Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Boky Fatra-piely Indrindra eto Ambonin’ny Tany

Ilay Boky Fatra-piely Indrindra eto Ambonin’ny Tany

Ilay Boky Fatra-piely Indrindra eto Ambonin’ny Tany

“Ny Baiboly no boky vakin’ny olona be indrindra teo amin’ny tantara. ... Betsaka kokoa noho ny boky hafa rehetra ny Baiboly voaely. Voadika imbetsaka kokoa koa ny Baiboly, ary tamin’ny fiteny maro kokoa noho ny boky hafa rehetra.” —“The World Book Encyclopedia.”1

AMIN’NY lafiny sasany, dia sahala amin’ny olona ny ankamaroan’ireo boky. Mahita masoandro izy ireo, angamba manjary malaza, ary dia mihantitra sy maty afa-tsy ny sangan’asa vitsivitsy. Ireo tranomboky matetika dia toy ny fasana ho an’ny boky tsy hita isa izay lany andro, sy tsy misy mamaky, ary maty, raha ny tena izy.

Ny Baiboly anefa dia faran’izay miavaka, na dia eo amin’ireo sangan’asan’ny haisoratra aza. Na dia 3 500 taona lasa aza izay no nanombohan’ny fanoratana ny Baiboly, dia mbola tena velona ihany izy io. Izy no boky miely patrana indrindra eto ambonin’ny tany. * Isan-taona dia Baiboly 60 tapitrisa eo ho eo, manontolo na ampahany aminy, no aely. Ny fanontana voalohany vita pirinty avy tamin’ny lohavỳ dia nivoaka avy tao amin’ny fanontam-pirintin’ilay mpamoron-javatra alemà atao hoe Johannes Gutenberg, tokony ho tamin’ny 1455. Hatramin’izay dia tombanana ho Baiboly (manontolo na ampahany aminy) efatra arivo tapitrisa no efa natao pirinty. Tsy misy boky, na ara-pivavahana na hafa, manakaiky izany isa izany akory.

Ny Baiboly koa no boky nadika imbetsaka indrindra teo amin’ny tantara. Ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy, dia nadika tamin’ny fiteny sy fitenim-paritra maherin’ny 2 100. * Maherin’ny 90 isan-jaton’ny olona no afaka manana tapany sasany amin’ny Baiboly fara faharatsiny, amin’ny fiteniny.2 Hita araka izany fa nihoatra ireo sisin-tany sy fefy ara-pirazanana sy ara-poko io boky io.

Raha antontan’isa fotsiny, dia mety tsy hanome anao antony mahery handinihana ny Baiboly. Na dia izany aza, dia mampiaiky volana ireo tarehimarika momba ny fielezan’ny Baiboly sy ny fiteny nandikana azy, ka manamarina fa manintona ny olona hatraiza hatraiza izy io. Tena mendrika ny hodinihinao ilay boky be mpividy indrindra sy nadika tamin’ny fiteny maro indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy mihevitra fa ny fatra-piely indrindra manaraka dia ilay bokikely mena fonony hoe Citations de l’œuvre de Mao Tsê-tung, izay tombanana ho 800 tapitrisa taminy no efa namidy na naely.

^ feh. 5 Miorina amin’ny tarehimarika navoakan’ireo Fikambanana Mpampiely Baiboly Mitambatra ny antontan’isa momba ny isan’ny fiteny.

[Sary, pejy 6]

Ny Baibolin’i Gutenberg, amin’ny teny latinina, no boky manontolo voalohany natao pirinty avy tamin’ny lohavỳ