Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray Izay “Miteny” Amin’ireo Fiteny Velona

Boky Iray Izay “Miteny” Amin’ireo Fiteny Velona

Boky Iray Izay “Miteny” Amin’ireo Fiteny Velona

Raha maty ny fiteny nanoratana ny boky iray, dia ho faty toy izany koa ilay boky. Vitsy ny olona amin’izao andro izao afaka mamaky ireo fiteny tranainy nanoratana ny Baiboly. Kanefa dia mbola velona ihany ny Baiboly. Tafita hatramin’izao izy io, satria “nianatra niteny” ireo fiteny velon’ny olombelona. Ireo mpandika teny izay “nampianatra” azy io hiteny amin’ny fiteny hafa dia niatrika vato misakana toa tsy hay resena indraindray.

NY FANDIKANA tenin’ny Baiboly—misy toko maherin’ny 1 100 sy andininy maherin’ny 31 000—dia asa goavambe. Kanefa, tao anatin’ireo taonjato maro lasa, dia nisy mpandika teny be fandavan-tena faly nanaiky handresy ilay zava-tsarotra. Maro tamin’izy ireo no vonona hiaritra zava-tsarotra, sy ho faty mihitsy aza, mba hanao ny asany. Ny tantara momba ny nahafahana nandika ny Baiboly tamin’ireo fitenin’ny olombelona dia tantaram-pikirizana sy fahaiza-mamoron-kevitra mahavariana. Diniho ny sombiny kely fotsiny amin’izany tantara mampiaiky volana izany.

Ireo zava-tsarotra natrehin’ireo mpandika teny

Ahoana no handikanao boky iray amin’ny fiteny iray tsy manana soratra? Izany indrindra anefa no natrehin’ny mpandika tenin’ny Baiboly maro. Ohatra, i Ulfilas, tamin’ny taonjato fahefatra, dia nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny iray izay maoderina tamin’izay, saingy tsy nisy soratra—ny fiteny gôtika. Nandresy ilay zava-tsarotra i Ulfilas, tamin’ny famoronana ny abidy gôtika nisy litera 27, izay naoriny tamin’ny abidy grika sy latinina indrindra indrindra. Vita talohan’ny taona 381 ny fandikany saika ny Baiboly manontolo tamin’ny fiteny gôtika.

Tamin’ny taonjato fahasivy, ny mpirahalahy roa niteny grika, i Cyrille (nantsoina hoe Constantin tany am-boalohany) sy i Méthode, izay samy nanam-pahaizana niavaka momba ny fiteny, dia naniry handika tenin’ny Baiboly ho an’ireo olona niteny slavy. Tsy nanana soratra anefa ny fiteny slavônika—ny razamben’ireo fiteny slavy amin’izao andro izao. Koa namorona abidy iray àry izy mirahalahy ireo, mba hamoahana fandikan-tenin’ny Baiboly. Araka izany, izao ny Baiboly dia afaka “niteny” tamin’ny olona maro hafa koa, dia ny mponin’ireo tany slavy.

Tamin’ny taonjato faha-16, i William Tyndale dia nanomboka nandika ny Baiboly avy tamin’ireo fiteny tany am-boalohany ho amin’ny teny anglisy. Tojo fanoherana mafy avy tamin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana anefa izy. I Tyndale, izay nobeazina tao Oxford, dia naniry hamoaka fandikan-teny izay ho takatry ny “ankizilahy mitarika angadin’omby” koa aza.1 Mba hanaovana izany anefa, dia voatery nandositra nankany Alemaina izy, ka tany no natao pirinty ny “Testamenta Vaovao” nadikany tamin’ny teny anglisy, tamin’ny 1526. Rehefa tafiditra an-tsokosoko tany Angletera ny sasany tamin’izy io, dia romotra ireo manam-pahefana, ka nanomboka nandoro azy ireo ampahibemaso. Nisy namadika i Tyndale tatỳ aoriana. Taloha kelin’ny nanakendana azy sy nandorana ny fatiny, dia nanonona ireto teny ireto tamin’ny feo avo izy: “Tompo ô, ampahirato ny mason’ny Mpanjakan’i Angletera!”2

