Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fiverenan’i Kristy — amin’ny heviny ahoana izany no hoe hita maso?

Ny fiverenan’i Kristy — amin’ny heviny ahoana izany no hoe hita maso?

Toko faha-17

Ny fiverenan’i Kristy — amin’ny heviny ahoana izany no hoe hita maso?

1. a) Inona no fampanantenana nomen’i Kristy? b) Nahoana izy no tokony hiverina?

’HO AVY INDRAY AHO’. (Jaona 14:3). Izany no fampanantenana nomen’i Jesosy an’ireo mpianany ny alina nialoha ny hahafatesany. Azo inoana fa hekenao ny hoe tsy mbola tsy hita toy ny ankehitriny mihitsy ny fiadanana, ny fahasalamana sy ny fiainana, zavatra hoentin’ny fiverenan’i Kristy nandray fahefana ho an’ny olombelona. Fa amin’ny fomba ahoana no iverenan’i Kristy? Iza no mahita azy ary amin’ny fomba ahoana?

2. a) Amin’ny fiverenany, aiza ny hasain’i Kristy honina ireo mpianany voahosotra, anisan’izany ireo apostoliny? b) Tena toy inona no hananan’izy ireny amin’izay?

2 Tsy miverina eto an-tany Kristy. Ireo hanjaka eo anilany kosa no handeha hiara-hiaina aminy any an-danitra. Hoy Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:3). Araka izany, amin’ny fiverenany, ireo izay akarina ho any an-danitra dia tonga zavaboary ara-panahy ary mahita an’i Kristy ao amin’ny tenany ara-panahy be voninahitra (I Korintiana 15:44). Ary ireo izay tsy mankany an-danitra, moa ve izy ireny mahita an’i Kristy amin’ny fiverenany?

NY ANTONY TSY AHAFAHANY MIVERINA AMIN’NY MAHA-OLOMBELONA

3. Inona no porofo araka ny Baiboly manamarina fa tsy hahita an’i Kristy intsony mihitsy ny olona?

3 Tamin’io alina io, dia hoy Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao”. (Jaona 14:19). Manondro ny olombelona ny hoe “izao tontolo izao”. Araka izany, dia nolazain’i Jesosy fa tsy hahita azy intsony ny olombelona aorian’ny hiakarany any an-danitra. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.” — II Korintiana 5:16.

4. Inona no manamarina fa miverina amin’ny maha-fanahy (esprit) tsy hita maso sy mahery Kristy?

4 Miely aoka izany anefa ny finoana fa Kristy dia hiverina amin’ilay tena novonoina ka ho hitan’ny olona rehetra. Lazain’ny Baiboly anefa fa Kristy dia miverina ao amin’ny voninahitra miaraka amin’ny anjely rehetra ary mipetraka “eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny”. (Matio 25:31.) Raha tsy maintsy tonga mba hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’olombelona i Jesosy, dia ho ambany noho ny an’ny anjely ny toerany. Miverina ho mahery indrindra sy be voninahitra indrindra amin’ireny zanaka ara-panahin’Andriamanitra rehetra ireny anefa izy. Noho izany antony izany dia tsy hita maso sahala amin’izy ireny koa izy. — Filipiana 2:8-11.

5. Nahoana Kristy no tsy afaka niverina tao amin’ny tena olombelona?

5 Afa-tsy izany koa, 1900 taona mahery lasa izay, dia tsy maintsy nietry i Jesosy mba hahatongavana ho olombelona sy hanomezana ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra ho antsika. Hoy izy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jaona 6:51). Tamin’izany no nanomezan’i Jesosy ny tenany nofo ho sorona ho an’ny olombelona. Hisy vokany maharitra ve io sorona io? Namaly tamin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha.” (Hebreo 10:10). Koa satria nomeny ho fiainan’izao tontolo izao ny nofony, dia tsy afaka mandray izany indray intsony Kristy mba hahatongavana ho olombelona. Noho izany antony tena lehibe izany no tsy ahafahany miverina amin’ny tenan’olombelona nataony sorona indray mandeha monja.

TSY NAKARINA HO ANY AN-DANITRA NY TENANY ARA-NOFO

6. Nahoana no misy olona be dia be mieritreritra fa nitondra ny tenany ara-nofo any an-danitra Kristy?

6 Be dia be no mieritreritra fa niakatra ho any an-danitra niaraka tamin’ny tenany nofo Kristy satria izany tsy hita tao am-pasana taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty (Marka 16:5-7). Toy izany koa, taorian’ny nahafatesany Jesosy dia niseho tamin’ireo mpianany tao amin’ny tena nofo mba hanaporofoana tamin’izy ireo fa velona tokoa izy. Indray andro aza izy dia nilaza tamin’i Tomasy apostoly mba hametraka ny tanany eo amin’ny lanivoany, mba hampiaiky azy ny amin’ny fitsanganany (Jaona 20:24-27). Moa ve tsy porofo izany fa natsangana tamin’ilay tenany novonoina Kristy?

