Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?

Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?

Toko faha-20

Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?

1, 2. Inona moa no porofo ananantsika fa nino ny fananganana ny maty ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny?

NINO foana ny fananganana ny maty ireo mpanompon’Andriamanitra. Izao no nolazain’ny Baiboly ny amin’i Abrahama izay velona 2000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy ho olombelona: “Nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty [Isaka zanany] aza.” (Hebreo 11:17-19) Taty aoriana, dia nanontany toy izao i Joba: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Namaly ny fanontanian’ny tenany ihany i Joba ka hoy izy tamin’Andriamanitra: “Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao.” Nasehony tamin’izany fa nino ny fananganana ny maty izy. — Joba 14:14, 15.

2 Izao no nambaran’i Jesosy: “Mosesy aza nanambara teo amin’ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’. Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” (Lioka 20:37, 38). Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny teny hoe “fananganana ny maty” dia hita in-40 mahery. Marina tokoa fa ny fananganana ny maty dia anankiray amin’ireo fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. — Hebreo 6:1, 2.

3. Ahoana no nanehoan’i Marta ny finoany ny fananganana ny maty?

3 Tamin’ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny, dia naneho ny finoany ny fananganana ny maty i Marta. Rehefa reny fa tonga i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka niteny taminy hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” Teo anoloan’ny alahelony, dia nampahery azy tamin’izao teny izao i Jesosy: “Hitsangana ny anadahinao.” Ary dia namaly toy izao i Marta: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” — Jaona 11:17-24.

4-6. Inona no antony nahatonga an’i Marta hino ny fananganana ny maty?

4 Marim-pototra ny finoan’i Marta ny fananganana ny maty. Fantany fa, noho ny herin’Andriamanitra, Elia sy Elisa mpaminany dia samy efa nanangana zaza tamin’ny maty (I Mpanjaka 17:17-24; II Mpanjaka 4:32-37). Fantany koa fa velona indray ny maty iray raha vantany vao natsipy tao amin’ny fasan’i Elisa ka nahakasika ny taolany (II Mpanjaka 13:20, 21). Nefa ny nanatanjaka indrindra ny finoany ny fananganana ny maty, dia izay nampianarin’ny tenan’i Jesosy sy nataony.

5 Angamba i Marta tany Jerosalema, roa taona latsaka talohan’izay, fony Jesosy niresaka ny amin’ny anjara horaisiny amin’ny fananganana ny maty, tamin’ny filazana hoe: “Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany. Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fahatsiarovana, MN] ny feony; dia hivoaka izy.” — Jaona 5:21, 28, 29.

6 Talohan’ny nanononan’i Jesosy an’ireo teny ireo, dia tsy mbola nanangana olona tamin’ny maty mihitsy izy, araka ny fitantaran’ny Baiboly. Fotoana fohy taty aoriana anefa, dia namelona indray ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tao an-tanànan’i Naina izy. Niely nianatsimo, tany Jodia, io vaovao io, ary azo antoka fa nandre firesahana ny amin’izany i Marta (Lioka 7:11-17). Taty aoriana, dia tsy maintsy reny izay nitranga tao an-tranon’i Jaïro, tany akaikin’i Galilia. Narary mafy ny zanany vavy 12 taona ary maty. Rehefa tonga tao an-tranon’i Jaïro i Jesosy dia nanatona an’ilay ankizy tsy nisy aina ka niteny hoe: “Ry zazavavy, miarena.”, ary dia niarina izy. — Lioka 8:40-56.

7. Inona no porofo nomen’i Jesosy an’i Marta ny amin’ny fahefany hanangana ny maty?

7 Tamin’izay fotoana izay anefa dia tsy nampoizin’i Marta ny hananganan’i Jesosy ny anadahiny. Izany no antony nilazany hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Koa mba hampahafantarana tsara an’i Marta ny anjara horaisiny amin’ny fananganana ny maty, dia hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” Nentina ho any am-pasan’i Lazarosy Jesosy. Tamin’izay dia niantso izy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Ary dia nivoaka i Lazarosy izay efa maty efatra andro. — Jaona 11:24-26, 38-44.

