Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka

Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka

Toko faha-27

Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka

1. Fanampiana inona avy amin’Andriamanitra no ilaintsika, ary amin’ny fomba ahoana no andraisantsika azy?

MBA hitandreman-tena amin’ny fitaoman-dratsin’izao tontolo izao, dia mila ny vavaka ny kristiana. Hoy Jesosy: “Ny Ray, Izay any an-danitra (...) hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy.” (Lioka 11:13) Ny fanahy masin’Andriamanitra dia ilaintsika sahala amin’ny fianarana ny Teniny sy ny fiarahana amin’ny fandaminany hita maso. Azo amin’ny alalan’ny vavaka anefa ny fanahy masina.

2. a) Inona moa ny vavaka? b) Manonòna vavaka isan-karazany. d) Nahoana no zava-dehibe ny vavaka?

2 Ny vavaka dia resaka amim-panajana atao amin’Andriamanitra. Mety ho fangatahana izany, na ho fanehoam-pankasitrahana na fiderana an’Andriamanitra. (I Tantara 29:10-13) Mba hambolena fifandraisana tsara amin’ny Raintsika any an-danitra, dia tokony hiresaka tsy tapaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika. (Romana 12:12; Efesiana 6:18) Ny heriny miasa izay omeny antsika rehefa angatahintsika dia hanatanjaka antsika mba hanatanteraka ny sitrapony na dia ao aza ny fahasahiranana sy ny fakam-panahy entin’i Satana sy izao tontolo izaony. — I Korintiana 10:13; Efesiana 3:20.

3. a) Hery inona no mety horaisintsika avy amin’Andriamanitra? b) Ahoana ihany no azontsika itanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra?

3 Raha tsy maintsy manao ady mafy ianao mba hialana amin’ny fahazarana na fanao iray tsy ankasitrahan’Andriamanitra, dia mitadiava ny fanampiany. Mivavaha aminy. Nanao izany ny apostoly Paoly ary nanoratra toy izao: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13; Salamo 55:22; 121:1, 2) Izao no nolazain’ny vehivavy iray izay niala tamin’ny fitondrantena ratsy: “Izy ihany no manana fahefana hanampy anao hivoaka avy amin’izany tarehin-javatra izany. Ilainao ny mitana fifandraisana manokana amin’i Jehovah, ka ny hany fomba hahatongavana amin’izany dia ny vavaka.”

4. Ahoana no nanatanjahana olona iray hiala tamin’ny fahazarana nifoka sigara?

4 Mety hisy anefa hilaza hoe: “Imbetsaka no nivavahako tamin’Andriamanitra, nefa dia mbola manohy manao ratsy ihany aho.” Nisy mpifoka sigara niteny toy izany. Rehefa nanontaniana ny anankiray tamin’izy ireny hoe: “Amin’ny fotoana toy inona ianao no mivavaka?”, dia hoy ny navaliny: “Ny hariva alohan’ny hatoriana, ny maraina rehefa mifoha aho, ary taorian’ny nahareseko tamin’ny faniriana hifoka; lazaiko amin’i Jehovah fa malahelo mafy aho noho izay nataoko.” Hoy ny namana iray taminy tamin’izay: “Moa ve tsy rehefa mivonona ny handray sigara ianao no tena mila ny fanampian’Andriamanitra? Amin’izay fotoana izay ianao no tokony hangataka amin’i Jehovah mba hanatanjaka anao.” Narahin’io lehilahy io izany torohevitra izany ka afaka niala tamin’ny sigara izy.

5. a) Inona no takina mba hanompoana an’Andriamanitra araka ny mety? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mandrakariva dia mitarika fanaintainana ny fialana amin’ny fahotana?

5 Aza manatsoaka hevitra avy amin’izany anefa fa hoe ny vavaka, ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiarahana amin’ny fandaminany hita maso dia hahatonga ho mora ny fanaovanao ny tsara. Tsia, tsy maintsy manao fiezahana ianao, manao ady mafy. (I Korintiana 9:27) Mety hiteraka faniriana mafy ny hanao ratsy ny fahazaran-dratsy. Araka izany, ny fialana amin’ny fahotana dia mandrakariva miteraka fanaintainana. Vonona ny hijaly ve ianao mba hanaovana izay tsara? — I Petera 2:20, 21.

IREO VAVAKA HENOIN’ANDRIAMANITRA

6. a) Nahoana no be dia be no mieritreritra fa sarotra ny mivavaka? b) Inona no tena ilaina mba hihainoana ny vavaka ataontsika?

6 Be dia be no mieritreritra fa sarotra ny mivavaka. “Sarotra amiko ny mivavaka amin’izay tsy hitako”, hoy ny fiaiken’ny vehivavy tanora iray. Koa satria tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra mihitsy, dia ilaina ny hananana finoana mba hivavahana aminy sy hohenoiny. Tokony hinoana fa tena misy tokoa Jehovah ary afaka manome izay angatahina aminy. (Hebreo 11:6) Izay rehetra manana finoana toy izany ka manatona an’Andriamanitra amim-pahatsoram-po dia hohenoina. (Marka 9:23) Araka izany, na dia tsy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra aza ilay kapiteny romana natao hoe Kornelio dia nohenoina rehefa nivavaka tamim-pahatsorana tamin’Andriamanitra mba hitari-dalana azy. — Asan’ny apostoly 10:30-33.

7. a) Karazam-bavaka manao ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra? b) Karazam-bavaka manao ahoana no tsy hohenoin’Andriamanitra?

7 Ny sasany sahirana mitady teny holazainy. Aoka izany tsy hahasakana azy tsy hiresaka amin’Andriamanitra! Fantany izay ilaintsika ary ho azony izay tiantsika holazaina aminy. (Matio 6:8) Hevero izao: Inona no ankasitrahanao indrindra ao amin’ny zaza iray: ny fisaorany tsotra sy tsy mihatsaravelatsihy sa fehezanteny lava ho nampanaovin’olona azy? Toy izany koa, ankasitrahan’ny Raintsika any an-danitra ny tsy fihatsarambelatsihy sy ny fahatsorantsika. (Jakoba 4:6; Lioka 18:9-14) Tsy ilaina ny teny manokana na ny fitenenana ara-pivavahana. Tsy hohenoin’Andriamanitra koa aza ireo izay mivavaka amin’ny fampiasana fehezanteny miraondraona mba hanaitra ny sain’ny hafa na izay mamerimberin-teny tsy misy fahatsorana tanteraka. — Matio 6:5, 7.

8. a) Inona no mampiseho fa mihaino ireo vavaka atao mangina Jehovah? b) Lazain’ny Baiboly ve ny amin’ny tokony ho fihetsitsika na ny toerana rehefa mivavaka?

8 Mety ho ren’Andriamanitra na dia ny vavaka mangina aza. Izany no nataon’i Nehemia, ka namaly ny hataka nataony tamim-pahatsorana Andriamanitra. Toy izany koa tamin’i Hana. (Nehemia 2:4-8; I Samoela 1:11-13, 19, 20) Tsy ny fihetsika ara-batana koa akory no zava-dehibe. Azo atao ny mivavaka na toy inona na toy inona fitoetra na fotoana na toerana. Asehon’ny Baiboly anefa fa ny fihetsika mampiseho fanetren-tena, natao hiondrehana sy handohalehana, ohatra, dia mety. (I Mpanjaka 8:54; Nehemia 8:6; Daniela 6:11 [6:10, MN]; Marka 11:25; Jaona 11:41) Nilaza i Jesosy fa tsara ny mivavaka mitokana tsy misy mahita. — Matio 6:6.

9. a) Iza no tokony hiantefan’ny vavaka ataontsika rehetra, ary nahoana? b) Mba hankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, amin’ny anaran’iza moa no tokony hanolorana izany?

9 Koa satria ny vavaka anisan’ny fanompoam-pivavahantsika, dia amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, ihany no tokony hiantefany. (Matio 4:10) Araka ny filazan’ny Baiboly, ny kristiana dia tokony hanatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy izay nanome ny ainy mba hahafaka ny fahotantsika. Milaza izany fa tokony hivavaka amin’ny anaran’i Jesosy isika. — Jaona 14:6, 14; 16:23; Efesiana 5:20; I Jaona 2:1, 2.

10. a) Vavaka inona avy no tsy ankasitrahan’Andriamanitra? b) Tokony hahafeno fepetra tena lehibe inona moa ny vavaka ataontsika mba hohenoin’Andriamanitra?

10 Ankasitrahan’i Jehovah ve ny vavaka rehetra? Izao no lazain’ny Baiboly: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9; 15:29; Isaia 1:15) Koa raha tiantsika ny hihainoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy manao ny sitrapony sy manaraka ireo lalàny isika. Raha tsy izany dia tsy hihaino antsika Andriamanitra, toy ny olona mahitsy iray tsy tia ny hihaino fandaharana ao amin’ny radiao heveriny fa maloto. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.” I Jaona 3:22.

11. Amin’ny heviny ahoana moa no hoe tokony hifanaraka amin’ny vavaka ataontsika ny asantsika?

11 Tokony hifanaraka amin’ny vavaka ataontsika ny asantsika. Ohatra, ho ratsy ny hangatahana amin’Andriamanitra mba hanampy antsika hiala amin’ny paraky na sigara na rongony, nefa avy eo dia hividy izany, na handositra ny fahalotoam-pitondrantena sady hamaky boky na hijery sarimihetsika sy fandaharana maloto ao amin’ny televiziona. Na koa, izay manana fironana ho tia filokana dia tsy afaka hangataka amin’Andriamanitra mba hanampy azy hiala amin’io fanao io, sady hankeny amin’ny toerana fanaovana fifanalana hazakazaka sy any amin’ireo trano filokana. Mba hihainoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tokony hasehontsika amin’ny ataontsika fa tena mieritreritra tokoa izay lazaintsika isika.

12. a) Inona moa no sasantsasany amin’ny zavatra azontsika angatahina amin’ny vavaka? b) Mba hankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, inona no tokony hianarantsika?

12 Inona moa no sasantsasany amin’ireo zavatra manokana mety hangatahintsika amin’ny vavaka? Izay rehetra mahakasika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, anisan’izany ny fahasalamantsika sy ny fanabeazana ireo zanatsika. (II Mpanjaka 20:1-3; Mpitsara 13:8) Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika izy.” (I Jaona 5:14) Ny zava-dehibe dia ny hifanarahan’ny hataka ataontsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra; ilaina àry ny manomboka mianatra ny hoe inona izany sitrapo izany. (Ohabolana 3:5, 6) Koa raha mihevitra ny sitrapo sy ny fikasan’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ataontsika isika fa tsy miahy indrindra ny amin’ny tombontsoantsika manokana, dia hahafaly an’i Jehovah izany. Mety ny misaotra amin’i Jehovah isan’andro noho ny hatsaram-pony amintsika. — Jaona 6:11, 23; Asan’ny apostoly 14:16, 17.

13. a) Araka ny nasehon’i Jesosy, inona no tokony hitana ny toerana voalohany amin’ny vavaka ataontsika? b) Inona no zavatra manarakaraka azontsika angatahina amin’ny vavaka?

13 Nanome vavaka faka tahaka ankasitrahan’Andriamanitra ho an’ny mpianany i Jesosy. (Matio 6:9-13) Araka io ohatra faka tahaka io, dia ny anarana, ny Fanjakana sy ny sitrapon’Andriamanitra no mitana ny toerana voalohany. Rehefa avy eo dia azo atao ny mivavaka ho an’izay ilain’ny tena manokana toy ny hanina isan’andro, ny famelana ny fahotana sy ny fiarovana amin’ny fakam-panahy sy amin’i Satana.

NY VAVAKA HO AN’NY HAFA

14. Ahoana no anasoritan’ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ny hivavahana ho an’ny hafa?

14 Nasehon’i Jesosy tamin’ny ohatra nomeny ny maha-zava-dehibe ny hivavahana ho an’ny hafa. (Lioka 22:32; 23:34; Jaona 17:20) Fantatry ny apostoly Paoly ny vidin’ny vavaka toy izany; koa matetika izy no nangataka tamin’ireo kristiana mba hivavaka ho azy. (I Tesaloniana 5:25; II Tesaloniana 3:1; Romana 15:30) Izao no nosoratany tany an-tranomaizina: “Manantena aho fa homena [hafahana ho, MN] anareo noho ny vavaka ataonareo.” (Filemona 22; Efesiana 6:18-20) Fotoana fohy taorian’izay dia nafahana izy, ka izany dia manamarina fa nisy vokany ireo vavaka natao ho azy.

15. Inona no karazam-pangatahana azontsika atao ho an’ireo izay tiantsika?

15 Nivavaka ho an’ny hafa koa i Paoly. Izao no nosoratany: “Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana hianareo.” Izao no nolazainy tamin’ny kongregasiona hafa iray: “Mangataka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy hianareo (...), fa ny mba hanaovanareo izay tsara.” (II Korintiana 13:7) Mety ny hanarahana ny ohatra nomeny sy ny hanaovana fangatahana hentitra ho an’ireo izay tiantsika. Marina tokoa fa “ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.” — Jakoba 5:13-16.

16. a) Mba hahazoana ny fanampiana ilaina, amin’ny fotoana toy inona moa no tokony hivavahana? b) Nahoana moa no tombontsoa lehibe tokoa ny vavaka?

16 Ny mpitory kristiana iray dia zatra ny nanontany toy izao ny olona miara-mianatra ny Baiboly aminy: “Moa ve ianao mivavaka amin’ny fotoana hafa ankoatra ny rehefa miara-mianatra ny Baiboly isan-kerinandro isika?” Mba hahazoana fanampiana araka izay ilaintsika, dia tokony hivavaka matetika amin’Andriamanitra isika. (I Tesaloniana 5:17; Lioka 18:1-8) Ilaina ny hianarana miresaka aminy amim-panetren-tena toy ny amin’ny namana tiana itokisana. Toy inona moa ny tombontsoa afaka mivavaka amin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao amin’ny fananana toky fa mihaino izy! — Salamo 65:2.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 227]

Inona no hatao rehefa voan’ny fakam-panahy hifoka sigara ny tena: hivavaka sa ho resy?

[Sary, pejy 229]

Mivavaka mba hahazo fanampiana ve ianao, nefa rehefa avy eo dia miditra ao anatin’ny tarehin-javatra mety hitarika anao hanao ratsy?

[Sary, pejy 230]

Mivavaka irery ve ianao sa rehefa miaraka amin’olon-kafa ihany?