Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray ho Anao Ve?

Boky Iray ho Anao Ve?

Boky Iray ho Anao Ve?

“Tsy misy farany ny manao boky maro”, hoy ny nambaran’i Solomona, 3 000 taona lasa izay. (Mpitoriteny 12:12) Mbola tsy marina toy ny amin’izao andro izao io fanamarihana io. Ambonin’ireo asa soratra tranainy malaza, dia boky vaovao an’arivony maro no atao pirinty isan-taona. Be dia be aoka izany ireo boky azo isafidianana, koa nahoana ianao no tokony hamaky ny Baiboly?

OLONA maro no mamaky boky, na ho fialam-boly na mba hahazoana fahalalana, na angamba noho ireo antony roa ireo. Afaka ny ho marina koa izany momba ny famakiana ny Baiboly. Afaka ny hamelombelona, ary hampiala voly mihitsy aza, ny famakiana azy. Mihoatra noho izany anefa ny Baiboly. Loharanom-pahalalana tsy manam-paharoa izy io.—Mpitoriteny 12:9, 10.

Ny Baiboly dia mamaly fanontaniana izay nosaintsainin’ny olombelona hatramin’ny ela be—fanontaniana momba ny fiainantsika tamin’ny lasa sy ny fiainantsika ankehitriny ary ny hoavintsika. Maro no manontany tena hoe: Avy aiza moa isika? Inona no zava-kendren’ny fiainana? Ahoana no hahitantsika fahasambarana eo amin’ny fiainana? Hisy fiainana foana ve eto ambonin’ny tany? Hoavy manao ahoana no miandry antsika?

Ny herin’ireo porofo rehetra mitambatra natolotra tato dia manaporofo mazava tsara fa araka ny marina sy azo itokiana ny Baiboly. Efa nodinihintsika fa ny torohevitra azo ampiharina ao anatiny dia afaka manampy antsika hanana fiainana misy zava-kendrena sy sambatra ankehitriny. Koa satria mahafa-po ny valin-teny omeny momba ny ankehitriny, dia azo antoka fa ireo valin-teny omeny momba ny lasa ary ireo faminaniany momba ny hoavy koa dia mendrika ny hodinihina amim-pitandremana.

Ny fomba handraisan-tsoa be indrindra

Olona maro no nanomboka namaky ny Baiboly, nefa nijanona rehefa tonga teo amin’ny tapany tsy mora azo. Raha marina izany ny aminao, dia indreto misy zavatra sasany izay mety hanampy anao.

Ny olona sasany dia manomboka amin’ny famakiana ireo Filazantsara, izay mitantara ny fiainan’i Jesosy. Ireo fampianarana feno fahendren’i Jesosy, toy izay hita ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia manome taratry ny fahafantarana matsilo ny maha olona ny olona ary manoritra ny fomba hanatsarana ny fiainantsika.—Jereo ny toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7 ao amin’ny Matio.

Ambonin’ny famakiana ny Baiboly manontolo, ny fomba fianarana araka ny foto-kevitra dia tena hanome fahalalana be. Izany dia famakafakana izay lazain’ny Baiboly momba ny foto-kevitra iray. Mety ho gaga ianao hianatra izay tena lazain’ny Baiboly momba ny foto-kevitra toy ny fanahy, ny lanitra, ny tany, ny fiainana ary ny fahafatesana, ary koa momba ny Fanjakan’Andriamanitra—ny hoe inona izy io sy hoe inona no hotanterahiny. * Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fandaharam-pampianarana ny Baiboly araka ny foto-kevitra, izay ataony maimaim-poana. Azonao atao ny manontany momba azy io amin’ny fanoratana amin’ny mpampanonta, any amin’ny adiresy akaiky anao indrindra hita ao amin’ny pejy faha-2

Rehefa avy nandinika ny porofo ny olona maro, dia nanatsoaka hevitra fa ny Baiboly dia avy amin’Andriamanitra, izay ampahafantarin’ny Soratra Masina amin’ny hoe “Jehovah.” (Salamo 83:18) Mety tsy hiaiky ianao hoe avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Nahoana anefa raha ny tenanao mihitsy no mandinika azy io? Matoky izahay fa, rehefa avy nianatra sy nisaintsaina ary angamba nahita ny hasarobidin’ny fahendrena tsy tontan’ny ela sy azo ampiharina ao anatiny, ny tenanao, dia hahita fa ny Baiboly dia tena boky ho an’ny olona rehetra tokoa, ary mihoatra noho izany aza—dia boky natao ho anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Ny boky iray izay nanampy olona maro teo amin’ny fianarana ny Baiboly araka ny foto-kevitra, dia ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.