8. Inona no porofo manamarina fa tena tafatsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy?

8 Rehefa afaka herinandro vitsivitsy taty aoriana, dia novonoina ho faty Jesosy ary natao tao amin’ny fasana iray. Tsy nijanona tao afa-tsy nandritra ny hateloana tsy feno anefa izy. Hoy ny apostoly Petera: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” Tsy afaka nisakana ny Zanak’Andriamanitra tsy hivoaka avy ao am-pasana ireo filoha ara-pivavahana (Asan’ny apostoly 2:32; Matio 27:62-66; 28:1-7). Tena tafatsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, satria niseho tamin’ny mpianatra maro be, ary tamin’ny 500 indray niaraka aza (I Korintiana 15:3-8). Mafy orina aoka izany ny finoan’ny mpianatra ny fananganana ny maty, hany ka vonona izy ireo ny hisetra fanenjehana sy fahafatesana koa aza mba hanompoana an’Andriamanitra.

9. Iza moa ireo olona sivy izay voatonona ao amin’ny Baiboly ny fananganana azy tamin’ny maty?

9 Taty aoriana, ny apostoly Petera sy Paoly dia nanome porofo hafa koa fa tena mety hisy ny fananganana ny maty. Voalohany indrindra aloha, Petera dia namelona indray an’i Tabita (Dorkasy) tany amin’ny tanànan’i Jopa (Asan’ny apostoly 9:36-42). Fa i Paoly kosa dia namelona indray an’i Eotyka zatovo (Asan’ny apostoly 20:7-12). Ireo fananganana ny maty sivy voatantara ao amin’ny Baiboly ireo tokoa dia porofo fa tena mety ho velona indray ny maty.

IZA NO HATSANGANA AMIN’NY MATY?

10, 11. a) Nahoana moa Andriamanitra no nanomana ny hisian’ny fananganana ny maty? b) Araka ny Asan’ny apostoly 24:15, iza avy moa ireo kilasin’olona roa hatsangana amin’ny maty?

10 Tamin’ny voalohany, dia tsy tafiditra tao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny fananganana ny maty satria raha tsy nivadika hatrany Adama sy Eva dia tsy ho nisy mihitsy ny fahafatesana. Indro anefa fa, noho ny fahotan’i Adama, dia nitatra ho amin’ny olona rehetra ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana (Romana 5:12). Koa mba hahazoan’ireo taranak’i Adama ny fiainana mandrakizay ihany, dia nanomana ny hisian’ny fananganana ny maty Jehovah. Hifototra amin’inona anefa ny hananganana amin’ny maty?

11 Hoy ny Baiboly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [tsy marina, MN].” (Asan’ny apostoly 24:15). Mahagaga anao ve izany? Nahoana no hovelomina indray ny ‘tsy marina’?”, hoy angamba ny sasany. Hanazava antsika ny amin’io hevitra io izay nitranga fony Jesosy nahantona teo amin’ny hazo fijaliana.

12, 13. a) Inona no fampanantenana nomen’i Jesosy ny jiolahy iray? b) Aiza moa ny “Paradisa” noresahin’i Jesosy?

12 Nisy jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy. Niteny ratsy azy ny anankiray tamin’izy ireo ka nanao hoe: “Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.” Nino an’i Jesosy kosa anefa ilay hafa; hoy izy taminy: “Tsarovy aho rehefa hiditra ao amin’ny fanjakanao ianao.” Ary dia nanome azy izao fampanantenana izao i Jesosy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” — Lioka 23:39-43, MN.

13 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireto teny ireto: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” Aiza moa ny paradisa? Araka ny hevitrao, taiza no nisy ny paradisa nataon’Andriamanitra tamin’ny voalohany? Teto an-tany, sa tsy izany? Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena ny mpivady olombelona voalohany. Koa rehefa mamaky isika fa ho ao amin’ny “Paradisa” io jiolahy taloha io, dia tokony ho tonga ao an-tsaintsika ny tany voaova ho fonenana paradisa, satria ny dikan’ny teny hoe “paradisa” dia hoe “zaridaina” na “saha”. — Genesisy 2:8, 9.

14. Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no hoe hiaraka amin’ilay jiolahy taloha ao amin’ny paradisa?

14 Mazava ho azy fa tsy hiaina eto an-tany hiaraka amin’ilay jiolahy taloha akory i Jesosy. Avy any an-danitra izy no tsy maintsy hanjaka eo amin’ny paradisa an-tany. Noho izany, dia hiaraka amin’io lehilahy io izy amin’ny heviny hoe hamerina azy ho amin’ny fiainana ka hanome fahafahampo amin’izay ilainy ara-batana sy ara-panahy. Fa nahoana no havelan’i Jesosy hiaina ao amin’ny paradisa ny jiolahy taloha iray?

15. Nahoana moa ny “tsy marina” no hatsangana amin’ny maty?

15 Marina fa nanao ratsy io lehilahy io. “Tsy marina” izy. Tsy nahalala ny sitrapon’Andriamanitra anefa izy. Ho nanao ratsy ve izy raha nahafantatra ny fikasan’Andriamanitra? Mba hahalalana izany, dia hatsangan’i Jesosy amin’ny maty io lehilahy tsy marina io sy ny am-polony tapitrisa maro hafa koa sahala aminy. Ohatra, be dia be tamin’ireo maty tao anatin’ireo taonjato lasa no tsy nahay namaky teny ary tsy mbola nahita Baiboly mihitsy. Hatsangana avy ao amin’ny Sheola na Hadesy izy ireny. Amin’izay, ao amin’ny paradisa, dia hampianarina ny sitrapon’Andriamanitra izy ireny ka hanana fahafahana hampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra amin’ny fankatoavana azy.

16. a) Maty iza avy no tsy hatsangana? b) Nahoana isika no tsy tokony hanao fitsarana? d) Inona no zavatra tokony hahintsika voalohany indrindra?

16 Aza manatsoaka avy amin’izany fa hatsangana amin’ny maty daholo ny olona rehetra. Araka ny Baiboly, Jodasy Isikariota dia tsy hovelomina indray. Noho izy ninia namadika an’i Jesosy, dia nantsoina hoe “zanaky ny fandringanana” izy. (Jaona 17:12, MN.) Lasa nankany amin’ny Gehena ara-panoharana tsy iverenana izy (Matio 23:33). Izay rehetra minia manao ratsy rehefa avy nahalala ny sitrapon’Andriamanitra dia mety hanota amin’ny fanahy masina. Tsy hanangana amin’ny maty ny mpanota toy izany Andriamanitra (Matio 12:32; Hebreo 6:4-6; 10:26, 27). Araka izany, satria Andriamanitra no Mpitsara, dia tsy misy antony tokony hitadiavana hahafantatra na hatsangana amin’ny maty ny olona toy izao na izao. Fantatr’Andriamanitra ny hoe iza no ao amin’ny Hadesy ary iza no ao amin’ny Gehena. Aoka kosa isika hanao izay rehetra azontsika atao mba ho mendrika ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra. — Lioka 13:24, 29.

17. Iza moa no tsy mila ny hatsangana amin’ny maty mba hananana ny fiainana mandrakizay?

17 Izay rehetra hahazo ny fiainana mandrakizay dia tsy hoe tsy maintsy hatsangana amin’ny maty akory. Be dia be amin’ny mpanompon’Andriamanitra velona amin’izao “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny izao no ho tafita velona ao Haramagedona ka hahaforona ny “tany vaovao” sy marina, ary tsy hahita fahafatesana intsony. Azo ampiharina amin’izy ireny izay nolazain’i Jesosy tamin’i Marta hoe: “Izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” — Jaona 11:26; II Timoty 3:1, MN.

18. Iza moa ireo “marina” hatsangana amin’ny maty?

18 Iza moa ireo “marina” mendrika ny hatsangana amin’ny maty? Anisan’izany ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra velona talohan’ny nisehoan’i Jesosy teto an-tany. Voatonona amin’ny anarany ao amin’ny Hebreo toko faha-11 ny sasany aminy. Ny fanantenany dia tsy ny ho any an-danitra, fa ny hiaina eto an-tany. Anisan’ny “marina” dia ao koa ireo maty vao haingana tokoa. Hanatanteraka ny fanantenany hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa Andriamanitra amin’ny fananganana azy amin’ny maty.