Nitohy ny fandikana tenin’ny Baiboly; tsy azo nosakanana ireo mpandika teny. Tamin’ny 1800, dia ampahany sasany fara faharatsiny tamin’ny Baiboly no efa “nianatra niteny” fiteny 68. Avy eo, noho ny fiforonan’ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly, ary indrindra fa ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny, niorina tamin’ny 1804, ny Baiboly dia “nianatra” haingana fiteny vaovao hafa koa. Lehilahy tanora an-jatony maro no nirotsaka an-tsitrapo ho any an-tany hafa mba ho misionera, ka ny zavatra voalohany nokendren’ny maro taminy dia ny handika tenin’ny Baiboly.

Fianarana ireo fitenin’i Afrika

Tamin’ny 1800, dia tsy nisy afa-tsy fiteny nisy soratra roa ambin’ny folo teo ho eo tao Afrika. Fiteny tsy nisy soratra an-jatony maro hafa no voatery niandry mandra-pamoron’ny olona iray soratra ho azy ireo. Tonga ireo misionera ary nianatra ireo fiteny ireo, tsy nisy boky fianarana na diksionera nanampy azy. Avy eo dia nilofo izy ireo hamorona soratra iray, ary nampianatra ny olona ny fomba famaky azy io. Nanao izany izy ireo, mba hahafahan’ny olona, indray andro any, hamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny.3

Ny misionera iray toy izany dia ny lehilahy ekosey iray nantsoina hoe Robert Moffat. Tamin’ny 1821, fony izy 25 taona, dia nanangana misiona iray teo amin’ireo olona niteny tswana tany amin’ny faritra atsimon’i Afrika, i Moffat. Mba hianarana ny fitenin’izy ireo izay tsy nisy soratra, dia nifanerasera tamin’ny olona izy, ka indraindray dia nanao dia tany afovoan-tany mba hiara-miaina tamin’izy ireo. “Tsara fanahy ireo olona”, hoy ny nosoratany tatỳ aoriana, “ary ireo diso nataoko tamin’ilay fiteny dia nahatoran’ny hehy azy ireo imbetsaka. Na oviana na oviana, na dia indray mandeha aza, dia tsy nisy tamin’izy ireo nanitsy ny teny na ny fehezanteny iray, mandra-pahainy nanahaka ahy tsara aoka izany, mba hifalian’ny hafa.”4 Naneho fikirizana i Moffat, ka tamin’ny farany dia nahay ilay fiteny, ary namorona soratra ho azy io.

Tamin’ny 1829, rehefa avy niasa valo taona teo amin’ireo Tswana i Moffat, dia nahavita nandika tenin’ny Filazantsaran’i Lioka. Mba hanaovana pirinty azy io, dia nandeha saretin’omby tokony ho 1 000 kilaometatra hatrany amin’ny moron-tsiraka izy, ary avy eo dia niondrana an-tsambo ho any Le Cap. Tao ilay governora dia nanome azy lalana hampiasa milim-panjakana iray. Ny tenan’i Moffat ihany anefa no voatery nanao ny fandrindram-pejy sy ny pirinty, ka tamin’ny farany dia nanatonta ilay Filazantsara tamin’ny 1830. Sambany ireo Tswana vao afaka namaky ampahany iray tamin’ny Baiboly tamin’ny fiteniny. Tamin’ny 1857, i Moffat dia nahavita ny fandikana tenin’ny Baiboly manontolo tamin’ny fiteny tswana.

