Boky Iray Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiainana Maoderina
Boky Iray Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiainana Maoderina
Tena be mpitia ireo boky manolotra torohevitra eo amin’ny tontolon’ny olona ankehitriny. Manjary lany andro anefa izy ireny ary tsy ela dia havaozina na soloana. Ahoana kosa ny amin’ny Baiboly? Efa ho 2 000 taona lasa izay no nahavitana azy. Kanefa tsy nohatsaraina na nampifanarahina tamin’ny toetr’andro mihitsy ny hafatra noraketiny tany am-boalohany. Dia hety hirakitra tari-dalana azo ampiharina ho an’ny androntsika ve ny boky toy izany?
MISY manao hoe tsia. “Tsy hisy olona hampirisika ny hampiasana [boky] fianarana simia vita tamin’ny 1924, ao an-dakilasy fianarana simia ao amin’ny sekoly maoderina iray”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Eli. Chesen, mba hanazavana hoe nahoana izy no nihevitra fa lany andro ny Baiboly.1 Raha avy etỳ ivelany fotsiny, dia mitombina io hevitra narosony io. Rehefa heverina tokoa, Ra-olombelona dia efa nianatra zavatra betsaka momba ny fahasalaman’ny saina sy ny fihetsiky ny olombelona, taorian’ny nanoratana ny Baiboly. Koa ahoana no hetezan’ny boky tranainy toy izany hifanentana amin’ny fiainana maoderina?
Toro lalana tsy tontan’ny ela
Na dia marina aza fa niova ny toe-javatra, ny zavatra fototra ilain’ny olombelona kosa dia mbola toy ny taloha ihany. Nila fitiavana sy firaiketam-po ny olona nandritra ny tantara manontolo. Naniry ny ho sambatra sy hanana fiainana misy heviny izy. Nila torohevitra momba ny fomba izakana ny tsy fisiana ara-bola izy, momba ny fomba hahavanona ny fanambadiany, ary momba ny fomba fampianarana ny zanany fitsipika ara-pitondran-tena tsara sy fitsipika ny amin’izay tsara sy ratsy. Ny Baiboly dia mirakitra torohevitra momba ireo zavatra fototra ilain’ny olona ireo.—Mpitoriteny 3:12, 13; Romana 12:10; Kolosiana 3:18-21; 1 Timoty 6:6-10.
Ny torohevitry ny Baiboly dia manome taratry ny fahafantarana tsara ny maha olona ny olona. Mandiniha ohatra sasantsasany ny amin’ny toro lalana voafaritra tsara sy tsy tontan’ny ela ao anatiny, izay azo ampiharina araka ny zava-misy eo amin’ny fiainana maoderina.
Tari-dalana azo ampiharina ho an’ny fanambadiana
Ny fianakaviana, hoy ny UN Chronicle, no “fandaminan’olombelona tranainy indrindra sy fototra indrindra; mpampiray an’ireo taranaka, ka tena ilaina indrindra.” Io “mpampiray tena ilaina” io anefa dia mihamivaha haingana be aoka izany. “Eo amin’ny tontolon’ny olona ankehitriny”, hoy ny nomarihin’ny Chronicle, “dia fianakaviana maro no tojo zava-tsarotra mahatahotra, izay mandrahona ny fahafahany miasa tsara sy haharitra mihitsy.”2 Torohevitra inona no atolotry ny Baiboly mba hanampiana ny fianakaviana haharitra?
Voalohany aloha, ny Baiboly dia manan-javatra betsaka holazaina momba ny fomba tokony hifampitondran’ny mpivady. Momba ny lehilahy, ohatra, dia hoy izy io: “Ny lehilahy [dia] tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy.” (Efesiana 5:28, 29, izahay no manao sora-mandry.) Ny vehivavy kosa dia notoroana hevitra mba “hanana fanajana lalina ny vadiny.”—Efesiana 5:33, NW.