7. Inona no porofo ananantsika fa niakatra ho any an-danitra amin’ny maha-fanahy (esprit) Kristy?

7 Tsia, satria “Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, (...) ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy”. (I Petera 3:18.) Tsy afaka miaina any an-danitra ny olombelona nofo aman-dra. Raha niresaka ny amin’ny fananganana ho amin’ny fiainana any an-danitra ny Baiboly dia nilaza toy izao: “Afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. (...) Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra”. (I Korintiana 15:44-50). Ireo fanahy (esprits) manana tena ara-panahy ihany no afaka ny hiaina any an-danitra.

8. Inona no niafaran’ny tenan’i Kristy ara-nofo?

8 Inona no niafaran’ny tena ara-nofon’i Jesosy? Nahita ny fasany foana tokoa ireo mpianatra. Nahoana? Satria nesorin’Andriamanitra ny tenan’i Jesosy, araka ny nambara ao amin’ny Baiboly (Salamo 16:10; Asa. 2:31). Nataon’i Jehovah toy izany koa ny tenan’i Mosesy (Deoteronomia 34:5, 6). Etsy andaniny koa, raha navela tao am-pasana ny tenan’i Jesosy, dia tsy ho takatr’ireo mpianatra fa novelomina indray izy, satria tamin’izany fotoana izany izy ireo dia tsy nanana fahalalana feno ny zavatra ara-panahy.

9. Ahoana no nahatonga an’i Tomasy ho afaka hikasika ratra tamin’ny tenan’i Kristy tafatsangana tamin’ny maty nitafy nofo?

9 Nefa moa ve ny nahafahan’i Tomasy nitsapa ny lanivoan’i Jesosy tsy manaporofo fa natsangana nanana ilay tena nofantsihina tamin’ny hazo izy? Tsia, satria nitafy vatana i Jesosy, toy ny nataon’ireo anjely taloha. Mba hampiaikena an’i Tomasy, dia nitafy vatana voamariky ny lempona izy. Niseho tena toy ny olona izy, afaka nihinana sy nisotro, toy ireo anjely nampiantranoin’i Abrahama. — Genesisy 18:8; Hebreo 13:2.

10. Inona no mampiseho fa nitafy vatana ara-nofo isan-karazany i Jesosy?

10 Na dia tamin’ny tena tsy misy hafa amin’ilay novonoina aza no nisehoan’i Jesosy tamin’i Tomasy, dia nitafy vatana hafa izy mba hisehoana tamin’ireo mpianany. Tamin’izany no niheveran’i Maria Magdalena an’i Jesosy ho mpiandry saha aloha. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia tsy nahalala azy avy hatrany ireo mpianany; ny nanokatra ny masony nony avy eo dia teny na fihetsika nasehony. — Jaona 20:14-16; 21:6, 7; Lioka 24:30, 31.

11, 12. a) Tamin’ny fomba ahoana no nandaozan’i Kristy ny tany? b) Noho izany, amin’ny fomba ahoana no azontsika ampoizina fa hahitana azy miverina?

11 Nandritra ireo 40 andro nanaraka ny nananganana azy tamin’ny maty, dia niseho tamin’ny mpianany tao amin’ny tena nofo i Jesosy (Asa. 1:3). Avy eo dia niakatra ho any an-danitra izy. Mety hisy hilaza toy izao: “Moa ve ireo anjely nanatrika ny niakarany ho any an-danitra tsy nilaza tamin’ireo apostoly fa Kristy dia ‘ho avy tahaka [araka ny fomba, MN] nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra’?” (Asa. 1:11). Izany tokoa, nefa mariho fa “araka ny fomba” no nolazainy fa tsy hoe ao amin’ilay tena taloha ihany. Tamin’ny fomba ahoana no niaingan’i Jesosy? Tsy nisy tabataba na fisehosehoana ampahibemaso. Ireo apostoliny ihany no nahafantatra izany.

12 Toy izao no ilazalazan’ny Baiboly ny fomba niakaran’i Jesosy ho any an-danitra: “Dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.” (Asan’ny apostoly 1:9). Araka izany, raha mbola niakatra ho any an-danitra i Jesosy, dia nisy rahona nanakona azy tsy ho hitan’ny apostoliny, ka nanjary tsy hita maso izy. Tamin’izay dia niakatra ho any an-danitra tamin’ny tenany ara-panahy izy (I Petera 3:18). Toy izany koa, tsy ho hita maso ny fiverenany, satria miverina amin’ny tena ara-panahy izy.

NY FOMBA HAHITAN’NY MASO REHETRA AZY

13. Ahoana no tokony handraisana ny hoe ‘ny maso rehetra hahita’ an’i Kristy rehefa ho avy amin’ny rahona izy?

13 Ahoana àry no tokony handraisana ny hevitry ny Apokalypsy 1:7 izay anoratan’ny apostoly Jaona toy izao: “Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Ny resahina eo dia tsy hoe mahita amin’ny heviny ara-bakiteny, fa amin’ny heviny ara-panoharana, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mahay manavaka na mahafantatra. Mba hampisehoana fa azon’ny tena izay lazaina, moa ve indraindray tsy izao no atao: ‘Hitako.’ Raha ny marina, moa ve ny Baiboly tsy miresaka ny amin’ny “mason’ny sainareo”. (Efesiana 1:18.) Noho izany, ny fitenenana hoe “ny maso rehetra hahita Azy” dia milaza fa ho takatry ny olona rehetra ny hoe manatrika Kristy.

14. a) Inona no dikan’ny fitenenana hoe “izay nandefona Azy”? b) Nahoana no hisy alahelo lehibe rehefa ho takatry ny olona amin’ny farany fa manatrika Kristy?

14 Efa tsy eo intsony ireo olona “nandefona” an’i Jesosy. Noho izany, izy ireny dia mampiseho an’ireo izay manahaka ireny olona tamin’ny taonjato voalohany ireny amin’ny fanasiana ratsy ireo mpianatr’i Kristy amin’ny andro ankehitriny (Matio 25:40, 45). Tsy ho ela dia haringan’i Jesosy ireny ratsy fanahy ireny. Efa nampiomanina ny amin’izany izy ireny. Rehefa haneno ny ora fandringanana, dia “hahita” na hahatakatra izay mitranga ary horotidrotehin’ny alahelo izy ireny.

MIVERINA ETO AN-TANY VE JESOSY?

15. Amin’ny fomba ahoana moa matetika no ampiasana ny teny hoe “fiverenana”?

15 Tsy milaza fifindran-toerana foana akory ny hoe miverina. Ohatra, lazaina rehefa saiky maty ny marary iray fa “mody na miverina aminy ny fahasalamany” ary ny mpitondra taloha dia lazaina ho “miverina eo amin’ny fahefana”. Toy izany koa fa nilaza toy izao tamin’i Abrahama Andriamanitra: “Amin’ny fotoan’andro raha avy taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.” (Genesisy 18:14; 21:1). Ny fiverenan’i Jehovah dia ny fampitodihana ny sainy ho amin’i Saraha mba hanatanterahana ny fampanantenany.

16. a) Amin’ny fomba ahoana no iverenan’i Kristy eto an-tany? b) Oviana no tafaverina Kristy, ary inona no nitranga tamin’izay?

16 Toy izany koa, ny fiverenan’i Kristy dia tsy milaza fa hiverina eto an-tany izy fa hanitatra ho amin’ny tany kosa ny fahefam-piandrianany ka hampitodika ny sainy ho aminy. Tsy mitaky ny handaozany ny seza fiandrianana any an-danitra izany. Araka ny efa hitantsika, ireo fanambaran’ny Baiboly dia manaporofo fa tonga tamin’ny 1914 ny fotoana voatendrin’Andriamanitra tsy maintsy hiverenan’i Kristy sy hanombohany ny fiandrianany. Tamin’io fotoana io no nanakoako tany an-danitra izao antsoantso izao: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny”! — Apokalypsy 12:10.

17. Koa satria tsy hita maso ny fiverenan’i Kristy, inona no nomeny antsika mba hahatonga antsika ho afaka hahafantatra fa tafaverina izy?

17 Koa satria tsy hita maso ny fiverenan’i Kristy, amin’ny fomba ahoana no hanamarinana izany? Ny tenan’i Kristy mihitsy no nanome “famantarana” mba hahatonga antsika ho afaka hahafantatra fa manatrika amin’ny fomba tsy hita maso izy ary akaiky ny faran’izao tontolo izao. Aoka hodinihintsika izany “famantarana” izany.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 142]

Nomen’i Kristy ho sorona ny tenany. Tsy afaka nandray izany indray izy mba hahatongavana ho olona indray.

[Sary, pejy 144, 145]

Nahoana moa Jesosy no noheverin’i Maria Magdalena ho mpiandry saha taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty?

Tena nofo inona no nasain’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty nokasihin’i Tomasy?

[Sary, pejy 147]

Tokony ho sahala amin’ny fomba nandaozany ny tany no hiverenan’i Kristy. Tamin’ny fomba ahoana no niaingany?