RAHOVIANA ARY AIZA NO HATSANGANA AMIN’NY MATY IZY IRENY?

19. a) Tamin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe ny voalohany natsangana tamin’ny maty? b) Iza moa ireo hatsangana manaraka izany?

19 Jesosy no ‘voalohany natsangana tamin’ny maty’. (Asan’ny apostoly 26:23.) Raha lazaina amin’ny teny hafa, amin’izay rehetra tsy ho faty intsony, dia izy no voalohany natsangana tamin’ny maty. Izy koa no voalohany natsangana ho fanahy (esprit) (I Petera 3:18). Tsy izy ihany anefa no ho toy izany; izao no lazain’ny Baiboly: “Samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany [mandritra ny fanatrehany, MN].” (I Korintiana 15:20-23). Araka izany, ny sasany dia hatsangana alohan’ny hafa.

20. a) Iza moa ireo “an’i Kristy”? b) Manana anjara amin’ny karazam-pananganana inona izy ireo?

20 “Izay an’i Kristy” dia ny mpianatra mahatoky 144 000 nofidina mba hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakana. Izao no lazain’ny Baiboly ny amin’ny fananganana azy ireny ho any an-danitra: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa (...) hiara-manjaka aminy arivo taona.” — Apokalypsy 20:6; 14:1, 3.

21. a) Oviana no mitranga ny “fitsanganana voalohany”? b) Iza moa ireo tsy isalasalana mihitsy fa efa natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra?

21 Noho izany, ny fananganana an’i Kristy dia harahin’ny an’ny 144 000. Manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany” izy ireny, amin’ilay “tsy maintsy hitranga aloha kokoa”. (Filipiana 3:11, MN.) Rahoviana no itrangan’izany? “Mandritra ny fanatrehany”, hoy ny Baiboly. Araka ny hitantsika, ny fanatrehan’i Kristy dia nanomboka tamin’ny 1914. Noho izany, dia efa tonga ny “andro” “fitsanganana voalohany” ho any an-danitra, ho an’ireo olo-mahatoky. Tsy isalasalana fa efa natsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra ireo apostoly sy ireo kristiana voalohany hafa. — II Timoty 4:8.

22. a) Iza koa no hanana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”? b) Rahoviana izy ireny no hatsangana amin’ny maty?

22 Nefa amin’izao andro izao izay ‘anatrehan’i’ Jesosy, dia mbola misy kristiana manana izany fanantenana ny ho any an-danitra izany. Izany dia ireo farany anisan’ny 144 000. Rahoviana no hatsangana amin’ny maty izy ireny? Tsy ho voatery hatory ao amin’ny fahafatesana izy ireny; raha vantany vao maty izy dia hatsangana. Izao no lazain’ny Baiboly: “Tsy hodi-mandry [hatory ao amin’ny fahafatesana, MN] avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana.” — I Korintiana 15:51, 52; I Tesaloniana 4:15-17.

23. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny fiovana ho amin’ny fiainana ara-panahy?

23 Mazava ho azy fa tsy hita maso io “fitsanganana voalohany” ho amin’ny fiainana any an-danitra io, satria tonga fanahy (esprit) ilay tafatsangana amin’ny maty. Milazalaza azy toy izao ny Baiboly: “Afafy amin’ny fahalòvana izy, atsangana amin’ny tsi-fahalòvana; afafy amin’ny fahafaham-boninahitra Izy, atsangana amin’ny voninahitra; (...) afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy.” — I Korintiana 15:42-44.

24. a) Fananganana inona no manaraka ny “fitsanganana voalohany”? b) Nahoana no lazaina fa “fitsanganana tsara lavitra” izany?

24 Ny fitenenana hoe “fitsanganana voalohany” dia mampiseho fa tokony hisy hafa iray koa. Izany dia ny fananganana ny marina sy ny tsy marina ho amin’ny fiainana eto an-tany, aorian’ny Haramagedona. Izany dia ho fananganana amin’ny maty “tsara lavitra” noho ny an’ireo zazalahy novelomin’i Elia sy Elisa indray, sy noho ny an’ny olon-kafa novelomina indray. Nahoana? Satria ireo hatsangana amin’ny maty aorian’ny Haramagedona izay hifidy ny hanompo an’Andriamanitra dia tsy hahita fahafatesana intsony. — Hebreo 11:35.

FAHAGAGANA ATAON’ANDRIAMANITRA

25. a) Nahoana moa no tsy ny tena ara-batana no atsangana amin’ny maty? b) Inona no atsangana, ary inona no omena an’ireo hatsangana?

25 Inona no atsangana amin’ny maty? Tsy ny vatana akory, araka ny asehon’ny Baiboly ao amin’ny filazalazany ny amin’ny fananganana ho amin’ny fiainana any an-danitra (I Korintiana 15:35-44). Na dia ireo izay velomina indray ho amin’ny fiainana eto an-tany aza dia tsy miverina ao amin’ny tenany taloha izay niverina ho amin’ny vovoka, satria lanin’ny zavaboary velona hafa angamba ny zavatra nahaforona azy. Araka izany, ny velomin’Andriamanitra indray dia tsy ny vatana akory fa ny maha-izy ilay olona. Ireo izay mankany an-danitra dia omeny tena ara-panahy vaovao, ary ireo hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany dia omeny tena ara-nofo vaovao. Tsy isalasalana fa izany tena izany dia hitovy amin’ny nananan’ilay olona talohan’ny nahafatesany, ka izany dia hahatonga an’ireo izay nahalala azy hahafantatra azy.

26. a) Nahoana moa no fahagagana mahatalanjona aoka izany ny fananganana ny maty? b) Inona avy no zavatra noforonin’olombelona manampy antsika hahatakatra fa Andriamanitra dia manana fahefana hahatsiaro ireo izay maty?

26 Moa ve tsy fahagagana mahatalanjona ny fananganana ny maty. Azo antoka fa nandritra ireo taona nahavelomany, ilay maty dia nanangona fahalalana, fanandraman-javatra sy fahatsiarovana. Nampitombo toetra mampiavaka azy izy. Tsaroan’i Jehovah anefa ny antsipiriany tsirairay avy, ary ny maha-izy ilay olona mihitsy no hatsangany, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” (Lioka 20:38). Hain’ny olombelona ny mitahiry feo sy sarin’ny olona iray ka mamoaka izany indray rehefa afaka ela be aorian’ny nahafatesany. Jehovah kosa anefa dia afaka mamerina ka hamerina indray ho amin’ny fiainana izay rehetra ao anatin’ny fitadidiany.

27. Inona avy no fanontaniana momba ny fananganana ny maty, miandry valiny?

27 Manambara zavatra hafa maro be momba ny fiainana ao amin’ny paradisa aorian’ny fananganana ny maty ny Baiboly. Ohatra, Jesosy dia niresaka ny amin’ireo izay hivoaka, na ho amin’ny “fitsanganana ho fiainana”, na ho amin’ny “fitsanganana ho fahamelohana”. (Jaona 5:29.) Inona no tiany holazaina tamin’izany? Moa ve ny toeran’ny “marina” izay hatsangana ho hafa noho ny an’ny “tsy marina”? Aoka hojerentsika amin’izany ny atao hoe Andro Fitsarana.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 167]

“Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty.”

Nanangana ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray i Elia.

Nanangana ankizy iray tamin’ny maty i Elisa.

Rehefa nahakasika ny taolan’i Elisa ny lehilahy iray dia velona indray.

[Sary, pejy 168]

Olona natsangan’i Jesosy tamin’ny maty:

Ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tao Naina

Lazarosy

Ny zanakavavin’i Jaïro

[Sary, pejy 169]

Olon-kafa natsangana tamin’ny maty koa:

Dorkasy

Ny tenan’i Jesosy mihitsy

Eotyka

[Sary, pejy 170]

Aiza moa ny Paradisa nampanantenain’i Jesosy an’ilay jiolahy?