Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny ady atao mba hanaovana izay marina

Ny ady atao mba hanaovana izay marina

Toko faha-26

Ny ady atao mba hanaovana izay marina

1. Inona moa ireo zavatra roa tsy maintsy iadian’ny kristiana?

RAHA mbola maharitra koa izao tontolo izaon’i Satana, dia tsy maintsy miady ny kristiana mba hahafahana amin’ny fitaoman-dratsiny. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra [hahatohitra, MN] ny [hafetsen’ny] devoly.” (Efesiana 6:11-18) Ankoatra an’i Satana sy izao tontolo izaony, dia tsy maintsy miady amin’ny fironan-dratsintsika koa isika. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny fisainan’ny [fironan’ny, MN] fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” — Genesisy 8:21; Romana 5:12.

2. a) Nahoana moa isika no manana faniriana mafy hanao ratsy matetika? b) Nahoana moa isika no tokony hiady amin’ny faniriantsika ratsy?

2 Noho ny fahotana nolovana tamin’i Adama, ny fontsika dia mety hanosika antsika hanao ratsy. Ny fanekena izany fitaomana izany dia hilaza famoizana ny fiainana mandrakizay. Ilaintsika àry ny miady mba hanaovana izay marina. Tsy maintsy nanao izany ady izany na dia ny apostoly Paoly aza, araka ny nolazainy hoe: “Raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.” (Romana 7:21-23) Mety ho sarotra koa ny ady aminao. Hisy fotoana hahatonga anao hianjadian’ny ady anaty lehibe. Inona no ho fanapahan-kevitrao amin’izay?

3. a) Inona no ady anaty mahazo olona be dia be? b) Manamarina fahamarinana ao amin’ny Baiboly inona moa ny fanaovan’ny maro ratsy nefa izy maniry hanao izay marina?

3 Fantatrao izao ireo fampanantenana mahatalanjona nomen’Andriamanitra momba ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana eto an-tany. Inoanao izany ary maniry ny hanana anjara amin’izany ianao. Ekenao fa ny tombontsoanao mandrakizay dia ny hanompo an’Andriamanitra. Nefa ny fonao mety hampipoitra ao aminao, faniriana ny hanao zava-dratsy toy ny fijangajangana, ny halatra, na zava-dratsy hafa. Ny sasany izay mianatra ity boky ity dia angamba manaraka fanao ratsy sady mahafantatra fa melohin’Andriamanitra izany. Ny fanaovany ny ratsy rehefa maniry hanao ny tsara izy dia manaporofo ny tsy fahadisoan’ity fahamarinana ao amin’ny Baiboly ity: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” — Jeremia 17:9.

METY HO AZO NY FANDRESENA AMIN’NY ADY

4. a) Miankina amin’inona ny fandresena na ny faharesena amin’io ady io? b) Inona moa no ilaina mba hahazoana fandresena amin’ny ady atao ho an’izay marina?

4 Aza manatsoaka avy amin’izany anefa fa hoe tsy azo atao ny mifehy ny fanirian’ny tena. Raha tena tianao tokoa izany, dia afaka manatanjaka ny fonao ianao mba hitarihany anao eo amin’ny lalana tsara, nefa miankina aminao izany. (Salamo 26:1, 11) Tsy misy mihitsy olona handresy amin’ny ady ho anao. Ilainao àry ny manohy mikatsaka fahalalana araka ny Baiboly izay manome fiainana. (Jaona 17:3) Tsy ny saina ihany no tokony ho voatohin’izany fahalalana izany fa ny fo koa, ka ho voatosika hiasa ianao amin’izay.

5. Ahoana no hianarana ho tia ireo lalàn’Andriamanitra?

5 Ahoana no hianarana ho tia ireo lalàn’Andriamanitra? Amin’ny fisaintsainana azy. Manontania tena hoe: Inona no maha-zava-dehibe ny hankatoavana an’Andriamanitra? Jereo izay jinjain’ireo tsy niraharaha ny lalàny, tahaka ity zazavavy iray 19 taona izay nanoratra toy izao: “Intelo aho no voan’ny aretin-dratsy azo amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Tamin’ny farany dia nafoiko izay rehetra mety ho fanantenana ny hiteraka satria voatery nesorina ny tranon-jazako.” Rehefa tsy arahina ny lalàn’Andriamanitra, dia fijaliana be no aterak’izany ho an’ny tena. (II Samoela 13:1-19) Nanambara tamin’alahelo toy izao ny vehivavy iray lavo tamin’ny fijangajangana: “Tsy mahaleo ny alahelo sy ny faharerahan-tsaina miaraka amin’ny tsy fankatoavana izany. Mijaly noho izany aho izao.”

6. a) Nahoana moa no tsinontsinona ny fahafinaretana mety ho tsapa rehefa manao ratsy? b) Karazam-piainana nanao ahoana no nety ho hitan’i Mosesy tany Egypta?

6 Araka ny filazan’ny sasany anefa dia mitondra fahafinaretana ny fijangajangana, ny fimamoana sy ny zavatra mahadomelina; mihelina ihany anefa izany lazaina fa fahafinaretana izany. Aza manaiky ho voatarika hanaraka lalana tsy hanome anao ny tena fahasambarana maharitra. Tsarovy Mosesy izay notezaina tamin’ny naha-“zanaky ny zanakavavin’i Farao”. Niaina tao anatin’ny harena be dia be tao an-dapan’ny mpanjaka tany Egypta izy. Lazain’ny Baiboly anefa fa rehefa lehibe izy dia nifidy ny “hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana”. (Hebreo 11:24, 25) Tsy maintsy ho nitondra fahafinaretana ny fomba fiaina ratsy sy naloto toa hita tao an-dapan’ny mpanjakan’i Egypta. Koa nahoana no nialan’i Mosesy izany?

7. Nahoana moa no nialan’i Mosesy ‘ny fifaliana vetivety tamin’ny fahotana’ tao an-dapan’ny mpanjakan’i Egypta?

7 Noho izy nino an’i Jehovah ka nahafantatra zavatra sarobidy lavitra noho ny fifaliana vetivety tamin’ny fahotana. Izao no lazain’ny Baiboly: “Nijery ny famalian-tsoa izy.” Nisaintsaina an’ireo fampanantenan’Andriamanitra i Mosesy. Ninoany ny fikasan’Andriamanitra hamorona fandehan-javatra vaovao sy marina. Nanohina ny fony ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah sy ny hatsaram-pony tamin’ny olombelona. Tsy namaky ny amin’i Jehovah na nandre firesahana ny aminy fotsiny i Mosesy. “Naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.” (Hebreo 11:26, 27) Tena nisy tamin’i Mosesy Jehovah ary toy izany koa ireo fampanantenany fiainana mandrakizay.

8. a) Inona moa no ilaintsika mba hahazoana fandresena amin’ny ady atao ho an’izay marina? b) Inona no fiheverana nolazain’ny zazalahy iray tokony hananantsika?

8 Ary ianao, hitanao ho Fisiana tena izy, ho Ray tia anao ve Jehovah? Rehefa mieritreritra an’ireo fampanantenan’Andriamanitra ianao, moa ve hitanao sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny paradisa, mifaly amin’ny soa nampanantenaina? (Jereo pejy faha-156 ka hatramin’ny 162) Mba hahazoana fandresena amin’ny ady atao ho fanoherana an’ireo fitaomana hanao ratsy, dia tokony hitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika. Toy ny nataon’i Mosesy, isika koa dia tokony ‘hijery ny famalian-tsoa’. Rehefa nalaim-panahy hijangajanga ny zazalahy iray 20 taona dia nanaraka ny ohatra nomen’i Mosesy; hoy izy: “Sarobidy loatra ny fanantenako fiainana mandrakizay ka tsy hatakaloko izay fotoana fohy hanaovana fitondrantena maloto.” Moa ve tsy izany no fihetsika tsara?

NY FOMBA HAKANA FIANARANA AMIN’NY FAHADISOANA NATAON’NY HAFA

9. Ahoana no nahadiso an’i Davida mpanjaka tamin’ny ady ho an’izay marina?

9 Mifanohitra amin’ny nataon’i Davida, dia aza mampihena na oviana na oviana ny fitandremanao. Indray andro, raha nijanona teo an-tampon-trano izy, dia nahatazana an’i Batseba tsara tarehy nandro. Tsy niala talohan’ny hahaterahan’ny eritreritra maloto tao am-pony izy fa nanohy nijery azy tamim-pahafinaretana. Nanjary mafy aoka izany ny faniriany ka nampaka azy ho ao an-dapany izy. Taty aoriana, noho ravehivavy bevohoka ka tsy afaka nanafina ny fijangajangan’izy ireo i Davida, dia nataony izay hampamonoana ny vadin’io tany an’ady. — II Samoela 11:1-17.

10. a) Ahoana no nanasaziana an’i Davida noho ny fahotany? b) Inona no nety ho nisakana azy tsy hijangajanga?

