Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
Toko faha-22
Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
1. Iza no nanaraka ny fivavahana marina tamin’ny taonjato voalohany?
TSY ISALASALANA fa mora ny namantatra ireo nanaraka ny fivavahana marina tamin’ny taonjato voalohany. Ireo mpianatr’i Kristy izany. Anisan’ilay hany fandaminana kristiana tamin’izay fotoana izay izy rehetra. Iza amin’izao andro izao no manaraka ny fivavahana marina?
2. Ahoana no amantarana ireo izay manaraka ny fivavahana marina?
2 Hoy Jesosy: “Ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy (...). Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:16-20) Voa tsara inona no tokony homen’ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra? Tokony ho vonona hanao inona izy ireny?
NY FANAMASINANA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
3, 4. a) Inona no nangatahan’i Jesosy voalohany indrindra tao amin’ny vavaka faka tahaka nataony? b) Ahoana no nanamasinan’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra?
3 Ireo mpivavaka marina amin’Andriamanitra dia manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka faka tahaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany. Manomboka toy izao izany: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Milaza toy izao ny fandikan-teny hafa iray: “Hekena anie ny fahamasinan’ny anaranao.” (Matio 6:9, Ny Testamenta Vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra). Inona no dikan’ny hoe manamasina ny anaran’Andriamanitra? Ahoana no nanamasinan’i Jesosy an’io anarana io?
4 Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao.” (Jaona 17:6) Eny, nampahafantarin’i Jesosy ny rehetra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tsy nohadinoiny ny nampiasa io anarana io. Fantany fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hankalazana ny anarany amin’ny tany rehetra; koa nanome ohatra izy tamin’ny fanambarana sy tamin’ny fanamasinana io anarana io. — Jaona 12:28; Isaia 12:4, 5.
5. a) Ahoana no nifamatoran’ny kongregasiona kristiana tamin’ny anaran’Andriamanitra? b) Inona no tokony hataontsika mba hahazoana famonjena?
Asan’ny apostoly 15:14) Araka izany, ny olon’Andriamanitra dia tokony hanamasina ny anarany sy hampahafantatra azy amin’ny tany rehetra. Raha ny marina, ny famonjena dia miankina amin’ny fahalalana an’io anarana io, satria, araka ny filazan’ny Baiboly, “izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN] no hovonjena”. — Romana 10:13, 14.
5 Asehon’ny Baiboly fa ny fisian’ny tena kongregasiona kristiana mihitsy dia mifamatotra amin’ny anaran’Andriamanitra. Nambaran’ny apostoly Petera ny amin’ny “nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.” (6. a) Moa ve manamasina ny anaran’Andriamanitra ireo Fiangonana amin’ny ankapobeny? b) Misy anankiray manao fanambarana ny amin’ny anaran’Andriamanitra ve?
6 Iza amin’izao andro izao no manamasina ny anaran’Andriamanitra sy mampahafantatra azy amin’ny tany manontolo? Tsy mety mampiasa ny anaran’i Jehovah ny ankamaroan’ireo Fiangonana. Ny sasany aza mahavita hatramin’ny fanesorana azy io tsy ho ao amin’ireo fandikany ny Soratra masina. Raha miresaka matetika ny amin’i Jehovah amin’ny manodidina anao ianao dia tondroiny ho anisan’ny fivavahana inona? Tokana monja ny vahoaka miavaka amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’i Jesosy amin’io lafiny io. Ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana dia ny hanompo an’Andriamanitra sy hanao fanambarana ny amin’ny anarany, toy ny nataon’i Isaia 43:10-12.
Jesosy. Koa nandray ny anarana araka ny Baiboly hoe “Vavolombelon’i Jehovah” izany vahoaka izany. —NY FANAMBARANA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
7. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra?
7 Tao amin’ny vavaka faka tahaka nomeny, dia nosoritan’i Jesosy koa ny maha-zava-dehibe ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza izy mba hangatahana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” (Matio 6:10) Nosoritan’i Jesosy foana fa ilay Fanjakana no hany fanafodin’ny fahorian’ny olombelona. Izy sy ireo apostoliny dia nitory ilay Fanjakana ‘nitety vohitra’ sy nandeha “isan-trano”. (Lioka 8:1; Asan’ny apostoly 5:42; 20:20) Ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitry ny fitoriany sy ny fampianarany.
8. Araka ny filazan’i Jesosy, inona no ho hafatra lehibe indrindra hampianarin’ireo tena mpianany ao anatin’ny “andro farany”?
8 Ary amin’izao andro izao, inona no foto-pampianaran’ny fandaminan’Andriamanitra? Tao amin’ny faminaniany momba ny “andro farany”, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN) Araka izany, dia ny amin’ilay Fanjakana no hafatra lehibe indrindra entin’ny olon’Andriamanitra amin’izao andro izao.
9. Iza amin’izao andro izao no mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana?
9 Rehefa misy olona tonga ao am-baravaranao mba hiresaka aminao ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana ho an’ny olombelona, tondroinao ho avy amin’ny fivavahana inona Daniela 2:44.
moa izany mpitsidika izany? Ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah, iza koa no niresaka taminao ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Amin’ny ankamaroany, ireo anisan’ny fivavahana hafa dia tsy mahalala akory hoe inona io Fanjakana io. Tsy miresaka ny amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra izy ireny. Tsy maintsy hanozongozona an’izao tontolo izao anefa ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Nolazain’i Daniela mpaminany mialoha fa io Fanjakana io dia ‘hanorotoro sy hanafoana ny fitondram-panjakana hafa rehetra ka izy irery ihany no hanapaka ny tany’. —NY FANAJANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fanajany ny Tenin’Andriamanitra?
10 Ny marika hafa iray koa amantarana ny mpanaraka ny fivavahana marina dia ny fihetsika asehon’izy ireo eo anoloan’ny Baiboly. Tamin’ny fotoana rehetra, dia nampiseho fanajana lehibe ny Soratra masina i Jesosy. Imbetsaka izy no nanonona izany ho fahefana ambony indrindra (Matio 4:4, 7, 10; 19:4-6) Noporofoiny koa fa nanaja aoka izany ny Baiboly izy tamin’ny fanarahana ny fitsipiny. Tsy nampihem-bidy ny Baiboly velively i Jesosy fa nomelohiny kosa ireo nanome fampianarana nifanohitra taminy ka nanandrana nanao izay hanafoanana azy tamin’ny fampianaran’ny tenany. — Marka 7:9-13.
11. Manao ahoana moa matetika ny fihetsik’ireo Fiangonana eo anoloan’ny Tenin’Andriamanitra?
11 Ary ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, moa ve izy ireny mampiseho fanajana lehibe indrindra ny Baiboly? Mpitondra fivavahana maro be no tsy mino ireo fitantarana araka ny Baiboly momba ny fahotan’i Adama, ny safodrano, ets. Lazainy fa tsy noforonin’Andriamanitra nivantana ny olombelona fa vokatry ny fivoarana miandalana. Amin’izany ve no amporisihan’izy ireny hanaja ny Tenin’Andriamanitra? Mihevitra ny sasany aminy fa tsy azo tsinina ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana ary azo heverina ho mety koa aza ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy na vehivavy amin’ny vehivavy sy ny famporafesana. Moa ve mitaona ny olona handray ny Baiboly ho mpitari-dalana izy ireny amin’izany? Tsia, tsy manaraka ny ohatra nomen’ny Zanak’Andriamanitra sy ireo apostoliny izy ireny. — Matio 15:18, 19; Romana 1:24-27.
12. a) Nahoana moa ny fanompoam-pivavahan’ny olona maro be manana ny Baiboly no tsy ankasitrahan’Andriamanitra? b) Raha misy mpanao ratsy an-tsitrapo omen-dalana hijanona eo anivon’ny Fiangonany, inona no tokony hotsoahina avy amin’izany?
12 Misy mpiangona manana Baiboly sy mianatra izany mihitsy aza, Titosy 1:16; II Timoty 3:5). Raha misy mpiangona manaram-po amin’ny filokana, ny fisotroana, ets., omen-dalana hijanona eo anivon’ny Fiangonany, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany Fiangonana izany. — I Korintiana 5:11-13.
nefa porofoin’ny fomba fiainany fa tsy manaraka izany izy ireny. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy ireny: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany.” (13. Inona no fanapahan-kevitra lehibe tokony hatao rehefa tsapa fa tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny an’ny Fiangonan’ny tena?
13 Raha nianatra ireo toko teo aloha ianao ka nandinika ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly noraisina, dia nahafantatra ireo foto-pampianarana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana izao raha toa ireo fampianaran’ny Fiangonanao ka tsy mifanaraka amin’ny an’ny Tenin’Andriamanitra? Lehibe ny raharaha. Tsy maintsy atao ny fanapahan-kevitra: na hanaiky ny fahamarinan’ny Baiboly, na handa izany fa handray ireo fampianarana tsy araka ny Baiboly. Mazava ho azy fa anjaranao ny manao ny fanapahan-kevitra. Hevero tsara anefa ilay raharaha, satria miankina amin’ny fanapahan-kevitrao ny toeranao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fanantenanao fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany.
TAFASARAKA HATRANY AMIN’IZAO TONTOLO IZAO IZY IRENY
14. a) Manonòna toetoetra hafa iray koa mampiavaka ny fivavahana marina. b) Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hamenoan’ny mpivavaka marina an’io fepetra io?
14 Ny toetoetra hafa iray koa mampiavaka an’ireo mpanaraka ny fivavahana marina dia izy “tsy naman’izao tontolo izao”, araka ny nolazain’i Jesosy. (Jaona 17:14) Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra dia tafasaraka hatrany amin’izao tontolo izao ratsy sy ny raharahany. Tsy nanaiky ho tonga filoha ara-politika i Jesosy (Jaona 6:15) Rehefa tsaroana fa Satana Devoly no filohan’izao tontolo izao, dia takatra fa zava-dehibe tokoa ny hisarahana aminy hatrany (Jaona 12:31; II Korintiana 4:4) Miharihary koa amin’izao fanambarana ao amin’ny Baiboly izao ny maha-zava-dehibe an’io raharaha io: “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” — Jakoba 4:4.