Diniho ny vokatra entin’ny fampiharana ireo torohevitry ny Baiboly ireo. Ny lehilahy tia ny vadiny “tahaka ny tenany” dia tsy mankahala azy na misetrasetra aminy. Tsy mikapoka azy ara-batana izy, no sady tsy mamelively azy amin’ny teny na ara-pihetseham-po. Ny ataony kosa dia ny maneho aminy ilay fanajana sy fiheverana asehony amin’ny 1 Petera 3:7) Amin’izay ny vadiny dia hahatsiaro tena ho tiana ary tsy hahatsapa ahiahy ao amin’ny fanambadiany. Etsy an-danin’izany, ny vehivavy manana “fanajana lalina” ny vadiny dia tsy manaisotra aminy ny fahamendrehany, amin’ny fanakianana na amin’ny fanamavoana azy tsy an-kijanona. Noho ravehivavy manaja ny vadiny, dia mahatsiaro tena ho itokiana sy ekena ary ankasitrahana ralehilahy.
tenany. (Azo ampiharina ve ireo torohevitra ireo eto amin’ity tontolo maoderina ity? Mahaliana fa ireo manam-pahaizana manokana mandinika ireo fianakaviana amin’izao andro izao dia nanatsoaka hevitra mitovy amin’ireo. Hoy ny nomarihin’ny mpitantana iray tao amin’ny fandaharam-panampiana ireo fianakaviana: “Ireo fianakaviana matanjaka indrindra fantatro dia ireo izay ahitana ny reny sy ny ray manana fifandraisana mafy sy feno fitiavana. ... Io fifandraisana fototra izay mafy io dia toa miteraka tsy fahatsapana ahiahy ao amin’ireo ankizy.”3
Arakaraka ny fandehan’ireo taona, ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana dia hita ho azo ianteherana kokoa noho ny torohevitr’ireo mpanolo-tsaim-pianakaviana tsara fikasa be dia be. Rehefa heverina tokoa, tsy ela akory izay no nampirisihan’ny manam-pahaizana maro ny olona mba hisara-panambadiana mba hivoahana haingana sy mora foana amin’ny fanambadiana manorisory. Ankehitriny, dia maro amin’izy ireo no mampirisika ny olona hampaharitra ny fanambadiany, raha mbola mety koa. Tsy tonga anefa io fiovan-kevitra io raha tsy rehefa avy niteraka fahavoazana be.
Mifanohitra amin’izany fa ny Baiboly dia manome torohevitra azo ianteherana sy voalanjalanja tsara momba ny fanambadiana. Ekeny fa, amin’ny toe-javatra tafahoatra sasany, dia azo ekena ny fisaraham-panambadiana. (Matio 19:9) Etsy an-danin’izany anefa izy dia manameloka ny fisaraham-panambadiana tsy amin’ny antony. (Malakia 2:14-16) Manameloka ny fanitsakitsaham-bady koa izy. (Hebreo 13:4) Ny fanambadiana, hoy izy, dia mahafaoka fanekena adidy, araka izao teny izao: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” *—Genesisy 2:24, izahay no manao sora-mandry; Matio 19:5, 6.
Ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana dia mety amin’ny andro ankehitriny toy ny tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly. Rehefa mifampitondra amim-pitiavana sy amim-panajana ny mpivady, ka samy mihevitra ny fanambadiany ho toy ny fifandraisana tsy iombonany amin’ny hafa, dia azo inoana kokoa ny haharetan’ilay fanambadiany—sy ilay fianakaviany koa miaraka aminy.
Tari-dalana azo ampiharina ho an’ny ray aman-dreny
Am-polony taona maromaro lasa izay, dia ray aman-dreny maro—voatosik’ireo “hevitra tia vao” momba ny fitaizana zanaka—no nihevitra fa ‘rarana ny mandrara.’8 Natahotra izy ireo sao hiteraka fikorontanana anaty sy fahakiviana ny famerana fetra ho an’ny zanany. Mpanolo-tsaina tsara fikasa maro momba ny fitaizana zanaka no nanizingizina fa tsy tokony hihoatra ny fanomezana sazy maivana kely ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. Maro amin’ireny manam-pahaizana ireny anefa no mandinika indray ankehitriny ny anjara asan’ny famaizana, ary ray aman-dreny maro feno fanahiana no mitady ny hahazo fanazavana momba io foto-kevitra io.
Nandritra izay fotoana rehetra izay anefa, ny Baiboly dia nanolotra torohevitra mazava sy araka ny antonona momba ny fitaizana zanaka. Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia hoy izy: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW) Ilay teny grika nadika hoe “lalàm-pifehezana” dia midika hoe “fitaizana, fampiofanana, fampianarana.”9 Milaza ny Baiboly fa ny lalàm-pifehezana, na fampianarana, toy izany dia porofon’ny fitiavan’ny ray aman-dreny. (Ohabolana 13:24) Miroborobo tsara ny ankizy rehefa misy toro lalana ara-pitondran-tena mazava tsara sy fahatsapana matotra ny amin’ny tsara sy ny ratsy. Ny lalàm-pifehezana dia milaza aminy fa ny ray aman-dreniny dia miahy ny aminy sy ny amin’ny hoe ho karazan’olona hanao ahoana izy.
Tsy tokony ho tafahoatra na oviana na oviana anefa ny fahefan’ny ray aman-dreny—“ny tsorakazo famaizana.” * (Ohabolana 22:15; 29:15) Mampitandrina ny ray aman-dreny toy izao ny Baiboly: “Aza manitsy ny zanakareo amin’ny fomba tafahoatra, fandrao hanaisotra aminy ny herim-pony rehetra ianareo.” (Kolosiana 3:21, Phillips) Eken’ny Baiboly koa fa tsy ny fomba fampianatra mandaitra indrindra akory ny sazy ara-batana. Hoy ny Ohabolana 17:10: “Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.” Ankoatra izany, ny Baiboly dia manoro hevitra ny hisian’ny lalàm-pifehezana ho fisorohana. Ao amin’ny Deoteronomia 11:19, ny ray aman-dreny dia ampirisihina mba hahay hanararaotra ireo fotoana tsy misy faneriterena, mba hampianarana tsikelikely fari-pitsipika ara-pitondran-tena an’ireo zanany.—Jereo koa ny Deoteronomia 6:6, 7.
Mazava ny torohevitra tsy tontan’ny ela omen’ny Baiboly ho an’ny ray aman-dreny. Ny ankizy dia mila lalàm-pifehezana tsy miovaova sy feno fitiavana. Asehon’ny fanandraman-javatra fa tena mandaitra ny torohevitra toy izany. *
Fandresena ireo sakana mampisaratsaraka ny olona
Ny olona amin’izao andro izao dia voasaratsaraky ny sakana ara-pirazanana sy ara-pirenena ary ara-poko. Ireo sakana avy amin’ny olombelona ihany ireo dia anisan’ny nitarika ho amin’ny famonoana olona tsy nanan-tsiny tamin’ny ady, nanerana ny tany. Raha ny tantara no raisina ho fari-pitsipika, dia tena kely dia kely ny fanantenana hahita lehilahy sy vehivavy samy hafa firazanana
sy firenena, hifampihevitra sy hifampitondra toy ny olona mitovy zo. “Ny vahaolana”, hoy ny mpanao politika afrikanina iray, “dia ao am-pontsika.”11 Tsy mora anefa ny manova ny fon’ny olombelona. Diniho anefa ny fomba anohinan’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny fon’ny olona sy ny fomba ampirisihany ny hanehoana fihetsiky ny olona mitovy zo.Ny fampianaran’ny Baiboly hoe “nanao ny firenen’olona rehetra avy tamin’ny lehilahy iray” Andriamanitra, dia manaisotra izay hevitra rehetra ny amin’ny fahamboniana ara-pirazanana. (Asan’ny Apostoly 17:26, NW) Izany dia mampiseho fa tsy misy afa-tsy firazanana iray ihany, raha ny tena izy—ny olombelona. Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba “hanahaka an’Andriamanitra”, izay lazainy hoe ‘tsy mizaha tavan’olona, fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.’ (Efesiana 5:1; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Raha ny amin’ireo izay mandray ny Baiboly ho zava-dehibe ka mitady marina ny hanaraka ny fampianarany eo amin’ny fiainany, dia mampiray azy ireo io fampianarana io. Mandaitra hatrany amin’ny ambaratonga lalina indrindra, izany hoe ny fon’ny olombelona, izy io. Noho izany, dia manafoana ireo sakana noforonin’ny olona ka mampisaratsaraka, izy io. Mandiniha ohatra iray.
Fony i Hitler nanao ady nanerana an’i Eoropa, dia nisy antokona kristianina iray—ny Vavolombelon’i Jehovah—izay nanda tamin’ny fomba hentitra tsy hamono olona tsy nanan-tsiny. ‘Tsy hanainga sabatra hamely’ ny mpiara-belona taminy izy. Nisafidy ny hanao izany izy, noho ny faniriany hampifaly an’Andriamanitra. (Isaia 2:3, 4; Mika 4:3, 5) Nino marina izay ampianarin’ny Baiboly izy ireo, dia ny hoe tsy misy firenena na firazanana tsara kokoa noho ny iray hafa. (Galatiana 3:28) Noho izy ireo olona tia fihavanana, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no anisan’ny nigadra voalohany tany amin’ireo toby fitanana.—Romana 12:18.
Tsy izay rehetra nihambo ho nanaraka ny Baiboly anefa no niandany tamin’io safidy io. Fotoana fohy taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia hoy ny nosoratan’i Martin Niemöller, mpitondra fivavahana protestanta alemà: “Na iza na iza mitady hanome tsiny an’Andriamanitra noho [ireo ady] dia tsy mahalala, na tsy ta hahalala, ny Tenin’Andriamanitra. ... Ireo fiangonana kristianina, nandritra ireo taonjato lasa rehetra, dia tsy nitsahatra nitso-drano ireo ady sy andian-tafika ary fiadiana, no sady nivavaka tamin’ny fomba tsy kristianina mihitsy mba haharingana ireo fahavalony tamin’ny ady. Izany rehetra izany dia fahadisoantsika sy fahadisoan’ireo razambentsika, fa tsy Andriamanitra velively no tokony homena tsiny. Ary isika Kristianina ankehitriny dia mitsanga-menatra eo anatrehan’izay antsoina hoe antokom-pinoana toa an’ireo Mpianatra ny Baiboly Tso-po [ny Vavolombelon’i Jehovah], izay an-jatony sy an’arivony maro taminy no nampidirina tany amin’ny toby fitanana, ary maty [mihitsy aza], satria tsy nety nanao raharaha miaramila ary nanda tsy hitifitra olona.”12
Hatramin’izao isika miteny izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra tsara noho ny firahalahiany, izay mampiray ny Arabo sy ny Jiosy, ny Kroaty sy ny Serba, ny Hutu sy ny Tutsi. Kanefa, ireo Vavolombelona dia tsy misalasala manaiky fa matoa mety io firaisan-tsaina io, dia tsy noho izy ireo tsara kokoa noho ny hafa akory, fa noho izy ireo atosiky ny herin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly.—1 Tesaloniana 2:13.
Tari-dalana azo ampiharina izay mitondra fahasalaman’ny saina
Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana ara-batan’ny olona iray matetika ny toetran’ny sainy sy ny fihetseham-pony. Ohatra, ny fikarohana ara-tsiansa dia efa nanaporofo ireo vokatra manimban’ny fahatezerana. “Ny ankabeazan’ny porofo misy dia toa manondro fa ireo olona saro-po dia mora voan’ny aretim-po (sy ny aretina hafa) kokoa, noho ny antony maro isan-karazany, anisan’izany ny fihenan’ny isan’ny namana, sy ny fitomboan’ny vokatra biolojika ateraky ny fahatezerana, ary ny fitomboan’ny fanaranam-po amin’ny fahazarana manimba ara-pahasalamana”, hoy ny Dr. Redford Williams, Talen’ny Fikarohana Momba ny Fihetsika ao amin’ny Foibem-pitsaboan’ny Oniversiten’i Duke, sy i Virginia Williams, vadiny, ao amin’ny bokin’izy ireo hoe Anger Kills (Mamono ny Fahatezerana).13
Ohabolana 14:30; 17:22) Hoy ny torohevitra feno fahendren’ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana.” “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao.”—Salamo 37:8; Mpitoriteny 7:9.
