Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso

Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso

Toko faha-23

Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso

1. Inona no lazain’ny Baiboly ny amin’ny fandaminan’Andriamanitra tsy hita maso?

MANANA fandaminana hita maso ve Andriamanitra? Izany tokoa, satria manana iray tsy hita maso izy. Namorona kerobima sy serafima ary anjely hafa koa Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony any an-danitra (Genesisy 3:24; Isaia 6:2, 3; Salamo 103:20). Arikanjely Jesosy, raha lazaina amin’ny teny hafa dia mipetraka eo ambonin’ireo anjely rehetra ireo izy. (I Tesaloniana 4:16; Joda 9; Apokalypsy 12:7) Araka ny filazan’ny Baiboly, ny fandaminan’ireo anjely dia “fiandrianana [seza fiandrianana, MN], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana.” (Kolosiana 1:16; Efesiana 1:21) Izy rehetra dia eo ambany fifehezan’i Jehovah, manatanteraka ao anatin’ny firaisan-tsaina ny asa nankinina tamin’izy ireo. — Daniela 7:9, 10; Joba 1:6; 2:1.

2. Ahoana no ampisehoan’izao rehetra izao hita maso fa heverin’Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa ny fandaminana?

2 Ireo zavatra noforonin’Andriamanitra hita maso dia mampiseho ny fiheverany ho zava-dehibe tokoa ny fandaminana. Hita eo amin’izao rehetra izao ny kintana an-tapitrisany tapitrisa maro voalamina ho antokony goavana antsoina hoe vahin-danitra. Mihetsika amim-pilaminana ao amin’ny habakabaka ireny vahin-danitra ireny, ary manao toy izany koa ny kintana sy planeta ao aminy. Araka izany, ny planeta Tany misy antsika dia manodidina ny masoandro, ny kintana akaiky antsika indrindra, ao anatin’ny 365 andro sy 5 ora sy 48 minitra ary 45,51 segondra tsy misy diso. Fandaminana re izany!

3. Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’ny fandaminana mahatalanjona manjaka eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra tsy hita maso sy izao rehetra izao hita maso?

3 Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’ny fandaminana mahatalanjona manjaka eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra tsy hita maso sy eo amin’izao rehetra izao hita maso nataony? Izao: Andriamanitry ny fandaminana Jehovah. Tsy azo eritreretina àry ny hoe ny Andriamanitra toy izany dia hamela ny olombelona izay tia azy tsy hanana mpitari-dalana na fandaminana.

NY FANDAMINAN’ANDRIAMANITRA HITA MASO — TALOHA SY ANKEHITRINY

4, 5. Ahoana no ahafantarantsika fa nitari-dalana ny olony tamin’ny fomba voalamina Andriamanitra tamin’ny andron’i Abrahama sy ny firenen’ny Isiraely?

4 Asehon’ny Baiboly fa nitari-dalana foana an’ireo mpanompony tamin’ny fomba voalamina Jehovah. Ohatra, nisy lehilahy nanam-pinoana toa an’i Abrahama nitarika ny ankohonan’izy ireo sy ny mpanompony raha ny amin’izay mikasika ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Nambaran’i Jehovah tamin’i Abrahama ny sitrapony (Genesisy 12:1) ary notendreny izy hampianatra ny ankohonany. Izao no nolazain’Andriamanitra: “Efa nifidy azy [Abrahama] Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny lalàn’i Jehovah.” (Genesisy 18:19) Izany fandaharana voalamina izany dia nahatonga antokon’olona iray ho afaka hanompo an’i Jehovah araka ny mety.

5 Taty aoriana, rehefa tonga an-tapitrisany maro ny Isiraelita, dia tsy navelan’i Jehovah hanompo azy araka ny fomban’ny tsirairay avy, tsy nisy fandaminana. Tsia, voaforona ho firenena iray nisy mpivavaka voalamina izy ireo. Nantsoina hoe “kongregasionan’i Jehovah” ny firenen’Isiraely. (Nomery 20:4, MN; I Tantara 28:8, MN) Raha tena mpanompon’i Jehovah ianao tamin’izany fotoana izany, dia tokony ho anisan’io kongregasiona io ka tsy hisaraka aminy. — Salamo 147:19, 20.

6. a) Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa nankasitrahany ireo mpianatr’i Kristy? b) Inona no porofo ananantsika fa voalamina ho amin’ny fanompoam-pivavahana ireo kristiana?

