Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raharaha iray iankinan’ny aina mahakasika anao

Raharaha iray iankinan’ny aina mahakasika anao

Toko faha-12

Raharaha iray iankinan’ny aina mahakasika anao

1, 2. a) Nahoana ny fomba fiainanao no tena zava-dehibe aminao? b) Amin’iza koa moa no zava-dehibe izany, ary nahoana?

MIFONO heviny tena lehibe ny fomba fiainanao. Mety hisy vokany tsara na ratsy izany. Raha ny marina dia hanapaka ny amin’ny ho avinao izany: na hanjavona hiaraka amin’izao tontolo izao ankehitriny, na ho tafita velona ka hiditra ao anatin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra, izay hiainanao mandrakizay. — I Jaona 2:17; II Petera 3:13.

2 Tsy ianao irery anefa no voakasika. Misy vokany eo amin’ny olon-kafa koa ny fomba fiainanao. Ohatra, mety hanome voninahitra na hitondra henatra ho an’ireo ray aman-dreninao ny fitondrantenanao. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.” (Ohabolana 10:1). Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany: misy akony eo amin’i Jehovah Andriamanitra ny fomba fiainanao. Mety hahafaly azy na hampalahelo azy izany. Nahoana? Noho ny raharaha iray iankinan’ny aina mahakasika anao.

TSY HIVADIKA AMIN’ANDRIAMANITRA VE NY OLONA?

3. Inona no fihaikana nalefan’i Satana ho an’i Jehovah?

3 Izany no fanontaniana napetrak’i Satana Devoly. Izany dia tamin’ny fotoana nitarihany an’i Adama sy Eva handika ny lalàn’Andriamanitra ka hanaraka azy tamin’ny fikomiana tamin’Andriamanitra (Genesisy 3:1-6). Tamin’izay Satana dia nihevi-tena ho nanana antony nihaikana an’i Jehovah toy izao: ‘Noho ny fitadiavana tombontsoa fotsiny no anompoan’ny olona anao. Avelao ataoko dia ho voaodiko hiala aminao ireo.’ Marina fa tsy hoe tsy misy hafa amin’izany akory no isehoan’ireo teny ireo ao amin’ny Baiboly, nefa mazava fa sahalahala amin’izany ny tenin’i Satana tamin’Andriamanitra. Izany no miharihary ao amin’ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly.

4, 5. a) Iza moa Joba? b) Inona no nitranga tany an-danitra tamin’ny andron’i Joba?

4 Velona taonjato maro taty aorian’ny fikomiana tany Edena i Joba. Mpanompon’Andriamanitra marina sy nahatoky izy io. Nefa moa ve zava-dehibe tamin’Andriamanitra na tamin’i Satana ny fahatokian’i Joba? Eny, araka ny filazan’ny Baiboly. Vakina ao fa tonga ny andro nisehoan’i Satana teo anatrehan’i Jehovah, tao amin’ny kianjan’ny lanitra. Mariho ny foto-dresak’izy ireo:

5 “Ary tamin’ny indray andro nony avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza hianao? Dia namaly an’i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny. Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” — Joba 1:6-8.

6. Araka ny filazan’ny Baiboly, nanao ahoana ny tarehin-javatra tamin’ny andron’i Joba?

6 Nahoana moa Jehovah no nilaza tamin’i Satana fa olona nahitsy i Joba? Satria voakasika ny tsy fivadihan’i Joba tamin’i Jehovah. Aoka hofakafakaintsika ny fanontanian’i Jehovah hoe: “Avy taiza hianao?”, sy ny valintenin’i Satana hoe: “Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.” Izany dia mampiseho fa Jehovah dia nanome an’i Satana fahafahana hanatanteraka ny fikasany, dia ny hahay hampiala ny olona amin’Andriamanitra. Inona anefa no navalin’i Satana ny fanontanian’i Jehovah ny amin’ny tsy fivadihan’i Joba?

7, 8. a) Araka ny filazan’i Satana, nahoana i Joba no nanompo an’Andriamanitra? b) Inona no nataon’i Jehovah mba handaminana io raharaha io?

7 “Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” — Joba 1:9-11.

8 Nilaza antony iray nahatonga an’i Joba hahatoky teo anatrehan’Andriamanitra i Satana. ‘Manompo anao i Joba, hoy izy, noho izay rehetra nomenao azy fa tsy noho ny fitiavana anao.’ Notsininy ho mampiasa amin’ny fomba tsy ara-drariny ny fahefany lehibe koa Jehovah. ‘Narovanao foana izy’, hoy izy. Koa mba handaminana ilay raharaha, dia izao no navalin’i Jehovah: “Indro, eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao. — Joba 1:12.

9. Ahoana no namelezan’i Satana an’i Joba, ary inona no vokany?

9 Avy hatrany dia nandentika an’i Joba tao anatin’ny fahoriana Satana. Nasiany ny andiam-bibiny: nisy namono na nangalatra ireo biby. Avy eo dia navariny ho amin’ny fahafatesana ireo zanany folo. Nila hamoy ny zavatra rehetra i Joba, nefa tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah. Tsy niteny ratsy an’Andriamanitra izy (Joba 1:2, 13-22). Tsy nijanona teo anefa i Satana.

10. Inona no mampiseho fa tsy niala i Satana?

10 Niseho indray teo anatrehan’i Jehovah niaraka tamin’ireo anjely hafa i Satana, ary nanontany azy Jehovah raha voamariny ny tsy fivadihan’i Joba. Hoy izy: “Mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy”. Hoy ny navalin’i Satana: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” — Joba 2:1-5.

11. a) Inona koa no fitsapana hafa nampiharin’i Satana tamin’i Joba? b) Nanao ahoana ny niafaran’io raharaha io?

11 Nanome an’i Satana fahefana hanao izay tiany hatao amin’i Joba i Jehovah, nefa hoy izy taminy: ‘Aza vonoina ho faty izy.’ (Joba 2:6). Tamin’izay Satana dia namely an’i Joba tamin’ny aretina nahatsiravina. Mafy aoka izany ny fahoriany ka nangataka ny ho faty izy (Joba 2:7; 14:13, 14). Ny vadiny aza niodina hanohitra azy ka nanao hoe: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” (Joba 2:9). Nolavin’i Joba ny toroheviny. “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hiala amin’ny tsy fivadihako aho!”, hoy izy (Joba 27:5, MN). Tsy nivadika hatrany tamin’Andriamanitra i Joba. Koa naseho tamin’izany fa diso hevitra Satana rehefa nilaza hoe noho ny fitadiavana tombontsoa fa tsy noho ny fitiavana no nanompoan’ilay patriarka an’Andriamanitra. Voaporofo koa fa tsy mahay mampiala ny olona rehetra amin’Andriamanitra Satana.

12. a) Inona no valin’ny fihaikan’i Satana nomen’i Joba an’Andriamanitra? b) Manaporofo inona ny tsy fivadihan’i Jesosy tamin’Andriamanitra?

12 Moa ve ny tsy fivadihan’i Joba nitondra fahafinaretana ho an’i Jehovah? Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11). Satana no miteny ratsy an’i Jehovah. Tamin’ny tsy fivadihany, dia nampifaly ny fon’Andriamanitra i Joba. Nomeny azy ny valin’ny fihaikan’i Satana nieboebo, dia fihaikana nilazana fa tsy hisy olona hanompo an’Andriamanitra mihitsy ao anatin’ny fitsapana. Maro no namaky lainga an’i Satana toy izany. Ny lehibe indrindra tamin’ny rehetra dia Jesosy olona tanteraka. Tsy nivadika hatrany tamin’Andriamanitra izy na dia tao aza ny fitsapana rehetra tsy maintsy niaretany. Izany dia manaporofo fa nety ho afaka nanao toy izany Adama olona tanteraka raha tiany, ary tsy hoe nanao ny tsy rariny Andriamanitra rehefa nitaky ny tsy hivadihan’ny olona aminy tanteraka.

MANAO AHOANA NY TOERANAO?

13. a) Amin’ny ahoana no voakasika amin’io raharaha io ny fomba fiainanao? b) Ahoana no azontsika ampifaliana na ampalahelovana an’Andriamanitra?

13 Inona no holazaina ny amin’ny fomba fiainanao? Zava-dehibe izany. Na tsapanao izany na tsia, dia amin’ny fitondrantenanao no anohananao an’Andriamanitra na Satana. Mihevitra anao Jehovah; iriny ny hanompoanao azy sy ny hiainanao mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany (Jaona 3:16). Nampalahelo an’Andriamanitra ny fikomian’ny Isiraelita (Salamo 78:40, 41). Mampifaly an’Andriamanitra ve ny fomba fiainanao sa mampalahelo azy? Mazava ho azy fa mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia ilaina aloha ny mianatra ireo lalàny sy mitandrina izany.

14. a) Raha ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, lalàna inona no tokony harahintsika mba hampifaliana an’Andriamanitra? b) Nahoana no heloka ny fandikana izany lalàna izany?

14 Ny anankiray amin’ireo zava-kendren’i Satana lehibe indrindra dia ny fitarihana ny olona handika ireo lalàn’Andriamanitra mifehy ny fampiasana ireo faritra fiterahana, ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana. Izany lalàna izany dia mandrara ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olona tsy mpivady sy amin’olon-kafa tsy vadin’ny tena (I Tesaloniana 4:3-8; Hebreo 13:4). Matetika ny fandikana ireny lalàna ireny no niteraka fahaterahana tsy nirina na fanalana zaza. Aoka hanampintsika an’izany fa maro be amin’ny mpijangajanga no voan’ny aretin-dratsy toy ny tety izay mety hiteraka fahavoazana ho an’ny zanaka haterany. Ny fananana firaisana miafina amin’olon-kafa tsy vadin’ny tena dia fanaovan-javatra mampiseho fivadihana, heloka amin’Andriamanitra. Hoy Joba: “Raha tàhiny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho, dia (...) fahavetavetana izany, eny heloka tokony hotsarain’ny mpitsara.” — Joba 31:1, 9, 11.

15. a) Mahazo sitraka amin’iza ny mpijangajanga? b) Nahoana moa no fahendrena ny hankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra?

15 Tsy misy mahagaga mihitsy raha toa hitan’izao tontolo izao tapahin’i Satana fa ara-dalàna ny firaisana miafina eo amin’olona tsy mpivady. Mahafinaritra an’i Satana izany. Mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia ilaina ny ‘mandositra ny fijangajangana’. (I Korintiana 6:18.) Marina fa tsy mora foana akory ny tsy hivadika amin’Andriamanitra, porofon’izany ny hita tamin’i Joba. Fahendrena anefa ny hankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra. Raha manao izany ianao, dia ho sambatra kokoa dieny izao, nefa alohan’ny zavatra rehetra, dia hiandany amin’Andriamanitra ianao ka hampifaly azy. Ho valiny, dia hanome fiainana mandrakizay anao ao anatin’ny fahasambarana eto an-tany izy.

16. a) Ahoana no namalian-tsoa ny tsy fivadihan’i Joba? b) Inona no azo lazaina ny amin’ireo fahoriana nampiharin’i Satana tamin’i Joba, toy ny famonoana ho faty ny zanany folo?

16 Eny, afaka nanaisotra ny fananan’i Joba sy namono ny zanany folo i Satana. Tsy azo lavina fa famoizan-javatra lehibe ho an’i Joba izany. Namaly soa ny tsy fivadihany anefa Andriamanitra tamin’ny fanomezana azy avy roa heny noho ny nananany talohan’ny nanomezan-dalana an’i Satana hisedra azy. Niteraka zanaka folo hafa koa i Joba (Joba 42:10-17). Ary afaka matoky isika fa hanana anjara amin’ny fananganana ny maty ireo zanak’i Joba folo voalohany novonoin’i Satana. Raha ny marina, na inona na inona ratsy mety ho vitan’i Satana, Jehovah, ilay Raintsika tia, dia hanitsy izany amin’ny fotoana voatendriny.

17. Nahoana no tena zava-dehibe ny fomba fiainantsika?

17 Araka izany, dia aza hadinoina na oviana na oviana fa zava-dehibe tokoa ny fomba fiainanao. Zava-dehibe indrindra izany amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’i Satana Devoly, satria voafaoka ao amin’ilay raharaha mipetraka ianao, dia ny hoe: Hivadika amin’Andriamanitra ve ny olona sa tsia?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 106]

Novalian’i Joba ny fihaikan’i Satana hoe tsy hisy olona tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ao anatin’ny fitsapana.

[Sary, pejy 110]

Ny fananana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’olon-kafa tsy vadin’ny tena dia heloka amin’Andriamanitra.

[Sary, pejy 111]

Namaly soa ny tsy fivadihan’i Joba i Jehovah tamin’ny fanomezana azy avy roa heny noho ny nananany taloha.