Ny fomba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
Toko faha-15
Ny fomba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra
1, 2. Inona no takina amin’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
TIANAO ve ny hiaina mandrakizay eto an-tany hotapahin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? Izay rehetra mahay mitsara zavatra dia hamaly hoe eny. Miharihary fa mba hahazoana ny soa hoentin’io fitondram-panjakana io, dia tsy ampy ny maniry izany; ilaina ny mahafeno fepetra sasany.
2 Aoka, ohatra, hatao hoe tianao ny ho tonga olom-pirenen’ny tany hafa iray. Araka ny ampoizinao, dia tokony hahafeno ireo fepetra takin’ny fitondram-panjakana ao amin’io tany io ianao. Ho fanombohana, dia ilainao ny mahafantatra izay takin’Andriamanitra amin’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakany sy ny mahafeno izany fepetra izany.
ILAINA NY FAHALALANA
3. Inona no anankiray amin’ireo fepetra takina amin’ny ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
3 Ny fepetra lehibe indrindra takina mba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia ny fianarana ny ‘fiteniny’. Ara-drariny tokoa izany. Ny fitondram-panjakana sasany dia mitaky koa ny hahaizan’ireo olom-pireneny vaovao hiteny amin’ny fitenin’ilay tany. Inona àry no “fiteny” tokony hianarana mba hiainana eo ambanin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
4. “Fiteny madio” inona no tokony hianaran’ny olon’Andriamanitra?
4 Mariho izay lazain’i Jehovah momba izany: “Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry [homeko fiteny madio, MN] ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” (Zefania 3:9). Izany “fiteny madio” izany dia ny fahamarinan’Andriamanitra aharihary ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Araka izany, mba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panja kan’Andriamanitra, dia ilaina ny mianatra an’io “fiteny” io amin’ny fikatsahana fahalalana an’i Jehovah sy izay rehetra mahakasika ny Fanjakany. — Kolosiana 1:9, 10; Ohabolana 2:1-5.
5. a) Inona no tokony ho fantatsika ny amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? b) Inona no fahalalana tokony ho azontsika mba handraisana ny fiainana mandrakizay?
5 Misy fitondram-panjakan’olombelona mitaky ny hahalalan’ireo ho tonga olom-pirenena, ny tantarany mbamin’ny fomba fiasany. Takina amin’ireo ho tonga vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra koa izany. Izany fahalalana izany dia mety hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia hoy Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
6. a) Inona moa no sasantsasany amin’ireo fanontaniana tokony ho hain’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra valiana? b) Afaka mamaly izany ve ianao?
6 Ny fianarana ireo toko teo aloha dia tsy maintsy ho nahatonga anao ho afaka hahazo fahalalana lehibe. Fantaro izany amin’ny fanandramana mamaly an’ireto fanontaniana ireto: Oviana moa Andriamanitra no nampiharihary ny fikasany hanorina fanjakana na fitondram-panjakana iray? Iza moa no sasantsasany amin’ireo mpanompon’Andriamanitra nanantena ny ho tonga vahoakany eto an-tany? Firy no filoha mahaforona io fitondram-panjakana io? Avy aiza no hanjakan’izy ireny? Iza moa aloha no nofidina ho anisan’io fitondram-panjakana io? Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa ho
mpanjaka tsara izy? Nefa mba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia tsy ampy ny hahafantarana ireo toetra mampiavaka azy.TAKINA NY FITONDRANTENA MAHITSY
7. Raha ny amin’ireo fitondram-panjakan’olombelona, ahoana no tsy itovian’ny fepetra takin’izy ireo?
7 Ireo fitondram-panjakana dia mitaky ny hitandreman’ireo olom-pirenena vaovao fitsipi-pitondrantena sasany. Ohatra, misy mandidy ny tsy hanambadiana afa-tsy tokana; ny hafa, tsy mitovy lalàna amin’izany, dia manome lalana hamporafy. Fitondrantena manao ahoana no takina amin’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra? Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana?
