Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Itokiana ve io Boky Io?

Azo Itokiana ve io Boky Io?

Azo Itokiana ve io Boky Io?

“Mahita marika azo antoka betsaka kokoa momba ny maha azo itokiana azy aho ao amin’ny Baiboly, noho ny ao amin’ny tantara tsy ara-pivavahana hafa, na inona izany na inona.”—Sir Isaac Newton, mpahay siansa anglisy fanta-daza.1

AZO itokiana ve io boky io, izany hoe ny Baiboly? Moa ve izy io miresaka momba ny olona tena nisy, sy ny toerana tena nisy ary ny fisehoan-javatra tena nitranga? Raha izany no izy, dia tokony hisy porofo hoe nosoratan’ny mpanoratra nitandrina tsara sy nilaza ny marina izy io. Tena misy tokoa ny porofo. Be dia be amin’izy ireo no hita nilevina tao ambanin’ny tany, nefa betsaka kokoa aza no voarakitra ao amin’ilay boky mihitsy.

Fihadiana ireo porofo avy ao anaty tany

Ny fahitana porofo tranainy nilevina tany amin’ireo tany voalazan’ny Baiboly dia nanohana fa marina tsara ny Baiboly, eo amin’ny tantara sy ny jeografia. Diniho fotsiny ny porofo sasany nohadin’ireo arkeology avy tao anaty tany.

I Davida, ilay mpiandry ondry kely be herim-po, izay tonga mpanjakan’ny Israely, dia fantatry ny mpamaky ny Baiboly tsara. Miseho im-1 138 ny anarany ao amin’ny Baiboly, ary ny teny hoe “Taranak’i Davida”—izay manondro matetika ny tarana-mpanjaka nisy azy—dia hita in-25. (1 Samoela 16:13; 20:16) Raha tsy vao haingana anefa, dia tsy nisy porofo mazava ivelan’ny Baiboly hoe tena nisy i Davida. Moa àry ve olona ao amin’ny tantara noforonina fotsiny i Davida?

Tamin’ny 1993, dia nisy arkeology maromaro notarihin’ny Profesora Avraham Biran, nahita zavatra tena nahagaga, izay voalaza tao amin’ny Israel Exploration Journal. Teo amin’ny toerana nisy ny havoana tranainy iray nantsoina hoe Tel Dan, any amin’ny faritra avaratr’i Israely, dia nahita vato bazalta iray izy ireo. Misokitra ao amin’io vato io ny teny hoe “Taranak’i Davida” sy hoe “Mpanjakan’ny Israely.”2 Ilay soratra, izay vita tamin’ny taonjato fahasivy T.K., dia voalaza ho anisan’ny tsangambatom-pandresena iray natsangan’ny Aramianina, izay fahavalon’ny Israely avy teo amin’ny atsinanana. Nahoana no zava-dehibe aoka izany io soratra tranainy io?

Miorina amin’ny tatitra nataon’ny Profesora Biran sy ny Profesora Joseph Naveh, mpiara-miasa aminy, dia hoy ny nambaran’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Biblical Archaeology Review: ‘Io no voalohany nahitana ny anarana hoe Davida tao amin’ny soratra tranainy iray ivelan’ny Baiboly.’3 * Misy zavatra hafa mendri-komarihina momba ilay soratra. Ny teny hoe “Taranak’i Davida” dia voasoratra ho teny iray. Hoy ny nohazavain’ny Profesora Anson Rainey, manam-pahaizana momba ny fiteny: ‘Matetika no tsy ampiasaina ny mpampizara teny, indrindra fa raha anaran’olona eken’ny rehetra ireo teny roa akambana. Ny hoe “Taranak’i Davida” dia azo antoka fa anaran’olona politika sy jeografika toy izany, teo antenatenan’ny taonjato fahasivy T.K.’5 Koa miharihary àry fa fantatra tsara teo amin’ny tontolo fahizay i Davida Mpanjaka sy ny tarana-mpanjaka nisy azy.

Tena nisy ve i Ninive, ilay tanàna lehiben’i Asyria voalaza ao amin’ny Baiboly? Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, dia mbola nisy ihany mpanao tsikera ny Baiboly tsy nety nino izany. Tamin’ny 1849 anefa, i Sir Austen Henry Layard dia namoaka avy tao ambanin’ny tany sisan-javatra tamin’ny lapan’i Sankeriba Mpanjaka tao Kuyunjik, toerana iray anisan’i Ninive fahiny. Koa tsy nahateny àry ireo mpanao tsikera tamin’io lafiny io. Nisy zavatra hafa koa anefa nahariharin’ireo sisan-javatra ireo. Teo amin’ireo rindrin’ny efitra iray voatsimbina tsara, dia nisy sary nampiseho ny famaboana ny tanàna nimanda iray, sy babo nasaina namindra teo anatrehan’ilay mpanjaka nanafika. Eo ambonin’ny lohan’ilay mpanjaka, dia misy izao soratra izao: “Sankeriba, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjakan’i Asyria, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana nîmedu ary nisafo ny zavatra babo (nalaina) avy tany Lakisy (La-ki-su).”6

Io sary sy soratra io, izay azo jerena ao amin’ny British Museum, dia mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famaboan’i Sankeriba ny tanànan’i Lakisy, tany Joda, izay voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:13, 14. Hoy ny nosoratan’i Layard momba ny maha zava-dehibe io zavatra hita io: ‘Iza no ho nino, talohan’ny nahitana ireo zavatra ireo, fa ho azo ampoizina na hety akory, ny hahita, tao ambanin’ireo antontan-tany sy fako nanamarika ny toerana nisy an’i Ninive, ny tantaran’ireo ady teo amin’i Hezekia [mpanjakan’ny Joda] sy Sankeriba, izay nosoratan’ny tenan’i Sankeriba ihany tamin’ny fotoana nitrangan’izy ireo mihitsy, ary manamarina na dia ireo tsipiriany madinika amin’ny fitantaran’ny Baiboly aza?’7

Ireo arkeology dia nihady avy tao anaty tany porofo maro hafa—vilany tany, sisan-trano, takelaka tanimanga, vola vy, lahatsoratra, tsangambato ary soratra—izay manamafy fa marina tsara ny Baiboly. Ireo mpihady tany dia nahita ny tanànan’i Ora, tany Kaldea, dia ilay foibe ara-barotra sy ara-pivavahana nonenan’i Abrahama.8 (Genesisy 11:27-31) Ny Tantaran’i Nabonida, navoaka avy tao ambanin’ny tany tamin’ny taonjato faha-19, dia milazalaza ny nianjeran’i Babylona teo an-tanan’i Kyrosy Lehibe tamin’ny 539 T.K., fisehoan-javatra izay voatantara ao amin’ny Daniela toko faha-5.9 Ny soratra iray (izay tahirizina ao amin’ny British Museum ny silany sasany), hita teo ambanin’ny andohalambo iray tany Tesalonika fahiny, dia misy ny anaran’ireo lehiben’ny tanàna izay voalazalaza ho “governora.” Io teny io dia tsy hita ao amin’ny haisoratra grika tranainy, nefa nampiasain’i Lioka, mpanoratra ao amin’ny Baiboly.10 (Asan’ny Apostoly 17:6, NW, fanamarihana ambany pejy) Voamarina araka izany àry fa marina tsara ny fitantaran’i Lioka tamin’io—toy ny tamin’ny tsipirian-javatra hafa teo aloha.—Ampitahao amin’ny Lioka 1:3.

Ireo arkeology anefa dia tsy mifanaraka amin’izy samy izy, koa mainka fa amin’ny Baiboly. Na dia izany aza, ao anatin’ny Baiboly mihitsy dia ahitana porofo mahery hoe boky azo itokiana izy io.

Fitantarana feno fahatsorana

Ireo mpahay tantara milaza ny marina dia hirakitra an-tsoratra, tsy ireo fandresena ihany (toy ilay soratra momba ny namaboan’i Sankeriba an’i Lakisy), fa ireo faharesena koa, tsy ireo fahombiazana ihany, fa ireo zava-nandiso fanantenana koa, tsy ireo tanjaka ihany, fa ireo fahalemena koa. Vitsy ireo tantara tsy ara-pivavahana ahitana filazana ny marina toy izany.

Momba ireo mpahay tantara asyriana, dia hoy ny nohazavain’i Daniel Luckenbill: “Hita miharihary matetika fa ny hambom-po-mpanjaka dia mitaky ny hanovana amin-kafetsen-dratsy ny fahamarinan’ny tantara.”11 Ohatra ny amin’izany “hambom-po-mpanjaka” izany ireo fitantarana momba ny fandokafan-tenan’i Assurnasirpal, mpanjaka asyrianina, manao hoe: “Tapitra ohatra ny tenako, ambony razana ny tenako, misandratra ny tenako, mahery ny tenako, hajaina ny tenako, omem-boninahitra ny tenako, fara tampony ny tenako, matanjaka ny tenako, tsy manan-tahotra ny tenako, be herim-po toy ny liona ny tenako, ary mahery fo ny tenako!”12 Moa ve ianao hanaiky ho tantara marina ny zavatra rehetra hovakinao ao amin’ny fitantarana toy izany?

Mifanohitra amin’izany kosa, ireo mpanoratra ny Baiboly dia naneho fahatsorana mamelombelona. I Mosesy, mpitarika ny Israely, dia nilaza tamim-pahatsorana ireo kileman-toetran’i Arona, rahalahiny, ny an’i Miriama, anabaviny, ny an’i Nadaba sy Abiho, zana-drahalahiny, ny an’ny vahoakany, ary koa ny fahadisoan’ny tenany manokana. (Eksodosy 14:11, 12; 32:1-6; Levitikosy 10:1, 2; Nomery 12:1-3; 20:9-12; 27:12-14) Ireo fahadisoana lehibe nataon’i Davida Mpanjaka dia tsy nafenina fa noraketina an-tsoratra, ary izany dia fony i Davida mbola mpanjaka nanapaka. (2 Samoela, toko faha-11 sy faha-24) I Matio, mpanoratra ilay boky mitondra ny anarany, dia milaza ny amin’ny fifandiran’ireo apostoly (izay iray tamin’ireo ny tenany) momba ny fahamboniany avy, sy ny amin’ny nandaozan’izy ireo an’i Jesosy tamin’ny alina nisamborana azy. (Matio 20:20-24; 26:56) Ireo mpanoratra ireo taratasy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia tsy nisalasala nilaza ireo zava-nanahirana nisy teo amin’ny sasany tamin’ireo fiangonana kristianina tany am-boalohany, anisan’izany ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy, sy ny fifampiandaniana. Ary niteny tsy nisy fitsimbintsimbinana izy ireo rehefa niresaka momba ireo zava-nanahirana ireo.—1 Korintiana 1:10-13; 5:1-13.

Ny filazana amim-pahatsorana sy tsy miolakolaka toy izany dia mampiharihary fiahiana amim-pahatsoram-po ny fahamarinana. Vonona ny hilaza zavatra tsy dia nanorina momba ny havan-tiany sy ny vahoakany ary na dia ny tenany aza, ireo mpanoratra ny Baiboly. Koa moa àry ve izany tsy manome antony tsara itokiana ny zavatra nosoratany?

Marina na dia eo amin’ireo tsipirian-javatra aza

Amin’ny raharaha ara-pitsarana, ny fahafahana hino ny teny fanambaran’ny vavolombelona iray matetika dia azo faritana araka ireo tsipiriany madinika. Ny fifanarahana eo amin’ireo tsipirian-javatra madinika dia mety hanamarika ilay teny fanambarana ho marina. Ny tsy fitoviana lehibe kosa anefa dia afaka mampiharihary azy ho lainga. Etsy an-danin’izany, ny fitantarana voakaly loatra—izay voalahatra tsara ny tsipirian-javatra kely indrindra aminy—dia mety hitory koa hoe diso ilay teny vavolombelona.

Manao ahoana ny “teny vavolombelona” avy amin’ireo mpanoratra ny Baiboly amin’io lafiny io? Naneho firindrana mahavariana izy ireo. Mifanaraka tsara na dia ireo tsipirian-javatra madinika aza. Kanefa, ilay firindrana akory tsy voamboatra amim-pitandremana, ka hampiahiahy ny amin’ny fisian’ny tsikombakomba. Hita miharihary fa tsy nisy teny nifanaovana ao ambadik’ireo fifanitsian-javatra, satria sendrasendra matetika no ifanarahan’ireo mpanoratra. Mandiniha ohatra sasantsasany.

Hoy ny nosoratan’i Matio, mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry teo nanavin’ny tazo.” (Matio 8:14, izahay no manao sora-mandry.) I Matio eto dia nanome tsipirian-javatra iray mahaliana nefa tsy tena ilaina, dia ny hoe: nanambady i Petera. Io tsipiriany madinika io dia manana ny fanohanan’i Paoly, izay nanoratra hoe: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany ... ary Kefasy?” * (1 Korintiana 9:5) Ny teny manodidina dia mampiseho fa niaro tena tamin’ny fanakianana tsy ara-drariny i Paoly teo. (1 Korintiana 9:1-4) Mazava fa io tsipiriany kely io—hoe nanambady i Petera—dia tsy nampidirin’i Paoly mba hanohanana fa marina ny fitantaran’i Matio. Zavatra nomarihiny kely fotsiny izy io.

Ireo mpanoratra Filazantsara efatra—i Matio, Marka, Lioka ary Jaona—dia samy nitantara fa, tamin’ny alina nisamborana an’i Jesosy, ny iray tamin’ireo mpianatra dia nanatsoaka sabatra ary nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofin’ilay lehilahy. Ny Filazantsaran’i Jaona ihany no milaza izao tsipirian-javatra toa tsy ilaina izao: “Ary Malko no anaran’ilay mpanompo.” (Jaona 18:10, 26) Nahoana no i Jaona irery no manome ny anaran’ilay lehilahy? Andininy vitsivitsy atỳ aoriana, dia manome tsipiriany madinika iray tsy voambara na aiza na aiza ilay fitantarana, dia ny hoe: “fantatry ny mpisoronabe” i Jaona. Fantatry ny ankohonan’ilay mpisoronabe koa izy; nahafantatra azy ireo mpanompo, ary izy koa nahafantatra azy ireo. (Jaona 18:15, 16) Nandeha ho azy àry raha nanonona ny anaran’ilay lehilahy voaratra i Jaona, fa ireo mpanoratra Filazantsara hafa kosa tsy nilaza ny anarany, satria tsy nahafantatra azy io.

Indraindray, dia misy tsipirian-javatra tsy voalaza ao amin’ny fitantarana iray, nefa hita any an-toeran-kafa, ao amin’ny fanambarana nomarihina kely fotsiny. Ohatra, ny fitantaran’i Matio momba ny nitsarana an’i Jesosy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo jiosy dia milaza fa nisy olona teo “namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?” (Matio 26:67, 68, izahay no manao sora-mandry.) Nahoana izy ireo no nangataka an’i Jesosy mba ‘haminany’ hoe iza no namely azy, nefa ilay mpamely nitsangana teo anoloany? Tsy manazava izany i Matio. Ny mpanoratra Filazantsara roa hafa anefa dia manome ilay tsipirian-javatra tsy voalaza: Nanarona ny tavan’i Jesosy ireo mpanenjika azy, talohan’ny namelezana azy. (Marka 14:65; Lioka 22:64) I Matio dia nanoratra ny fanazavany, tsy nisy fiahiana ny amin’ny hoe tafiditra daholo ny tsipirian-javatra kely rehetra sa tsia.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia milaza ny amin’ny toe-javatra iray nivorian’ny vahoaka betsaka hihaino ny fampianaran’i Jesosy. Araka ilay fitantarana, rehefa nahita ilay vahoaka i Jesosy, “dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?” (Jaona 6:5, izahay no manao sora-mandry.) Tamin’ireo mpianatra rehetra teo, nahoana no i Filipo no nanontanian’i Jesosy hoe aiza no hahafahan’izy ireo hividy mofo? Tsy manome ny valiny ilay mpanoratra. Ao amin’ny fitantarany mifanitsy amin’io anefa, i Lioka dia milaza fa teo akaikin’i Betsaida, tanàna teo amin’ny moron-tsiraka avaratry ny Ranomasin’i Galilia, no nitrangan’ilay fisehoan-javatra. Eo aloha kokoa ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona anefa, dia amakiana fa i “Filipo dia avy any Betsaida.” (Jaona 1:44; Lioka 9:10) Koa araka ny fandrindran-kevitra àry raha olona avy teo akaiky teo no nanontanian’i Jesosy. Mahavariana ilay fifanarahana eo amin’ireo tsipirian-javatra, na dia mazava aza fa tsy natao fanahy iniana ilay izy.

Amin’ny toe-javatra sasany, ny tsy filazana ny tsipirian-javatra sasany dia vao mainka mampitombo ny fahafahana hino an’ilay mpanoratra ny Baiboly. Ohatra, ny mpanoratra ny 1 Mpanjaka dia milaza fa nisy hain-tany mafy tao Israely. Mafy aoka izany ilay izy, hany ka tsy nahita rano na ahitra hamelomana ny soavaliny sy ny ampondrany ny mpanjaka. (1 Mpanjaka 17:7; 18:5) Kanefa, io fitantarana io ihany dia milaza fa i Elia mpaminany dia nandidy ny hitondrana rano teny aminy teny amin’ny Tendrombohitra Karmela (mba hampiasaina teo amin’ny fanaovana sorona) mba hamenoana ny hady nanodidina faritra nisy tokony ho 1 000 metatra tora-droa. (1 Mpanjaka 18:33-35) Tao anatin’ilay hain-tany, taiza no niavian’io rano rehetra io? Tsy nisahirana nanazava izany ny mpanoratra ny 1 Mpanjaka. Kanefa, na iza na iza niaina tao Israely dia nahafantatra fa i Karmela dia teo amoron’ny Ranomasina Mediterane, araka ny asehon’ny fanamarihana kely iray atỳ aoriana ao amin’ilay fitantarana. (1 Mpanjaka 18:43) Araka izany, dia nisy ranon-dranomasina azo nalaina mora foana teo. Raha toa ka tantara noforonina mody naseho ho zava-misy fotsiny io boky io, izay feno tsipirian-javatra ankoatra an’io, nahoana ilay mpanoratra, izay ho mpamoron-dainga kingalahy, raha marina izany, no nanadino io toa tsy fifanarahan-javatra lehibe io tao amin’ny sorany?

Koa azo itokiana àry ve ny Baiboly? Ireo arkeology dia nihady porofo ampy tsara avy tao anaty tany, mba hanamarinana fa miresaka momba ny olona tena nisy sy ny toerana tena nisy ary ny fisehoan-javatra tena nisy ny Baiboly. Mahery kokoa noho ireo aza anefa ny porofo hita ao anatin’ny Baiboly mihitsy. Tsy nitsitsy na iza na iza—ary na dia ny tenany aza—ireo mpanoratra feno fahatsorana, rehefa nitantara zava-nisy araka ny tena izy. Ny firindrana anaty eo amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo, anisan’izany ireo fifanitsian-javatra tsy niniana natao, dia manome marika tsy azo lavina fa marina ilay “teny vavolombelona.” Noho ireo ‘marika azo antoka ny maha azo itokiana’ ny Baiboly ireo, dia tena boky azonao itokiana tokoa izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Taorian’ny nahitana io zavatra io, dia nilaza ny Profesora André Lemaire fa ny fanandramana indray hamaky ny andalan-tsoratra simba iray teo amin’ny tsangambaton’i Mesa (antsoina koa hoe ilay Vato Moabita), hita tamin’ny 1868, dia mampiharihary fa miresaka ny amin’ny “Taranak’i Davida” koa izy io.4

^ feh. 21 Ny hoe “Kefasy” dia ilay anarana semitika mifanitsy amin’ny hoe “Petera.”—Jaona 1:42.

[Sary, pejy 15]

Ny silaka Tel Dan

[Sary, pejy 16]

Sary sokitra eo amin’ny rindrina iray any Asyria, mampiseho ny nanaovana fahirano an’i Lakisy, voalaza ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:13, 14