 Tokony hoporofoinao amin’i Jehovah fa nifidy ny fandehan-javany vaovao ianao ary tsy naman’izao tontolo izao ankehitriny. Mitaky fanapahan-kevitra izany, dia ny hanompo an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony. Tsy azonao atao ny hiroa saina toy ny nataon’ny Isiraelita sasany fahizay. (I Mpanjaka 18:21) Tadidio fa raha tsy manompo an’i Jehovah ianao, dia Satana no tompoinao. Manaporofo inona ny fitondrantenanao? Ny hoe miandany amin’Andriamanitra dia milaza fanalavirana ny fanao rehetra melohiny izay tsy ho hita ao anatin’ny fandehan-javany vaovao sy marina.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 209]

Inona moa ny izao tontolo izao izay tsy nivavaka ho azy Jesosy ary tsy anisany ny mpianany?

[Sary, pejy 211]

Ny Baiboly dia mampiseho ny fivavahan-diso ho toy ny vehivavy janga mamo, ary ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao itaingenany ho toy ny bibi-dia.

Mampiavaka an’izao tontolo izaon’i Satana ny fiainana tsy mendrika. Tapany lehibe aminy koa ny fandehan-javatra ara-barotra fatra-pitia harena.

[Sary, pejy 213]

Tamin’ny nahaterahan’i Jesosy dia tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’ny alina, niaraka tamin’ny andian’ondriny; koa tsy nety ho teraka ny 25 desambra i Jesosy.

[Sary, pejy 214]

Tsy nety nankamasina ny sampy natsangan’ny mpanjaka ireo mpanompon’Andriamanitra. Inona no hataonao amin’ny tarehin-javatra toy izany?