8. a) Inona no ohatra faka tahaka naorin’Andriamanitra raha ny amin’ny fanambadiana? b) Inona moa no atao hoe fanitsakitsaham-bady, ary inona no lazain’Andriamanitra ny amin’izany?
8 Tamin’ny voalohany Jehovah dia nanorina ohatra faka tahaka: vehivavy iray monja ho an’i Adama. Ary hoy Andriamanitra: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:21-24). Taty aoriana i Jesosy dia nanamafy fa tena izany tokoa no ohatra tokony harahin’ny kristiana (Matio 19:4-6). Koa satria ny mpivady tonga nofo iray ihany, dia hanala baraka ny fanambadiana izy raha manana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’olon-kafa iray. Melohin’Andriamanitra izany fanitsakitsaham-bady izany. — Hebreo 13:4; Malakia 3:5.
9. a) Ahoana no hevitr’Andriamanitra ny amin’ny olona manana firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana? b) Inona moa no atao hoe fijangajangana?
9 Fahita matetika ny tokantranomaso sy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana. Tsy nanomana ny hisian’ny fanambadiana fanandramana anefa Andriamanitra. Noho izany, dia fanotana amin’Andriamanitra, Mpanao ny fanambadiana, ny fiaraha-monina tsy vita fanambadiana ara-dalàna. Izany no atao hoe fijangajangana araka ny ilazana azy hoe: firaisan’ny nofo eo amin’ny olon-droa tsy mpivady. Izao no lazain’ny Baiboly momba izany: “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny (...) hifadianareo ny fijangajangana.” (I Tesaloniana 4:3-5). Noho izany, dia ratsy ho an’ny mpitovo ny manana firaisan’ny lahy sy ny vavy.
10. Inona no fanao momba ny lahy sy ny vavy hafa koa mifanohitra amin’ireo lalàn’Andriamanitra?
10 Amin’izao andro izao, dia lehilahy sy vehivavy maro be no manana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin-dehilahy tahaka azy na Romana 1:26, 27.) Raran’ny lalàn’Andriamanitra koa ny fandriana amin’ny biby (Levitikosy 18:23). Izay rehetra maniry hiaina eo ambanin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia tokony hiala amin’ireny fanao maloto ireny.
amim-behivavy tahaka azy. Antsoina hoe sodomita izy ireny na “homosexuels” sy “lesbiennes” indraindray raha vehivavy. Manameloka ny fanao toy izany ny Tenin’Andriamanitra ka milaza azy hoe “mahamenatra”. (11. a) Ahoana ny hevitr’Andriamanitra ny amin’ny fampiasana fisotro misy alikaola? b) Tokony hitandrin-tena amin’ny fanao inona avy manimba ny fahasalamana moa ireo izay maniry ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
11 Tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra akory ny fisotroana divay na labiera na zavatra misy alikaola amim-pahalalana onony. Mety hahatsara ny fahasalamana ny divay kely (Salamo 104:15; I Timoty 5:23). Fandikana ny lalàn’Andriamanitra anefa ny fimamoana sy ny fandraisana anjara amin’ny lanonana takariva tsy voafehy anaranam-po amin’ny fahalotoam-pitondrantena (Efesiana 5:18; I Petera 4:3, 4). Misy, mba hahamamo na “hahaverivery dia”, dia manaram-po amin’ny fisotro na ny zavatra mahadomelina, na, mba hahitana fahafinaretana, dia mifoka rongony na sigara, na mihinam-paraky, na mitsako betela na ravina “coca”. Mandoto ny tena sy manimba ny fahasalamana anefa ireny fanao ireny. Tokony hitandrin-tena amin’ireny fanao manimba ireny ny ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. — II Korintiana 7:1.
12. a) Manonòna fanao tsy marina sasany melohin’ny lalàn’Andriamanitra. b) Ahoana no mety hahazoan’izay manaraka fanao toy izany ny fankasitrahan’Andriamanitra?
