Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray Natao Hovakina

Boky Iray Natao Hovakina

Boky Iray Natao Hovakina

“Tsy natao horaisina ho zava-dehibe ny Baiboly.” Izany no nolazain’ny profesoran’ny oniversite iray tamin’ny vehivavy tanora iray niteny tsy nisy hambahamba.

“Efa namaky ny Baiboly izany ianao?”, hoy izy io nanontany.

Taitra ilay profesora, ka voatery niaiky fa mbola tsy namaky azy io izy.

“Koa ahoana no ahafahanao milaza hevitra hentitra be toy izany momba ny boky iray mbola tsy novakinao akory?”

Marina ny azy. Nanapa-kevitra àry ilay profesora fa hamaky ny Baiboly, ary avy eo vao hanana ny fomba fiheviny momba azy io.

NY BAIBOLY izay voaforona asa soratra 66, dia nolazaina ho “ny fitambaram-boky nanan-kery indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona angamba.”1 Eny tokoa, nanan-kery teo amin’ny sasany tamin’ny zavakanto sy ny haisoratra ary ny mozika malaza indrindra eto ambonin’ny tany izy io. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny lalàna izy io. Nankalazaina noho ny fomba fanoratra ny haisoratra hita ao anatiny izy io, ary avara-pianarana maro no manana fiheverana ambony azy. Tena nisy vokany lalina teo amin’ny fiainan’ny olona avy amin’ny saranga rehetra izy io. Nahavariana ny fanehoana tsy fivadihana naterak’izy io tao amin’ny maro tamin’ny mpamaky azy. Vonona ny hiatrika fahafatesana mihitsy aza ny sasany mba hamakiana azy io fotsiny.

Etsy an-danin’izany, dia misy koa ny tsy mino ny Baiboly. Misy olona manana fomba fihevitra raikitra momba azy io, na dia mbola tsy namaky azy io akory aza ny tenany. Mety hanaiky izy ireo fa asa soratra na boky ara-tantara miavaka izy io. Manontany tena koa anefa izy ireo hoe: Ahoana no hetezan’ny boky iray nosoratana an’arivony taona maro lasa izay, hisy vidiny eto amin’ity tontolo maoderina ity? Miaina amin’ny “fotoan’ny fampahalalam-baovao” isika. Azontsika eo no ho eo izay vaovao farany momba ny zava-miseho sy ny teknolojia farany. Misy torohevitry ny “manam-pahaizana” vetivety dia azo, saika momba ny zava-manahirana rehetra eo amin’ny fiainana maoderina. Moa ve ny Baiboly, tena afaka mirakitra vaovao izay azo ampiharina amin’izao andro izao?

Ity bokikely ity dia miezaka hamaly ireo fanontaniana ireo. Tsy nokendrena hanery anao hanaiky fomba fihevitra na finoana ara-pivavahana akory izy ity, fa natao mba hampisehoana fa io boky manan-kery ara-tantara io, ny Baiboly, dia mendrika ny hodinihinao. Ny tatitra iray nivoaka tamin’ny 1994 dia nanamarika fa ny mpanabe sasany dia mino mafy fa nanjary tandra vadin-koditry ny kolontsaina tandrefana ny Baiboly, hany ka “na iza na iza, na mpino izy na tsy mpino, ka tsy mahalala ireo fampianarana sy fitantarana ara-baiboly, dia olona tsy mahay taratasy, eo amin’ny ara-kolontsaina.”2

Angamba, rehefa avy mamaky izay voalaza ato ianao, dia hanaiky fa—na mpivavaka ny olona iray na tsia—ny Baiboly, fara fahakeliny, dia boky natao hovakina.

[Efajoro/Sary, pejy 3]

“Ny fahazavana ananako dia azoko tsotra fotsiny avy amin’ny famakiana boky iray. Boky iray hoe? Eny, ary boky tranainy sy tsotra izy io, tsy mizahozaho fa sahala amin’ny natiora ihany, no sady tsy manafinafin-kevitra toa azy io ihany koa ... Ary ny anaran’io boky io dia tena tsotra dia tsotra: ny boky, ny Baiboly.”—Heinrich Heine, mpanoratra alemà tamin’ny taonjato faha-19.3