6 Ary tamin’ny taonjato voalohany? Nitoetra teo amin’ireo mpianatr’i Kristy ny fankasitrahan’i Jehovah. Nandatsaka ny fanahiny masina teo amin’izy ireo Jehovah. Mba hanaporofoana fa hatramin’izao izy dia nampiasa an’io fandaminana kristiana io fa tsy ny firenen’Isiraely, ny sasany tamin’ireny kristiana ireny dia nomeny fahefana hanasitrana ny marary, hanangana ny maty sy hanao fahagagana hafa. Ny famakiana ny Soratra grika kristiana dia hampiharihary aminao fa ireo kristiana voalohany dia voalamina ho amin’ny fanompoam-pivavahana. Raha ny marina dia nahazo baiko hivory mba hankalaza an’Andriamanitra izy ireo. (Hebreo 10:24, 25) Araka izany, raha mpivavaka marina tamin’i Jehovah ianao tamin’izany fotoana izany dia tsy maintsy ho anisan’ny fandaminany kristiana.

7. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nampiasa fandaminana nihoatra ny iray mihitsy Jehovah?

7 Moa ve efa nisy fotoana nampiasan’i Jehovah fandaminana mihoatra ny iray? Tamin’ny andron’i Noa, dia ilay patriarka sy ireo izay niaraka taminy tao amin’ny sambofiara ihany no narovan’Andriamanitra ka tafita velona tamin’ny safodrano. (I Petera 3:20) Tamin’ny taonjato voalohany Andriamanitra dia tsy nanana fifandraisana afa-tsy tamin’ny fandaminana iray monja. “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa”. (Efesiana 4:5) Ary araka ny filazan’i Jesosy, amin’izao androntsika izao, dia ho iray monja ny loharanom-pampianarana ara-panahy ho an’ny olon’Andriamanitra.

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy hisy afa-tsy fandaminan’Andriamanitra hita maso iray monja eto an-tany amin’izao androntsika izao?

8 Raha niresaka ny amin’ny fanatrehany amin’ny maha-Mpanjaka efa nandray fiandrianana Jesosy dia izao no nolazainy: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony, mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47) Rehefa niverina nandray fahefana ho Mpanjaka Kristy tamin’ny 1914, moa ve izy nahita an’io kilasin’ny “mpanompo” io nisahirana nizara ny “hanina” na fampianarana ara-panahy? Eny, izany dia ny sisa amin’ireo ‘rahalahiny’ 144 000. (Apokalypsy 12:10; 14:1, 3) Nanomboka tamin’ny 1914, dia olona an-tapitrisany maro no nandray ny “hanina” nomen’izany mpanompo izany ka nanomboka nanaraka ny fivavahana marina niaraka taminy. Io fandaminana voaforon’ny mpanompon’Andriamanitra io dia fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.

9. a) Nahoana moa ireo mpanompon’Andriamanitra no mitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah? b) Nahoana no antsoiny hoe Efitrano Fanjakana ny toerana fanaovany fanompoam-pivavahana?

9 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitodika any amin’Andriamanitra sy ny Teniny mba hahazoana toromarika amin’ny zavatra rehetra. Ny anarany mihitsy aza dia manamarina fa ny asany lehibe indrindra dia ny fanaovana fanambarana ho an’ny anarana sy ny Fanjakan’i Jehovah, toy ny nataon’i Kristy. (Jaona 17:6; Apokalypsy 1:5) Antsoiny hoe Efitrano Fanjakana ny toerana fanaovany fanompoam-pivavahana, satria ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Kristiny no foto-kevitra ao amin’ny Baiboly. Tsy isalasalana mihitsy fa nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny kristianisma tamin’ny taonjato voalohany; koa araka ny ohatra nomeny no nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fandaminana. Aoka hijery fitoviana sasany eo amin’ireo fandaminana roa ireo isika.

NY OHATRA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

10. Inona no sasantsasany amin’ireo toetra nampiavaka ny fandaminana kristiana tamin’ny taonjato voalohany?

10 Tamin’ny taonjato voalohany, ny kristiana dia nahaforona kongregasiona izay nivory tsy tapaka mba hivavaka, mba hiaraka amin’ireo rahalahy sy mba hianatra ny Soratra masina (Hebreo 10:24, 25). Ny asany lehibe indrindra dia ny fitoriana sy ny fampianarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy (Matio 4:17; 28:19, 20). Raha nanao ratsy ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona, dia noroahina tsy ho ao izy. — I Korintiana 5:9-13; II Jaona 10, 11.