10 Izany dia fahotana nahatsiravina izay nandentika an’i Davida tao anatin’ny fahoriana lehibe. Ankoatra ny fijaliany, dia nanasazy azy Jehovah tamin’ny famelana ny hisian’ny fikorontanana tao amin’ny ankohonany tamin’ny andro sisa niainany. (Salamo 51:3, 4; II Samoela 12:10-12) Namitaka nihoatra noho ny nieritreretany azy ny fon’i Davida; nandresy ny fanirian-dratsiny. Taty aoriana, dia nilaza toy izao izy: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5) Tsy hoe tsy azo nohalavirina anefa io fahotan’i Davida tamin’i Batseba io. Ny nahatonga ny zavatra rehetra dia ny nanohizan’i Davida nijery azy. Tsy nanao na inona na inona izy mba hanalavirana ny tarehin-javatra izay hampitombo ny faniriany vadin’olon-kafa.

11. a) Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’izay nihatra tamin’i Davida? b) Araka ny hevitrao, inona avy no fanaovan-javatra mety hampitombo “ny filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy”? d) Araka ny nolazain’ny zatovo iray, inona no hohalavirin’izay maneho fahendrena?

11 Inona no fianarana azo tsoahina amin’io fitantarana io? Izao: Ilaina ny mandositra ireo tarehin-javatra izay manaitaitra ny filana maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ohatra, inona no hitranga raha toa ianao ka mamaky boky na mijery sarimihetsika mampisongadina ny amin’ny lahy sy ny vavy? Azo inoana fa ho taitaitra ny filanao eo amin’ny lahy sy ny vavy. Halaviro àry ny fanaovan-javatra sy ny fialam-boly mampitombo “ny filan’ny nofo momba ny lahy sy ny vavy”. (Kolosiana 3:5; I Tesaloniana 4:3-5; Efesiana 5:3-5) Aza misetra fijangajangana. Ny zatovolahy iray 17 taona dia nanao izao fanamarihana izao: “Mora ny milaza hoe: ‘Fantatro ny hoe amin’ny fotoana toy inona no tokony hiatoana.’ Azo atao tokoa ny mahafantatra izany, nefa firy no miato amin’ny fotoana mety? Tsaratsara kokoa ny hanalavirana ny tarehin-javatra rehetra mety hampidi-doza.”

12. Ohatra inona navelan’i Josefa no hotadidiantsika ao an-tsaina?

12 Raha notadidian’i Davida tao an-tsaina ny ohatra nomen’i Josefa, dia tsy ho nanota tamin’Andriamanitra mihitsy izy. Tany Egypta i Josefa dia niandraikitra ny tao an-tranon’i Potifara. Rehefa tsy tao i Potifara, ny vadiny, maimain’ny filan’ny nofo, dia nanandrana nanangoly an’i Josefa izay lehilahy tsara tarehy. “Avia handry amiko.”, hoy izy tamin’i Josefa. Nanda anefa i Josefa. Kanjo, indray andro, dia nitana azy ravehivavy ka nanandrana nandresy ny fanoherany. Nanafa-tena anefa i Josefa ary nandositra. Nanatanjaka ny fony izy tamin’ny fieritreretana, tsy ny fanomezana fahafahampo ny filan’ny nofon’ny tenany, fa izay marina teo imason’Andriamanitra. Hoy izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” — Genesisy 39:7-12.

FANAMPIANA TENA LEHIBE MBA HAHAZOANA FANDRESENA

13, 14. a) Inona no ilaina mba hahazoana fandresena? b) Fiovana inona avy no nataon’ireo izay tonga kristiana tany Korinto, ary noho ny fanampiana inona? d) Karazan’olona nanao ahoana moa Paoly sy Titosy taloha?

13 Mba hahazoana fandresena amin’io ady io, dia tokony hanohina ny fonao ny fahalalana ny Baiboly ka hanosika anao hiasa. Ilaina koa ny fiarahana amin’ny vahoakan’Andriamanitra mba hahatongavana ho anisan’ny fandaminany hita maso. Noho io fandaminana io, na nanao ahoana na nanao ahoana fitondrantenanao tamin’ny lasa, dia hiova amin’izany ianao. Izao no nosoratan’i Paoly momba ny Korintiana: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo.” — I Korintiana 6:9-11.

14 Eritrereto kely! Tamin’ireny kristiana voalohany ireny dia nisy mpijangajanga taloha, mpanitsakitsa-bady, sodomita, mpangalatra sy mpimamo taloha. Nefa noho ny fanampian’ny fandaminana kristiana, dia niova izy ireny. Nanao ratsy koa ny tenan’ny apostoly Paoly. (I Timoty 1:15) Izao no nosoratany ho an’i Titosy namany: “Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro.” Titosy 3:3.

15. a) Inona no mampiseho fa tsy mora tamin’i Paoly ny nanao izay marina? b) Ahoana no azontsika andraisan-tsoa amin’ny ohatra nomeny?

15 Rehefa tonga kristiana i Paoly, mora taminy ve ny nanao izay marina? Tsia. Tamin’ny andro niainany rehetra dia niady tamin’ny fanirian-dratsy nanandevo azy izy. Izao no nosoratany: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (I Korintiana 9:27) Nanery tena hanao ny tsara i Paoly na dia rehefa nanosika azy hanao ratsy aza ny tenany. Raha manahaka an’i Paoly ianao, dia handresy koa amin’io ady io.

16. Inona avy no ohatra amin’ny andro ankehitriny hanampy antsika hahazo fandresena amin’ny ady atao ho an’izay marina?

16 Raha sarotra aminao ny miala amin’ny fahazaran-dratsy iray, dia mankanesa any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Hahita olona falifaly, manana fitondrantena madio, ianao any. Taloha anefa izy ireny dia anisan’izao tontolo izao ahitana be dia be ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, ny fimamoana, ny sodomia, ny paraky sy sigara, ny zavatra mahadomelina, ny halatra, ny fitaka, ny lainga. Be dia be amin’izy ireny no nanao ireo zavatra ireo taloha. (I Petera 4:3, 4) Amin’ny fiarahana amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fivorian’ny kongregasiona koa, ary tokony hanao izany tsy misy hataka andro ianao, dia ho eo amin’olona efa niady mba hialana amin’ny fanao sy ny fanirian-dratsy angamba iadianao koa ianao. Mahereza! Nandresy izy ireny, ary noho ny fanampian’Andriamanitra, dia handresy koa ianao.

17. a) Fiarahana amin’iza no ilaina mba hahazoana fandresena amin’ny ady? b) Afaka mandray fanampiana avy amin’iza ianao mba handaminana ireo zava-manahirana anao?

17 Raha efa elaela izay no nianaranao ny Baiboly, dia azo antoka fa manatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Manohiza manao izany tsy tapaka. Ilaintsika ny fanampiana sy ny fampaherezana ara-panahy avy amin’ny kristiana hafa. (Hebreo 10:24, 25) Mifankahalalà amin’ireo “loholona” ao amin’ny kongregasiona izay ny andraikiny dia ny ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra’. (I Petera 5:1-3; Asan’ny apostoly 20:28) Aza misalasala ny manatona azy ireny raha mila fanampiana ianao mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy iray. Feno fitiavana sy hatsaram-po ary fiheverana izy ireny. — I Tesaloniana 2:7, 8.

18. Fahatsinjovana ho avy manao ahoana no mety hanatanjaka antsika amin’ny fanaovana ny ady?

18 Tsy maintsy miady amin’izao tontolo izaon’i Satana isika, nefa koa amin’ny nofontsika mpanota. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra àry dia ady isan’andro, nefa ady hisy farany. Tsy ho ela dia hanjavona Satana ary haringana izao tontolo izaony ratsy. Amin’izay, ao anatin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra efa antomotra izao, dia hahatonga ny fihazakazahantsika ho mora lavitra ny toe-piainana marina. Amin’ny farany, dia tsy hisy soritry ny fahotana intsony mihitsy, ary tsy ho voatery hanao ady mafy mba hanaovana izay marina intsony isika.

19. Nahoana moa isika no tokony ho vonona ny hanao fiezahana betsaka araka izay azo atao mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah?

19 Aoka hoeritreretintsika foana ny fitahiana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. Aoka horaisintsika “ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha”. (I Tesaloniana 5:8) Aoka isika hanahaka ity vehivavy tanora iray izay nilaza hoe: “Mieritreritra izay rehetra nomen’i Jehovah ahy sy nampanantenainy ahy aho. Tsy nahafoy ahy velively izy fa nitahy ahy tamin’ny fomba maro. Fantatro fa tsy mitady afa-tsy izay hahasoa ahy izy ka maniry hahazo sitraka aminy aho. Mendrika ny hanaovana ny fiezahana rehetra ho an’i Jehovah ny fiainana mandrakizay.” Aoka isika hikatsaka ny fahamarinana amim-pahatokiana, dia hahita ny fahatanterahan’ny ‘fampanantenana tsara rehetra nataon’i Jehovah’ tamin’ireo izay tia azy. — Josoa 21:45, MN.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 219]

Koa satria nanome fahafinaretan’ny nofo ny fomba fiaina tany Egypta fahiny, nahoana no nolavin’i Mosesy izany?

[Sary, pejy 220, 221]

Nanohy nijery i Davida; tsy nohalaviriny ny tarehin-javatra izay nitarika azy ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena.

[Sary, pejy 222]

Nolavin’i Josefa ny fangatahana tsy nisy henatra nataon’ny vadin’i Potifara.