Nomena fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
Toko faha-16
Nomena fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
1. a) Niaina tao anatin’ny fiandrasana inona moa ireo olona nanam-pinoana? b) Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no antsoina hoe “tanàna”?
NANDRITRA ny an’arivony taona maro, dia nisy olona nanam-pinoana niaina tao anatin’ny fiandrasana ny andro hanomezana fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Ohatra, Abrahama nahatoky dia ‘nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana, tanàna izay Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao azy’. (Hebreo 11:10) Ny Fanjakan’Andriamanitra io “tanàna” io. Nahoana no hoe “tanàna”? Satria taloha dia fahita ny mpanjaka manjaka eo amin’ny tanàna iray. Koa matetika no ampitahaina amin’ny tanàna ny fanjakana iray.
2. a) Inona moa no mampiseho fa zavatra tena nisy ho an’ireo mpianatr’i Kristy voalohany ny Fanjakana? b) Inona no tian’izy ireo ho fantatra ny amin’izany?
2 Zavatra tena nisy tamin’ireo mpianatr’i Kristy voalohany ny Matio 20:20-23). Nisy fanontaniana iray tsy afaka tao an-tsainy: Rahoviana no hanomboka hanjaka Kristy sy izy ireo? Indray andro, raha niseho tamin’izy ireo i Jesosy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia nanontany azy toy izao ireo mpianany: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” (Asan’ny apostoly 1:6). Moa ve tsy andrinao koa ny hahalalana ny fotoana tokony hanomezana ny fahefana an’i Kristy?
Fanjakan’Andriamanitra (ILAY FITONDRAM-PANJAKANA ANGATAHIN’NY KRISTIANA AMIN’NY VAVAKA
3, 4. a) Ahoana no ahafantarantsika fa Mpanjaka foana Andriamanitra? b) Nahoana àry Kristy no nampianatra ny mpianany hivavaka ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
3 Nampianatra an’ireo mpianany hivavaka toy izao Kristy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Mety hisy hilaza anefa hoe: “Fa angaha moa Andriamanitra tsy efa Mpanjaka foana? Raha izany no izy, nahoana no mivavaka ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakany?”
4 Ny Baiboly tokoa dia miantso an’i Jehovah hoe “Mpanjaka tsy manan-taloha”. (I Timoty 1:17.) Izao no lazainy: “Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19). Jehovah foana àry no Tompom-piandrianana tampony eo amin’izao rehetra izao (Jeremia 10:10). Noho ny fikomiana tamin’ny fiandrianany tany Edena anefa, dia nanangana fitondram-panjakana manokana Andriamanitra. Ny amin’io fitondram-panjakana io no nampianaran’i Jesosy ny mpianany hangatahina amin’ny vavaka. Ny fikasany dia ny handamina ireo zava-manahirana noforonin’i Satana sy izay rehetra nanda ny fanapahan’Andriamanitra.
5. Raha Fanjakan’Andriamanitra izany, nahoana no antsoina koa hoe fanjakan’i Kristy sy fanjakan’ny 144 000?
5 Ilay Mpanjaka lehibe, Jehovah Andriamanitra, no manome fahefana io fitondram-panjakana na Fanjakana vaovao io. Fanjakany izy io. Antsoin’ny Baiboly hoe “fanjakan’Andriamanitra” izany. (Lioka 9:2, 11, 60, 62; I Korintiana 6:9, 10; 15:50.) Ary satria Jehovah nanendry ny Zanany ho Filoha ao, dia resahina ho fanjakan’i Kristy koa izy io (II Petera 1:11). Araka ny efa hitantsika, dia olona 144 000 nalaina avy tamin’ny olombelona no hiara-hanjaka amin’i Kristy (Apokalypsy 14:1-4; 20:6); koa lazain’ny Baiboly fa “fanjakany” izany. — Daniela 7:27.
6. Araka ny filazan’ny sasany, oviana moa ny Fanjakan’Andriamanitra no nanomboka nanjaka?
Asan’ny apostoly 2:1-4). Tsy nanomboka tamin’io taona io anefa ny fitondram-panjakan’Andriamanitra izay tokony hamarana ireo fahasahiranana nateraky ny fikomian’i Satana. Tsy misy na inona na inona milaza fa ilay “zazalahy” na fitondram-panjakan’Andriamanitra sy Kristy, dia teraka tamin’izay ka nanomboka nanapaka (Apokalypsy 12:1-10). Moa ve nisy fomba sasany nandraisan’i Jesosy fanjakana tamin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana?
6 Ny sasany milaza fa nomena fahefana ilay Fanjakana tamin’ny taona niakaran’i Jesosy ho any an-danitra ka nanomboka nanjaka izy fony nandatsaka ny fanahy masina tamin’ireo mpianany tamin’ny Pentekosta taona 33 (7. Teo amin’iza moa Jesosy no nanomboka nanjaka tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana?
7 Eny, tamin’izay i Jesosy dia nanomboka nanjaka teo amin’ny kongregasionan’ireo mpianany voantso hanaraka azy any an-danitra. Izany no antony ilazan’ny Baiboly fa na dia teto an-tany aza izy ireny dia ‘nafindra ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany [ny an’Andriamanitra]”. (Kolosiana 1:13.) Nefa io fanapahana na ‘fanjakana’ ampiharin’i Jesosy eo amin’ireo kristiana manana fanantenana ny hiaina any an-danitra io, dia tsy ny fitondram-panjakana nampianariny ny mpianany hangatahina amin’ny vavaka. Tsy manana io fanjakana io izy afa-tsy eo amin’ny olona 144 000 voantso hiara-hanjaka aminy any an-danitra. Tao anatin’ny taonjato maro, dia izy ireo no hany vahoakany. Araka izany, dia hifarana io fahefana na ‘fanjakan’ny Zanaka malalan’Andriamanitra’ io rehefa ho tonga any amin’i Kristy any an-danitra ny farany amin’izany vahoaka izany. Tsy ho vahoakany intsony izy ireny amin’izay fa hiara-hanjaka aminy.
MANOMBOKA MANJAKA EO AFOVOAN’NY FAHAVALONY IZY
8. a) Inona no mampiseho fa taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty dia hisy vanim-potoam-piandrasana alohan’ny hanombohany hanjaka? b) Inona no nolazain’Andriamanitra tamin’i Kristy rehefa tonga ny fotoana hanjakany?
8 Rehefa niverina ho any an-danitra Kristy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia tsy nanomboka nanjaka avy hatrany izy. Tsy maintsy nisy fe-potoam-piandrasana, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly toy izao: “Fa Izy [Kristy] kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra, ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:12, 13). Rehefa tonga ny fotoana hanjakan’i Kristy, dia hoy Jehovah taminy: “Manapaha [na mandrese] eo amin’ny fahavalonao Hianao.” — Salamo 110:1, 2, 5, 6.
9. a) Nahoana no tsy manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny olona rehetra? b) Ahoana no nataon’ireo firenena rehefa nanomboka nampihatra ny fahefany ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
9 Tsy misy mahagaga mihitsy raha manana fahavalo ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, satria ny olona rehetra akory tsy vonona ny hanaiky ny handidian’ny fitondram-panjakana iray azy hanao ny tsara. Koa taorian’ny nanazavana ny fomba handraisan’i Jehovah sy ny Zanany ny fanapahana eo amin’izao rehetra izao, dia nilaza ny Baiboly fa “tezitra ny firenena maro”. (Apokalypsy 11:15, 17, 18.) Noho ny fitaoman’i Satana, dia manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra ireo firenena.
10, 11. a) Inona no nitranga tany an-danitra rehefa nomena fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? b) Inona no nitranga teto an-tany? d) Zava-dehibe inona no tiantsika hotsarovana?
10 Rehefa nomena ny fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia mbola tany an-danitra foana Satana sy ireo anjeliny. Noho izy ireo nanohitra izany, avy hatrany dia nipoaka ny ady iray. Tamin’izay Satana sy ireo anjeliny dia noroahina avy tany an-danitra, ary nisy feo nanao hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny”! Eny, nomena fahefana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra! Mifaly ny lanitra satria noroahina avy tany Satana sy ireo anjeliny. “Mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy”, hoy ny Baiboly. — Apokalypsy 12:7-12.
11 Hisy fifaliana koa ve ho an’ny tany? Tsia, ny fanombohan’ilay Fanjakana dia tsy maintsy nanapoaka fe-potoam-pahoriana tsy mbola nisy toy izany teto an-tany. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Aoka homarihintsika tsara izao: Ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy hoe tokony hitondra fiadanana sy filaminana eto an-tany avy hatrany. Ho avy any aoriana kokoa ny fiadanana, rehefa hampihatra ny fahefany amin’ny tany manontolo ilay Fanjakana, raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’ny faran’ny ‘andro kely sisa’, rehefa tsy ho afaka hitondra fanimbana intsony Satana sy ireo anjeliny.
12. Nahoana no azontsika ampoizina ny hanondroan’ny Baiboly ny fotoana hanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra hanapaka?