11, 12. a) Inona no manaporofo fa ireo kongregasiona kristiana voalohany dia nandray fanampiana sy fitarihan’ireo apostoly sy “loholona” tany Jerosalema? b) Inona moa no tiantsika holazaina amin’ny hoe fitarihana “teokratika”? d) Moa ve ireo kongregasiona nanaiky fitarihana toy izany, ary inona no vokany?

11 Moa ve ireny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany ireny nanao zavatra tsy nifampiankina? Tsia, niray saina tao anatin’ny finoana kristiana iray ihany izy ireny. Nandray toromarika avy amin’ny loharano iray ihany ny rehetra. Araka izany, rehefa nisy fiadian-kevitra lehibe nitranga momba ny famorana, dia tsy ireo kongregasiona na olona manokana no nanapaka ny raharaha. Natao ny fanapahan-kevitra fa Paoly sy Barnabasy mbamin’ny vitsivitsy hafa koa dia ‘hiakatra hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.” Rehefa avy nanao ny fanapahan-keviny ireny lehilahy matotra ireny noho ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra sy ny “fanahy masina”, dia naniraka lehilahy nahatoky izy mba hampahafantatra izany an’ireo kongregasiona. — Asan’ny apostoly 15:2, 27-29.

12 Ahoana no nandraisan’ireo kongregasiona izany toromarika teokratika (na avy amin’Andriamanitra) izany? Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy [Paoly sy ireo namany], dia natolony hotandreman’ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” (Asan’ny apostoly 16:4, 5) Eny, ny kongregasiona rehetra dia nanaraka ny fanapahan-kevitr’io kolejin’ny loholona tany Jerosalema io ka nihanatanjaka tamin’ny finoana.

NY FITARIHANA TEOKRATIKA AMIN’IZAO ANDRONTSIKA IZAO

13. a) Avy aiza ary avy amin’iza moa no andraisan’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso ireo toromariny amin’izao andro izao? b) Inona no fifandraisana misy amin’ny kolejy foibe sy “ny mpanompo mahatoky sy malina”?

13 Amin’izao andro izao, ny fandaminana hita mason’Andriamanitra dia mandray toromarika teokratika koa. Any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn (New York), dia misy kolejin’ny loholona avy any amin’ny tany samy hafa izay manara-maso araka ny mety ny asan’ny olon’Andriamanitra maneran-tany. Io Kolejy foibe io dia voaforon’ny mpikambana anisan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Mpitondra tenin’io “mpanompo” mahatoky io izy.

14. Amin’inona no anorenan’ny kolejy foiben’ny olon’Andriamanitra ireo fanapahan-keviny?

14 Sahala amin’ireo apostoly sy ireo loholona tany Jerosalema, ireo lehilahy ao amin’io kolejy io dia efa nahita fanandramana nandritra ny taona maro teo amin’ny asan’Andriamanitra. Tsy manankina ny fanapahan-keviny amin’ny fahendren’olombelona anefa izy ireny. Tsia, entina amin’ny fomba teokratika izy ka manaraka ny ohatra nomen’ny kolejy foibe tany Jerosalema izay ny fanapahan-keviny dia niorina tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy natao teo ambany fitarihan’ny fanahy masina. — Asan’ny apostoly 15:13-17, 28, 29.

NY FITARIHANA FANDAMINANA IRAISAM-PIRENENA IRAY

15. Nahoana moa ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 24:14 no mampiseho fa hanana fandaminana lehibe eto an-tany Andriamanitra amin’ny andro farany?

15 Nataon’i Jesosy izay hahazoana an-tsaina ny ho fitaran’ny fandaminan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao rehefa nilaza izy hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN) Eritrereto ny fitambarana asa asehon’ny fanambarana ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny mponina an’arivony tapitrisa maro amin’ny tany. Moa ve ny fandaminana kristiana amin’ny andro ankehitriny, tarihin’ny Kolejy foibe, ampy fitaovana mba hanatanteraka io asa lehibe io?

16. a) Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no nanorina fanontam-pirinty lehibe? b) Namoaka inona izany?

16 Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 200. Mba hanampiana ireo mpitory ilay Fanjakana eo amin’ny 3 500 000 (tamin’ny 1988) hanatontosa io asa io, dia nisy fanontam-pirinty lehibe naorina tany amin’ny tany maro. Be dia be ny Baiboly sy boky momba ny Baiboly avoaka ao. Isaky ny andro fiasana, amin’ny antsalany, dia maherin’ny iray tapitrisa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! atonta pirinty sy alefa avy ao.