An’arivony taona maro talohan’ireo fikarohana ara-tsiansa ireo, ny Baiboly, tamin’ny teny tsotra nefa mazava, dia efa nampifandray ny fihetseham-pontsika sy ny fahasalamantsika ara-batana, toy izao: “Ny fo mionona no fiainan’ny nofo; fa ny [fialonana, NW] dia mahalo ny taolana.” (Mirakitra torohevitra feno fahendrena mba hifehezana ny fahatezerana koa ny Baiboly. Ohatra, hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Ny teny hebreo nadika hoe “fahendrena”, na hoe “fahaiza-mahataka-javatra” (NW), dia avy amin’ny matoanteny iray izay misarika ny saina ho amin’ny “fahalalana ny antony” isian’ny zavatra iray.14 Ny torohevitra feno fahendrena àry dia hoe: “Mieritrereta alohan’ny hanaovanao zavatra.” Ny fiezahana hahatakatra ireo antony mahatonga ny hafa hiteny na hanao zavatra amin’izao fomba izao na izao, dia afaka manampy ny olona iray hilefitra kokoa sy tsy ho mora tezitra loatra.—Ohabolana 14:29.
Ny torohevitra azo ampiharina iray hafa dia hita ao amin’ny Kolosiana 3:13, manao hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo.” Tsy misaraka amin’ny fiainana ny disadisa madinika. Ny teny hoe “mifandefitra” dia toa manondro ny fandeferana ireo zavatra tsy tiantsika ao amin’ny hafa. Ny hoe “mamela heloka” dia midika hoe mahafoy ny fahatezerana. Indraindray, dia fahendrena ny mahafoy ny fahasosorana mafy, toy izay hitahiry azy io ao anatintsika ao; ny fitanana ilay fahatezerana dia vao mainka hampahavesatra ny entantsika fotsiny.—Jereo ny faritra voafefy hoe “Tari-dalana Azo Ampiharina eo Amin’ny Fifandraisan’olombelona.”
Ankehitriny dia maro be ireo loharanon-torohevitra sy tari-dalana. Tena tsy manam-paharoa anefa ny Baiboly. Tsy teoria fotsiny akory ny torohevitra ao anatiny, no sady tsy hitondra fahavoazana ho antsika mihitsy. Hita ho “tena mendri-pitokiana” kosa aza ny fahendreny. (Salamo 93:5, NW) Ankoatra izany, dia tsy tontan’ny ela ny torohevitry ny Baiboly. Na dia efa ho 2 000 taona lasa aza izay ny nahavitana azy, dia mbola azo ampiharina ihany ny teniny. Ary mitovy avokoa ny vokatra azontsika avy amin’ny fampiharana azy, na inona na inona volon-koditsika na tany onenantsika. Ny teny ao amin’ny Baiboly koa dia manan-kery—hery hanova ny olona ho tsara kokoa. (Hebreo 4:12) Koa afaka ny hanatsara ny fiainanao àry ny famakiana io boky io sy ny fampiharana ny toro lalana ao anatiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Ny teny hebreo hoe da·vaqʹ, izay nadika eto hoe ‘mikambana’, dia “manana ny hevitra hoe mifikitra amin’olona iray noho ny firaiketam-po sy ny tsy fivadihana.”4 Amin’ny teny grika, ny teny nadika hoe “hikambana” ao amin’ny Matio 19:5 dia mifandray amin’ilay teny midika hoe “manakambana amin’ny dity”, “mampiraikitra amin’ny simenitra”, “mampiray mafy.”5
^ feh. 18 Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny teny hoe “tsorakazo” (hebreo: sheʹvet) dia nidika hoe “tapa-kazo lavalava” na “tehina”, toy ilay ampiasain’ny mpiandry ondry.10 Eto ny tsora-kazon’ny fahefana dia toa manondro tari-dalana feno fitiavana, fa tsy herisetra feno fahasiahana akory.—Ampitahao amin’ny Salamo 23:4.
^ feh. 19 Jereo ny toko hoe “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, sy “Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo”, ary “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao” ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 24]
Ny Baiboly dia manolotra torohevitra mazava sy araka ny antonona momba ny fiainam-pianakaviana
[Efajoro, pejy 23]
Ireo toetra mampiavaka ny fianakaviana matanjaka
Taona maromaro lasa izay, ny mpanabe iray sy ny manam-pahaizana iray momba ny fianakaviana dia nitarika fikarohana lalina iray. Nisy olona matihanina maherin’ny 500 tamin’izy io, izay nanome torohevitra an’ireo fianakaviana ary nangatahina hilaza ireo lafin-toetra hitany teo amin’ireo fianakaviana ‘natanjaka.’ Mahaliana fa ny anisan’ireo lafin-toetra voatanisa indrindra dia zavatra izay efa nanoroan’ny Baiboly hevitra efa ela be izay.
Ny fifampiresahana tsara no loha laharana, ka anisan’izany ny fandaminana tsy fifanarahana, amin’ny fomba mandaitra. Ny fomba fanaovan-javatra iombonan’ireo fianakaviana matanjaka dia ny hoe “tsy misy mandeha matory raha mbola tezitra amin’ny olon-kafa”, hoy ny nomarihin’ilay mpitarika ilay fikarohana.6 Kanefa, maherin’ny 1 900 taona lasa izay, ny Baiboly dia efa nanoro hevitra hoe: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26) Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny andro dia nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro. Koa ela be talohan’ny nanaovan’ny manam-pahaizana maoderina fikarohana momba ny fianakaviana àry, ny Baiboly dia efa nanoro hevitra tamim-pahendrena hoe: Alamino haingana ireo zava-mampisaratsaraka alohan’ny hifaranan’ny andro ka hanombohan’ny iray hafa.
Ireo fianakaviana matanjaka dia “tsy manomboka miresaka momba ny foto-kevitra izay azo antoka fa hampipoaka fahatezerana, alohan’ny hivoahany ny trano na alohan’ny hatoriany”, hoy ilay mpitarika ilay fikarohana. “Reko niverimberina foana ilay teny hoe ‘amin’ny fotoana mety.’”7 Tsy fantatr’ireo fianakaviana ireo fa tamin’izany izy ireo dia nanome akon’ilay ohabolana ara-baiboly voarakitra an-tsoratra maherin’ny 2 700 taona lasa izay, ka manao hoe: “Toy ny paoma volamena eo amin’ny asa sokitra volafotsy ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” (Ohabolana 15:23; 25:11, NW) Io teny fanoharana io dia mety hanondro ravaka volamena miendrika paoma apetraka eo ambony lovia fisaka volafotsy misy sokitra—fananana nankafizina indrindra sy kanto tamin’ny andron’ny Baiboly. Izany dia milaza ny hakanto sy ny hasarobidin’ny teny atao amin’ny fotoana mety tsara. Ao anatin’ny toe-javatra feno fanerena, ny teny araka ny mety, amin’ny fotoana mety, dia tena tsy voavidim-bola aman-karena.—Ohabolana 10:19.
[Efajoro, pejy 26]
Tari-dalana azo ampiharina eo amin’ny fifandraisan’olombelona
“Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangìna.” (Salamo 4:4) Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra misy fanafintohinana madinika, dia mety ho fahendrena ny mifehy ny teninao, ka hisakana ny hitrangan’ny fifandonana ara-pihetseham-po.
“Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.” (Ohabolana 12:18) Mieritrereta alohan’ny hitenenanao. Afaka ny handratra ny hafa sy handrava fisakaizana ny teny tsy tsaroana.
“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Mitaky fifehezan-tena ny famaliana amim-pahalemem-panahy, nefa matetika ny fanaovana izany no mandravona zava-manahirana ka mampandroso fifandraisana feno fihavanana.
“Ny fiandohan’ny ady dia toy ny manata-drano, koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” (Ohabolana 17:14) Fahendrena ny miala amin’ny tarehin-javatra mitady hampitroatra anao, alohan’ny hamoizanao ny fifehezan-tenanao.
“Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9) Ny fihetseham-po matetika dia mialoha ny zavatra atao. Adala izay malaky tafintohina, satria mety hitarika azy hanao teny sy zavatra tsy voahevitra izany.
[Sary, pejy 25]
Ny Vavolombelon’i Jehovah no anisan’ny nigadra voalohany tany amin’ireo toby fitanana