Boky Iray Naseho Tamin’ny Fomba Diso
Boky Iray Naseho Tamin’ny Fomba Diso
“Ilay foto-pampianarana ny amin’ny fihodinana roa sosona ataon’ny tany eo amin’ny tenany sy manodidina ny masoandro dia diso, no sady mifanipaka tanteraka amin’ny Soratra Masina.” Izany no nambaran’ny Congrégation de l’Index ao amin’ny Eglizy Katolika Romanina tao amin’ny didy iray tamin’ny 1616.1 Tena tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ara-tsiansa tokoa ve ny Baiboly? Sa naseho tamin’ny fomba diso kosa izy io?
TAMIN’NY ririnina 1609/1610, i Galileo Galilei (Galilée) dia nampitodika tany amin’ny lanitra ilay teleskaopy vaovao avy namboariny, ka nahita volana efatra nanodidina ny planeta Jupiter. Ny zavatra hitany dia nandrava ilay finoana nanjaka tamin’izay hoe ireo tenan-javatra rehetra eny amin’ny lanitra dia tsy maintsy mihodina manodidina ny tany. Teo aloha kokoa, tamin’ny 1543, i Nicolas Copernic, astronoma poloney, dia efa namoaka ilay teoria hoe ireo planeta dia mihodinkodina manodidina ny masoandro. Ary dia nanamarina izany ho zava-misy ara-tsiansa i Galilée.
Ho an’ny teolojianina katolika anefa, izany dia herezia. Ny eglizy dia nino efa hatramin’ny ela be fa ny tany no foiben’izao rehetra izao.2 Io fomba fihevitra io dia niorina tamin’ny fandraisana ara-bakiteny ny hevitr’ireo andinin-teny izay nilazalaza ny tany ho mitoetra mafy “eo amin’ny fanorenany ... mandrakizay.” (Salamo 104:5, Fandikan-teny Katolika) Nampiantsoin’i Roma i Galilée, ary dia niseho teo anatrehan’ny fitsaran’ny Inquisition. Nofotorana tamin’ny fomba henjana izy, ka voatery nivadika tamin’ny teniny momba ireo zavatra hitany, ary notanana ho babo tao an-trano nandritra ireo andro sisa tavela tamin’ny fiainany.
Tamin’ny 1992, 350 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Galilée, dia nanaiky ny Eglizy Katolika tamin’ny farany fa hay marina ihany ny azy.3 Raha marina anefa ny an’i Galilée, diso àry ve izany ny an’ny Baiboly?
Fitadiavana ny tena hevitr’ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly
Nino i Galilée fa marina ny Baiboly. Rehefa nifanipaka tamin’ny hevitra nomena ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly nanjaka tamin’izay, ireo zavatra ara-tsiansa hitany, dia nanjohy hevitra izy fa ireo teolojianina no tsy nahazo ny tena hevitr’ireny andalan-teny ireny. Rehefa dinihina tokoa, “ny fahamarinana roa dia tsy afaka ny hifanipaka amin’izy samy izy”, hoy ny nosoratany.4 Nanoro hevitra izy fa ireo voambolana hentitry ny siansa dia tsy mifanohitra amin’ireo teny tsotra ao amin’ny Baiboly. Tsy nanaiky ho resy lahatra anefa ireo teolojianina. Nanizingizina izy ireo fa ireo fanambarana rehetra momba ny tany ao amin’ny Baiboly dia tokony horaisina ara-bakiteny. Ho vokany, dia tsy vitan’ny hoe nanda ireo zavatra hitan’i Galilée izy ireo, fa tsy nahazo koa ny tena hevitr’ireny teny ao amin’ny Soratra Masina ireny.
Raha ny tena izy, ny saina mieritreritra fotsiny dia tokony hilaza amintsika fa, rehefa miresaka momba ny “vazan-tany efatra” ny Baiboly, dia tsy te hilaza akory izy hoe efamira ara-bakiteny no niheveran’ireo nanoratra ny Baiboly ny tany. (Apokalypsy 7:1) Nosoratana tamin’ny fitenin’olon-tsotra ny Baiboly, ka matetika no mampiasa sarin-teny mazava tsara. Koa rehefa milaza ny tany ho manana “vazan-tany efatra”, ‘fanorenana’ maharitra, ‘vodiandry’ ary ‘vato fehizoro’ ny Baiboly, dia tsy manolotra filazalazana ara-tsiansa momba ny tany akory izy; miharihary kosa fa mampiasa teny ara-panoharana izy, toy ny ataontsika eo amin’ny fitenintsika andavanandro. *—Isaia 51:13; Joba 38:6.