17. a) Inona no antony nanaovana ireny zavatra voasoratra momba ny Baiboly ireny? b) Asaina hanao inona ianao?

17 Ireny boky momba ny Baiboly rehetra ireny dia natao hanampiana ny olona hahafantatra ny fikasana lehiben’i Jehovah. Raha ny marina, ny fitenenana hoe “manambara ny Fanjakan’i Jehovah” dia tafiditra ao anatin’ny anaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Manasa anao izahay hampiely ireny zavatra vita an-tsoratra ireny sy hanazava amin’ny mpiara-belona aminao ireo fahamarinana araka ny Baiboly raketiny. Ohatra, moa ve misy olona ho azonao ampitana ireo fahalalana iankinan’ny aina nianaranao tato amin’ity boky ity?

18. a) Karazam-pandaminana inona moa ny fandaminan’Andriamanitra amin’izao andro izao? b) Nahoana moa no mila fampaherezana ny olon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao?

18 Tsy misy hafa amin’ny tamin’ny taonjato voalohany, ny fandaminan’Andriamanitra amin’izao andro izao dia fandaminan’olona mpitory ilay Fanjakana nanolo-tena sy vita batisa. Naorina izy io mba hampaherezana sy hanatanjahana ara-panahy ny mpikambana rehetra ao aminy; mila dia mila izany tokoa ireo, satria manohitra ny hafatra momba ilay Fanjakana torin’izy ireo Satana sy ireo irany. Namono an’i Jesosy ireny mpanohitra ireny noho ny fitoriana ary nampiomana ny Baiboly fa henjehina koa ireo mpianany. — Jaona 15:19, 20; II Timoty 3:12.

19. a) Iza no notendrena amin’izao andro izao mba hanatanjaka ny olon’Andriamanitra? b) Ahoana no iarovana ny kongregasiona amin’ireo fitaoman-dratsy mety hanimba azy?

19 Tsy misy hafa amin’ny tamin’ny taonjato voalohany, dia toy izany koa amin’izao andro izao fa misy “loholona” tendrena mba hanampy sy hanatanjaka ny kongregasiona tsirairay avy. Azony atao koa ny manome anao, torohevitra ao amin’ny Baiboly izay hahatonga anao ho afaka handamina ireo zava-manahirana anao. Ireny loholona ireny dia miaro koa “ny ondrin’Andriamanitra”. Araka izany, raha manao ratsy ny kristiana iray ka tsy mety miala amin’izany, dia handroaka azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona ireo loholona mba hiarovana ny fahasalamana sy ny fahadiovana ara-panahin’ilay kongregasiona. — Titosy 1:5; I Petera 5:1-3; Isaia 32:1, 2; I Korintiana 5:13.

20. a) Tamin’ny taonjato voalohany, iza no nirahin’ny kolejy foibe tany Jerosalema, ary noho ny fikendrena inona? b) Iza no irahin’ny Kolejy foibe amin’izao andro izao?

20 Ny kolejy foibe tany Jerosalema dia naniraka solontena manokana, toa an’i Paoly sy Silasy, mba hampianatra sy hampahery ny olon’Andriamanitra; manao toy izany koa ankehitriny ny Kolejy foibe amin’izao andro farany izao (Asan’ny apostoly 15:24-27, 30-32). Eo amin’ny indroa isan-taona eo, ny minisitra za-draharaha iray atao hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany dia mandany herinandro isaky ny kongregasiona ao amin’ny fizaran-taniny.

21. Ahoana no anampian’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany an’ireo kongregasionan’ny olon’Andriamanitra?

21 Misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 60 000 maneran-tany; voazarazara ho fizaran-tany misy kongregasiona 20 avy izany. Rehefa mitsidika an’ireo kongregasiona ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia manao izay handrosoan’ireo vavolombelon’ilay Fanjakana amin’ny fandraisana anjara miaraka amin’izy ireo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Ankoatra ny famporisihany azy amin’izany, dia omeny fanipazan-kevitra hanampy azy hanatsara ny fanompoany koa izy ireo. — Asan’ny apostoly 20:20, 21.

22. a) Indroa isan-taona, inona no fahafahana hafa koa hahazo fanatanjahana ananan’ny olon’Andriamanitra? b) Inona no fanasana atolotra anao?