Tatỳ aoriana i Moffat dia nitantara ny fihetsik’ireo Tswana nahazo voalohany ny Filazantsaran’i Lioka. Hoy ny nomarihiny: “Nahafantatra olona tonga avy tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro mba hahazo ny bokin’i Md. Lioka, aho. ... Hitako izy ireo nahazo ampahany sasany tamin’ny bokin’i Md. Lioka, nitomany teo amboniny, namihina azy teo an-tratrany, ary nandrotsaka ranomasom-pankasitrahana, mandra-pilazako tamin’ny maro taminy hoe: ‘Ho simban’ny ranomasonareo ange ireo bokinareo ireo e.’ ”5

Ny mpandika teny be fandavan-tena toa an’i Moffat àry dia nanome ho an’ny Afrikanina maro ny fahafahana voalohany hifandray an-tsoratra, na dia tsy nahita ny nilana fiteny iray nisy soratra aza ny sasany taminy tamin’ny voalohany. Nino anefa ireo mpandika teny fa fanomezana sarobidy lavitra noho izany no nomeny ho an’ny mponin’i Afrika—ny Baiboly tamin’ny fiteniny. Amin’izao andro izao, ny Baiboly, na manontolo na ampahany aminy, dia “miteny” amin’ny fiteny afrikanina maherin’ny 600.

Fianarana ireo fitenin’i Azia

Raha niady mafy mba hamorona soratra ho an’ny fiteny tsy nanana izany ny mpandika teny tao Afrika, tany amin’ny ilany hafa tamin’ny tany kosa, ny mpandika teny hafa dia tojo vato misakana hafa—fandikana amin’ny fiteny izay efa nampiasa soratra sarotra be. Izany no zava-tsarotra natrehin’ireo izay nandika ny Baiboly tamin’ireo fitenin’i Azia.

Teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, i William Carey sy i Joshua Marshman dia nankany Inde ka nianatra ny maro tamin’ireo fiteny nisy soratra tany. Noho ny fanampian’i William Ward, mpanao pirinty, dia namoaka fandikan-tenin’ny ampahany sasany fara faharatsiny tamin’ny Baiboly tamin’ny fiteny efa ho 40 izy ireo.6 Momba an’i William Carey, dia hoy ny nohazavain’i J. Herbert Kane, mpanoratra: “Namorona endriny kanto sy misosa toy ny fomba firesaka [amin’ny fiteny bengali] izay nisolo toerana ilay endriny tranainy nahazatra, izy, ka nanao azy io ho mora azo kokoa sy nanintona kokoa ho an’ny mpamaky teny maoderina.”7

I Adoniram Judson, izay teraka sy notezaina tany Etazonia, dia nankany Birmania, ary tamin’ny 1817 izy dia nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny birmanina. Nilazalaza ny fahasarotan’ny fianarana fiteny tatsinanana mba hahafahana handika ny Baiboly izy, ka nanoratra hoe: ‘Rehefa manomboka mianatra fiteny iray ampiasain’ny vahoaka iray any amin’ny ilany hafa amin’ny tany isika, ka hafa tanteraka amin’ny antsika ny fomba fisainan’izany vahoaka izany, ka noho izany dia vaovao amintsika avokoa ny fomba filazany zavatra, no sady tsy misy ifandraisany amin’izay fiteny fantatsika ny litera sy ny teny ampiasainy; rehefa tsy manana diksionera na mpandika teny isika, nefa tsy maintsy mahazo zavatra kely amin’ilay fiteny vao ho afaka hanararaotra ny fanampian’ny tera-tany iray—dia asa be no takin’izany!’8

Raha ny amin’i Judson, izany dia nidika ho asa mafy nandritra ny 18 taona teo ho eo. Natao pirinty tamin’ny 1835 ny tapany farany tamin’ny Baiboly tamin’ny fiteny birmanina. Nampizaka fahoriana be azy anefa ny fivahiniany tany Birmania. Fony izy nanao ilay fandikan-teny, dia nampangaina ho mpitsikilo izy ka nampidirina tao an-tranomaizina iray feno moka nandritra ny efa ho roa taona. Tsy ela taorian’ny nanafahana azy, dia matin’ny tazo ny vadiny sy ny zanany vavikely.

