Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fonony Aoriana

Fonony Aoriana

Fonony Aoriana

Boky Hafa Inona

• no nanan-kery teo amin’ny sasany tamin’ny zavakanto sy ny haisoratra ary ny mozika malaza indrindra eto ambonin’ny tany, no sady nisy fiantraikany lalina teo amin’ny lalàna?

• no tafita hatramin’izao, na dia teo aza ny fanaovan’ny tanan’olombelona kopia azy nandritra ny an’arivony taona maro, kanefa dia saika ilay nosoratana tany am-boalohany tanteraka no tonga atỳ amintsika?

• no nahatonga olona tsy ho tia tena aoka izany, hany ka vonona ny handia zava-tsarotra, sy hiatrika fahafatesana mihitsy aza ny sasany, mba handikana ny tenin’izy io?

• no nadika tamin’ny fiteny maherin’ny 2 100, hany ka maherin’ny 90 isan-jaton’ny fianakavian’olombelona no afaka mahazo azy?

• no manonona fahamarinana ara-tsiansa izay tsy hitan’ny olona raha tsy afaka taonjato maro tatỳ aoriana?

• no mirakitra toro lalana tsy tontan’ny ela, izay manampy ny olona avy amin’ny fiaviana ara-pirazanana sy ara-poko ary ara-pirenena rehetra, hanatsara ny fiainany?

• no mirakitra filazana mialoha mazava tsara, izay tanteraka, araka ny porofoin’ny tantara?

Tsy mendri-kodinihina ve ny boky toy izany?