22 Indroa isan-taona amin’ny ankapobeny, ireo kongregasiona isaky ny fizaran-tany dia mivory amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany maharitra iray na roa andro; fahafahana hafa hahazo fampaherezana sy fanatanjahana koa izany. Mahavory olona 200 ka hatramin’ny 2000 ireny fivoriambe ireny. Manasa anao izahay hanatrika ilay hatao ao amin’ny faritra misy anao. Matoky izahay fa hanatanjaka anao ara-panahy izany.

23. a) Indray mandeha isan-taona, fivoriambe hafa inona koa no atao? b) Nanao ahoana ny halehiben’ny anankiray tamin’ireny fivoriambe ireny?

23 Indray mandeha isan-taona no anaovana fivoriamben’ny distrika mandritra ny andro maromaro. Manaova fiezahana manokana mba hanatrehana izany, satria handray soa ara-panahy avy amin’izany ianao. Nisy taona sasany tsy nanaovana fivoriamben’ny distrika fa fivoriambem-pirenena na niraisam-pirenena. Ny lehibe indrindra nalamina tao amin’ny toerana iray ihany dia ilay tamin’ny 1958, tao amin’ny Yankee Stadium sy tany amin’ny Polo Grounds any New York; naharitra valo andro izy io. Tamin’io fotoana io, dia olona 253 922 no nihaino ilay lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Nandray ny fiandrianany ny Fanjakan’Andriamanitra — Akaiky ve ny faran’izao tontolo izao?” Hatramin’izao ireo fivoriambe dia atao ao amin’ireo tanàn-dehibe indrindra, satria tsy misy toerana ampy fahalalahana intsony mba handraisana vahoaka toy izany.

IREO FIVORIANA AO AMIN’NY KONGREGASIONA

24. Inona avy ireo fivoriana dimy fanaon’ny kongregasionan’ny olon’Andriamanitra isan-kerinandro?

24 Ataon’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izay hisian’ny fandaharam-pampianarana ny Baiboly iombonana, hatao ao amin’ny kongregasionan’ny olon’Andriamanitra rehetra. Manao fivoriana dimy isan-kerinandro ny tsirairay avy aminy: Ny Fianarana ny fanompoana teokratika, ny fivoriana momba ny asa, ny fivoriana ampahibemaso, ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Holazalazaintsika tsirairay avy ny amin’izy ireo.

25, 26. Inona moa no zava-kendren’ny Fianarana ny fanompoana teokratika sy ny fivoriana momba ny asa?

25 Ny Fianarana ny fanompoana teokratika dia manampy ireo mpianatra misoratra anarana hiresaka amin’ny fomba mandaitra kokoa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Indraindray izy ireny dia manao toriteny fohy miorina amin’ny foto-dresaka araka ny Baiboly eo anoloan’ny mpihaino rehetra, ary manome fanipazan-kevitra ho azy ny loholona za-draharaha iray mba hanampiana azy ireny hanao tsaratsara kokoa.

26 Mandrakariva dia amin’io hariva io ihany koa no anaovana ny fivoriana momba ny asa, ka ny fandaharana aminy dia ao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, taratasy avoaka isam-bolana, misy pejy efatra na mihoatra atontan’ny Kolejy foibe. Amin’io fivoriana io dia atao ny fanipazan-kevitra azo ampiharina sy ny fampisehoana fomba mandaitra rehefa mitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nampianatra ny mpianany ny fomba fanatanterahana ny fanompoany koa Kristy. — Jaona 21:15-17; Matio 10:5-14.

27, 28. Karazam-pivoriana inona moa ny fivoriana ampahibemaso, ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona?

27 Ny fivoriana ampahibemaso sy ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia mandrakariva atao ny alahady. Ireo vaovao dia asaina amin’ny fivoriana ampahibemaso anaovan’ny minisitra havanana iray lahateny araka ny Baiboly. Ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, lahatsoratra iray momba ny Baiboly avoaka ao amin’ny nomerao faramparany amin’io gazety resahina io.

28 Raha ao amin’ny Efitrano Fanjakana no mivory ny kongregasiona manontolo amin’ireo fivoriana voatonona eo aloha, dia ao an-tokantranon’olona manokana kosa no mivory ny antokon’olom-bitsy kokoa amin’ny fianarana ny boky. Ny boky fianarana Baiboly, sahala amin’ity boky ity no atao fototry ny fiaraha-mandinika maharitra ora iray eo ho eo.

29. a) Fahatsiarovana inona no ankalazain’ny kristiana marina isan-taona? b) Iza no mandray anjara, araka ny mety, amin’ny mofo sy ny divay?