Ao amin’ny bokiny hoe Galileo Galilei, dia hoy ny nomarihin’i L. Geymonat, mpanoratra tantaram-piainan’olona: “Ireo teolojianina tery saina izay nitady hametra ny siansa araka ny fanjohian-kevitra ara-baiboly dia tsy hanao afa-tsy ny hampihem-bidy ny Baiboly fotsiny.”5 Ary izany indrindra no nataon’izy ireo. Raha ny marina, dia ny hevitra nomen’ireo teolojianina ny Baiboly—fa tsy ny Baiboly akory—no nametra tsy araka ny antonona ny siansa.
Toy izany koa, ireo mpiraikitra amim-pototra ara-pivavahana amin’izao andro izao dia manolana ny Baiboly, rehefa manizingizina fa ny tany dia noforonina tao anatin’ny enina andro nisy 24 ora avy. (Genesisy 1:3-31) Izany fiheverana izany dia tsy mifanaraka na amin’ny siansa na amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Baiboly, toy ny eo amin’ny fiteny andavanandro, dia miovaova ny hevitry ny teny hoe “andro”, mba hilazana halavam-potoana maro samihafa. Ao amin’ny Genesisy 2:4, ireo andro famoronana enina rehetra dia resahina ho “andro” iray mahafaoka azy rehetra. Ny teny hebreo nadika hoe “andro” ao amin’ny Baiboly dia afaka midika hoe “fotoana lava” fotsiny.6 Koa tsy misy antony ara-baiboly àry hanizingizinana fa ireo andro famoronana dia naharitra 24 ora avy. Rehefa mampianatra zavatra hafa noho izany ireo mpiraikitra amim-pototra dia mampiseho ny Baiboly amin’ny fomba diso.—Jereo koa ny 2 Petera 3:8.
Nandritra ny tantara manontolo, dia nanolana ny Baiboly matetika ireo teolojianina. Diniho ny fomba hafa sasany nampisehoan’ny Kristianisma Anarana ny Baiboly tamin’ny fomba diso.
Nasehon’ny fivavahana tamin’ny fomba diso
Ireo zavatra ataon’ireo milaza ho manaraka ny Baiboly dia matetika no mandoto ny lazan’ilay boky ihamboany fa hajainy. Nifandatsa-dra tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo milaza azy ho Kristianina. Kanefa ny Baiboly dia mananatra ny mpanara-dia an’i Kristy mba ‘hifankatia.’—Jaona 13:34, 35; Matio 26:52.
Misy anisan’ny klerjy mitsentsitra, amin’ny fampiasana teny mandoka, ny vola azon’ny andian’ondriny tamin’ny fisasarana mafy—zavatra izay mifanohitra tanteraka amin’ilay toromariky ny Soratra Masina hoe: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.”—Matio 10:8; 1 Petera 5:2, 3.
Mazava fa ny Baiboly dia tsy azo tsaraina araka ireo teny sy zavatra ataon’ireo izay manonona azy fotsiny na mihambo fotsiny ho manaraka azy. Noho izany, ny olona iray malala-tsaina dia mety haniry hanao fandalinana mba hahitan’ny tenany ihany hoe inona marina ny Baiboly sy ny antony maha boky tena miavaka azy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Ohatra, na dia ireo astronoma mandray ny hevitra ara-bakiteny indrindra amin’izao andro izao aza dia hiresaka momba ny masoandro sy ny kintana ary ny fitambaran-kintana “miposaka” sy “milentika”—na dia toa hita ho mihetsika fotsiny aza izy ireo, raha ny tena izy, noho ny fihodinan’ny tany.
[Sary, pejy 4]
Ny roa tamin’ireo teleskaopin’i Galilée
[Sary, pejy 5]
Galilée eo anoloan’ireo mpitsara azy