12 Oviana Satana no noroahina avy tany an-danitra ka tamin’izany dia nikely aina hamely ny tany ao anatin’ny ‘andro kely sisa’? Oviana no nanomboka nampihatra ny fanapahany ny fitondram-panjakan’A
ndriamanitra? Milaza izany ve ny Baiboly? Izany tokoa. Taonjato maro nialoha, dia naminany izy aloha ny amin’ny fotoana hahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-olombelona mba ho tonga Mesia. Raha ny marina dia notondroiny mihitsy ny taona nahatongavany ho Mesia. Fa ahoana ny amin’ny nandraisan’ny Mesia na Kristy ny fahefana hanjaka? Tsy mamela antsika ho ao anatin’ny tsy fahalalana ny amin’izany koa ny Baiboly.13. Ahoana no nilazan’ny Baiboly mialoha ny taona mihitsy hisehoan’ny Mesia eto an-tany?
13 Nilaza mialoha ny amin’ny taona hisehoan’ny Mesia eto an-tany ve ny Baiboly? Izao no nosoratan’i Daniela: “Hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro”, izany hoe 69 herinandro amin’ny fitambarany (Daniela 9:25). Tsy herinandro ara-bakiteny anefa izany ka ho 483 andro. 69 herinandron-taona kosa izany na 483 taona. (Ampitahao amin’ny Nomery 14:34). Ny baiko hanorina indray ny mandan’i Jerosalema dia nomena tamin’ny 455 talohan’ny fanisan-taona iraisana * (Nehemia 2:1-8). Araka izany, ireo 69 herinandron-taona ireo dia nifarana 483 taona taty aoriana, izany hoe tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nanatona an’i Jaona mba hatao batisa i Jesosy ka nohosorana tamin’ny fanahy masina ary tonga Mesia na Kristy. — Lioka 3:1, 2, 21-23.
MAMPIHATRA NY FANAPAHANY NY FITONDRAM-PANJAKAN’ANDRIAMANITRA
14. Mampiseho inona ny “hazo” voalaza ao amin’ny toko faha-4 amin’ny Daniela?
14 Andinin-teny inona ao amin’ny Soratra masina no manondro ny taona nanombohan’i Kristy nampihatra ny fahefam-piandrianany teo anivon’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? Hozahantsika indray ao amin’ny bokin’i Daniela (Daniela 4:7-34 [4:10-37, MN]). Vakina ao fa ny hazo iray izay nipaka tamin’ny lanitra ny tendrony dia nampiseho an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Izy no mpanjaka lehibe indrindra tamin’ny androny. Voatery anefa izy niondrika teo anoloan’ny fiandrianan’ny filoha lehibe kokoa iray, dia “ny Avo Indrindra” na “ny Mpanjakan’ny lanitra”, Jehovah Andriamanitra (Daniela 4:31, 34 [4:34, 37, MN]). Araka izany, io hazo io izay nipaka tamin’ny lanitra ny tendrony, dia mampiseho ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao raha ny amin’ny tany. Nisy fotoana nampiharan’i Jehovah ny fiandrianany tamin’ny alalan’ilay Fanjakana naoriny teo amin’ny firenen’Isiraely. Koa ireo mpanjaka tao amin’ny fokon’ny Joda dia nolazaina fa “nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah”. — I Tantara 29:23.
15. Rehefa nokapaina ilay “hazo”, nahoana no nofehezina ny fotony?
15 Araka ny toko faha-4 amin’ny bokin’i Daniela, dia nokapaina ilay hazo goavana. Navela tao amin’ny tany anefa ny fotony ary nasiana fehy vy sy varahina mba tsy haniriany mandra-pahatongan’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra hanesorana ny fehy ka hahitan’ilay hazo ny heriny indray. Fa tamin’ny fomba ahoana sy oviana anefa ny fiandrianan’Andriamanitra no nokapaina?
16. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa no nikapana ny fiandrianan’Andriamanitra? b) Inona no nolazaina tamin’ilay mpanjakan’ny Joda farany nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”?
16 Nanjary ratsy aoka izany ny fanjakan’ny Joda naorin’i Jehovah, hany ka nomen’i Jehovah lalana hanjera azy Nebokadnezara mpanjaka. Tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana no nitrangan’izany. Izao no nolazaina tamin’io taona io tamin’i Zedekia, ilay mpanjaka farany teo amin’ny Joda izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah: “Halana ny satroboninahitra (...); fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.” — Ezekiela 21:30-32.
17. Inona no vanim-potoana nanomboka tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana?
17 Araka izany, ny fiandrianan’Andriamanitra nasehon’ilay “hazo” dia nokapaina tamin’ny 607, amin’ny heviny hoe tsy nisy fitondram-panjakana teto an-tany Lioka 21:24, MN.) Nandritra izany “fotoana voafetra” izany, dia tsy nisy mihitsy fitondram-panjakana nampiseho ny fiandrianan’Andriamanitra teto an-tany.
nampiseho azy intsony. Nisokatra tamin’ny 607 àry ny vanim-potoana notondroin’i Jesosy taty aoriana tamin’ny fitenenana hoe “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” na “andron’ny jentilisa”. (18. Inona no tokony hitranga tamin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”?
18 Fa inona no tokony hitranga amin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”? Homen’i Jehovah fahefana Ilay “tena tompony tokoa”, dia Jesosy Kristy. Koa raha afaka mametra ny fotoana nahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” isika, dia ho fantatsika ny fotoana nanombohan’i Kristy nanjaka.
19. Nandritra ny “fetr’andro” firy moa ny fiandrianan’Andriamanitra no tsy hampiharina amin’ny tany?
19 Araka ny toko faha-4 amin’ny Daniela, izany “fotoana voafetra” izany dia tokony ho “fetr’andro fito”. Araka izany dia hisy vanim-potoana iray misy “fetr’andro fito” ka mandritra izany ny fiandrianan’Andriamanitra nasehon’ny “hazo” dia tsy hihatra amin’ny tany (Daniela 4:13, 20 [4:16, 23, MN]). Toy inona ny faharetan’izany “fetr’andro fito” izany?
20. a) Toy inona ny faharetan’ny “fetr’andro” iray? b) Toy inona ny faharetan’ny “fetr’andro fito”? d) Nahoana no isaina ho taona iray ny andro iray?
20 Araka ny Apokalypsy (12:6, 14), ny 1260 andro dia mitovy amin’ny “fetr’andro iray [na fetr’andro 1] sy fetr’andro roa [na fetr’andro 2] ary antsasaky ny fetr’andro”, izany hoe fetr’andro 3 1⁄2 amin’ny fitambarany. Araka izany, ny “fetr’andro iray” dia hifanitsy amin’ny 360 andro. Ny “fetr’andro fito” àry dia hitovy amin’ny 2520 andro (360 × 7). Raha ampiharina ny fitsipika araka ny Baiboly hoe ‘andro iray soloana taona iray’, ny “fetr’andro fito” dia mifanitsy amin’ny 2520 taona. — Nomery 14:34; Ezekiela 4:6.
21. a) Oviana no nanomboka sy nifarana “ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena”? b) Oviana no nanomboka nanapaka ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? d) Nahoana no mbola mety ihany ny hivavahana ho an’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
21 Koa satria “ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena” nanomboka tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny 2 520 taona isaina manomboka eo amin’io daty io dia mitarika antsika ho amin’ny 1914 amin’ny fanisan-taona iraisana, taona nahataperan’ny “fotoana voafetra”. Tsaroana ireo zava-niseho nanamarika ny 1914, indrindra fa ny Ady Lehibe Voalohany, izay nanokatra vanim-potoana feno fahoriana nitatra hatramin’izao androntsika izao. Milaza izany fa Jesosy Kristy dia nanomboka nandray fiandrianana amin’ny maha-Mpanjaka ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914. Koa satria nomena fahefana ilay Fanjakana, dia mety ny hivavahana mba ‘hahatongavany’ sy hanesorany amin’ny tany ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. — Matio 6:10; Daniela 2:44.
22. Inona no fanontaniana mety hapetraky ny sasany?
22 “Nefa, raha efa tafaverina Kristy mba hanjaka ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy, hoy angamba ny sasany, nahoana no tsy hitantsika izy?”
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Mba hahazoana porofo ara-tantara fa tena nomena tokoa io baiko io tamin’ny 455 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia jereo ny foto-kevitra hoe “Artaxerxès” ao amin’ny boky Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Fanontaniana]
[Tabilao, pejy 140, 141]
Tamin’ny 607 al.fan.ir., dia nianjera ny fanjakan’ny Joda araka an’Andriamanitra.
Tamin’ny 1914 a.fan.ir., dia nanomboka nandray fiandrianana Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra.
607 al.fan.ir. — 1914 a.fan.ir.
Oktobra 607 al.fan.ir. — oktobra 1 al.fan.ir. = 606 taona
Oktobra 1 al.fan.ir. — oktobra 1914 a.fan.ir. = 1914 taona
FETR’ANDRO FITON’NY JENTILISA = 2520 TAONA
[Sary, pejy 134]
“Amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?”
[Sary, pejy 139]
Ilay hazo lehibe voalaza ao amin’ny Daniela toko faha-4 dia mampiseho ny fiandrianan’Andriamanitra. Nisy fotoana nampiharana izany tamin’ny alalan’ny fanjakan’ny Joda.
[Sary, pejy 140, 141]
Nokapaina ilay hazo rehefa noravana ny fanjakan’ny Joda.