Rehefa tonga tany Chine i Robert Morrison, 25 taona, tamin’ny 1807, dia nanomboka nanao ilay asa faran’izay sarotra nandikana ny Baiboly tamin’ny teny sinoa, izay ny iray amin’ireo fiteny nisy soratra sarotra indrindra. Voafetra ny fahaizany ny teny sinoa, izay nanomboka nianarany roa taona monja talohan’io. Tsy maintsy nanaraka ny lalàna tany Chine, izay niezaka ny hihazona an’i Chine hitokana tamin’ny hafa, koa i Morrison. Norarana tsy hampianatra ilay fiteny tamin’ny vahiny ireo Sinoa, raha tsy izany dia hovonoina ho faty. Fandikan-dalàna mendrika ny fanamelohana ho faty ny fandikan’ny vahiny iray ny Baiboly tamin’ny teny sinoa.

Tsy nampihontsina an’i Morrison izany, nefa dia malina tsara izy, teo am-panohizana nianatra ilay fiteny, ka nianatra azy io haingana. Tao anatin’ny roa taona, dia nahazo asan’ny mpandika teny tao amin’ny Compagnie des Indes orientales izy. Nandritra ny andro izy dia niasa ho an’ilay kompania, nefa niafina izy nanao ilay asa fandikan-tenin’ny Baiboly, na dia nety ho tratra foana aza. Tamin’ny 1814, fito taona taorian’ny nahatongavany tany Chine, dia vitany ka vonona hatao pirinty ny Soratra Grika Kristianina.9 Dimy taona tatỳ aoriana, noho ny fanampian’i William Milne, dia vitany ny Soratra Hebreo.

Zava-bita goavana ilay izy—ny Baiboly izao dia afaka “niteny” tamin’ny fiteny iray izay ampiasain’ny olona maro lavitra noho ny fiteny hafa rehetra eto ambonin’ny tany. Noho ireo mpandika teny mahay, dia nisy fandikan-teny tamin’ny fiteny aziatika hafa koa nanaraka izany. Ankehitriny, dia misy ampahany sasany amin’ny Baiboly amin’ny fitenin’i Azia maherin’ny 500.

Nahoana ny lehilahy toa an-dry Tyndale, Moffat, Judson ary Morrison no nilofo nandritra ny taona maro—ka ny sasany aza nanao vivery ny ainy—mba handika tenin’ny boky iray ho an’ny olona izay tsy fantany akory, ary tamin’ny toe-javatra sasany, dia ho an’ny olona tsy nanana fiteny nisy soratra akory? Azo antoka fa tsy mba hahazoana voninahitra na tombony ara-bola no nanaovany izany. Nino izy ireny fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, izay tokony “hiteny” tamin’ny olona—ny olona rehetra—amin’ny fitenin’izy ireo.

Na mino ianao fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly na tsia, dia hanaiky angamba ianao fa ilay toe-tsaina feno fahafoizan-tena nasehon’ireny mpandika teny be fandavan-tena ireny dia tena mahalana vao hita amin’izao andro izao. Moa ve ny boky iray izay nahatonga olona tsy ho tia tena toy izany, tsy mendrika ny hofakafakaina?

[Tabilao, pejy 12]

(Jereo ny bokikely)

Isan’ny fiteny nanaovana pirinty ampahany sasany amin’ny Baiboly, hatramin’ny 1800

68 107 171 269 367 522 729 971 1,199 1,762 2,123

1800 1900 1995

[Sary, pejy 10]

Tyndale eo am-pandikana ny Baiboly

[Sary, pejy 11]

Robert Moffat

[Sary, pejy 12]

Adoniram Judson

[Sary, pejy 13]

Robert Morrison