29 Ankoatra ireo fivoriana fanao isan-kerinandro ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mivory isan-taona amin’ny andro fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy. Rehefa nanorina ny Sakafo fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy, dia izao no nolazainy: “Izao no ataovinareo [hatrany, MN] ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19, 20) Tamin’ny fankalazana tsotra, dia nampiasa divay sy mofo tsy misy masirasira i Jesosy ho mariky ny aina efa hatolony ho sorona ho an’ny olombelona. Araka izany, rehefa atao io sakafo Fahatsiarovana isan-taona io, ny sisa amin’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra 144 000 dia manambara ny fanantenany ho any an-danitra amin’ny fandraisana anjara amin’ny mofo sy ny divay.

30. a) Iza koa no manatrika ny Fahatsiarovana, ary inona no fanantenany? b) Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ireny olona ireny?

30 Olona an-tapitrisany maro hafa koa no manatrika an’io Fahatsiarovana io amin’ny maha-mpitazana. Izany dia mampahatsiahy azy ireo koa izay nataon’i Jehovah sy Jesosy Kristy mba hanafahana azy ireo amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Manantena izy ireo ny hiaina, tsy any an-danitra fa ao amin’ny paradisa an-tany mandrakizay. Izy ireny dia sahala amin’i Jaona mpanao batisa izay niseho ho “sakaizan’ny mpampakatra” fa tsy anisan’ny fitambaran’ny ampakariny voaforon’ny 144 000 (Jaona 3:29) Ireny olona an-tapitrisany maro ireny dia anisan’ny “ondry hafa” fa tsy ny “ondry vitsy”. Nefa, araka ny nolazain’i Jesosy, izy ireny dia manompo ao anatin’ny firaisan-tsaina miaraka amin’ireo anisan’ny “ondry vitsy”, mba ho tonga “andiany iray” ihany izy rehetra. — Jaona 10:16; Lioka 12:32.

AOKA ISIKA HANOMPO AN’ANDRIAMANITRA MIARAKA AMIN’NY FANDAMINANY

31. Inona no mampiseho fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ireo izay mijanona ao amin’ny fivavahan-diso iray nefa manandrana ho anisan’ny fandaminany?

31 Sahala amin’ny taloha, amin’izao andro izao Jehovah dia manana fandaminana hita maso. Noho io fiasana io, dia mampiofana ny vahoakany ho amin’ny fiainana ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina izy. Tsy azo atao anefa ny sady ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra no ho anisan’ny fivavahan-diso. Izao no lazain’ny Baiboly: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary (...) ny mazava sy ny maizina? (...) Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” Ary dia mandidy toy izao Jehovah: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy.” — II Korintiana 6:14-17.

32. a) Inona no tokony hatao mba ‘hivoahana avy eo aminy’? b) Inona no soa raisin’izay manapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra miaraka amin’ny fandaminany teokratika hita maso?

32 Inona no dikan’ny hoe ‘mivoaka eo aminy’? Tsy ho azo atao ny hanaraka an’io baiko io raha mbola anisan’ny fandaminana ara-pivavahana iray hafa noho ilay ampiasain’i Jehovah na mbola manohana izany ihany. Raha misy anankiray amintsika àry mbola anisan’ny fandaminana ara-pivavahana toy izany ihany, dia tokony hampahafantariny azy ny fialany. Izay rehetra misaraka amin’ny mpanaraka fivavahan-diso izao mba hanompo amim-paharisihana an’Andriamanitra miaraka amin’ny fandaminany teokratika hita maso dia anisan’ireo nilazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko.” — II Korintiana 6:16.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 192]

Tamin’ny andron’ny safodrano, moa ve nanana fandaminana nihoatra ny iray Andriamanitra?

[Sary, pejy 196]

FOIBE IRAISAM-PIRENEN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

Ireo BIRAO FITANTANAN-DRAHARAHA

“Ordinateurs”

FANONTAM-PIRINTY ANY BROOKLYN

“Rotatives”

Fanaovana fonom-boky

Fandefasana entana

[Sary, pejy 197]

NY SASANTSASANY AMIN’IREO FANONTAM- PIRINTIN’NY FIKAMBANANA WATCH TOWER MARO

Brésil

Angletera

Afrika Atsimo

Etazonia (Wallkill)

Kanada

[Sary, pejy 198]

Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York — mpanatrika 253 922

Polo Grounds

Yankee Stadium

[Sary, pejy 201]

Fandaharam-pianarana ny Baiboly ao amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah