Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokim-paminaniana

Bokim-paminaniana

Bokim-paminaniana

Liana amin’ny hoavy ny olona. Mikaroka filazana mialoha azo ianteherana izy ireo, momba ny foto-kevitra maro, manomboka amin’ny toetr’andro ka hatramin’ny toe-karena. Rehefa tena manaraka izay lazain’ireny filazana mialoha ireny anefa izy ireo, dia matetika no diso fanantenana. Ny Baiboly dia mirakitra filazana mialoha, na faminaniana, maro. Manao ahoana ny fahamarinan’ireny faminaniana ireny? Moa ve izy ireny tantara nosoratana mialoha? Sa izy ireny tantara mody naseho ho faminaniana?

ILAY mpanao politika romanina atao hoe Caton, (234-149 T.K.), dia voalaza fa niteny hoe: “Ho gaga aho raha tsy mihomehy ny mpilaza ny hoavy iray, rehefa mahita mpilaza ny hoavy iray hafa.”1 Eny tokoa, hatramin’izao isika miteny izao, dia olona maro no misalasala ny amin’ireo mpamantatra ny hoavy sy astrology ary mpilaza ny hoavy hafa. Matetika ny filazan’izy ireo no ataony amin’ny teny tsy mazava no sady azo omena heviny isan-karazany.

Ahoana anefa ny amin’ireo faminanian’ny Baiboly? Misy antony isalasalana ny amin’izy ireo ve? Sa misy fototra azo itokiana azy ireo kosa?

Tsy faminavinan’ny mpahay mijery ny zava-misy fotsiny akory

Ireo olona marani-tsaina dia mety hitady hampiasa fironan-javatra hitany, mba hanaovana fanombantombanana araka ny marina momba ny hoavy. Tsy marina foana anefa ny zavatra lazain’izy ireny. Hoy ny marihin’ilay boky hoe Future Shock: “Ny fitambaran’olona rehetra dia miatrika, tsy fitohitohizan-java-miseho azo inoana fa hitranga ihany, fa fitambaran-java-miseho mety hitranga koa, ary fifandonana momba izay zava-miseho tiana hitranga kokoa.” Hoy koa izy io: “Mazava ho azy fa tsy misy na dia iray aza afaka ‘mahafantatra’ ny hoavy amin’ny heviny feno tanteraka. Tsy afaka afa-tsy ny mandahatra tsara sy mandalina ireo fanombantombanantsika isika, ary manandrana ny hanome fetezan-kitranga azy ireo.”2

Ireo mpanoratra ny Baiboly anefa dia tsy “nanome fetezan-kitranga” an’ireo ‘fanombantombanana’ momba ny hoavy fotsiny. Tsy azo ailika fotsiny ho toy ny fanambarana manjavozavo azo omena heviny isan-karazany, koa anefa izy ireny. Mifanohitra amin’izany aza fa maro amin’ireo faminaniany no notononina tamin’ny fomba faran’izay mazava sy voafaritra tsara tsy araka ny mahazatra. Matetika koa izy ireny no nilaza mialoha ny nifanohitra indrindra tamin’izay nety ho nampoizina. Raiso ho ohatra, izay nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny tanànan’i Babylona fahiny.

‘Hofafana kifafa fandringanana’

I Babylona fahiny dia tonga “ravaky ny fanjakana maro.” (Isaia 13:19) Io tanàna nisampantsampana io dia tsara toerana teo amin’ny lalan’ny mpandranto avy teo amin’ny Hoala Persika ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediterane. Tonga fitahirizana entam-barotra ho an’ny fandrantoana an-tanety sy an-dranomasina nifanaovan’ny Tatsinanana sy ny Tandrefana, àry izy io.

Tamin’ny taonjato fahafito T.K., dia toa efa renivohitry ny Fanjakana Babyloniana tsy nisy naharesy i Babylona. Teo amin’ny andaniny roa tamin’ny Ony Eofrata ilay tanàna, ary ny ranon’ilay ony dia nampiasaina mba hahaforona hadivory malalaka sady lalina ary lakan-drano maro nifampidipiditra. Fanampin’izany, ilay tanàna dia narovan’ny manda roa sosona mafonja, izay mbola nohamafisin’ny tilikambo fiarovana maro. Tsy mahagaga raha tsy nahatsapa ahiahy ny mponina tao.

Na dia izany aza, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., raha mbola tsy nisandratra ho amin’ny fara tampon’ny voninahiny akory i Babylona, i Isaia mpaminany dia efa nanambara mialoha fa i Babylona dia ‘hofafana kifafa fandringanana.’ (Isaia 13:19; 14:22, 23) Nilazalaza ny fomba hianjeran’i Babylona mihitsy koa i Isaia. Hataon’ireo mpanafika “tankina” ny oniny—ny loharanon’ny fiarovana azy avy tamin’ilay hadivory—ka hahatonga ilay tanàna ho mora azo. Nanome ny anaran’ilay mpandresy mihitsy aza i Isaia: i “Kyrosy”, mpanjaka persanina lehibe, izay ‘eo anoloany no hivohan’ny varavarana, ary tsy hirindrinan’ny vavahady.’—Isaia 44:27–45:2.

Feno fahasahiana izany filazana mialoha izany. Tanteraka ve anefa izy ireo? Mamaly izany ny tantara.

“Tsy nisy fanaovana ady”

Roanjato taona taorian’ny nandraisan’i Isaia an-tsoratra ny faminaniany, tamin’ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K., dia nitoby teo akaikin’i Babylona ireo tafika medianina sy persanina teo ambany fitarihan’i Kyrosy Lehibe. Feno toky anefa ireo Babyloniana. Araka an’i Hérodote, mpahay tantara grika, (taonjato fahadimy T.K.), dia ampy mba haharitra aman-taonany ny tahirim-batsin’izy ireo.3 Teo koa ny Ony Eofrata sy ireo manda mafy ben’i Babylona mba hiaro azy. Na dia izany aza, tamin’io alina io ihany, araka ny Tantaran’i Nabonida, dia “niditra tao Babylona, tsy nisy fanaovana ady, ny tafik’i Kyrosy.”4 Ahoana no netezan’izany?

Nanazava i Hérodote fa tao anatin’ilay tanàna, dia “nandihy sy nifalihavanja tamin’ny andro firavoravoana iray” ny olona.5 Tao ivelany anefa, i Kyrosy dia efa nampivily lalana ny ranon’i Eofrata. Rehefa nihanihena ny haavon’ilay rano, dia niroboka tao amin’ilay rano hafotope ny tafiny, ka nanaraka ny fanambanin’ilay ony. Nanaraka ny sisin’ireo rindrina avo be izy ireo, ka niditra teo amin’ilay nantsoin’i Hérodote hoe “ireo vavahady izay nisokatra teo amin’ilay ony”, dia vavahady natao tsirambina ka navela hisokatra.6 (Ampitahao amin’ny Daniela 5:1-4; Jeremia 50:24; 51:31, 32.) Misy mpahay tantara hafa, anisan’izany i Xénophon (431 T.K. tany ho any – 352 T.K. tany ho any), ary koa takelaka misy soratra cunéiforme hitan’ireo arkeology, manamarina ny nianjeran’i Babylona tampoka teo an-tanan’i Kyrosy.7

Tanteraka, araka izany, ny faminanian’i Isaia momba an’i Babylona. Sa ahoana moa? Sao dia tsy filazana mialoha àry izy io, fa nosoratana taorian’ny nitrangan’ilay zava-nisy, raha ny tena izy? Raha ny tena izy, dia azo atao ny manontany izany koa momba ireo faminaniana ara-baiboly hafa.

Tantara mody naseho ho faminaniana ve?

Raha toa ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly—anisan’izany i Isaia—ka namerina nanoratra fotsiny ny tantara mba hisehoany ho toy ny faminaniana, dia tsy inona ireny lehilahy ireny fa mpanao hosoka kingalahy fotsiny. Inona anefa no ho antony hanaovan’izy ireo izany famitahana izany? Ireo tena mpaminany marina dia tsy nisalasala nampahafantatra fa tsy azo novidina ny tenany. (1 Samoela 12:3; Daniela 5:17) Ary isika dia efa nandinika porofo mahery fa lehilahy azo nitokiana, izay vonona ny hampiharihary na dia ny fahadisoana nahamenatra nataon’ny tenany manokana aza, ireo mpanoratra ny Baiboly (izay mpaminany ny maro taminy). Toa tsy azo inoana àry ny hoe hirona hanao hosoka voakaly tsara ny lehilahy toy izany mba hisehoan’ny tantara ho faminaniana.

Misy zavatra hafa koa tokony hoheverina. Faminaniana ara-baiboly maro no nirakitra fanamelohana namaivay ny firenen’ireo mpaminany mihitsy, ka anisan’izany ireo mpisorona sy mpanapaka. I Isaia, ohatra, dia nanameloka ny toe-pitondran-tena nampahonenan’ny Israelita—na ny mpitarika na ny vahoaka—tamin’ny androny. (Isaia 1:2-10) Ny mpaminany hafa dia nanala sarona tamin-kery ny fahotan’ireo mpisorona. (Zefania 3:4; Malakia 2:1-9) Sarotra ny mahatakatra hoe nahoana izy ireo no hanamboamboatra faminaniana izay hirakitra ny fanomezan-tsiny mahery vaika indrindra ny fireneny, sy hoe nahoana ireo mpisorona no hanohana izany hafetsen-dratsy izany.

Fanampin’izany, raha toa ireo mpaminany ka mpisandoka fotsiny, ahoana no haha-tafavoaka azy ireo avy amin’ny zavatra noforoniny toy izany? Nampirisihana ny fahaizana taratasy teo amin’ny Israely. Dieny mbola kely ireo ankizy dia nampianarina hamaky teny sy hanoratra. (Deoteronomia 6:6-9) Nampirisihana mafy ny hamakian’ny isam-batan’olona ny Soratra Masina. (Salamo 1:2) Nisy famakiana ny Soratra Masina ampahibemaso tao amin’ireo synagoga, tamin’ny Sabata isan-kerinandro. (Asan’ny Apostoly 15:21) Toa tsy ho azo inoana ny hoe azo nofitahina toy izany ny firenena manontolo iray, izay nahay taratasy sy nahalala tsara ny Soratra Masina.

Ankoatra izany, dia tsy izay ihany akory ny amin’ny faminanian’i Isaia momba ny fianjeran’i Babylona. Tafiditra ao ny tsipirian-javatra iray izay tsy nety ho nosoratana taorian’ny fahatanterahany tsotra izao.

“Tsy honenana mandrakizay izy”

Inona no hanjo an’i Babylona aorian’ny hianjerany? Hoy ny nambaran’i Isaia mialoha: “Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby, tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any.” (Isaia 13:20) Mety ho toa hafahafa, raha izay fotsiny no holazaina, ny hanambara mialoha fa hanjary tsy hisy mponina mandrakizay ny tanàna iray tsara toerana toy izany. Mety ho nosoratan’i Isaia taorian’ny nahitany ny tanànan’i Babylona lao ve ireo teniny ireo?

Nanaraka ny nandraisan’i Kyrosy ny fahefana tao, dia mbola teo nandritra ny an-jatony taona maro ny tanànan’i Babylona iray nisy mponina—na dia tsy natanjaka intsony aza. Tsarovy fa tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, dia nisy kopian’ny bokin’i Isaia manontolo, izay vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Tokony ho tamin’ny fotoana nanaovana kopia an’io horonana io, dia nandray ny fifehezana an’i Babylona ny Parthes. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy mponina jiosy sasantsasany tao Babylona, ary i Petera, mpanoratra ny Baiboly, dia nandeha nitsidika tany. (1 Petera 5:13) Tamin’izay, dia efa nisy efa ho roanjato taona ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Koa tamin’ny taonjato voalohany àry dia mbola tsy lao tanteraka i Babylona, nefa ny bokin’i Isaia dia efa vita ela be talohan’io. *

Araka ny nambara mialoha, dia tonga “korontam-bato” i Babylona tamin’ny farany. (Jeremia 51:37) Araka an’ilay manam-pahaizana hebreo atao hoe Jérôme, (taonjato fahefatra), tamin’ny androny, i Babylona dia efa tany fihazana nirenirenen’ny “karazam-biby rehetra.”9 Ary dia mbola lao toy izany ihany i Babylona amin’izao isika miteny izao.

Tsy niaina mba hahita an’i Babylona tsy hisy mponina intsony i Isaia. Ireo sisan-javatr’io tanàna natanjaka fahizay, tokony ho 80 kilaometatra any atsimon’i Bagdad, any Irak ankehitriny, io anefa dia porofo mangina manamarina ny fahatanterahan’ny teniny hoe: “Tsy honenana mandrakizay izy.” Mety hanintona ny mpitsidika izay famerenana amin’ny laoniny an’i Babylona atao mba hisarihana ny mpizaha tany. Na dia izany aza, ny “zanany sy ny taranany” dia efa tsy hita intsony mandrakizay.—Isaia 13:20; 14:22, 23.

Tsy nanonona filazana mialoha tsy mazava izay ho azo ampifanarahina amin’izay zava-miseho ho avy, àry i Isaia mpaminany. Tsy namerina nanoratra ny tantara mba hisehoany ho toy ny faminaniana koa akory izy. Eritrereto fotsiny izao: Nahoana ny mpisandoka iray no ho sahy “haminany” momba ny zavatra iray izay tsy hananany fahefana na dia kely aza—dia ny tsy hisian’ny mponina intsony mihitsy ao amin’ny tanànan’i Babylona natanjaka be?

Io faminaniana momba ny fianjeran’i Babylona io dia ohatra iray monja avy ao amin’ny Baiboly. * Olona maro no mahita fa ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao anatiny dia porofo mampiseho fa tsy maintsy ho avy amin’ny loharano ambony noho ny olombelona ny Baiboly. Angamba ianao hanaiky fa, fara faharatsiny, dia mendri-kodinihina io bokim-paminaniana io. Zavatra iray no azo antoka: Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ireo filazana mialoha manjavozavo na manaitra be ataon’ireo mpilaza ny hoavy amin’ny andro ankehitriny sy ireo faminaniana mazava sy tsotra ary voafaritra tsaran’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Misy porofo mafy orina fa ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo—anisan’izany ny Isaia—dia nosoratana ela be talohan’ny taonjato voalohany. Ao amin’ny bokiny hoe Against Apion, i Josèphe, mpahay tantara, dia nampiseho fa ny kanônan’ny Soratra Hebreo dia efa voaorina ela be talohan’ny androny.8 Fanampin’izany, ny Septante grika, fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika, dia natomboka tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ary efa vita tamin’ny taonjato faharoa T.K.

^ feh. 28 Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ireo faminanian’ny Baiboly sy ireo zava-misy ara-tantara manamarina ny fahatanterahan’izy ireo, dia jereo, aza fady, ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, pejy 117-133.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Moa ve ireo mpanoratra ny Baiboly mpaminany nilaza ny marina, sa mpanao hosoka kingalahy?

[Sary, pejy 29]

Ireo sisan-javatr’i Babylona fahiny