Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fahavelomana mandrakizay, tsy nofinofy fotsiny

Ny fahavelomana mandrakizay, tsy nofinofy fotsiny

Toko voalohany

Ny fahavelomana mandrakizay, tsy nofinofy fotsiny

1, 2. Nahoana moa no sarotra ny mino fa azon’ny olona atao ny ho velona mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana eto an-tany?

FAHASAMBARANA eto an-tany — toa tsy azo atao ny mifaly amin’izany na dia mandritra ny fotoana fohy aza. Ny aretina, ny fahanterana, ny hanoanana, ny heloka bevava — raha zava-manahirana vitsivitsy monja aza no resahina — dia matetika mahatonga ny fiainana hampahory. Koa mety hiteny ianao hoe, ny firesahana ny amin’ny fahavelomana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany dia fanakimpiana ny masonao amin’ny fahamarinana. Mety hihevitra ianao fa fandaniam-potoana ny firesahana ny amin’izany, fa ny fahavelomana mandrakizay dia nofinofy fotsiny.

2 Tsy isalasalana fa hiombon-kevitra aminao ny ankabeazan’ny olona. Koa nahoana àry no afaka mahazo antoka isika fa azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany? Nahoana no afaka mino isika fa tsy nofinofy fotsiny ny fiainana mandrakizay?

NAHOANA NO AFAKA MINO IZANY ISIKA

3. Inona moa no mampiseho fa irin’Andriamanitra ny hahasambatra ny olombelona eto an-tany?

3 Afaka mino izany isika satria ny Andriamanitra Tsitoha, Hery Fara tampony iray, dia nanomana ny tany miaraka amin’ny zavatra rehetra ilaina mba hanomezana fahafahampo izay ilaintsika. Nanao ny tany ho lavorary ho antsika izy! Ary namorona ny lehilahy sy ny vehivavy tamin’ny fomba tsara indrindra izy mba hifalian’izy ireo amin’ny fiainana amin’ny fomba feno ao amin’ity fonenany eto an-tany ity — ho mandrakizay. — Salamo 115:16.

4. Inona moa no ampahafantarin’ny mpahay siansa momba ny tenan’olombelona ka mampiseho fa natao hiaina mandrakizay izy io?

4 Fantatry ny mpanao siansa hatramin’ny ela ny fahafahan’ny tenan’olombelona hihavao. Amin’ny fomba mahatalanjona ireo “cellules” amin’ny tena dia soloana na amboarina araka ny mety ilàna izany. Ary toa tokony hitohy mandrakizay io fandaharam-pihavaozana io. Nefa tsy izay no mitranga, ary izany dia zavatra tsy hain’ny mpanao siansa hazavaina. Tsy mbola takatr’izy ireo amin’ny fomba feno ny antony mahatonga ny olona hihantitra. Milaza izy fa, eo ambanin’ny toe-piainana marina, ny olombelona dia tokony ho afaka ny hiaina mandrakizay. — Salamo 139:14.

5. Inona moa no lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?

5 Kanefa, moa ve tena fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olona mandrakizay amim-pahasambarana eto an-tany? Raha izany no izy, dia tsy ho faniriana na nofinofy fotsiny ny fiainana mandrakizay — azo antoka ho tonga izany! Inona moa no lazain’ny Baiboly, dia ilay boky miresaka ny amin’ireo fikasan’Andriamanitra, momba izany raharaha izany? Antsoiny ho “namorona ny tany sy nahavita azy” Andriamanitra, ary manampy izy hoe: “Izy no nandamina [nampiorina mafy, MN] azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. Isaia 45:18.

6. a) Manao ahoana moa ny toe-piainana eto an-tany amin’izao andro izao? b) Izany ve no fomba anirian’Andriamanitra azy?

6 Moa ve aminao ny tany amin’izao andro izao toa onenana amin’ny fomba nikasan’Andriamanitra azy? Marina fa misy olona miaina saika ao amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Nefa moa ve izy ireny miara-miaina amim-pahasambarana toy ny fianakaviana tafaray, amin’ny fomba tsara nokasain’Andriamanitra ho azy ireny? Ankehitriny dia voazarazara izao tontolo izao. Misy ny fankahalana. Misy ny heloka bevava. Misy ny ady. Olona an-tapitrisany maro no noana sy marary. Ny hafa dia manana fanahiana isan’andro momba ny trano hipetrahana, ny asa ary ny fandaniana. Ary tsy misy amin’ireo zavatra ireo mitondra voninahitra ho an’Andriamanitra. Miharihary àry fa ny tany dia tsy onenana araka ny fomba nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany.

7. Inona moa no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany fony namorona ny mpivady olombelona voalohany izy?

7 Rehefa avy namorona ny mpivady olombelona voalohany Andriamanitra dia nametraka azy ireo tao amin’ny paradisa an-tany. Niriny izy ireo hifaly amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay. Ny fikasany ho azy ireo dia ny hanitarany ny paradisany manerana ny tany manontolo. Izany dia aseho avy amin’ny toromarika nomeny ho azy ireo hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”. (Genesisy 1:28) Eny, ny fikasan’Andriamanitra, rehefa nandeha ny fotoana, dia ny hahatongavan’ny tany manontolo eo ambany fanapahan’ny fianakavian’olombelona marina iray miara-miaina avokoa ao amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana.

8. Na dia tsy nankatò an’Andriamanitra aza ny mpivady voalohany, nahoana moa no afaka matoky isika fa tsy niova ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?

8 Na dia tsy nankatò an’Andriamanitra aza ny mpivady olombelona voalohany, ka nampiseho tamin’izany fa tsy mendrika ny ho velona mandrakizay, dia tsy niova ny fikasan’Andriamanitra tany am-piandohana. Tsy maintsy tanteraka izany! (Isaia 55:11) Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) Matetika ny Baiboly no miresaka ny amin’ny fandaharan’Andriamanitra mba hanome ho an’ny olombelona izay manompo azy ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:14-16, 36; Isaia 25:8; Apokalypsy 21:3, 4.

NY FANIRIANA HO VELONA — AIZA?

9. a) Faniriana inona moa no ananan’ny olona ara-dalàna? b) Inona moa no tian’ny Baiboly hambara rehefa milaza izy hoe ‘napetrak’Andriamanitra ao am-pon’izy ireo ny mandrakizay’?

9 Afaka ny ho sambatra marina tokoa isika satria ny fikasan’Andriamanitra dia ny hiainantsika mandrakizay. Hevero tokoa izao: Raha tsy maintsy nanapa-kevitra ianao, andro inona moa no hofidinao mba hahafatesana? Tsy afaka mifidy iray ianao, sa tsy izany? Tsy irinao ny ho faty, ary tsy maniry izany koa ny olona iray ara-dalàna sy salama. Nataon’Andriamanitra hanana faniriana ho velona isika, fa tsy faniriana ho faty. Raha ny amin’ny fomba nanaovan’Andriamanitra ny olombelona, dia hoy ny Baiboly: “Ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony”. (Mpitoriteny 3:11) Inona no dikan’izany? Milaza izany fa mandrakariva ny olona dia maniry ho velona hatrany hatrany, tsy misy fahafatesana. Noho io faniriana ho avy tsy hanam-pahataperana io no nahatonga ny olona hikaroka fomba hijanonana ho tanora mandrakizay.

10. a) Araka ny faniriana voajanaharin’ny olona, maniry hiaina mandrakizay aiza moa izy? b) Nahoana moa isika no afaka matoky fa hataon’Andriamanitra izay hiainantsika mandrakizay eto an-tany?

10 Aiza moa raha ny tokony ho izy no anirian’ny olombelona hiainana mandrakizay? Eo amin’izay nahazatra azy ny niaina, dia eto ambonin’ny tany. Natao ho an’ny tany ny olona, ary ho an’ny olona ny tany. (Genesisy 2:8, 9, 15) Hoy ny Baiboly: “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy [Andriamanitra], mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Satria natao haharitra mandrakizay ny tany, dia tokony ho velona mandrakizay koa ny olona. Azo antoka fa ny Andriamanitra be fitiavana iray dia tsy hamorona olombelona manana faniriana hiaina mandrakizay ary avy eo dia tsy hanao izay hahatanterahan’izy ireo izany faniriana izany! — I Jaona 4:8; Salamo 133:3.

NY KARAZAM-PIAINANA IRINAO

11. Inona moa no lazain’ny Baiboly mba hampisehoana fa afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny fahasalamana tonga lafatra ny olona?

11 Jereo ny pejy manaraka. Karazam-piainana inona moa no ifalian’ireo olona ireo? Mba irinao ve ny ho iray amin’izy ireo? Eny tokoa, hoy ianao! Jereo fa salama sy tanora ery ny fahitana azy ireo! Raha ilazana ianao fa efa niaina an’arivony taona maro ireo olona ireo, hino izany ve ianao? Manambara amintsika ny Baiboly fa hanjary tanora indray ny antitra, ho tsara ny marary ary hositranina amin’ny rofiny rehetra ny mandringa, ny jamba, ny marenina ary ny moana. Fony tetỳ an-tany Jesosy Kristy dia nanatanteraka fahagagana maro tamin’ny fanasitranana olona narary. Tamin’ny fanaovana izany dia nasehony ny fomba hamerenana ho amin’ny fahasalamana tanteraka izay rehetra velona amin’io fotoana halaza tsy lavitra io. — Joba 33:25; Isaia 33:24; 35:5, 6; Matio 15:30, 31.

12. Toe-piainana manao ahoana moa no hitantsika amin’ireto sary ireto?

12 Jereo ange ity zaridaina fonenana mahafinaritra e! Araka ny nampanantenain’i Kristy, dia tena paradisa izy io, mitovy amin’ilay narian’ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany tsy nankatò. (Lioka 23:43, MN) Ary mariho ny fiadanana sy ny firindrana misy. Olona avy amin’ny foko rehetra — ny mainty, ny fotsy, ny mavo — no miaina toy ny fianakaviana iray. Na dia ireo biby aza dia malemy fanahy. Jereo ilay zaza milalao amin’ny liona. Nefa tsy misy antony hatahorana. Ny amin’izany dia manambara ny Mpamorona hoe: “Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. (...) Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera”. — Isaia 11:6-9.

13. Inona no hanjavona amin’ny tany rehefa tanteraka ireo fikasan’Andriamanitra?

13 Ao amin’ny paradisa omanin’Andriamanitra ho an’ny olombelona, ny anton-javatra rehetra dia hahasambatra. Hamokatra zava-tsoa betsaka mba hohanina ny tany. Tsy hisy olona ho noana indray intsony. (Salamo 72:16; 67:6) Ny ady, ny heloka bevava, ny herisetra ary na dia ny fankahalana sy ny fitiavan-tena aza dia ho zavatra efa lasa. Eny, hanjavona mandrakizay ireo! (Salamo 46:8, 9; 37:9-11) Inoanao ve fa mety hitranga izany rehetra izany?

14. Inona no mahatonga anao hino fa hofaranan’Andriamanitra ny fijaliana?

14 Eny, hevero izao: Raha nanana ny fahefana ianao, moa ve ho nofarananao ny zavatra rehetra izay mahatonga ny fijalian’olombelona? Ary ho nentinao ve ireo toe-piainana izay irin’ny fon’olombelona fatratra? Tsy isalasalana fa ho nanao izany ianao. Izany indrindra no hataon’ny Raintsika be fitiavana any an-danitra. Hanome fahafahampo ny zavatra ilaintsika sy ny faniriantsika izy, satria milaza toy izao ny amin’Andriamanitra ny Salamo 145:16: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” Nefa rahoviana no hitranga izany?

AKAIKY IREO FITAHIAN-DEHIBE

15. a) Hilaza inona ho an’ny tany moa ny faran’izao tontolo izao? b) Hilaza inona ho an’ny olona ratsy izany? d) Hilaza inona ho an’ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra izany?

15 Mba hahatanteraka ireo fitahiana tsara dia tsara ireo eto an-tany, Andriamanitra dia mampanantena fa hamarana ny faharatsiana sy ireo izay mahatonga izany. Amin’io fotoana io ihany dia hiaro an’ireo izay manompo azy izy, satria hoy ny Baiboly: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:17) Endrey izany fiovana hitranga! Tsy milaza faran’ny tanintsika akory ny faran’izao tontolo izao. Fa toy ny nitranga tamin’ny safodrano maneran-tany tamin’ny andron’i Noa kosa, izany dia hilaza faran’ny olona ratsy ihany sy ny fomba fiainany. Nefa ireo izay eo am-panompoana an’Andriamanitra dia ho tafita velona amin’io farany io. Manaraka izany, eo ambonin’ny tany voadio iray, dia hifaly izy satria afaka amin’izay rehetra maniry hanimba sy hampahory azy. — Matio 24:3, 37-39; Ohabolana 2:21, 22.

16. Fisehoan-javatra inona moa no nambara mialoha ho an’ny “andro farany”?

16 Nefa mety hilaza ny olona iray hoe: ‘Miharatsy ny toe-piainana, fa tsy mihatsara. Ahoana no ahazoantsika antoka fa akaiky io fiovana lehibe io?’ Jesosy dia nanambara mialoha zavatra maro izay tokony hodinihin’ireo mpanara-dia azy amin’ny ho avy ny fahatongavany, mba hahafantaran’izy ireo fa tonga ny fotoana hamaranan’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Nilaza Jesosy fa ireo andro faran’ity fandehan-javatra ity dia ho voamariky ny zavatra toy ny ady lehibe, ny mosary, ny horohorontany lehibe, ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna ary ny fitomboan’ny tsy fananam-pitiavana. (Matio 24:3-12) Nilaza izy fa hisy “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”. (Lioka 21:25) Ny Baiboly dia mbola manampy koa hoe: “Any am-parany any dia hisy andro mahory”. (II Timoty 3:1-5) Moa ve izany tsy ny toe-piainana mihitsy izay diavintsika ankehitriny?

17. Inona moa no nambaran’ny olona misaina momba ireo toe-piainana amin’izao fotoana izao?

17 Olona maro izay mandinika ny fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao no milaza fa misy fiovana lehibe iray eo am-piforonana. Ohatra, ny mpampanonta ny Herald any Miami, Etazonia, dia nanoratra hoe: “Na iza na iza manana saina ara-dalàna tapany dia afaka manambatra ireo fisehoan-javatra niteraka loza tato anatin’ny taona vitsivitsy farany ary mahita fa izao tontolo izao dia eo am-piovan’ny tantara. (...) Hanova ho mandrakizay ny fomba fiainan’ny olona izany.” Mitovitovy amin’izany ihany, dia hoy ilay mpanoratra amerikana atao hoe Lewis Mumford: “Mikororosy ny sivilizasiona. Amin’ny fomba tena azo antoka. (...) Tamin’ny lasa, rehefa nikororosy ireo sivilizasiona, izany dia fitrangan-javatra saiky teo an-toerana. (...) Amin’izao fotoana izao, satria izao tontolo izao tafakambana akaiky kokoa sy voahazona miaraka noho ireo fomba fifandraisana amin’ny andro ankehitriny, rehefa mikororosy ireo sivilizasiona, dia ny planeta manontolo no mikororosy.”

18. a) Inona moa no asehon’ireo toe-piainana eo amin’izao tontolo izao momba ny ho avy? b) Inona no hisolo ireo fitondram-panjakana amin’ny andro ankehitriny?

18 Ireo toe-piainana mihitsy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mampiseho fa miaina amin’ny fotoana izay tokony hitrangan’ny fandravana ity fandehan-javatra manontolo ity isika. Eny, tena tsy ho ela izao Andriamanitra dia hanadio ny tany tsy hisy an’ireo rehetra manimba azy. (Apokalypsy 11:18) Hesoriny ireo fitondram-panjakana amin’ny andro ankehitriny mba hanome toerana ho an’ny fitondram-panjakany marina izay hanapaka ny tany rehetra. Io fanapahan’ilay Fanjakana io no nampianarin’i Kristy ny mpanara-dia azy mba hivavahana. — Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.

19. Raha maniry hiaina mandrakizay isika, inona moa no tokony hataontsika?

19 Raha tia ny fiainana ianao ary maniry ny hiaina mandrakizay eto an-tany eo ambanin’ny fanapahan’Andriamanitra, dia tokony ho dodona ianao handray fahalalana marina an’Andriamanitra, ny fikasany ary ny fepetra takiny. Hoy Jesosy tao amin’ny fivavahany tamin’Andriamanitra: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Endrey ny fifaliana mahafantatra fa azontsika atao ny ho velona mandrakizay — fa tsy nofinofy fotsiny izany! Nefa mba hifaliana amin’io fitahiana tsara dia tsara io dia ilaintsika ny mianatra ny amin’ny fahavalo iray izay miezaka hisakana antsika tsy hahazo io fitahiana io.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8, 9]

Moa ve toy izao no fikasan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao?

[Sary, pejy 11]