12 Ireo fitondram-panjakan’olombelona dia tsy manaiky handray ho olom-pirenena ny mpanao heloka bevava. Takin’i Jehovah anefa ny ‘hitondrantsika tena tsara amin’ny zavatra rehetra’. (Hebreo 13:18.) Ny mpandika ny lalàny rehetra dia tsy hanana zo hiaina eo ambanin’ny Fanjakany. Be dia be no milaza tena fa manao ny marina, nefa mandika lalàna maro. Hitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra (Hebreo 4:13; Ohabolana 15:3; Galatiana 6:7, 8). Tsy havelany ho tonga vahoakan’ny Fanjakany àry ireo izay mandika ny lalàny manohitra ny lainga sy ny halatra, ohatra (Efesiana 4:25, 28; Apokalypsy 21:8). Nefa, noho Andriamanitra maharitra sy vonona hamela heloka, dia horaisiny izay rehetra miala amin’ny fanao ratsiny mba hanao ny tsara. — Isaia 55:7.
13. Ahoana no tokony hiheveran’ireo mpanompon’Andriamanitra ireo lalàn’ny fitondram-panjakan’olombelona?
13 Ahoana ny amin’ny fitandremana ireo lalàna avoakan’ireo fitondram-panjakan’olombelona? Takin’Andriamanitra ny hanekentsika ireny “fahefana lehibe” ireny raha mbola misy koa izy ireny. Romana 13:1, 7; Titosy 3:1), raha tsy rehefa mifanohitra ireny lalàna ireny sy ny an’Andriamanitra. Amin’izany toe-javatra izany, araka ny nolazain’i Petera sy ireo apostoly hafa, dia “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona”. — Asa. 5:29.
Ilaina àry ny mandoa hetra, na dia betsaka aza izany na tsy mifanaraka amin’ny fomba ampiasana azy aza ny tena. Takina koa ny fanarahana ireo lalàn’olombelona (14. Ahoana no hampisehoantsika fa mitovy fiheverana amin’Andriamanitra isika raha ny amin’ny aina?
14 Heverin’Andriamanitra ho masina ny aina. Tokony hiaiky ny amin’izany ny ho tonga vahoakan’ny fitondram-panjakany. Mazava ho azy fa melohin’ny lalàn’Andriamanitra ny famonoana olona. Matetika anefa ny fankahalana no mitarika ho amin’ny famonoana olona, ka na dia izay manohy mankahala ny namany aza dia tsy afaka ny ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra (I Jaona 3:15). Iankinan’ny aina àry ny hitandremana izay voalaza ao amin’ny Isaia 2:4, dia ny tsy fandraisana fiadiana mba hamonoana ny naman’ny tena. Araka ny filazan’Andriamanitra, na dia ny ain’ny zaza mbola any am-bohoka aza dia sarobidy (Eksodosy 21:22, 23; Salamo 127:3). Fanalana zaza an-tapitrisany maro anefa no atao isan-taona. Mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny famonoana aina toy izany, satria ny zaza ao an-kibon-dreniny dia manana aina velona tsy tokony hofoanana.
15. Didin’ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra inona no tokony harahin’ny vahoakan’ilay Fanjakana rehetra?
15 Tsy ampy ny hifadian’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ny fanaovan-dratsy. Tokony hiseho ho tsara sy tsy hitady tombontsoa ho an’ny tenany eo anatrehan’ny mpiara-belona aminy koa izy ireny. Tokony harahiny ny fitsipika volamena nambaran’i Jesosy Kristy manao hoe: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Tia ny namany Kristy ka tonga hatramin’ny fanolorana ny ainy ho azy; nandidy ny mpianany toy izao izy: “Mba hifankatiavanareo (...) tahaka ny nitiavako anareo.” (Jaona 13:34; I Jaona 3:16). Izany fitiavana ny namana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena izany no hahatonga ny fiainana hahafinaritra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jakoba 2:8.