15. a) Tena mihataka amin’izao tontolo izao tokoa ve ireo Fiangonana fantatrao? b) Moa ve ianao mahalala fivavahana iray tsy naman’izao tontolo izao?
15 Mahafeno an’io fepetra io ve ireo Fiangonana fantatrao? Azo atao ve ny milaza fa “tsy naman’izao tontolo izao” ny klerjy sy ireo mpiangona ao aminy? Sa kosa, mifanohitra amin’izany, izy ireny dia mitsabaka lalina amin’ny raharahan’izao tontolo izao, ny fanindraI Jaona 2:15-17.
hindrany firenena, ny politikany sy ny ady ifanaovan’ireo kilasy ao aminy? Tsy ilaina ny manoro anao ny valiny, satria fantatra tsara ireo asan’ny Fiangonana. Mora koa ny mandinika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah; ho hitanao fa tena manaraka tokoa ny ohatra nomen’i Kristy sy ireo mpianany voalohany izy ireny amin’ny fisarahana hatrany amin’izao tontolo izao, ny raharahany ara-politika, ny lalany feno fitiavan-tena sy faharatsiam-pitondrantena ary herisetra. —MIFANKATIA IZY IREO
16. Inona no marika mampiavaka indrindra ny tena mpianatr’i Kristy?
16 Ny marika mampiavaka indrindra ireo tena mpianatr’i Kristy dia ny fifankatiavan’izy ireo. Izao no nolazain’i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Manana an’io marika mampiavaka io ve ireo fandaminana ara-pivavahana fantatrao? Ohatra, inona no ataon’izy ireny rehefa miova ho ady ny fifandraisana eo amin’ireo firenena?
17. Mampiseho fifankatiavana eo amin’izy samy izy ve ireo Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy?
17 Fantatrao tsara izay mitranga mandrakariva. Araka ny baikon’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao, ireo anisan’ny Fiangonana isan-karazany dia mandeha hamono mpino namany hafa firenena. Araka izany, dia mifamono ny samy katolika, samy protestanta sy samy miozilimana. Heverinao ve fa mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fihetsika toy izany ka ahitana taratry ny fanahin’Andriamanitra? — I Jaona 3:10-12.
18. Mifankatia ve ireo Vavolombelon’i Jehovah?
18 Mifankatia ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsy manaraka ny ohatra omen’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao izy ireo. Tsy mifamono izy ireo na mandainga amin’ny filazana hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, sady mankahala an’ireo I Jaona 4:20, 21). Mampiseho fitiavana koa anefa izy ireo amin’ny lafiny hafa. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fomba fitondrany ny manodidina azy sy amin’ny fiezahana hanampy ny mpiara-belona aminy hahalala an’Andriamanitra. — Galatiana 6:10.
rahalahiny hafa firenena, foko na firazanana (FIVAVAHANA MARINA IRAY MONJA
19. Nahoana moa no sady araka ny fandrindran-kevitra no araka ny Baiboly ny ilazana fa tokana ihany ny fivavahana marina?
19 Araka ny fandrindran-kevitra, dia tsy tokony hisy afa-tsy fivavahana marina tokana. Izany dia mifanaraka amin’ny hoe ilay Andriamanitra marina dia Andriamanitra, “tsy an’ny fikorontanana, fa an’ny fiadanana”. (I Korintiana 14:33, MN) Afa-tsy izany koa, dia “iray ny finoana”, araka ny filazan’ny Baiboly (Efesiana 4:5) Iza àry amin’izao androntsika izao no mpivavaka marina amin’Andriamanitra?
20. a) Araka ny fanazavan’ny zava-misy, iza no tondroin’ity boky ity ho ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra amin’izao andro izao? b) Miray hevitra amin’izany ve ianao? d) Inona no fomba tsara indrindra hahafantarana tsara ny Vavolombelon’i Jehovah?
20 Mamaly tsy amim-pisalasalana izahay hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah. Mba hampiaiky anao ny amin’izany, dia ampy ny mifankahalala misimisy kokoa amin’izy ireny. Ny tsara indrindra dia ho ny fanatrehanao ireo fivoriana ataony ao amin’ireo Efitrano Fanjakanany. Koa satria ny fanarahana ny fivavahana marina mitondra fahafahampo dieny izao ary mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, moa ve tsy mendrika ny hatao izany fiezahana izany (Deoteronomia 30:19, 20)? Mamporisika anao amin-kafanam-po hanao izany izahay. Atombohy dieny izao.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 185]
Raha miresaka an’i Jehovah sy ny Fanjakany amin’olona ianao, dia tondroiny ho anisan’ny fivavahana inona?
[Sary, pejy 186]
Manaja ny tenin’Andriamanitra ve ny olona iray raha tsy miaina mifanaraka amin’izany?
[Sary, pejy 188, 189]
Tsy nanaiky ho tonga filoha ara-politika i Jesosy.
[Sary, pejy 190]
Asaina amin-kafanam-po ianao hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.