16, 17. a) Inona avy no antony tsara dia tsara tokony hanaovantsika ireo fiovana ilaina eo amin’ny fiainantsika mba hanarahana ny fepetra takin’Andriamanitra? b) Nahoana no afaka matoky isika fa azo tanterahina izany fiovana ilaina izany?
16 Soritan’ny Baiboly ny ilàn’ireo ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fepetra takin’Andriamanitra (Efesiana 4:20-24). Manao izany ve ianao? Na manao ahoana na manao ahoana fiezahana tokony hatao, dia mendrika ny hatao izany. Nahoana? Satria izany tsy milaza fiainana tsaratsara kokoa mandritra ny taona vitsivitsy monja eo ambany fitondram-panjakan’olombelona iray, fa ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra kosa, eo amin’ny tany paradisa hotapahin’Andriamanitra.
17 Mitondra fahasambarana dieny izao ny fanarahana ireo fepetra takin’Andriamanitra. Nefa tokony hiova angamba ianao. Nanao toy izany ny olona izay taloha dia mpankahala sy fatra-pitia harena, mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, lehilahy mandry amin’ny lehilahy, mpimamo, mpamono olona, mpangalatra, mpampiasa zavatra mahadomelina sy mpifoka na mpihinam-paraky. Nanaraka fomba fiaina vaovao izy ireny noho ny tena fiezahana sy ny fanampian’Andriamanitra (I Korintiana 6:9-11; Kolosiana 3:5-9). Koa raha tsy maintsy manao fiovana sarotra ianao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, aza miala, dia hahomby ianao!
NY TSY FIVADIHANA AMIN’NY FITONDRAM-PANJA-KAN’ANDRIAMANITRA
18. Fanohanana amim-pahatokiana manao ahoana ny Fanjakany no antenain’Andriamanitra amintsika?
18 Tsy misy mahagaga mihitsy amin’ny hoe mitaky tsy fivadihana amin’ny Fanjakany i Jehovah. Mitaky zavatra sahala amin’izany amin’ireo olom-pireneny ireo fitondram-panjakan’olombelona. Mitaky fanohanana amim-pahatokiana manokana anefa Andriamanitra. Inona izany? Moa ve izany fandraisam-piadiana sy fiadiana ho an’ny Fanjakany? Tsia, ny ilaina dia ny ho mpitondra teny na mpitory amin-kitsim-po ny Fanjakan’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy sy ireo mpianatra voalohany (Matio 4:17; 10:5-7; 24:14). Tian’i Jehovah ny hahalalan’ny tsirairay avy ny Fanjakany sy ny fomba handaminany ireo zava-manahirana ny olombelona. Moa ve izay nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra nampitainao tamin’ireo havanao, namanao sy mpifanila trano aminao? Izany no sitrapon’Andriamanitra. — Romana 10:10; I Petera 3:15.
19. a) Nahoana isika no tokony hanampo fanoherana eo amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Fanontaniana inona avy no tokony hovaliantsika?
19 Nila herim-po Kristy sy ireo mpianany mba hitoriana ilay Fanjakana na dia tao aza ny fanoherana voamarika (Asa. 5:41, 42). Izao tontolo izao manaiky ny Devoly dia manohitra koa ny fitoriana ilay Fanjakana. Mipetraka àry ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no toerana tananao? Hanohana amim-pahatokiana ny Fanjakan’Andriamanitra ve ianao? Tian’i Jehovah ny hanaovana fanambarana lehibe momba ilay Fanjakana alohan’ny hahatongavan’ny farany. Handray anjara amin’izany ve ianao?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 128]
Mba hahatongavana ho vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia ilaina ny hahafantarana azy.
[Sary, pejy 131]
Tokony hanalavitra izay rehetra melohin’Andriamanitra ireo vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra.
[Sary, pejy 133]
Tokony hampahafantatra ny aminy ireo vahoakan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra.